Tsy miaro ny mpanao gazety ny tontolon'ny fampahalalam-baovao any Tchad

Le siège de l'Office national des médias audiovisuels (ONAMA) du Tchad ; Photo de Jean Sovon, utilisée avec permision

 Ny foiben'ny Ofisim-pirenena momba ny haino aman-jery (ONAMA) ao N'Djamena, Tchad; Sary avy amin'i Jean Sovon, nahazoana alalana

Roa volana latsaka talohan'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 6 Mey 2024, miaina ao anatin'ny tontolon'ny fandrahonana ho faty ny mpanao gazety any Tchad, firenena izay mbola tandindonin-doza ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fanehoan-kevitra.

Tamin'ny taona 2023, nametraka an'i Tchad ho laharana faha 109 tamin'ireo firenena 180 amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny Reporters sans frontières (RSF). Misedra fandrahonana sy fameperana tokoa ireo matihanina amin’ny fampahalalam-baovao raha vao miresaka lohahevitra heverin’ny fitondrana tetezamita, izay tarihin’i Mahamat Idriss Deby, filohan’ny tetezamita nanomboka tamin’ny volana Aprily 2021 (fahefana napetraka taorian’ny nahafatesan’i Idriss Déby, filoha teo aloha) fa saro-pady.

Manana fiteny ofisialy roa i Tchad dia ny teny Frantsay sy teny Arabo. Na dia samy ampiasaina amin'ny haino aman-jery aza ireo fiteny roa ireo, dia ny teny frantsay no fiteny ampiasain'ny matihanina amin'ny haino aman-jery.  Manana fiteny 150 ampiasain'ireo mponina maherin'ny 18 tapitrisa ihany koa ny firenena.

Araka ny tarehimarika avy amin'ny Data Reportal tamin'ny volana Janoary 2023, efa ho ny ampahefatry ny mponina Tchadiana no mipetraka an-tanàndehibe, fa ny ambiny kosa mipetraka any ambanivohitra. Mijery vaovao amin'ny alalan'ny finday ny ankamaroan'ny olona.

Fandrahonana sy fampiatoana

Anisan'ny fiainana andavanandro ao Tchad ny herisetra atao amin'ny mpanao gazety. Ohatra iray mivaingana ny famonoana an'i Idriss Yaya, mpanao gazety ao amin'ny Radio Communautaire de Mongo, nisy namono tamin'ny 1 Martsa 2024 niaraka tamin'ny fianakaviany manontolo.

Ho setrin'izany famonoana izany, nanambara tao amin'ny Radio France Internationale i Serge Manassé Gotingar, sekretera jeneralin'ny Sendikan'ny mpanao gazety ao Tchad (UJT) hoe:

Nous sommes confrontés à des situations de menaces et d’insécurité un peu partout dans nos déplacements. Nous avons toujours appelé les autorités à protéger les journalistes et a assuré leur sécurité à eux et leurs familles

Miatrika fandrahonana sy tsy fandriampahalemana saika amin'izay alehanay izahay. Niantso hatrany ny manam-pahefana izahay mba hiaro ny mpanao gazety sy hiantoka ny fiarovana azy ireo sy ny fianakaviany.

Tamin'ny lahatsoratra navoaka tao amin'ny tranokalan'ny Reporters sans frontières (RSF), Sadibou Marong, Talen'ny biraon'ny RSF any Afrika atsimon'i Sahara,  nanampy hoe:

L’assassinat du journaliste Idriss Yaya et de sa famille rappelle cruellement les terribles dangers auxquels les professionnels des médias sont confrontés dans les régions du sud, mais aussi du centre du Tchad, où sévissent de fréquents conflits intercommunautaires. Les journalistes de ces régions sont régulièrement visés par des attaques physiques. Cette fois, le pire s’est produit.

Mampahatsiahy ny fomba feno habibiana ny loza mahatsiravina atrehin'ireo matihanina amin'ny haino aman-jery any amin'ny faritra atsimo ny famonoana ilay mpanao gazety Idriss Yaya sy ny fianakaviany, toa izany koa ao afovoan'i Tchad, izay misy fifandirana matetika eo amin'ny samy fiarahamonina. Ny mpanao gazety any amin'ireo faritra ireo matetika no lasibatry ny fanafihana ara-batana. Nitranga ny ratsy indrindra tamin'ity indray mitoraka ity .

Miantso ny mpitondra tetezamita handray ny andraikiny i Marong:

Il est crucial que l'enquête aboutisse rapidement à l'identification des responsabilités et au jugement de tous les responsables de ce crime odieux. Nous appelons également les autorités à prendre des mesures fortes pour protéger les journalistes exerçant dans ces zones difficiles.

Tena zava-dehibe tokoa ny famotorana haingana mba hamantarana ny andraikitra sy ny fitsarana ireo tompon’andraikitra rehetra amin’ity heloka be vava ity. Miantso ny tompon’andraikitra ihany koa izahay mba handray fepetra hentitra amin’ny fiarovana ny mpanao gazety miasa amin’ireny faritra sarotra ireny.

Vakio: Tchad: namoy ny ainy ny mpanohitra voalohany ny hery ara-miaramila, Yaya Dillo Djérou [mg]

Teorika ny lalàmpanorenana Tchadiana manandratra ny fahalalahana maneho hevitra sy ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny andininy faha-28 izay milaza fa:

Les libertés d'opinion et d'expression, de communication,
de conscience, de religion, de presse, d'association, de réunion, de circulation, de manifestations sont garanties à tous.

Azo antoka ho an'ny rehetra ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra, ny fifandraisana, ny feon'ny fieritreretana, ny fivavahana, ny asa fanaovan-gazety, ny fikambanana, ny fivoriambe, ny fivezivezena, ny fihetsiketsehana.

Eo anivon'ny andrim-panjakana, ny Fahefana Avo misahana ny Fampahalalam-baovao sy ny Haino aman-jery (HAMA) no sampan-draharaha miandraikitra ny fampandehanan-draharahan'ny fampahalalam-baovao sy ny fiarovana ny asa fanaovan-gazety, saingy matetika mivadika ny zava-misy.

Tamin'ny volana Aogositra 2023, naaton'ny HAMA nandritra ny valo andro ny gazety anjotra Alwihda Info. Voampanga ho namoaka lahatsoratra miresaka olom-panjakana izy: lahatsoratra momba ny fandroahana manamboninahitra ambony, ary lahatsoratra iray hafa momba ny filohan’ny tetezamita. Nanameloka izany fampiatoana izany ireo fikambanan'ny asa fanaovan-gazety.

Ny fahamaroan'ny fampahalalam-baovao

Ao amin'ny firenena , tsy manana ampihimamba amin'ny fampahalalam-baovao ny haino aman-jerim-panjakana mivondrona ao amin'ny Birao Nasionalin'ny Fampahalalam-baovao sy ny haino aman-jery (ONAMA) ao Tchad. Ankoatra ireo fampahalalam-baovao nasionaly ireo, ahitana fahitalavitra tsy miankina efatra sy onjam-peo tsy miankina manodidina ny enimpolo manana fandaharana isan-karazany ny tontolon'ny fampahalalam-baovao: ny radiom-piarahamonina sy mpiara-miombon'antoka toy ny FM Liberté izay mamoaka lahatsoratra momba ny fiarovana ny zon'olombelona; ireo onjam-peo ara-pivavahana tsy miankina  (Tchadiana mihoatra ny 55% no Silamo, ary mihoatra ny 40% no Kristianina); ary onjam-peo ara-barotra. Raha ny amin'ny gazety an-tsoratra indray, gazety miteny frantsay efatra amby roapolo sy miteny Arabo folo no mandray anjara amin'ny fanapariahana vaovao eo anivon'ny vahoaka Tchadiana.

Raha resaka gazety anjotra, mandrakotra ny vaovao ara-kolontsaina, ara-panatanjahantena, ara-politika ary ara-toekarena ao amin'ny firenena ny fampitam-baovao toy ny Ialtchad, Lepaystchad, Alwihda info, Tchadinfos, Le N'djam Post, Toumai web médias, Tchad-culture, Bandeinfo, Ndjamenahebdo, .

Any ivelan'ny firenena, haino aman-jery iraisam-pirenena maro no mitantara ny vaovao ao Tchad, dia ny: Jeune Afrique, Afriquexxi, ApaNews, Deutsche Welle, Radio France Internationale, Voice of America, France 24, BBC Afrique, The Conversation, Al Jazeera, Africanews. 

Anjotra

Manondro ny tatitry ny Data Reportal taona 2023 fa tafakatra 17,9% tamin'ny fiandohan'ny taona 2023 raha 27,9% ny taham-pidirana any Afrika Afovoany ny taham-pidirana amin'ny aterineto ao Tchad; manana mpampiasa aterineto 3,2 tapitrisa noho izany ny firenena.

Ao amin'ny tranonkala, ny Facebook no media sosialy tena ampiasain'ny Tchadiana izay ahitana mpampiasa 461 800. Tchadiana 154.900 no mampiasa Facebook Messenger; manana mpisera 61.400 ny Instagram ; LinkedIn ahitana mpikambana 74.000 raha manana mpisera 28.300 kosa ny tambajotra X (Twitter taloha).

Manetsika mpanjohy maherin'ny 100.000 ao amin'ny kaontiny X, sy mpanaraka 315 000 ao amin'ny pejiny Facebook i Succès Masra, mpanohitra teo aloha izay lasa praiminisitra tetezamita. Tena mahasoa azy ireo kaonty ireo amin'ny maha fantsona fanentanana azy nandritra ireo fihetsiketsehana marobe nataony hanoherana ny fitondrana teo an-toerana. Mahamat Idriss Déby kosa manana mpanaraka efa ho 100.000 izay izarany vaovao mifandraika amin'ny fitantanana ny firenena.

Eo koa ireo mpikatroka: Tahirou Hissein Dagga mavitrika ao amin'ny Facebook,  Abel Maina manana mpanjohy 25 000, Makaila Nguebla, mpanao gazety manana mpanaraka 12 000 ao amin'ny X sy 55000 ao amin'ny Facebook..

Ny fiarovana ny mpanao gazety amin'ny fanatanterahana ny asany no mbola fanamby lehibe ho an'i Tchad satria mandalo tetezamita ara-politika ny firenena izay tena mila gazety mahaleo tena sy isankarazany hiantohana ny fanarenana ara-demokratika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.