Nankatoavin'ny Kaominina Breziliana ny volavolan-dalàna iray nosoratan'ny ChatGPT

Ramiro Rosário, mpanolotsaina, nandritra ny fivoriana iray tao amin'ny Filankevitry ny Tanànan'i Porto Alegre | Sary an'i Leonardo Lopes/CMPA, nampiasaina nahazoana alalana, navoakan'ny Global Voices.

Taorian'ny volavolandalàna iray nankatoavin'ny Filankevitry ny Tanànan'i Porto Alegre, any amin'ny faritra farany Atsimon'i Brezila, Rio Grande do Sul, ary nankatoavin'ny ben'ny tanàna, dia nanapa-kevitra ny mpanolotsain'ny tanàna izay nanolotra izany hamboraka fa ilay lahatsoratra dia voasoratra sy niaty soso-kevitra narafitry ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA).

Nankatoavin'ireo mpanolotsaina tsy nisy nitsipaka ny volavolan-dalàna manàla ny olona tsy handoa vidina kaonteran-drano vaovao raha sanatria misy ny halatra.

Nambaran‘ny Mpanolotsaina Ramiro Rosário fa ny fandraisany anjara tamin'ny fandrefatana ny lahatsoratra dia ny fandefasana toromarika misy teny 289 tany amin'ny ChatGPT. Volavolan-dalàna nahitàna lahatsoratra valo sy fanamarinana iray no novokarin'ilay fitaovana, izay tsy feno tao anatin'ny volavolan-dalàna voalohany noho ny endri-tsoratra voafetra kanefa tsy hitan'ilay mpanolotsaina raha tsy izy efa nampitandreman'ny Sampana Fandrafetana ny Volavolan-dàlanan'ny Antenimieram-pirenena, ka dia niverina tany amin'ny sehatra IA izy mba haka tohana fanampiany.

Tao anaty tafatafa iray niarahana tamin'ny gazety Folha de S. Paulo, niteny izy fa :

É comum vereadores, para elaborarem leis nas suas cidades, buscarem como base uma lei parecida de outra cidade com a mesma finalidade e copiarem a redação. O ChatGPT faz a mesma coisa do jeito dele, recorrendo a um banco de dados de leis que já estão na internet. Considerando que estamos falando de dinheiro público, acho que a tecnologia tem muito a contribuir

Efa zava-mahazatra fanaon'ireo mpanolotsaina, rehefa mandrafitra lalàna any amin'ny tanànany,  ny mitady lalàna iray mitovitovy amin'izay fa avy amin'ny tanàna iray hafa ary mitovy tanjona, mba ho toy ny fototra dia adika mitovy ny rijanten-dalàna. Ny ChatGPT dia manao tahaka izany amin'ny fombany manokana, amin'ny alalan'ny fampiasana ireo angon-drakitra mikasika ny lalàna efa hita ao amin'ny aterineto. Raha jerena hoe volam-bahoaka no resaka, dia heveriko fa manana betsaka azony omena ny teknolojia.

Fa afa-po ilay mpanolotsaina tamin'ny iray tamin'ireo tolokevitry ny AI tany am-boalohany : hamela ny tomponjavatra tsy handoa ny faktioran'ny rano mandra-panoloana ilay fitaovana.

“Izaho nihevitra hoe hevitra tsara izany ka notanako, na dia tsy ahy aza”, hoy ny nambarany, araka ny voalazan'ny Matinal Jornalismo.

Tsy nambaran'i Rosário mihitsy ny nampiasàny ny IA raha tsy  taorian'ny nankatoavan'ny ben'ny tanàna azy, araka ny voalazany, mba hamoronana adihevitra mikasika ilay lohahevitra. Na tsy nisy sakana araka ny lalàna aza ao anaty lalàna Braziliana ho fandraràna ireo fitsipika voasoratry ny AI, ny filohan'ny filankevitry ny tanàna, Hamilton Sossmeier, dia nilaza tamin'ny mpilaza vaovao G1 fa nosokajiany ho “savalàlana  mampidi-doza” izany :

Considero estranho. É a primeira vez que acontece, e não tem nenhuma lei que indique que eu não possa aprovar. Hoje, não tem nada que proíba. Mas, na minha ótica, é um precedente perigoso, complicado. Podem vir outras leis mais complexas, que gerem outros tipos de impacto. Por enquanto, fica minha preocupação pessoal.

Hafahafa tamiko io. Sambany no nitrangan'izany, ary tsy misy lalàna milaza fa tsy afaka mankato ilay izy aho. Amin'izao fotoana izao, tsy misy mandrara izany. Saingy, araka ny fijeriko, dia mampidi-doza izany. Sarotra izany. Ireo lalàna hafa, sarotra kokoa, dia mety hitohy hiteraka vokatra hafa. Manahirana. Mety hanaraka eo ka hiteraka karazana vokany hafa ireo lalàna hafa sarotra kokoa. Hatreto dia tsy misy afatsy ny ahiahiko manokana.

Ireo loza mety hitranga

Ny OpenAI, orinasa amerikàna  mpamokatra teknolojia, no namokatra ny ChatGPT, mifototra amin'ny lasitrana fiteny navoaka ho an'ny daholobe tamin'ny 2022. Mampiasa fianarana lalindalina izy io mba hamoronana soratra mitovy amin'ny an'ny olombelona sy miasa amin'ny endrika chatbot. Na ohatra aza ny fahafaha-miovaova ananan'ireo lasitra fiteny lehibe ka afaka manampy amin'ny lahatsoratra tsotra, toy ny tsianjery sy tononkalo, ny fandaharana, dia miteraka ihany koa ahiahy amin'ny fampiasana azy mihoa-pampana.

Ao anatin'ny fanaovana lalàna, nampiasaina tany ivelan'i Brezila ihany koa ny ChatGPT . Tamin'ny fiandohan'ny taona 2023, nampiasa ChatGPT ny mpanao lalàna iray tao Massachusetts hanoratana lalàna hitantanana ireo lasitrana faharanitantsaina artifisialy (IA) . “Ny 70% tamin'ny zavatra nilainay dia nomen'ny ChatGPT fony izahay naniry handrafitra ity volavolan-dalàna ity, saingy tsy nahafahanay nandeha hatramin'ny farany izany”, hoy ny Senateran'i Massachusetts Barry Finegold, tompon'andraikitra tamin'ilay hevitra.

Mamorona fehezanteny mifototra amin'ny angon-drakitra misy ao aminy ny ChatGPT. Miasa manaraka lasitra roa izy io : ny ampahany iray andoavam-bola, miaraka amin'ny angon-drakitra nohavaozina tamin'ny 2023, ary ny ampahany iray maimaimpoana, miaraka amin'ny angon-drakitra vao haingana indrindra misy an'ireo fahalalana hatramin'ny 2021. Ankoatra ny fametrahana fanontaniana mikasika ny fitompoana sy ny zon'ny mpamorona, dia zavadehibe mampanahy ireo mpanaramaso sasany ny fitazonana ny tsy fitanilàna sy ny fisorohana ny hevidraikitra anatina toejavatra ara-politika.

Fanampin'izay, ny ChatGPT dia manana fahafahana lehibe hiteraka vaovao diso sy “famoronan-javatra tsy misy.” Mitranga ny fahitàna-javatra tsy misy rehefa mamorona vokatra mivaona amin'izay mety heverina ho ara-dalàna na nandrasana araka ny angon-drakitra fanofanana nomena azy ilay lasitra AI.

Ankehitriny dia manadihady ny volavolan-dalàna iray natao hifehezana ny fampiasana IA ao amin'ny firenena ny Kongresy nasionaly Breziliana. Tsy maintsy hajaina avokoa ny mangarahara, ny fiarovana ny fiainana manokana sy ny fiarovana ireo soatoavina demokratika, mifanaraka amin'ny endrika amin'izao fotoana izao ananan'ny andinin-dalàna.

Ao amin'ny Antenimieran-doholona Breziliana, misy volavolan-dalàna iray hafa koa ao anaovana adihevitra, izay mikendry ihany koa ny hifehy ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) sy ny fametrahana azy, manolotra fanombanana ny ambana  mialohan‘ny hametrahana ilay tolotra ho afaka miasa ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.