Ny kolontsain'ny basy ao Jamaika, ny fiantraikany amin'ireo atao an-jorom-bàla

Sarina basy tao amin'ny Canva Pro.

Foibe ara-bolan'ny renivohitr'i Jamaika ny tanàna ambony ao New Kingston. Misy mponina iray tapitrisa eo ho eo, ny fahavitribitrihan'ilay tanàna dia  mifanindran-dàlana amin'ny fisian'ireo tsy manan-kialofana izay mivalampatra eny an-tokonan'ireo toeram-pivarotana, mangataka eny akaikin'ireo mpiasa tsara fitafy rehefa mandalo eo amin-dry zareo izy ireny. Marobe amin'ireny olona nafindra toerana ireny no mitolona miady amin'ny fiankinandoha amin'ny zava-mahadomelina na ireo olana noho ny aretin-tsaina, mihazakaza-dava manao izay hivelomana amin'ny fanasàna fiara, mikaroka toeram-piantsonana ho an'ireo mpamily, na mivarobarotra zavatra kely eny.

Tsy ela akory, tao anatin'izany toejavatra izany no nisy tranga iray niseho teo akaikin'ny banky iray. Tao anaty lahatsary iray noraketin'ny mpitazana ary naparitaka be tao amin'ny tambajotra sôsialy, eo am-pifamaliana no sady mihataka amina vehivavy iray manifinify izay tena misisika toy ny miangavy azy mihitsy ny lehilahy iray vaventy. Na tsy heno aza izay resak'izy ireo, niafara tamin'ny famoahan'ilay lehilahy ny basiny izany ary natondrony tany amin'ilay vehivavy. Io no nanakana an'ity farany tsy handroso intsony, taorian'izay ilay lehilahy dia nandeha namonjy ny fiarany ary lasa.

Niavaka fa tena nitovy daholo ny fanehoankevitra avy amin'ireo Jamaikàna mpampiasa Twitter, izay ny ankamaroany dia nanome rariny ny fihetsik'ilay lehilahy. Marobe no nanosoka hevitra hoe “mpanakorontana” sy “mahery fihetsika” ilay vehivavy, izay raha ny fahitàna azy dia tsy zoviana intsony ao amin'ilay toerana, ary hoe voarahona ilay lehilahy.

Ireo fanehoankevitra tety anaty tambajotra dia nametraka ny fiheverana hoe mety nitondra fiadiana ilay vehivavy na nanaikitra na nandrangotra an'ilay lehilahy ka nanome aretina azy. Nisy mihitsy aza ny nihevitra fa mety ho saika haka ilay basy izy, raha izay no nitranga dia nidiran-doza ilay lehilahy. Tsy nisy nitranga ireo rehetra ireo. nijoro tsy nihetsika ilay vehivavy.

Nolazain'ny pôlisy iray efa misotro ronono fa tafahoatra loatra ny fihetsik'ilay lehilahy nanoloana zava-manambana tena bitika kely:

Jereo anie ny hanifin'ny tsanganan'ilay ramatoa e, dia jereo ilay lehilahy mitam-basy mitatao amin'ilay vehivavy. Aiza no misy ny ambana? Tsy nitondra fiadiana na akora mety hanimba ilay vehivavy, araka izany, na nahzo alàlana hitàna aza izy dia tsy nisy tokony namoahan'ilay lehilahy ny basiny.

Ny hafa nihevitra fa ilay olona naka ny lahatsary no mendrika homena tsiny, tamin'ny filazana fa mbola niampy ambana hafa fanampiny ny manjo ilay lehilahy nitàna basy, satria mety ho lasibatra noho ny fanànany basy izy — fomba fijery iray niraisan'ny manampahefana ambony iray tao amin'ny seraseran'ny Jamaica Constabulary Force (JCF):

Halako ny fomba adaladala sy tsy misy saina asehon'ny olona ety anaty media sôsialy. Laviko  ny hizara an'io eny rehetra any! Mamorona kolontsaina iray isika izay tsy misy na iray aza amintsika afaka hiaina miaraka amin'izany https://t.co/EssxYaIEu4

— Dennis M Brooks (@dennisbroox) 20 Novambra 2022

Ny 21 Novambra, nohamafisin'ny Firearm Licensing Authority (FLA) fa manana fahazoan-dàlana hitàna basy tokoa ilay lehilahy hita tanaty lahatsary, ary nilazàna izy mba hitondra ny basiny sy hanao fanambaràna. Torohevitry ny  FLA, ilay masoivohon'ny governemanta tomponandraikitra amin'ny famoahana ireny fahazoan-dàlana ireny, ny fanarahamaso ny fitazonana sy fisintonana ireo fitaovam-piadiana, ary ny fanomezana fiofànana ho an'ireo manana fahazoan-dàlana, hoe ny pôlitikan'ny “fiarovana no voalohany indrindra” mba handrisihana ny hisian'ny fitandremana sy fandraisana andraikitra bebe kokoa.

Araka ny tatitra dia misy eo amin'ny 60.000 ireo nahazo alàlana hitazona basy ao Jamaika. Araka ny tatitra iray vao haingana, amin'izao fotoana izao dia misy 7.000 mahery ireo basy efa lany andro ny fahazoan-dàlana no mbola mivezivezy any. Napetrak'ilay Lalànan'ny Fitaovampiadiana amin'izao fotoana izao ao amin'ny firenena ny sazy henjana kokoa ho an'ireo mpivarotra, mpanao andrana na mpitazona fitaovampiadiana tsy nahazoana alàlana, ary hatramin'ny fepetra mafimafy kokoa ho an'ireo tompona fitaovam-piadiana nahazo alàlana, izay amporisihana tsy hampideradera ny basin-dry zareo rehefa mitondra azy ireny.

Niteraka fanontaniana hafa ilay zava-nitranga tao New Kingston — sy ireo valinkafatra nameno ny media sôsialy milaza manamarina ny fihetsik'ilay lehilahy. Efa am-polon-taona maro no tafiditra anaty tontolo pôlitika sy sôsialy ao Jamaika ny fitaovam-piadiana, nanomboka tamin'ireo korontan'ny andiantaona 1970s araka ny anehoan'ilay mpanoratra efa nahazo loka azy, Marlon James, ka hatramin'ny fampiasàna mihanaka be amin'izao fotoana izao ireo karazam-pitaovana fiadiana eny an-tànan'ireo andian-jiolahy mpanao heloka bevava. Ankoatra izay,  tafiditra ao anatin'ny kolontsaina malaza ao Jamaika ny fientanampo hànana basy, niainga avy amin'ilay sarimihetsika tamin'ny 1972  “The Harder They Come” maneho ny fiainan-jiolahy ka hatramin'ilay “gun lyrics” an'ny mozika “dancehall”, indrindra fa nandritra ny taompolo farany teo. Rehefa mandihy, mbola fomba fanao mahazatra ny “gun salutes” (fanapoahana basy)  (nefa tsy ara-dalàna) rehefa misy gadona iray ankafizina ka lalaovina.

Tanaty taratasy-misokatra iray tany am-piandohan'ity taona ity, Horace Chang, minisitry ny fiarovam-pirenena, dia nifantoka tamin'ny varotra tsy ara-dalàna fitaovam-piadiana sy ny fomba fanandratana azy io ao anatin'ny kolontsaina ao an-toerana:

Ny tsy fitoviana eny anaty fiarahamonina manoloana ny fitazonana basy tsy nahazoana alàlana no manampy amin'ny fanamafisana ny kolontsain'ny basy eto Jamaika. Amin'ny maha-fiarahamonina antsika, taraiky isika tamin'ny fanamelohana ny fitaovampiadiana tsy ara-dalàna.

Ireo olon-tsotra, tsy misy hafa amin'ireo orinasa, dia toy ny manohana ankarihary sy mankato ireo hetsika ara-kolontsaina, mozikaly indrindra indrindra, manolana sy manimba ny kolontsaina réggea-ntsika izay deraina erantany, ka lasa manome vahana ny herisetra fanaovana heloka bevava sy ny fitaovam-piadiana.  Kanefa tsy vitan-dry zareo ny mijery ny fifandrohizana misy amin'ireo hetsika sy ny taha avon'ny vono olona ary ny fifampitifirana iainan'ny fiarahamonina.

Tamin'ny volana lasa fotsiny izao, mba hisorohana ny onjan-kerisetra ao amin'ny firenena, ny governemanta dia nandràra ireo onjampeo tsy handefa ireo hira misy tonony mahery setra, ary tamin'ny lahateny iray tamin'ny Aogositra 2022, ny praiminisitra Andrew Holness dia niaiky fa, “Kolontsaina raiki-tampisaka ananantsika eto Jamaika ny kolontsain'ny basy.”

Araka izany, moa ve ny fampiasàna basy — na ny ara-dalàna aza — dia lasa toy ny fenitra ao anatin'ny fiarahamonina jamaikàna?  Noheverina ve ny sarangam-piarahamonina,  raha jerena ny marimaritra iraisana milaza hoe loza mitatao kokoa ny vehivavy kely iray tsy mikiraro raha miohatra amina lehilahy iray mitam-piadiana?

Pesta ho an'i New Kingston izany vehivavy izany. PESTA. Mila miala eny an-dalambe izy, ambany fikarakaràn'ny fanjakàna na ny ao Bellevue. Tsy azo antoka izy. Loza ho an'ny tenany sy ho antsika rehetra. Mba ho tombontsoan'ny maro voakasika amin'io, misy olona tokony hanàla azy eny an'arabe eny.

— The Sleeping Ruler (@ChampionPrezzi) 20 Novambra 2022

Ankoatry ny fiheverana hoe tokony alàna eny an-dalambe ireo tsy manan-kialofana, tsy dia betsaka loatra ny fanehoankevitra momba ny fahorian'ilay vehivavy. Tao amin'ny Facebook, ilay sehatra media sôsialy malaza indrindra eny anivon'ireo Jamaikàna, nifangaroharo be ihany ny valinteny momba ilay tranga, na misy maro aza no manohana hatrany ny fihetsik'ilay lehilahy. An-jatony maro no namaly ny ranty iray tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Loop Jamaica :

Tena araka izay tokony ho nataony no navaliny. Hitanareo ny hafainganan'ny fiverenan-tsain'ilay vehivavy sy ny nihatahany…Tsy noraharahian-dravehivavy ny fiatahany sy ny fitenenany azy mba hitsaharany. Faly aho fa tsy navelany hanakaiky azy loatra ravehivavy. Tsy azonao atao ny mihanahana manoloana ireny olona ireny […]

Raha niresaka momba ny nifanenan-dry zareo tamin'ireny tsy mana-kialofana ireny ny hafa, ity fanehoankevitra ity no tena vitsy an'isa indrindra:

Araka izany, afaka mamoaka basy isaky ny mahatsiaro ho voarahona ve ny olona??? Tsy ho ela dia toa an'i Etazonia… matim-basy no mameno tanàna. […] ADALA!!!

Tsy io irery no tranga nahitàna fa toa mibaribary ny fiparitahan'ny basy, ara-dalàna na tsia. Na maro aza ny zava-niseho tamin'ity taona ity, izay nitifiran'ny pôlisy olona tsy salama saina, izay nitarika ny fiantsoan'ny Vaomiera mpanadihady tsy miankina azy ireo hatao famotorana, milaza ny loharanom-baovaon'ny pôlisy fa tsy ny fiofànana azon-dry zareo dia tsy ahafahan-dry zareo mandray an-tànana araka ny tokony ho izy io olana io:

Raha araka ny fomba fijerinay, rehefa antsoina izahay, dia matetika avy amina olona iray mila vonjy. Tsy nofanina hanao fitiliana ara-tsaina / ara-tsôsialy (psikôsôsialy) izahay. Tsy afaka hamaritra izahay na manana olana ara-tsaina ny olona iray na tsia. Ny pôlisy dia miasa manampy ireo manampahefana  misahana ny fahasalamàna ara-tsaina eny anivon'ny fiarahamonina tratry ny teodraharaha mahatafiditra olona marary saina.

Goavana be ny fiantraikan'ny fiparitahan'ny basy amin'ireo olompirenena voahilika an-jorom-bàla. Ireo mponina avy amin'ny vondrom-piarahamonina ambany fidirambola, isan'izay ny ankizy, dia mandre feom-basy isanandro. Ny sasany milaza fa toy ny miaina fahirano izy ireo, rehefa tratry ny tifitra mifamaly ny toeram-ponenany. Voatohina amin'izany ireo ankizy mpianatra, izay mazàna no tena tratry ny dona ara-tsaina tafahoatra ka tsy mety mamonjy sekoly. Ireo tanora any anatin'ny tanàna mahantra, izay matetika tondroina ho “tanora atahorana,” dia mizàka manokana ny fiantraikan'ny heloka bevava ampiasàna basy.

Mandritra izany fotoana izany ny Firearm Licensing Authority dia manohy manao fanadihadiana momba ilay tranga tao New Kingston.

Fanavaozam-baovao, 22 Novambra 2022: nosintonina miandry izay ho tohin'ny fanadihadiana misimisy kokoa ny fahazoan-dàlana mitazona basy ho an'ilay lehilahy voarohirohy tamin'ilay tranga.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.