
Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva
Navoaka voalohany tao amin'ny OC Media ity lahatsoratra ity. Misy endrika nahitsy navoaka eto indray araka ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-botoaty.
Voadonan'ny vaovao famonoana saikim-behivavy iray hafa izay hita faty tamin'ny tanàna itatr'i Baku tamin'ny 12 marsa lasa teo indray ny vondrom-piarahamonina LGBTQI+ ao Azerbaijan. Nivezivezy teo anivon'ny vondrom-piarahamonina #LGBTQI+ ny vaovao famonoana sy ny sarin'ilay niharam-boina. Nangataka izay rehetra manana torohay fanampiny ny Minority Azerbaijan, fikambanana mpiaro ny zon'ny LGBTQI+ tamin'ny fanambaràna iray mba ho tonga ho fanampiana amin'ny fanaovana famotorana. Mandritra izany fotoana izany, milaza ireo mpikatroka LGBTQI + fa mangina ny manampahefana sy ny media ao an-toerana manoloana ity raharaha ity.
Ilay niharam-boina
Tsy dia misy zavatra fantatra firy momba ilay niharam-boina, afa-tsy ny anarany – Aytan. Araka ny voalazan'ilay mpikatroka LGBTQI+ Alex Shah izay voalohany namoaka vaovao tao amin'ny media sosialy, nampijaliana i Aytan ary novonoina avy eo. Tao amin'ny ranty iray nivoaka Meta, nilaza i Shah fa tsy nanana olona handevina ny vatany i Aytan. Niantso ny manampahefana ihany koa i Shah mba hanadihady ny raharaha.
Nilaza tamin'ny OC Media ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Atitany, Anar Gafarov, fa tsy manana vaovao momba ity raharaha ity ny ministera.
Tsy namaly ny antson'ny OC Media ny mpitondratenin'ny biraon'ny Fampanoavana, Aysel Hasanova.
Tamin'ny 21 martsa, nilaza tamin'ny OC Media i Shah fa voasambotra ny roa voarohirohy, niaraka tamin'i Aytan sy tompontany.
fanondro mitoho-bava
Nampangain'ireo queer mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona ao an-toerana ny fampitam-baovao ao an-toerana ho nangina tamin'ilay raharaha famonoana vao haingana. Nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'ny OC Media i Leyla Hasanova, avy amin'ny hetsikasa QueeRadar, izay manara-maso sy mandrakitra ireo fankahalana LGBTIQI+ ao amin'ny media Azerbaijani, nilaza hoe: “Mangina amin'ny ankapobeny ny media, ary antsoinay hoe fahanginana avy amin'ny fankahalàna izany.” Rehefa mangina ny media dia tena mavitrika amin'ny amin'ny toe-draharaha tsy mitatitra na manohana, hoy i Hasanova.
Saingy tsy mahagaga izany fahanginana izany ao amin'ny firenena iray matetika manao ho lasibatra ny olona hafahafa (queer) ho an'ny fampahalalam-baovao, araka ny filazan'i Hasanova. Raha mitanisa ny tatitry ny fanaraha-maso ny media an'ny QueerRadar tamin'ireo taona efa lasana, hoy i Hasanova, ny fitongilanan'ny haino aman-jery ao an-toerana amin'ny fitantaran'izy ireo ny LGBTQI+ dia hita mihoatra ny 70 isanjaton'ny tantara narahan'ny hetsikasa maso tamin'ny herintaona ny fitongilanana.
Tsy ny fampahalalam-baovao irery ihany anefa [mg] no toera-mangina rehefa lasibatra ny vondrom-piarahamonina LGBTQI+. Amin'ny ankapobeny, ho an'ny olona LGBTQI+ maro izay miatrika fanavakavahana sy herisetra, dia kely ny fanavotana azon'izy ireo [mg] avy amin'ny polisy na avy amin'ny fantsona ara-pitsarana ofisialy.
Ny ohatra miharihary indrindra amin'ny tsy fahavononan'ny fanjakana hanampy ny vondrom-piarahamonina queer dia ny tamin'ny taona 2021, nanao antso malalaka hanaovana herisetra amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQI+ tao amin'ny sehatra media sosialy ny bilaogera malaza Sevinc Huseynova. Tsy notezerana mihitsy izy tamin'ny fihetsiny na dia teo aza ny porofo feno [mg] fandrisihana olona hanao heloka bevava amin'ny olona queer.
Mandraka ankehitriny, mitohy ny tsy fandraisana andraikitra rehefa raharaha heloka bevava fankahalana, indrindra ireo manao ny LGBTQI+ ao amin'ny firenena ho lasibatra.
Tsy manana lahatahiry na rafitra manokana i Azerbaijan, mandrakitra ny heloka bevava nankahalàna LGBTQI. Tsy manana fiarovana ara-pitsarana iadiana amin'ny heloka bevava fankahalàna sy ny kabary fankahalana ihany koa ny firenena na dia eo aza ireo antso iraisam-pirenena teo aloha handraisana lalàna manohitra ny fanavakavahana.
Araka ny ILGA Europe, fikambanana iraisam-pirenena tsy miankina miaro ny zon'ny LGBTQ+ sy ny fahalalahana, nitana ny toerana farany tamin'ireo firenena 49 tao amin'ny Tondro Rainbow an'ny fikambanana i Azerbaijan nandritra ny taona maro izao.
Ao amin'ny ankamaroan'ny tatitra ao amin'ny firenena, nanamarika ny ILGA Europe, fa “nitohy ho olana goavana ny heloka bevava fankahalana ny vondrom-piarahamonina LGBTQI+” tao Azerbaijan nandritra ny fotoana nanaovana tatitra. Notanisain'ny tatitra ireo tranga hafa famonoana olona, ny fanafihana ara-batana ary ny fisamborana olona ao anatin'ny fiarahamonina [fikambanana].
Testamenta velona ry Aytan, Nuray, Hulya sy ireo hafa izay tsy voatantara na heno mihitsy ny anarany sy ny tantarany, fa raha tsy misy ny rafitra fiarovana fototra, dia tavela tsy hahazo rariny ireo niharan'ny fanararaotana sy fanorisorenana .