Hira vaovao ‘Ny tsiambaratelon'i Neny’ manasongadina ireo reny mpikatroka manohitra ny adin'i Rosia

Ilay mpihira Monetochka manosika posetin-jazakely. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube tao amin'ny fantsona YouTube Monetochka. Fampiasana ara-drariny.

Namoaka hira ho fanomezam-boninahitra ny Andron'ny Vehivavy Iraisampirenena mitondra ny lohateny hoe “Manana tsiambaratelo i Neny”, ilay mpihira Rosiana Monetochka  (Liza Gyrdymova), izay monina any an-tsesitany rehefa nanani-bohitra feno an'i Okraina i Rosia tamin'ny volana Febroary 2022,

Renim-pianakaviana avokoa ireo vehivavy hita tao amin'ny lahatsarin'ny hira, sy i Monetochka tenany, ary ahitana ihany koa ireo mpikatroka malaza sy sahy miteny izay manohitra ny ady sy ny fitondrana Rosiana ankehitriny.

Ahitana toy izao ny tononkira sasany:

Научила в домино играть меня. Починила колесо у самоката. И на холоде стояла у Кремля. С неприличным и двусмысленным плакатом. Моей маме приезжать нельзя в Чечню. И при бабушке шутить плохие шутки. Но мою маму посадить нельзя в тюрьму. Потому что я совсем ещё малютка

Nampianatra ahy nilalao daomy izy, Nanamboatra ny kodiaran'ny scooter-ko. Ary nijoro tao anaty hatsiaka tao Kremlin, nitondra afisy tsy mendrika sy tsy mazava. Tsy afaka mankany Chechnya ny reniko. Ary ratsy raha ivazivaziana eo anatrehan'i renibe. Fa tsy azonao atao ny managadra ny reniko. Satria mbola zaza kely aho.

Ny lahatsary navoaka ahitana ireo mpanao gazety tahaka an'i Katerina Gordeeva, izay manana ny fantsona YouTube manokana mpanohitra malaza ary monina an-tsesitany amin'izao fotoana izao, Anna Mongait, mpanao gazety ao amin'ny TV Rain ho an'i Rosia, voarara ao Rosia, Tatiana Lazareva, mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra  izay tahaka ireo vehivavy hafa amin'ny lisitra, naneho ny fijoroany hentitra manohitra ny ady ary miaina any an-tsesitany, ary Nadya Tolokonnikova, mpikambana ao amin'ny Pussy Riot izay nandany taona maro an-tranomaizina ary manohitra mafy ny ady sy ny fitondran'i Potinina. Mampiseho ireo mpilalao sarimihetsika malaza toa an'i Chulpan Khamatova izay misongadina amin'ny lahatsary sy tantara an-tsarimihetsika manohitra ny ady, any an-tsesitany amin'izao fotoana izao, Varvara Shmykova, izay mijoro manohitra ny ady ihany koa ary voatery nandao ny asany sy ny fireneny noho izany, ary Maria Shalaeva izay nogadraina niaraka tamin'ny zanany lahy noho ny famoriam-bahoakan'ny mpanohitra ary tsy maintsy nandao an'i Rosia. Ahitana ilay mpanao politika Yekaterina Duntsova, izay niezaka hifaninana tamin'i Potinina tamin'ny fifidianana ho avy ary mijoro manohitra ny ady (mbola any Rosia izy), ny mpisolovava Mari Davtyan, izay miady amin'ny herisetra an-tokantrano any Rosia, ary Yulia Vanalnaya, mananotena navelan'ilay mpanao politika mpanohitra Alexei Navalny.

Nadya Tolokononokiva sy ny zanany vavy. Hoy ny afisy: ho avy hanao fihetsiketsehana aho, mba hamela an'i Neny handeha. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube tao amin'ny fantsona YouTube Monetochka. Fampiasana ara-drariny.

Nilaza tao amin'ny kaontiny Instagram i Monetochka tenany hoe:

В последние два года появилось много новых историй о сильных, смелых, умных женщинах, противопоставляющих себя войне и смерти. Знаю, что их много не только в этом клипе, но и среди моих слушательниц. Не все истории получают широкую публичную огласку, но каждая из них точно делает мир лучше. Мы сильны, мы можем свирепо защищать свою семью, бесстрашно бороться за свою страну и поддерживать друг друга как сестры – вот что я узнала о женщинах за последние годы. Я счастлива быть одной из вас, я счастлива быть «как все остальные девчонки», потому что остальные девчонки – просто супер. С 8 марта, люблю, поддерживаю вас и равняюсь на вас.

Tao anatin'ny roa taona, tantara vaovao maro no nipoitra momba ny vehivavy matanjaka, be herim-po ary manan-tsaina manohitra ny ady sy ny fahafatesana. Fantatro fa maro izy ireo tsy ao anatin'ity horonantsary ity fa kosa anisan'ireo mpihaino ahy ihany koa. Tsy ny tantara rehetra no manintona ny sain'ny besinimaro, fa ny tsirairay dia tsy isalasalana fa mahatonga an'izao tontolo izao ho toerana tsara kokoa. Matanjaka isika, afaka miaro mafy ny fianakaviantsika, miady tsy amin-tahotra ho an'ny firenentsika, ary mifanohana toy ny mpirahavavy – izany no nianarako momba ny vehivavy tato anatin'ny taona vitsivitsy. Faly aho fa anisanareo, faly aho fa “tahaka ny zazavavy rehetra”, satria mahagaga fotsiny izao ny ankizivavy hafa. Arahabaina nahatratra ny 8 martsa, tiako ianao, manohana anao ary miandrandra anao aho.

Maherin'ny 800.000 ny mpijery amin'izao fotoana izao ao amin'ny fantsona YouTube ofisialin'i Monetochka.

Araka ny tatitry ny Radio Liberty, niloa-bava nanohitra ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina i Monetochka ary nandao an'i Rosia tamin'ny fararano taona 2022. Tamin'ny volana Janoary 2023, nampidirin'ny Minisiteran'ny Fitsarana Rosiana ho ao anatin'ny lisitr'ireo antsoina hoe mpitsikilon'ny vahiny i Monetochka. Nilaza ny minisitera fa manangom-bola ho an'i Okraina izy. Naneho hevitra ao amin'ny Telegram momba ny fampidirana azy ao amin'ny lisitra ilay mpihira tamin'ny teny hoe “oh eny!!!”

Tafiditra ao anatin'ny lisitry ny mpiangaly mozika voararan’ny governemanta ihany koa i Monetochka. Tamin'ny volana Febroary 2024, voalaza fa namoaka ny lisitra nohavaozina misy ireo mpiangaly mozika voaràra nalefa tany amin'ireo mpamokatra sy mpampiroborobo hira ny tompon'andraikitra ao amin'ny Fitantanan'ny Filohan'i Rosia. Ahitana mpanakanto sy tarika Rosiana miisa 77 izany ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.