Mbola mizaka valan'aretina ny zokiolona tsy manan-kialofana ao Bangkok

Ruea, 65, became homeless about losing her business during the pandemic.

Ruea, 65 taona, lasa tsy manan-kialofana noho ny fahaverezan'ny orinasany nandritra ny valan'aretina. Sary sy fanazavana avy amin'i Prachatai. Nahazoana alalana.

Ny Prachatai, tranonkalam-baovao tsy miankina iray ao Thailandy no namoaka voalohany ity lahatsoratra nosoratan'i Sarah Eichstadt ity. Navoakan'ny Global Voices indray araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty ny dika nasiam-panovana.

Nitombo ny isan'ny tsy manan-kialofana ao Bangkok nanomboka tamin'ny valan'aretina COVID-19. Maro amin’ireo olona vaovao tsy manan-kialofana ireo no zokiolona. Nambaran’ny mpisolovava sy ny manampahaizana amin'izao fotoana fa vahaolana iray amin’izao fitomboan'ny krizy izao ny fampiakarana ny fisotroan-drononon’ny zokiolona. Mandritra izany, mety hanampy amin'ny ady amin'ny tsy fahamarinan-toeran'ny fialofana ny fametrahana hetra amin'ny harena.

Rehefa namely ny valan'aretina, very orinasa sy  hany loharanom-bolany i Ruea, 65 taona, ka nanosika azy ho amin'ny tsy filaminana ara-bola sy trano fonenana.

Talohan'ny COVID-19, nivelona mahaleotena tamin'ny fivarotana vokatra asan-tanana tao Khao San Road, toerana lehibe falehan'ny mpizaha-tany ao Bangkok izy, ary afaka nahazaka izay nilainy. Saingy natsimbadiky ny valan'aretina ho tsy ho azo atao intsony ity karazana asa ity.

Nahita fiakarana 30 isanjato tamin'ny isan'ny tsy manan-kialofana ao an-tanàna tamin'ny taona 2022 raha oharina amin'ny taha talohan'ny valan'aretina ny lahatsoratra iray ao amin'ny Bangkok Post.

Na dia mbola mitombo aza ny fizahan-tany any Bangkok, tsy manam-bola na fitaovana hamelomana indray ny orinasany i Ruea. Mahita toerana vaovao hatoriana izy isak’ alina, indraindray mijanona any amin'ny namany, indraindray irery. Nilaza i Ruea fa indraindray izy dia mahatsapa ho marefo sy tsy azo antoka rehefa irery amin'ny alina.

Na dia nampiantranoina aza ankehitriny ireo olona maro sahirana tamin'ny trano hipetrahana nandritra ny valan'aretina, dia mbola betsaka ny filàna. Mampitombo isan'olona tsy manantrano ny politikan-karena, ny fanorenan-tranom-panankarena manilika ireo efa nonina teo taloha ary ny politkan'ny asa ao Bangkok.

Fisotroan-dronono ho an'ny beantitra

Tahaka ireo zokiolona maro hafa ao Bangkok, ny hany loharanom-bola ho an'i Reua dia fisotroan-dronono THB 600 (16.7 dolara amerikana) isam-bolana avy amin'ny governemanta. Tsy ampy ny fidiram-bolany hanofàna trano. Mba hanampiany ny tenany, hilahatra haka ny iray amin'ireo sakafo maimaim-poana 500 zarain'ny Bangkok Community Help Foundation isan'andro izy.

Araka ny politikan'ny fisotroan-drononon'i Thailandy amin'izao fotoana izao, mitombo arakaraka ny taona ny taham-pisotroan-dronono. Ireo 60-69 taona dia mahazo THB 600; Ny 70-79 taona dia mandray THB 700 (19.5 $ US); Ny 80-89 taona dia mahazo THB 800 (22.3 $ US), ary ireo mihoatra ny 90 dia mahazo THB 1.000 (27,8 $ US).

Iray amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo mizara sakafo isan'andro i Friso Poldervaat, mpanorina ny Bangkok Community Help. Miaiky izy fa tsy vahaolana maharitra amin'ny olan'ny tsy manan-kialofana ny fanomezana ary nilaza izy fa mila fanovana politika mba hampitomboana ny fiarovana ara-ponenana ao Bangkok.

Ny fiovana lehibe indrindra, hoy i Poldervaart, dia ny fampitomboana ny fisotroan-dronono ho an'ny zokiolona ho THB 3000 ( 83.6 dolara) isam-bolana.

Nilaza i Ruea fa raha tafakatra 3.000 baht isam-bolana ny fisotroan-dronono, dia hanana vola ampy hivelomana sy hividianana sakafo sy trano fonenana izy.

“Hidika izany fa be antitra maro no tsy hiafara eny an-dalambe. Any no ahafahan'ny governemanta manao hetsika lehibe, ”hoy i Poldervaart.

Tsy matoky anefa i Poldervaart fa hiova ny politikan'ny fisotroan-dronono. Na dia fampanantenana natao tamin’ny fampielezan-kevitra nandritra ny fifidianana maro aza izany, dia mbola tsy nampiharina.

Nilaza i Sustarum Thammaboosadee, mpampianatra mpiara-miasa ao amin'ny Oniversite Thammasat, fa ny fampiakarana ny fisotroan-dronono isam-bolana dia tsy vitan'ny hoe mahasoa ireo zokiolona mahazo izany fa ireo sokajin'ny mpiasa izay mamelona fianakaviana zokiolona koa. Hoy izy:

I believe that if we have the proper pension scheme, it will not only help us to avoid the problem of homelessness. We have an ageing society and once you give pensions to elderly people … you also help working people.

Mino aho fa raha manana rafitra fisotroan-dronono sahaza isika, dia tsy vitan'ny hoe manampy antsika hiala amin'ny olan'ny tsy fananan-trano izany. Manana fiaraha-monina efa antitra isika ary rehefa manome fisotroan-dronono ho an'ny beantitra ianao… dia efa manampy ny olona miasa koa.

Araka ny voalazan'i Sustarum, maherin'ny 70 isanjaton'ny zokiolona ao Thailandy no tsy manana fahaleovantena ara-bola ary miantehitra amin'ny zanany aorian'ny fisotroan-dronono.

Rehefa nandinika ny fahafaha-manatontosa ara-toekarena amin'ny fampiakarana ny fisotroan-dronono, nanatsoaka hevitra izy fa azo tanterahana izany amin'ny lafiny toekarena.

Miankina betsaka amin’ny governemanta anefa ny fampiharana. Nanao fanentanana hampiakatra ny fisotroan-dronono ho 3000 baht ny Antoko Mandrosoa. Mino i Sustarum fa raha navela hanangana governemanta izy, dia efa niakatra ny fisotroan-dronono.

Nampiany ihany koa fa tsy vitan'ny hoe manampy amin'ny famahana ny tsy fananan-trano sy manamaivana ny enta-mavesatra zakain'ireo mikarakara ireo zokiolona ao amin'ny fianakaviana ny tombotsoa ara-tsosialy hafa, fa manampy koa ny fianakaviana hitazona ny firaisankinany.

“Lasa marary ny ray aman-dreny ka tsy afaka miasa. Indraindray lasa enta-mavesatra izy ireo, fa any Azia, tsy maintsy manaiky izany isika.

Mpiasa an-tselika

Raha nivelona tamin'ny fivarotam-bokatra i Ruea, dia mpikambana tao amin'ny asa an-tselika izy, mpiasa “tsy ara-dalàna” tsy manana fidiram-bola raikitra.

Ankoatra ny mpamboly sy ny mpiasan'ny varotra, izay tafiditra ao anatin'ity sokajy ity ihany koa, dia nanondro ny “taranaka vaovao” mpiasa an-tselika izay miasa tena amin'ny fandrafetana haikajy (programming), hairavaka (design) ary sehatra hafa i  Sustarum. Maherin'ny 60 isanjaton'ny mpiasa Thai ankehitriny no voalaza fa tafiditra ao anatin'io sokajy io.

Mora iharan'ny tsy filaminana ara-ponenana ny mpiasa toy izany satria tsy azo antoka ny fidiram-bolany. Mety kely ihany koa ny fahazoan'ireo tolotra fiahiana ara-tsosialy noho ny fahaleovantenan'ny asany. Hita fa tena marina izany nandritra ny areti-mifindra.

Rehefa very asa izy ireo, dia tsy mahazo renivola ary tsy manana fidiram-bola tsara tombina. Araka ny nomarihin'i Sustarum, “Tsy manana tambajotra ara-tsosialy izy ireo. Tsy fantatr’izy ireo hoe iza no hangatahana fanampiana.”

Ny fitomboan'ny asa eo amin'ny sehatra tsy ara-dalàna miaraka sy ny fisondrotry ny vidim-piainana no manasarotra ny fahatakaran'ny maro fialofana ao Bangkok. Manantena ny hahita tsy manan-kialofana bebe kokoa any amin'ny tanàna itatr'i Bangkok i Sustarum, manazava fa miala ny tanàndehibe ny olona vokatry ny fanorenan'ny mpanana trano lafovidy sy ny fiakaran'ny vidim-piainana ao afovoan-tanàna.

Mba hiadiana amin'ireo anton-javatra ireo sy hahazoana fiarovana bebe kokoa ara-ponenana, dia manolo-kevitra ho an'ny governemanta izy mba hametraka hetran-karembe, satria mino izy fa hahatonga an'i Thailandy hampiasa tany sy loharano bebe kokoa ho an'ny trano taka-bidy izany.

Raha tsy misy ny fanavaozana toy izany, hoy i Sustarum, “hanosika ny olona ho eny an-dalambe” ny vidin'ny trano fonenana, ny tsy fahampian'ny firaisankinam-piarahamonina, ny fidiram-bola ambany ary ny tsy fisian'ny fiahiana ara-tsosialy.

Taranaka vaovao

Nomarihin’i Poldevart, Eoropeanina mpifindra monina, fa “any Tailandy, ahilikilika ho kamo mpidoroka zava-mahadomelina ny tsy manan-kialofana.”

Araka ny voalazan'i Sustarum, an'ny taranaka zokiolona izany toe-tsaina izany. Mahita izany miova eo anivon’ny tanora tanora ankehitriny izy. “Amin'izao fotoana izao, raha manontany an’io fanontaniana io amin’ny mpianatry ny oniversite ianao, dia hilaza izy ireo fa tsy fahadisoany izany. Noho ny rafitra ara-tsosialy no anton’izany.”

Mety ho fitaovana mahery vaika ho an'ny fanavaozana ara-tsosialy ny fiovan'ny taranaka .

Sarotra saingy tsy voatery ho tsy azo tanterahana ny mametraka hetran-karena sy ny fampiakarana ny fisotroan-dronono. Manondro ny fahombiazan'ny Antoko Mandrosoa amin'ny fifidianana, izay nanomboka tamin'ny “hetsi-bahoaka” i Sustarum. Mino ihany koa izy fa ilaina ny hetsiky ny vahoaka.

“Mino aho fa mbola ilaina ny hetsi-panoherana sy hetsika faobe ataon'ny fiarahamonim-pirenena mba hampandeha ny politika… raha miandry antoko politika hiasa ho anao fotsiny ianao dia tsy hahazo na inona na inona.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.