Ao Azerbaijan, avo be foana ny tsatokazo ho an'ireo mpikatroka ara-pôlitika

Sary avy amin'i Alex Shah

Tsy mora velively ny asa ho an'ny fiarahamonim-pirenena ao Azerbaijana. Matetika mihoatra ny tombony, raha tsy izany foana mihitsy aza, ny sandany ho an'ireo izay vonona haneho ny heviny mikasika ny zavatra inoany. Manjombona lavitra noho ny hatrizay  izay rehetra fanantenana hisiana fiovàna ara-politika. Ireo andiana fisamborana vao haingana nikendrena ireo mpanao gazety sy ireo mpikatroka ara-politika no manaporofo ny zava-misy manjavozavo eny an-kianja.

Araz Aliyev, 29 taona, dia iray amin'ireo sivily mpikatroka natao lasibatra vao haingana. Manana asa mpampianatra, Aliyev ihany koa dia iray amin'ireo fito mpanorina ny Repoblika Fahatelo, vovonana pôlitika iray vaovao. Tamin'ny 7 Desambra 2023 no niorina ilay vovonana, daty izay nifanandrify tamin'ny nananganana ny Parlemanta Azerbaijaney. Anatin’ireo tanjony maro ny hamindràna an'i Azerbaijana hankany amin'ny rafitra ara-pôlitika demokratika maoderina, ny famerenana ny fahatokisana amin'ny fitantanan-draharam-panjakana sy ny rafi-pifidianana ary ny fanafoanana ny kolikoly, raha tsy hitanisa afa-tsy vitsivitsy.

Tamin'ny 23 Desambra, herinandro vitsivitsy taorian'ny nanambaràna ilay vovonana dia tsy hita popoka i Aliyev. Ny andron'io ihany, Akif Gurbanov izay mpitondra tenin'ilay vovonana vao noforonina, dia nilaza fa nisy nanaraka ihany koa izy tamin'io andro io. Tao anaty tafatafa niarahana tamin'ny Voice of America dia niteny i Gurbanov fa nisakafo antoandro teo ampitan'ny biraony izy raha nahatsikaritra andiana lehilahy miakanjo tsotra mampiasa fitaovam-pifandraisana tsy mampiasa tariby no sady nanara-maso azy. Nilaza i Gurbanov fa nifandray tamin'i Araz Aliyev tamin'io andro io mandra-pialan'i Aliyev ny biraony hamonjy fivoriana. Talohan'ny nanjavonany dia nampandre an'i Gurbanov i Aliyev fa tonga any amin'ny toerana nalehany izy ary tsy nahamarika hetsika hafahafa.

Tsy nisy natao fanta-bahoaka na ny toerana nisy an'i Aliyev, na ny mety ho fiampangàna natrehany. Tamin'ny 25 Desambra vao nanamafy ny Minisiteran'ny Raharahan'ny Atitany fa nosamborina i Aliyev ary voaheloka higadra 25 andro an-tranomaizina noho ny fiampangana azy ho nanao ‘holiganisma’ lohamboto kely sy tsy fanajana polisy. Nolavin‘i Aliyev ireo fiampangana azy ireo ary nolazainy fa ny fisamborana azy dia misy fifandraisana mivantana amin'ny fandraisany anjara amin'ny Repoblika Fahatelo. Nilaza tamin'i Nemet Karimli, mpisolovava azy,  ihany koa ilay mpikatroka fa noterena hiakatra tao anaty fiara izy tamin'ny 23 Desambra, ka tao izy dia niharan'ny fanerena ara-batana. Avy eo izy nentina tany amin'ny kaomisarian'ny polisy, ary niatrika fampitahorana.

Ny Global Voices dia nitafata tamin'i Gulara Ismayilova, vadin'i Aliyev, mikasika ny asany sy ny asa ara-politikan‘ny vadiny .

Mpikatroka feminista ihany koa i Ismayilova izy tenany. Manana mari-pahaizana amin'ny Siansa Politika, tamin'ny taona 2023 no nanatevin-daharana ny habaka sivily Azerbaijaney i Ismayilova. Tamin'ny 2016 izy no nifankahita tamin'i Aliyev nandritra ny fotoam-piofanana iray tao Bakoa renivohitra, ary nifankahazo avy hatrany izy roa ireo. Nahasarika an'i Ismayilova ny fanahin'i Aliyev, ny idealy feminista anànany ary ny politikany.

Vao tsy namaly ny antsony ny vadiny tamin'ny andron'ny nanjavonany dia efa tsapan'i Ismayilova fa nisy zavatra tsy nety. Izy mpivady dia manana rafitra fanamarinana ho fiarovana. “Ny andron'ny nanjavonany dia tsy namaly mihitsy ny antsoko rehetra izy ary tsy tonga tamin'ny fivoriana voatondro. Nahatsiaro ho nihovitrovitra sy sahiran-tsaina aho. Saingy sahy sy natanjaka ihany koa”, hoy i Ismayilova tamin'ny Global Voices.

Araka ny voalazan'i Ismayilova, hatramin'ny 2011 no nandray anjara tamin'ny fikatrohana ara-piarahamonina sy ara-politika i Aliyev. Ananany ny manana maripahaizana amin'ny Fifandraisana Iraisam-pirenena, Siansa Politika ary Toe-karena.

Manohy ny fikarohana akademika izy ary mandranto fianarana manokana mikasika ny tantaran'ny pôlitika sy filôzôfia. Izy ihany koa dia mpanoratra lahatsoratra sy fandalinana maro ary iray amin'ireo mpanorina ny Akademian'ny Filôzôfian'i Bakoa.

When he went missing, she was the first to inform the local media. On Vantany Vantany vao tsy hita i Aliyev dia nampiakaran'i Ismayilova ny tanan'ankanjony, satria fantany fa tsy maintsy manao izay azony atao izy hisarihana ny saina ho amin'ny tranga mahazo ny vadiny. Rehefa tsy hita izy, dia izy no voalohany nampandre ny haino aman-jery tao an-toerana. Ny 24 Desambra, nanao fihetsiketsehana izy teo ivelan'ny Minisiteran'ny Atitany, nitaky fanazavana mikasika ny toerana misy ny vadiny. Nilazana izy hiverina ny ampitso satria efa dila ny ora famangiana. Nilazan'i Ismayilova ihany koa ny biraon'ny mpanelanena amin'ny ady ifanaovana amin'ny fanjakàna.

Tao anatin'ny tafatafa iray niarahana tamin'ny Global Voices dia nanamafy i Ismayilova fa toy ny inona ny fahasarotana fahazoana vaovao momba izay toerana misy ny vadiny fony tsy hita izy. “Nilaza tamiko ny polisin'ny distrika fa hody any an-trano tsy ho ela izy ka tsy tokony hanana ahiahy aho”, hoy ny fahatsariarovan'i Ismayilova. “Ny faraheriko dia ny fampahafantarana fa tsy hita izy, ka nanapaka hevitra aho ny hanao fihetsiketsehana.”

Sary an'i Alex Shah

Nambarany ihany koa fa tsy naneho tsy fahalalam-pomba taminy ny mpitandro filaminana. Rehefa tonga tany amin'ny paositry ny polisy izy mba hanoratra fanambaràna dia nilaza ilay lefitra tao, Mushfig Gozalov, fa hisambotra azy raha vao hitany mandritra ny fihetsiketsehana feminista izy amin'ity taona ity. “Nolazainy tamiko fa ho samboriny aho ary ho gadrainy mandritra ny telo volana”, hoy izy niteny tamin'ny Global Voices.

Nanomboka tamin'ny 2019, nikarakara diaben'ny vehivavy isan-taona ny fikambanan'ny mpikatroka feminista mba hanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy. Manomana fihetsiketsehana ihany koa izy ireo hanairana momba ny zon'ny vehivavy ao amin'ny firenena. Lasa zava-mahazatra ny herisetra ataon'ny pôlisy mandritra ny fihetsiketsehana.

Ny 17 Janoary dia navotsotra avy tamin'ilay famonjàna vonjimaika i Araz Aliyev. Raha niresaka tamin'ireo mpanao gazety taorian'ny famotsorana azy i Aliyev dia nitantara ny fomba nanerena azy hijoro vavolombelona manohitra ireo  hafa mpikatroka ara-politika sy sivily hafa, izay nolaviny na teo aza ny fandrahonana tsy mijanona. “Nilaza tamiko izy ireo fa raha manaiky ny sosokevitr'izy ireo aho dia ho afahana ny ampitso ary ho soloina onitra ny saziko.” Raha tsy izany, dia ho vita ny amiko”, hoy Aliyev tamin'ireo mpanao gazety.

Nitranga ny fisamborana an'i Aliyev sy ireo olona hafa satria nikasa hanao fifidianana alohan'ny fotoana  izay ho filoham-pirenena i Azerbaijana ny 7 Febroary 2024. Araka ny tatitra savaranonando navoakan'ny Organization for Security and Cooperation in Europe/Office for Democratic Institutions and Human Rights (OSCE/ODIHR), ny fifidianana ho avy izay hirotsahan'ny filoha Ilham Aliyev indray dia handeha tsy misy fifaninanana lehibe ho an'ny filoha amperinasa ary ao anatin'ny tontolo iray izay anehoan'ny fiarahamonim-pirenena eo an-toerana ny ahiahiny mikasika ny “fampiasana ny fahalalahana fototra hiditra fikambanana, hanao fivoriana am-pilaminana ary ny  fanehoan-kevitra”.

Nanomboka tamin'ny Novambra, marobe  ireo mpanao gazety sy mpikatroka ara-politika no voaheloka higadra vonjimaika, na mialohan'ny fitsarana, na tamin'ny alalan'ny fanagadrana ara-pitantanana namoronana fiampangana diso. Ny 16 Janoary teo, nanentana an'i Azerbaijana ny Departemantam-panjakana Amerikana mba hanaja ny zon'olombelona sy ny fahalalahana fototra ho an'ny rehetra, indrindra ny an'ireo mampiasa ny fahalalahana maneho hevitra, ary nanambara fa “tena mampiahiahy tanteraka” ireo andiana fisamborana vao haingana natao an'ireo mpanao gazety, mpikatroka avy amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanohitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.