Topimason'ny tontolon'ny media ao Tanzania

Titus Mlengeya, Minisitry ny fiompiana omby sy osy aman'ondry ary fanjonoana ao Tanzania rehefa nanokatra ny biraon'ny Ivotoeram-Pikarohana Iraisampirenena momba ny omby sy ondry aman'osy (ILRI) ao Dar es Salaam tamin'ny 13 jona 2014. Image avy amin'ny ILRI tao amin'ny Flickr (CC BY-ND 4.0 DEED).

Afaka mirehareha amin'ny fahavitrihan'ny haino-vaky-jery isan-karazany na avy amin'ny famoaham-baovaom-panjakana na avy amin'ny tsy miankina i Tanzania, firenena Afrikana Atsinanana ao amin'ny faritr'ireo Farihy Lehibe Afrikana.

Ny fananany mponina maherin'ny 66 tapitrisa, sy fiteny ifampiresahana 126, no mahatonga azy ho firenena maro fiteny indrindra ao Afrika Atsinanana. Mipetraka any ambanivohitra ny ankamaroan'ny mponina ao Tanzania. Araka ny nasongadin'ny Data Reportal, 37 isanjaton'ny mponina ao amin'ny firenena no nipetraka antanandehibe tamin'ny taona 2023, raha 63 isanjato kosa no nipetraka tany ambanivohitra.

Na dia tsy misy aza ny fiteny ofisialy voatondro ara-dalàna, dia mitana ny satan'ny tenim-pirenena ny swahili. Manana anjara toerana lehibe ny teny anglisy amin'ny varotra ivelany, diplaomasia sy fitsarana ambony ary io no teny ampianarana any amin'ny ambaratonga faharoa sy ambony. Fanampin'izany, ny teny arabo no ampiasaina any Zanzibar, vondronosy iray ao amin'ny Ranomasimbe Indianina.

Amin'ny teny swahili sy anglisy no tena be amoaham-baovao sy ampielezam-peo ao Tanzania. Tonga any amin'ny besinimaro Amin'ny alàlan'ny media anjotra sy printy isan-karazany, an'onjam-peo, fantsona fahitalavitra ary amin'ny sehatra media sosialy no ahazoan'ny vahoaka ny torohay iankian'ny aina. Fehezin'ny Fahefana mpandrindra ny fifandraisana ao Tanzania ireo rehetra ireo.

Ny seha-pampahalalam-baovao an'onjampeo no tena mibahan-toerana sy be mpitia indrindra ao Tanzania fa ahitana fantsona onjam-peo 183 ao ary miankina aminy ho loharanom-baovao voalohany isan'andro ny 45 isanjaton'ny mponina.

Tokotokony ho 229 ny isan'ny gazety, 22 ny bilaogy sy vaovao anjotra ao Tanzania. Ny Daily News, gazety tranainy indrindra sy be mpividy indrindra amin'ny teny anglisy an'ny fanjakana no mifameno amin'ny mitovy aminy fa amin'ny fiteny Swahili antsoina hoe Habari Leo. Ny malaza indrindra amin'ireo tsy miankina kosa indray dia ny The Citizen (fiteny aglisy) sy Nipashe (fiteny swahili).

Habari Leo, no mitarika amin'ny sehatra ankihy amin'ny fananany mpanjohy maherin'ny 521.000, manaraka azy kosa ny Citizen (mpanjohy 446.000), Nipashe (237.000) ary ny Daily News (mpanjohy 2500). Ao amin'ny X (Twitter taloha), manana mpanjohy 305.000 ny Citizen, nihoatra an'i Nipashe tamin'ny mpanjohy 205.100, Habari Leo manana mpanjohy 166.100 ary ny Daily News manana mpanjohy 92.800. Manavatsava ny Instagram indray, mbola mamiratra ny Habari Leo manana mpanjohy maherin'ny 313.000, raha manana mpanjohy 137.000 ny Nipashe, 41.300 ny Citizen ary 14.400 ny Daily News. Ao amin'ny YouTube, Habari Leo irery ihany no mahangona mpanjohy maherin'ny 1 tapitrisa.

Tanzania Broadcasting Corporation (TBC) no hany fahitalavitra an'ny fanjakana ao Tanzania. Mitotaly 43 ny fantsona fahitalavitra, an'olon-tsotra ny ankamaroany. Ayo TV sy Global TV online no fahitalavitra malaza indrindra an'ny tsy miankina, manana mpamandrika 4,91 tapitrisa sy 4,66 tapitrisa araka ny filaharany ao amin'ny YouTube. Manana fijoroana ao amin'ny Instagram (mpanjohy iray tapitrisa), YouTube (367.000) ary X (111.300) ihany koa ny TBC. Saika amin'ny fiteny swahili avokoa ny fampahalalam-baovao amin'ireo fahitalavitra ireo. Anisan'ny fahitalavitra tsy miankina ny Star TV, TV 1 ary ny TVZ.

Eo amin'ny sehatra maneran-tany indray, mahazo vaovao avy amin'ny fampahalalam-baovao iraisampirenena maromaro i  Tanzania, anisan'izany ny Voice of America, The Conversation, the Independent, Okayafrica, Al Jazeera, France 24, Radio France Internationale, The Guardian, Africanews ary BBC Africa.

Araka ny tatitry ny DataReportal tamin'ny taona 2023, dia 31,6 isanjato ny fidirany aterineto ao Tanzania, midika izany fa manodidina ny 68,4 isanjaton'ny mponina no mijanona ivelanjotra tamin'ny fiandohan'ny taona. Ny 7,4 isanjaton'ny mponina ihany no mavitrika mampiasa media sosialy, ka Facebook (mpisera 3,8 tapitrisa) sy  Instagram (mpisera 2,45 tapitrisa) no sehatra be mpampiasa indrindra.

Manaraka azy ireo ny Linkedin (1,1 tapitrisa), Facebook Messenger (1,09 tapitrisa) ary Twitter (594,800).

Mikasika ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety indray, araka ny nasongadin'i Daniel Ominde Okoth, nidina toerana 53 ny laharan'i Tanzania eo amin'ny Tondro Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazetin'ny Reporters Sans Frontières (RSF) tamin'ny taona 2016. Tamin'ny taona 2023 ny RSF nametraka an'i Tanzania ho faha-143 amin'ny firenena 180, fidinan-daharana 20 raha oharina amin'ny laharana faha-123 tamin'ny herintaona.

Manamarika ihany koa ny Reporters Sans Frontières fa maro ny seha-baovao no politisiana na olo-manandaza no tompon'ny seha-baovao, ka mahakitika ny fahaleovantenana ara-panoratan-dahatsoratra ary mitarika ho amin'ny fitongilanam-baovao.

Nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny taona 2015,  nosakanan’ny governemanta tsy idirana hatrany ireo torohay tazonin'ny fanjakana ho amin'ny tombontsoan’ny besinimaro, indrindra amin’ny resaka fiarovana na fampandrosoana.

Taorian'ny fahafatesan'ny Filoha John Pombe Magufuli tamin'ny Marsa 2021, nanao fianianana ny filoha lefitra Samia Suluhu Hassan hamita ny ambin'ny fe-potoam-piasan'i Magufuli efa-taona. Niatrika fiampangana ny governemantan'i Magufuli fa hoe mamoritra ny fanoherana tamin'ny alàlan'ny lalàna mametra ny famoriam-bahoaka, mampiato gazety ary mandrahona fampitam-baovao. Fanampin'izay, nanakiana ny governemanta ireo Evekan'i Tanzania noho ny fanafoanana ny fahalalahana araka ny lalàmpanorenana, raha nisy olom-pirenena nosamborina ho manindry anjotra ny filoha.

Niteraka fanantenana ny fiakaran'i Samia Suluhu Hassan teo amin'ny fitondrana, noho ny fanehoan'ny fitantanan'i Samia Suluhu Hassan fisokafana tamin'ny voalohany hifampiresaka amin'ny fanavaozana ny lalàna sy ny fitsipiky ny fampitam-baovao, saingy mbola ilaina hivaingana ny fanatsarana manandanja ho amin'izany.

Soritan'ireo fanamby voalaza etsy ambony ireo ny filàna anohizana ny fahamailoana amin'ny fitandroana ny foto-kevitry ny asa fanaovan-gazety sy ny fampivoarana tontolo iray manohana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny mangarahara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.