Global Voices, mitady Tale hisahana Fitantanana sy Fampandehanan-dRaharaha

Mitady Tale hisahana Fitantanana sy Fampandehanan-dRaharaha ny Global Voices, hiantoka ny fihodinana tsaran'ny fikambanana, hikarakara ireo raharaha sy ny harena ara-olona, ny rafitra fitantanana sy ara-bola tsy ikatsahana tombontsoa, hanara-maso ireo fitantanana misy ambana ara-bola, hiasa miaraka amina tetibola sy vinavina ara-bola, ary hanohana ireo tetikasa mba hahavaly ireo zava-takiana ara-teknikan'ny fanohanana ara-bola ary ny fifanarahana asa.

Fitantanam-bola, fitantanana ary asa

  • Miaraka miasa amin'ny sampana fitantanam-bola amin'ny fitantanana ny volan'ny fikambanana 
  • Mitantana ireo dingan'ny fikarakaràna mpiasa, isan'izany ny fandrafetana ireo fifanarahana asa sy ny fandefasana faktiora
  • Fitantanana tetikasa sy fitiliana ny fandaniana
  • Fandrafetana, famerenana mandinika ary fitantanana ireo fifanarahana asa mifandraika amin'ireo tolotra mifanaraka amin'ny iraka tontosaina 
  • Famolavolàna ary fitantanana ny dingana/fizotry ny asa, fanomanana fandaharam-potoanam-pivoriana, fitantanana rafi-piraketana
  • Fanohanana ny birao
  • Fitantanana ny antontan-taratasy ho an'ny fitsirihana, ny sata araka ny lalàna, ny fiantohana, ny banky, ary izay asa mifandraika amin'ny fitantanana fikambanana

Fitantanana tetikasa

  • Mandrindra ireo lehibena tetikasa sy mpitarika mba hahavaly ireo zava-takiana ara-teknika amin'ny fanohanana ara-bola sy ireo fifanarahana asa
  • Mitantana ny fitobaky ny asa, ny fepotoana ary ny fampitaovana ireo tetikasa sy fandaharanasa
  • Mampita amin'ireo mpikambana ao anatin'ny ekipa ny momba ny fepotoana sy ny vokatry ny tetikasa
  • Mikarakara sy mandrindra fivoriana an-tambajotra
  • Mandrindra ny fampitaovana ireo atrikasa sy ireo hetsika hafa ihaonana mifanatri-tava

Traikefa takiana

  • Fanànana traikefa voaporofo tamina fitantanana tetikasa, famakafakàna olana ary fananganana rafitra
  • Fahaizana ambony momba ny teknôlôjia, tafiditra amin'izany ny fahalalàna tsara ny Excel, ireo rindrambaiko fitantanana angon-drakitra toy ny Airtable, Google Workspace, ary hatramin'ny fahazàrana mikitika ny lôzisiely fitantanam-bola CRM, ary ireo teknôlôjiam-pifandraisana manana loharano misokatra
  • Afaka ny hivezivezy eran'izao tontolo izao
  • Afaka ny hiasa mifanaraka amina ora miovaova mba hahafahana mandamina fivoriana iarahana amin'ny ekipa sy ireo mpirotsaka an-tsitrapo amin'ny hasin'ora samihafa, tafiditra amin'izany na alina, na maraina, na faran'ny herinandro

Toetra iriana

  • Fahaizana fiteny iray na maromaro hafa ankoatra ny anglisy; tena manampy be ny fahaizana espaniôla
  • Fananana traikefa amin'ny asa iraisampirenena
  • Fahazoana aina tsara miasa amina sehatra mitsinjarazara, manerantany, mampiasa fiteny marolafy sy manana soatoavina isan-karazany

Faritra misy anao

Tsy misy fitakiana momba ny resaka jeôgrafia mifamatotra amin'io asa sahanina io; Tsy manana birao na foiben-toerana hita maso akory ny Global Voices. Ireo mpifaninana dia tsy maintsy manana fahafahana miditra amin'ny aterineto haingam-pandeha, tsy miovaova sy azo itokiana, mahazo aina tsara miasa anaty tontolo virtoaly tanteraka, ary afaka mivezivezy erantany rehefa ilaina izany. Tena amporisihanay mafy ny firotsahan'ireo mpifaninana avy any Amerika Avaratra sy Eorôpa Andrefana.

Ny tale hisahana ny fitantanana sy ny fampandehanan-draharaha dia hanao tatitra amin'ny Tale Mpanatanteraka sy ny Tale Jeneraly .

Tambin-karama: Toy ny olona mpiasa tena no hamaritana ilay toerana. Ny pôlitika ato aminay momba ny resaka karama ary araka ny traikefa sy ny fahaizamanaon'ilay mpirotsaka no ijerena ny tahan-karama ho an'ilay toerana. 

Raha hisoratra: Alefaso imailaka amin'ny jobs@globalvoices.org ireto manaraka ireto, ka soraty ho antony ny Global Voices Administration and Operations Manager: [ny anaranao]

  • Taratasy filazàna fahavononana soratana amin'ny teny anglisy, manasongadina ny asanao ary manazava ny antony hiheverana fa ianao no ilay mpirotsaka tena ilaina ho amin'io toerana io
  • CV-nao

Hatramin'ny 14 Martsa 2024 amin'ny 11:59 alina EST (GMT -4) no andraisana ny firotsahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.