
Sary namboarina tamin'ny fampiasana Canva
Enin-taona lasa izay, nanoratra momba ny “viriosy”-n'ny asa fanaovan-gazety vaovao aho. Na dia efa taona maromaro aza no lasa, dia mbola tsy misy “anti-viriosy” iadiana amin'ny deepfakes (hosoka lalina), izay nandroso sy mihalavorary ny fanamboarana azy, ary ny dingana farany dia ny fanatsorana ny fizotram-pamokarana ireo horonan-tsary hosoka ireo. Hatramin'izao misy talenta sy fahaiza-manao sasany amin'ny programa hamokarana deepfake. Mitarika famokarana deepfake faobe ny fandrafetana fampihatra vaovao mifototra amin'ny faharanitan-tsaina voatr'olombelona (HaVO) nefa mora ampiasaina. Tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo tany Etazonia, betsaka kokoa ny “cheapfakes(hosoka mora)” noho ny “deepfake” — ny antony lehibe indrindra dia satria mora vokarina ny cheapfakes, ary afa-manao izany avokoa ny rehetra. Ankehitriny efa azo atao ny deepfakes; tena vokarina, tsy mila fandresen-dahatra sy kajikajy firy ny milaza fa, amin'ny dingana ara-tsosialy manan-danja, toy ny fifidianana, ho tena loza lehibe mitatao eo amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao ny deepfakes amin'izao fotoana izao satria mora kirakiraina kokoa ny fanamboarana, amin'ny lafiny teknolojia.
Ny atao hoe deepfakes dia votoaty hita-maso mifototra amin'ny faharanitan-tsaina voatr'olombelona ahitana olona tena izy miteny na manao zavatra tsy nataony mihitsy. Tao anatin'ny taona vitsivitsy nisiany, novokarina hanaovana fialamboly sy fanentanana hafa ny deepfakes, saingy misy ihany koa ny tranga izay manana tanjona ara-politika na ara-toekarena amin'ny fanambakàna ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny deepfakes.
Lasa mora kokoa ny mamokatra deepfakes amin'ny fotoana rehetra, ka mahamaika ny fampahafantarana azy ireo eo anivon'ny fiaraha-monina. Ohatra iray vao haingana tany amin'ny faritr'i Balkans ny lahatsary vetaveta maka tahaka ilay Albaney mpanolotra fandaharana malaza amin'ny fahitalavitra Luana Vjollca, mametraka ny tarehiny amin'ny vatana hafa tamin'ny alalan'ny fampiasana faharanitan-tsaina voatr'olombelona. Namoaka lahatsary deepfake momba ny tenany ilay mpanao gazety Albaney Blendi Fevziu mba ho fanairana, hita miteny Shinoa, Arabo, Rosiana ary Paortiogey izy ao anatin'izany lahatsary izany. Nanana horonantsary deepfake hafa navoaka tao amin'ny faritra izahay nandritra ny taona 2022, toy ilay niresahan'i Elon Musk tamin'ny teny Albaniana na Serba.
Ireo no ohatra mampiseho fa mora kokoa ankehitriny ny famokarana deepfake noho ny tamin'ny taona vitsivitsy lasa izay. Raha hitarina ivelan'ny faritra ny famakafakana, dia anisan'ny deepfake nalaza ny sarin'ilay mpilatro Amerikana malaza Bella Hadid, izay nahitana azy naneho fanohanana ny fihetsik'i Israely amin'ny ady amin'ny Hamas, izay tsy nataony akory. Nahatratra 28 tapitrisa mahery ny nijery ilay deepfake misy an'i Hadid tao amin'ny X (Twitter taloha). Miteraka loza mitatao ho an'ny fahamarinana ny fampivoarana ny teknolojia sy ny programa mora ampiasaina mifototra amin'ny faharanitan-tsaina voatr'olombelona.
Ambavahoanan'ny “fahafatesana” ny marina ankehitriny, satria, manoloana ny fitombon’ny “deepfakes” miely, vao mainka mihasarotra ny hahatakatra ny tena marina. Raha jerena ny krizin'ny fahatokisana ny media, vao mainka hiatrika fanamby ny asa fanaovan-gazety ato ho ato. Na izany aza, azo sorohana tsara amin'ny alalan'ny asa fanaovan-gazety matihanina izany rehetra izany, anarahan'ny asa fanaovan-gazety fenitra matihanina ary vaindohan-draharaha ny tombontsoam-bahoaka. Raha tsy izany, vao mainka hampitombo ny tsy fitokisana fampahalalam-baovao ny fanaovan-gazety manaitaitra sy mitady kitika (tendry) hatrany ary hitarika ny olom-pirenena hahatsapa ho tsy voaaro amin'ny zarahay azony, ka mamorona tahala ho an'ny mpisehatra hafa eo amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao. Amin'ity toe-javatra ity, mahazo tombony hatrany ireo tia miasa ao anatin'ny manjavozavo, manararaotra amim-pahaizana mamitaka, tsy mieritreritra ny vokadratsiny amin'ny fiaraha-monina.
Manokatra toko vaovao amin'ny fivezivezen'ny vaovao sy ny fifandraisana, na ho an'ny mpandefa na ho an'ny mpandray ny fanamaroana deepfakes, vokatry ny fivoaran'ny fandrafetana mifototra amin'ny faharanitan-tsaina voatr'olombelona. Noho io fivoarana haingana sy tena manan-danja io, tsy maintsy atao ny ezaka amin'ny fanamorana sy fanafainganana ny fanamarinana noho ny amin'izao fotoana.
Misy ankehitriny ny programa manampy amin'ny famantarana ity trangan-javatra ity izay mahatonga anao hiaina tsy am-pahatsiarovan-tena ao anatin'ny zava-misy sandoka, toy ny FakeCatcher sy ny Sentinel, saingy mbola tsy misy ny fitaovana (azon'ny rehetra ampiasaina maimaimpoana). Zava-dehibe ihany koa fa efa avo lenta ny fomba fitiliana hiara-mihazakazaka amin'ny fivoaran'ny deepfakes, satria mivoatra haingana dia haingana ny teknolojia manamora ny famokarana deepfakes. Amin'izao fotoana izao, dia tsy mahatratra izay mety ho fanovam-peo, singa manan-danja amin'ny fanovam-peo-sy-sary ireo sehatra ireo satria tena misy ny sary amin'ny tranga sasany, fa avy amin'ny faharanitan-tsaina voatr'olombelona kosa ny feo.
Manampy ny fiarahamonina hahay handalina kokoa amin'izay horonan-tsary aseho ny fahafantarana ny (fisian'ny) deepfake sy ny fahafantarana io trangan-javatra io. Zava-dehibe ny fitaovam-pitiliana ireo deepfakes ireo, saingy mitaky fanoloran-tena lehibe avy amin'ny isam-batan'olona sy ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena ny fanoherana ny vaovao hosoka ahahlalàn'ny fiarahamonina ny fisiana sy ny fiantraikan'ny deepfake eo amin'ny fiainana andavanandro.
Etsy ankilany, tsy ilaina ny rafitra ara-pitsarana vaovao manoloana ny deepfake satria efa misy lalàna mifehy ny votoaty mikendry hamitaka, hanaratsy, na hanimba olona, na orinasa, na fiaraha-monina amin'ny ankapobeny. Na izany aza, noho ny hafainganan'ny fizarana azy ireo, ny fiparitahany sy ny loza mety hitranga, dia zava-dehibe ny manao vaindohan-draharaha ny (ady amin'ny) deepfake.