Antsoin'ny mpikatroky ny zon'olombelona ny filohan'i Ghana hitsipaka ny lalàna hanenjehana ny LGBTQ+ nolanian'ny parlemanta

Nopihana avy amin'ny lahatsary YouTube, ‘FACT CHECK: Ghanaian Anti-Gay Bill Isn’t Same as Florida, Kentucky Laws‘ ao amin'ny Voice of America. Fampiasana ara-drariny.

Rehefa nifandresen-dahatra telo taona, nandany tsy nisy nitsipaka ny lalàna mampiady hevitra hanenjehana ny LGBTQ ny parlemantan'i Ghana tamin'ny alarobia 28 Febroary izay fantatra amin'izao fotoana ho Fampiroboroboana ny zo ara-pananahan'olombelona sy ny hasin'ny fianakaviana. Iray amin'ireo mafy indrindra ao Afrika ity volavolan-dalàna ity ary melohin'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ireo mpikatroka.

Efa tsy ara-dalàna ny firaisan'ny samy lehilahy na samy vehivavy ao Ghana araka ny Fehezan-dalàna Famaizana nivoaka taona 1960, izay manameloka ny “fahalalàna ara-nofo tsy voajanahary”, ary nolovaina tamin'ny Anglisy nandritra ny fanjanahantany.

Na izany aza, araka ny hita tao amin'ny Global Voices, manolo-kevitra ireo kaonty ara-tantara fa talohan'ny fanjanahantany, lefitry ny kolontsaina nentim-paharazana maro tao Ghana sy tao amin'ireo firenena Afrikana hafa ny firaisam-batana isankarazany sy ny andraikitry ny lahy sy ny vavy. Ohatra, maro ny andraikitry ny lahy sy ny vavy tsy mifanaraka amin'ny anjara toeran'ny lahy sy ny vavy tany Afrika Andrefana, anisan'izany ireo vehivavy Asante mpiady, izay manao atin'akanjon-dehilahy ny sasany, ary tamin'ny taonjato faha-18 sy faha-19, nisy andevolahy natao vaditsindrano sy nitafy toy ny vehivavy tany amin'ny lapa Asante. Ny vahoaka Nzema any atsimoandrefan'i Ghana indray nanana fomba mampanambady samy lehilahy lehibe. Ny vahoaka Fante indray nino fa manintona ireo manana “fanahy mavesatra”, na lahy izy na vavy, ny vehivavy ary manintona ireo manana “fanahy maivana” kosa ny lehilahy.

Araka ny Lalàm-pamaizan'ny taona 1960, famonjàna telo taona ny sazy faratampony amin'ny firaisam-batan'ny mitovy taovam-pananahana, ary ny lehilahy ihany no enjehina. Lasa lavitra kokoa amin'ny fanamelohana olona LGBTQ+ ny volavolan-dalàna vaovao, mametraka famonjàna hatramin'ny telo taona ho an'ireo voaheloka ho LGBTQ+. Mampiditra sazy famonjàna an-tranomaizina dimy taona ho an'ireo vondrona manangana na mampiroborobo ny zon'ny LGBTQ+ koa izy io.

Sam Nartey George, mpikambana parlemantera (MP) ao Ningo-Prampram, no nitarika ny fanolorana ny volavolan-dalàna, fantatra teo aloha ho Volavolan-dalàna fampiroboroboana ny Zo ara-pananahan'olombelona araka ny tokony ho izy sy ny Soatoavim-pianakaviana Ghaneana, ary tohanan'ny vondrona mpitarika nentim-paharazana avy amin'ny vondrom-piarahamonina Kristiana sy Miozolomana ao Ghana, ary nampidirina voalohany tamin'ny taona 2021. Na dia mitohy aza ny fanoherana sy ny fiezahana hanafoana na hanitsy izany, dia nandroso nandalo ireo dingana samihafa ilay volavolan-dalàna.

Namita ny famakiana fanintelony ny volavolan-dalàna ireo solombavambahoaka Ghaneana tamin'ny alarobia 28 febroary, nankatoavin'ny rehetra tsy nisy nitsipaka izany. Araka ny notaterin'ny myjoylonline, voamari-javatra tsy nampoizina ny fandaniana ny volavolan-dalàna nandritra ny fotoam-pivoriana. Amin'ny ankapobeny, misy ny andro iray fiandrasana aorian'ny fiheverana handingana ho amin'ny fandinihana fanintelony. Saingy nisy ny hetsika hampiatoana ity fitsipika ity nampidirin'i Muntaka Mubarak, parlemanteran'i Asawase taorian'ny fanolorana fanitsiana fanampiny. Na dia teo aza ny fanoheran’ny Lehiben’ny Maro an’isa Afenyo-Markin, dia nekena ny hetsika, ka nahafahan’ny Antenimiera niroso tamin’ny vakiteny fahatelo. Nolavin'ny mpitondrateny ny fangatahan'i Afenyo-Markin hanampy fanitsiana amin'ny volavolan-dalàna. Efa natolotra ny filoha Akufo-Addo ho ankatoaviny ankehitriny ny volavolan-dalàna.

Taorian'ny fankatoavana izany, nanakiana ilay volavolan-dalàna ny Profesora Audrey Gadzekpo, filohan'ny filankevi-pitantanan'ny Foibem-pampandrosoana Demaokratika (CDD-Ghana), ary nanantitrantitra ny fiantraikany ratsy eo amin'ny fiahiana ara-tsosialy.

Namoaka fampitandremana tao amin'ity lahatsary YouTube-n'ny fantsona BBC Africa ity i William Nyarko, tale mpanatanteraka ao amin'ny Foibe Afrikana momba ny Lalàna Iraisam-pirenena sy ny Tamberin'andraikitra, nanasongadina ny mety ho fiantraikany amin'ny sehatry ny fizahantany, tahaka ny zavatra niainan'i Ogandà taorian'ny fampiharana ny lalàna hanenjehana ny LGBTQ+.

Araka ny nasongadin'ny CBS News, nanameloka ilay volavolan-dalàna ny Big 18 & sy ny Fiaraha-mientan'ny mpandala zon'olombelona, ahitana mpisolovava sy mpikatroka ao Ghana, ary nilaza fa “manameloka mari-panondroan'olona io sy manala ny zon'olombelona fototra.” Niantso ny filoham-pirenena handà ny lalàna ny fiaraha-mientana.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by TV3 Ghana (@tv3_ghana)

Nimenomenona ihany koa i Takyiwaa Manuh, zokiolona sakaizan'ny Foibem-Pampandrosoana Demaokratikan'i Ghana, nilaza hoe: “Malahelo aho, diso fanantenana ary gaga fa toa marivo loatra ny fanoloran-tenantsika sy ny fitsipika demaokratikan'ity firenena ity. Mitondra loza mitatao ho an'ny firenentsika tokoa ity volavolan-dalàna ity ary manantena ny filoham-pirenena izahay hanandratra ny soatoavin'ny firenentsika sy ny lalàmpanorenana. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.