‘Tek sleep and mark death': Tantara fampitandremana ny fianahan'ny menaka mainty ao Tobago

Kisary nasongadina hita Canva Pro.

Avy amin'i Theresa Rodriguez-Moodie

Ny lahatsoratra etoana dia nivoaka voalohany tao amin'ny Jamaica Gleaner ary nahazoana alalana ny famoahana azy eto indray.

Niteraka fiparitahan'akora mitovitovy amin'ny menaka/solika ny fivadihan'ny sambo iray tamin'ny 7 Febroary tany amin'ny morontsiraka atsimon'i Tobago ka nahatonga ny Praiministra ao Trinidad sy Tobago, Keith Rowley, hanambara ny hamehana nasionaly.

Nasehon'ny sary mampahory ny fotaka mainty matevina ao amin'ny morontsirak'ilay nosy, mandrakotra ny tora-pasika midadasika sy ny ala honko. Natao ny antso maika ho an'ireo mpilatsaka an-tsitrapo hanampy amin'ny ezaka goavana fanadiovana, raha miomana amin'ny mety hihoaran'ny fiparitahan'ny solika ivelan'ny morontsirak'i Tobago ireo firenena mpifanolo-bodirindrina .

Zava-dehibe ny manamarika fa manana drafitra nasionaly hifehezana ny fiparitahan'ny solika i Trinidad sy Tobago ary manana traikefa mihoatra ny zato taona amin'ny indostrian'ny solika sy ny etona.

Mandritra izany fotoana izany, any Guyana, nahitan‘ny [mg] vondron'orinasa tarihin'ny ExxonMobil tahirin-tsolika sy etona makadiry ao ambanin'ny fari-dranomasiny. Vinavinaina ho afa-mamokatra 1,2 tapitrisa barika isan'andro ny firenena amin'ny taona 2027 na 2028. Manondro anefa ny tomban'ny traika amin'ny tontolo iainana (EIA) fa raha vao misy fiparitahana na fipoahana fatsakan-tsolika, dia handravarava faritra midadasika any Karaiba, manomboka any Trinidad, ny voka-dratsiny, mahazo an'i Antilles Kely, Jamaika, ary ny Repoblika Dominikana.

Hanimba ny voaritontolo amorontsiraka, fotodrafitrasa, fizahantany, jono, fandehanana an-tsambo, ary asa ara-toekarena hafa mamelona ny firenena izany, ka hampidi-doza ny toe-karenan'ny firenena nosy maro.

Lalina dia lalina ny fantsakan-tsoliky ny ExxonMobil mbola miasa any Guyana, hita any amin'ny halalin-drano 1.500–1.900 metatra ao anatin'ny Bolongana Stabroek. Mampitombo risika ara-tontolo iainana ny fantsakan-tsolika toy izany, araka ny nasehon'ny loza BP Macondo tamin'ny taona 2010, izay nianahan'ny solika sy etona efa ho dimy tapitrisa barika tao amin'ny Hoalan'i Meksika nihoatra ny 87 andro.

Nanoratra ireo ahiahy ireo tamin'ny praiminisitra Andrew Holness, izay mitarika ny National Disaster Response Mechanism (NDRM) ao Jamaika, ny Jamaica Environment Trust (JET). Tsy mbola nisy valiny izany hatramin'izao.

Manoloana ireo loza ireo, ilaina ny fampahafantarana ny vahoaka momba ny Drafitrasam-pirenen'i Jamaika amin'ny fiparitahan'ny solika, izay nankatoavina tamin'ny taona 2014 ary mandrakotra ny fari-dranomasin'i Jamaika sy ny morontsirak'i Jamaika (Faritra Mifanandrify sy Faritra Ara-toekarena Manokana).

Tondroin'ny drafitra ihany koa ny fianahan'ny solika an-tanety, anisan'izany ny rano rehetra izay mety mifindra na misosa any amin'ny rano amorontsiraka.

Mipoitra ny fanontaniana lehibe: Manana fitaovana sahaza ve i Jamaika hanalefahana ny fiantraikan'ny fiahan'ny solika? Nandrindra ny drafi-piatrehana ny voina amin'ny an'i Guyana ve i Jamaika, raha jerena ny mety ho fiantraikan'izany eo amin'ny sisintany ifanolorana? Oviana ny fanazarantena farany ho an'ny mpiasa mpandray anjara amin'ny fiatrehana ny voina?

Milaza ny Drafi-pirenena fa tokony hatao tsy tapaka (farafahakeliny indray mandeha isaky ny roa taona) ny fanazaran-tena nasionaly sy ny sarimboina (fa tsy sarinady) hitsapana ny drafitra. Raha heverina fa efa 10 taona ny drafitra ary efa mihalehibe kokoa ny loza mety hitranga amin'ny fiparitahan'ny solika, misy ve ny drafitra hanavaozana izany mifanaraka amin'ny fanombanana ny fanazaran-tena sy ny sarimboina (izany hoe isaky ny roa taona) na ho setrin'ny tranga mihoatra ny faritra iandraiketany?

Tantara fampieritreretana ny voina tao Tobago. Andeha hoekentsika ireo loza lehibe ireo ary handraisana fepetra hentitra hiarovana ny tontolo iainana sy ny toekarentsika.

Theresa Rodriguez-Moodie dia Filoha Tompon'Andraikitra Mpanatanteraky ny Jamaica Environment Trust. ny “Tek sleep and mark death” dia ohabolana Jamaikana hananganana saina mena: Mitandrema ary raiso naoty ny marika fampitandremana manondro anao amin'ny zava-doza tsy misangy hoavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.