
Tatitry ny Radio Free Asia momba ny andinin-dalàna faha-23 tao Hong Kong tamin'ny 13 Marsa 2024. Saripika: Kelly Ho/HKFP. Nahazoana alalana.
Nosoratan'i Kelly Ho ary nivoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 14 Marsa 2024. Misy dikan-teny navoaka eto ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny votoaty ifanaovana amin'ny HKFP.
Efa vonona ny hiala an'i Hong Kong ny Radio Free Asia (RFA) novatsian'i Etazonia vola, izay nampangain'ny gazety tohanan'i Beijing ho “anti-Shina” araka ny tatitry ny fampitam-baovao ao an-toerana.
Nilaza ny HK01 sy ny South China Morning Post, ankoatra ny hafa, tamin'ny 13 martsa fa hampitsahatra ny asa any Hong Kong ny RFA amin'ny faran'ny volana martsa. Hafindra any Taipei any Taiwan na Washington DC any Etazonia ny mpiasa sasany, fa ny hafa kosa esorina, hoy ny tatitra.
Nilaza i HK01, nitanisa loharanom-baovao anatiny, fa nolazain'ny orinasa tamin'ny mpiasa ny hanidian'ny sehatra fampahalalam-baovao ny sampana ao Hong Kong amin'ny faran'ny volana febroary rehefa tapitra ny fe-potoana fanontanian-kevitra momba ny Lalànan'ny Filaminam-pirenena, antsoina hoe Andininy faha-23. Manana mpiasa raikitra efatra sy mpiasa an-tselika telo na efatra izy amin’izao fotoana izao, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana.
Nanatona ny RFA ny HKFP ho fanamafisana sy ho fanehoan-kevitra.
Manana ny foibeny any Washington, DC, iray amin'ireo tambajotra dimy eloin'ny US Agency for Global Media ny RFA , sampan-draharaha mahaleo tena an'ny governemantan'i Etazonia, manana tetibola 63 tapitrisa dolara isan-taona. Nanomboka ny tolotra amin'ny fiteny kantoney tamin'ny 1998 izy io, nandefa fandaharana an'onjam-peo isan'andro sy fandefasana an-tranonkala isan-kerinandro.
Milaza ny tandrohasin'ny RFA fa tokony hijanona mahaleotena amin'ny antoko politika, vondrona mpanohitra, fikambanana an-tsesitany, na fikambanana ara-pivavahana izy io ary tsy manohana fomba fijery politika.
Nilaza tamin'ny fampahalalam-baovao anjotra Flow HK i Wu Lik-hon Tale lefitry ny RFA servisy teny Kantaoney tamin'ny volana Jolay tamin'ny herintaona fa tsy manana afa-tsy mpanao gazety mizà-draharaha, mpaka sary ary teknisianina, tompon’ andraikitra amin'ny famoahana vaovao miainga amin'ny loharanom-baovao ofisialy ny sampana any Hong Kong .
Ny mpiasan'ny RFA ampitan-dranomasina no misahana ireo tatitra saro-pady sy manakiana kokoa ny governemantan'ny Hong Kong, hoy i Wu tamin'ny Flow HK tamin'ny teny kantoney:
For example, for human rights news in the US, we primarily use a byline from the US, or we use a byline from our colleagues in Taiwan.
Ohatra, ho an'ny vaovao momba ny zon'olombelona any Etazonia, mampiasa laharana avy any Etazonia izahay, na mampiasa andalana avy amin'ny mpiara-miasa aminay any Taiwan.
Tamin'ny volana Janoary, nanakiana ny RFA ny polisin'i Hong Kong noho izy nanatsonga ny mpanao lalàna teo aloha nanao sesitany ny tenany, Ted Hui, fa tsy tokony hanome sehatra ho an'ireo “jiolahy manao fanambaràna diso” ny media vatsian'i Etazonia.
Notsongain'ilay mpanao lalàna teo aloha ho nilaza fa mila manazava amin'ny Hongkongers i Rupert Dover, manamboninahitra teraka britanika fantatra amin'ny anjara asany amin'ny maha-komandy azy nandritra ny korontana tamin'ny volavolan-dalàna taona 2019 momba ny fandefasana mankany shina tenibe (olona nosamborina), amin'ny herisetran'ny polisy tamin'ny 12 Jona 2019.
Tamin'io andro io, nitifitra baomba mandatsa-dranomaso sy bala fingotra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana nivory hanohitra ny famakiana fanindroany ilay volavolan-dalàna – fampodiana any Shina mampiady hevitra izay niteraka ny fihetsiketsehana – teo ivelan'ny Filankevitry ny fanaovan-dalàna ireo manamboninahitra.
Notsikerain'ny gazety tohanan'i Beijing ihany koa ny RFA, nampangaina ho manana “fijoroana tsy tia an'i Shina.” Nitatitra ny Wen Wei Po tamin'ny volana aogositra tamin'ny herintaona fa namoaka tatitra “manaitra ho amin'ny fampanofisana” ny fandrahonana ara-tafika an'i Shina ny RFA sy ny fampitam-baovao iray hafa tohanan'i Etazonia, Voice of America (VOA), mbamin'ny fanaparitahana tsaho momba ny miaramila Shinoa.
Nofelahan‘ny Ta Kung Pao ihany koa ny RFA sy ny VOA tamin'ny Janoary, fa hoe namokatra vaovao be dia be “manaratsy ny lazan'i Shina”.
Hitan'i Li Jingjing, mpanao gazety avy ao amin'ny CGTN vatsian'ny fanjakana Shina, ny fanakatonana ny biraon'ny RFA ao Hong Kong ho fandresen'ny lalàna andininy faha-23 :
Radio Free Asia will be fleeing Hong Kong! Lol
One good reason why HK needs Article 23 National Security Law!More info about RFA from @NuryVittachi:
Radio Free Asia was originally set up by the CIA, and is listed in historical US government documents under the “Propaganda… pic.twitter.com/8oCF8Q8Nyk— Li Jingjing 李菁菁 (@Jingjing_Li) March 13, 2024
Handositra an'i Hong Kong ny Radio Free Asia! Tpt
Antony iray tsara fa ilain'ny HK ny Andininy faha-23 Lalàna momba ny Fiarovam-pirenena!Fanazavana fanampiny momba ny RFA avy amin'i @NuryVittachi:
natsangan'ny CIA tany am-boalohany ny Radio Free Asia, ary voatanisa ao amin'ny dosie ara-tantaran'ny governemantan'i Etazonia eo ambanin'ny “Propaganda…
Tamin'ny Febroary 2022, nampiato ny fandaharana sy fanehoan-kevitra sasany amin'ny teny kantoney ny RFA, noho ny fiahiahiana momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety any Hong Kong sy ny “tsipika mena” napetraky ny lalànan'ny fiarovam-pirenena.
Nihanihintsana i Hong Kong eo amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety iraisam-pirenena hatramin'ny nametrahana ny lalànan'ny fiarovana. Tanisain'ny Kiadin'ny fahalalahan-gazety ny fisamborana mpanao gazety, ny fanafihana efitrano famoaham-baovao ary ny fanakatonana ny fampitam-baovao manodidina ny folo, anisan'izany ny Apple Daily, Stand News ary ny Citizen News. Mpanao gazety maherin’ny 1.000 no very asa, raha maro kosa no nifindramonina. Mandritra izany fotoana izany, ny fampielezam-peo RTHK vatsian'ny governemanta ao an-tanàna naka toromarika zotran-dahatsoratra vaovao, namafa ny tahiriny ary nanafoana ny vaovao sy ireo fampisehoana maneso.
Nilaza ny Lehiben'ny mpanatanteraka John Lee, tamin'ny taona 2022, fa “ao am-paosin'ny” HongKongers ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, saingy “tsy misy ambonin'ny lalàna”. Na dia nilaza tamin'ny mpanao gazety aza izy mba “hilaza tantara tsara momba an'i Hong Kong”, dia nisalasala ireo departemantan'ny governemanta hanao izany.