Mbola afa-manao bebe kokoa isika hanampiana an'i Okraina

Roa taona sy sazy an'arivony taty aoriana, mbola tsy voahozongozona ny herin'adin'i Moskoa, ary manohy midaroka baomba an'i Okraina i Rosia, raha tsy ny mihoatra izany, toy ny tamin'ny marainan'ny 24 Febroary 2022, izay nanombohan'ny hetsika fanafihana feno. Manohy ny hetsika ara-miaramila i Kremlin ary mandefa drôna sy balafomanga an-jatony amelezana ny tanàna Okrainiana sy ny mponina ao aminy. Niverina tamin'ny ambaratonga talohan'ny ady ny toekaren'i Rosia ary tsy mitsaha-mitombo, noho ny fitomboan'ny fandaniana ara-tafika. Mbola mihevitra ny ady Rosiana ho karazana fampisehoana zava-misy mivantana ny ankamaroan'ny Rosiana tsotra, indrindra fa ireo any amin'ny faritra manan-danja ara-bola toa an'i Moskoa sy Saint-Pétersbourg, mihoby ireo mpanafika midaroka ny trano Okrainiana.

Tsy tratran'i Rosia ny tanjony ara-tafika, na izany aza, noho ny ezaka maherifo nataon'ireo Okrainiana maro manao vivery sy manao sorona ny ainy ho an'ny fireneny. Voasakan-dry zareo i Rosia tsy hanitatra ny ady any amin'ny faritra hafa any Okraina sy any amin'ireo firenena eoropeana mifanila amin-dry zareo. Nanampy ny Tandrefana tamin'ny fanomezana fitaovam-piadiana sy fanohanana ara-bola sy olona ho an'i Okraina ho fiarovan-tenany. Tena zava-dehibe tamin'ny fanamafisana ny fifaharan'i Okraina ny fanampiana avy amin'ny firenena demaokratika ary nahafahan'i Okraina haka indray ny sasany amin'ireo faritany very sy hanafaka ny vahoaka amin'ny fibodoana Rosiana.

Na izany aza, betsaka kokoa ny azo atao — ary tsy maintsy atao — hanampiana an'i Okraina, noho ny fahasarotana amin'ny vakim-panafihana, ny tsy fahampian'ny fitaovam-piadiana, ary ny fitomboan'isan'ny fanafihana avy amin'ny lafiny Rosiana, indrindra fa mbola mikoriana ao Kremlin ny fitaovam-piadiana sy ny vola.

Ahoana  moa no hahatanteraka ny hoe taorian'ny fampiharana ny sazy tandrefana, ny antso iraisampirenena hanao ankivy an'i Rosia, ary ny fitokana-monin'i Kremlin eo amin'ny sehatra manerantany, dia mbola afaka manohy  ny ady toy ny teo aloha ihany i Rosia?

Niezaka ny Tandrefana nanakorontana ny fahafahan'i Rosia miady tamin'ny fametrahana sazy mandrara ny fivarotana fitaovam-piadiana amin'i Rosia, mametra ny tombontsoa azony amin'ny fanondranana angovo, ary manapaka ny fikorianan'ny vola. Maherin'ny 26.000 ny fitambaran-tsazy manontolo. Tahaka ny nety ihany tamin'ny voalohany: nirodana ny sandam-bola robla, nanomboka niala ny orinasa vahiny, ary naminavina ny fa hitsingatotra ny harin-karena faoben'ilay firenena. Na izany aza, niverina indray i Rosia, ary haingana kokoa, nahita hasolo tamin'ny fandraràna tandrefana ary niantehitra tamin'ireo fitondran'olon-tokana mpiara-dia sy ireo mpaka tombom-barotra mandefa fitaovam-piadiana sy fitaovana any ambava ady hatrany.

Na dia nampihatra sazy tsy mbola nisy toy izany aza ny Tandrefana, dia tsy ampy ny fampiharana ireo fepetra ireo, ka nahatonga lavaka sy fitsofohana maro ialana amin'ny sazy. Tamin'ny volana fahafolo taorian'ny fanafihana vao tonga ny sazy ara-angovo — nanao ho lasibatra ny fanondranana ahazoan'i Rosia tombom-barotra indrindra — ary tsy ny varotra rehetra no voakendriny. Raha nihena ho ampaefatry ny nohafarany mahazatra sisa ny novinidin'ny Vondrona Eoropeana, mpanjifan'i Rosia voalohany amin'ny etona, dia niakatra 40 isanjato ny fividianana etona voajanahary natsiranoka Rosiana (LNG), ka na dia nihena aza ny tombom-barotra ara-angovo, dia mijanona ho avo ihany noho io solony io.

Nilolalola ny Tandrefana nanakana an'i Rosia tsy hahita tsena hafa hanondranana angovo. Raha nampihatra ny vidim-pitaterana solika 60 dolara ny barika amin'ny solika rosiana ny fanjakana tandrefana, dia nanantena izy ireo fa hoe sambo an'ny tandrefana no tena itateran'i Rosia ny solika, ka ho mora ny fampiharana io fepetra io. Saingy nividy sambo goavana mpitondra solika, matetika avy amin'ny firenena tandrefana toa an'i Gresy, i Rosia hananany vondrom-pitaterana mahaleo tena. Tamin'ny herintaona, nividy sambo mpitondra solika maherin'ny 100 avy amin'ny mpividy samihafa ny Rosiana. Matetika izy ireny no sambo tranainy tsy manana fiantohana ary ahiana hitera-doza ara-tontolo iainana. Izany andian-tsambo izany no ahafahan'izy ireo mivarotra ny solika amin'ny vidiny ambony kokoa. Ary na dia tsy maintsy mampiasa sambo tandrefana aza, izay mitaky ny hampiharana ny sarany voalaza etsy ambony, aza ny Rosiana dia lafo loatra izany sarany izany.

Betsaka ny sehatra ahazoan-tombony, toy ny volamena na diamondra, no tsy misy sazy, indrindra noho ireo mpifampiraharaha an-dalantsara (lobby) sy orinasa matanjaka any amin'ireo firenena manasazy tsy te ho very tombombarotra ifanaovany amin'i Rosia. Nanosika ny governemantany izy ireo hanemotra ny fameperana.

Tsy nahasakana ny fivarotana fitaovam-piadiana sy ara-miaramila an-tsokosoko ny sazy, toy ny puces, teknolojia, ary drôna, izay misosa mankany Rosia amin'ny alàlan'ny firenen-kafa na avy amin'ireo orinasa manitsakitsaka ny fanasaziana. Afaka nividy vokatra avy amin'ny orinasa tandrefana noraràna tsy ho azy nandritra ny herintaona mahery i Rosia, indraindray aza mivarotra ankarihary amin'i Rosiany orinasa tandrefana noho ny tsy fahampian'ny fampiharan-tsazy. Mbola nahazo fitaovam-piadiana, drôna ary teknolojia miaramila avy any Shina, Iran ary Korea Avaratra ihany koa i Rosia.

Mazava ho azy fa nisy vokany ihany ny sazy. Nihena ny vola miditra amin'ny angovo, ary tsy maintsy mamorona kokoa i Rosia amin'ny fitadiavana fitaovam-piadiana ilainy. Manasaro-javatra izany ho an'i Kremlin, saingy tsy nanakana ny fahafahany miady toy ny teo aloha. Lany akora i Okraina raha afaka mividy sy mamokatra izay ilainy amin'ny fidiram-bolany i Rosia.

Izany rehetra izany no mitondra antsika amin'ny tsy maintsy hanaovana bebe kokoa amin'izay hanampiana an'i Okraina amin'ny fanentsenana ireo fitsofohana rehetra fialana amin'ny sazy. Mila miezaka bebe kokoa hanatsarana ny fepetra fampiharana. Tsy maintsy iharan'ny sazy ireo orinasa mifampiraharaha ara-barotra voarara amin'i Rosia any amin'ireo fanjakana manasazy ary horaràna tsy hanao raharaham-barotra any Etazonia sy Eoropa. Tokony horaràna tsy hiditra amin'ny tsena tandrefana ihany koa ireo orinasa ivelan'ny (firenena) miara-mientana manamora raharaham-barotra voarara. Tokony hoterena sy ho resy lahatra tsy hanararaotra amin'ny adin'i Rosia ireo firenena tsy nampihatra sazy mihitsy an'i Rosia sy mbola nifanao raharaham-barotra amin'ny Kremlin mifandraika amin'ny ady. Tokony hihoatra ny fanagiazana renivolan'ny banky rosiana lehibe ny sazy ara-bola mba hanampiana an'i Okraina.

Natanjaka ireo governemanta tandrefana tamin'ny fanampiana ny fiarovana an'i Okraina, saingy nalemy izy ireo tamin'ny fampiharana sazy amelezana ny fananiham-bohitra mbola tohizan'i Rosia. Tsy maintsy miara-miasa  ny demaokrasian'ny firenena mandroso hampihejanana ny sazy amin'i Rosia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.