Ry namana sy tapaka, mpiara-miasa, mpamaky ary mpanohana ny Global Voices,
Androany izahay manambara ao anaty fahatsapana tantely amam-bahona ny fandaozan'i Ivan Sigal, Tale Mpanatanteraka ny Global Voices, ny Global Voices ary hifindrany ho amin'ny toko vaovaon'ny fiainany any aoriandriana any amin'ity taona ity.
Mpitarika nahaova, nahavao ary nanana fangorahana Ivan nandritra ny 15 taona mahery nitarihany ny Global Voices, vondrom-piarahamonina mpanoratra, mpandika teny ary mpikatroky ny zon'olombelona iraisampirenena sy marofiteny, izay mampiasa ny herin'ny aterineto hilazana tantara manorina fahatakarana miampita sisintany.
Nandritra ny fitarihan'i Ivan, nitombo halehibe, finiavana ary traika ny vondrom-piarahamonina Global Voices. Ahitana ireto ny zava-bitan'ny Global Voices tamin'izany fotoana izany:
- Fanomezana hery ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana, tsy voasolontena te-hitantara ny tantarany amin'ny fampiasana fitaovana fandraisana anjara fampitam-baovao
- Mamaky lalàna ny sasany amin'ireo tantara manan-danja indrindra tao anatin'ny 15 taona farany, toy ny fitroarana Arabo tamin'ny taona 2010-2011, sy ny hetsika fandisoam-baovao Rosiana manerantany, nanomboka tamin'ny taona 2008-2016
- Manangana efitrano famoaham-baovao amin'ny fiteny maro kokoa, amin'ny tatitra ataon'olona zara raha hita amin'ny haino vaky jery mahazatra ny feo sy ny zavatra iainany
- Manitatra ny fandikan-teny nataon'ireo mpirotsaka an-tsitrapo amin'ny Lingua, mahatonga ny tantaran'ny Global Voices ho amin'ny fiteny am-polony, mba hahazoana antoka fa tsy sakana amin'ny fahatakarana ny fiteny.
- Miaro ny zon'olombelona sy nomerika anjotra, indrindra ho an'ireo izay miteny ho amin'ny tombontsoam-bahoaka
- Fanaraha-maso ny tontolon'ny fampahalalam-baovao any amin'ny faritra maro eran'izao tontolo izao izay ampiasana ny sivana sy ny fandisoam-baovao ho fanodinana ny saim-bahoaka (manoloana) ny vokatra ara-politika.
- Fikarohana zava-baovao momba ny fiantraikan'ny fitantarana eo amin'ny voaritontolon'ny fampahalalam-baovao, izay manamafy ny fitantarana ny zava-mitranga isan-toerana manerana izao tontolo izao, manome famakafakana sy fahatakarana ny resaka eo an-toerana.
Natsangan'i Rebecca MacKinnon sy Ethan Zuckerman tamin'ny taona 2004 ny Global Voices ho tambajotran'ny bilaogera manerantany, mifampizara hevitra sy hevitra amin'ny tsirairay sy amin'ny tontolo midadasika. Betsaka ny fahombiazan'ny Global Voices taorian'izay noho ny fitarihan'i Ivan hatrany am-piandoham-piainan'ny tetikasa, sy ny ekipa miavaka izay notarihiny.
Vakio ny fanambaràna ny fialan'i Ivan: Fotoanan'ny Tetezamita [mg]
Nandritra ny fotoana niasany tato amin'ny Global Voices, nampiasa fahaiza-manao, traikefa ary faharanitan-tsaina tsy fahita firy Ivan ho fanamafisana ny fahatsapana fiaraha-monina ato anatin'ny Global Voices. Nandrisika asa fanaovan-gazety tsaratsara kokoa sy ny teny fiarovana mahomby kokoa izy, nanohana ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana sy vazimba teratany miatrika sakantsakana amin'ny fandraisana anjara anjotra, sy nanangana tetikasa fikarohana fandraisana anjara aorizinaly sy vaovao momba ny teknolojia sivika, fandraketan-tsoratra momba ny fandrahonana amin'ny fitenenana an-tserasera, ary fanadihadiana momba ny tontolovoarin'ny fampiasana ny vaovao (torohay). Mankasitraka tanteraka ny zavatra rehetra nataon'Ivan izahay, ary ho banga azy izahay sy ny vondrom-piarahamonina Global Voices manontolo.
Soa ihany fa tsy miala avy hatrany Ivan ary manam-potoana izahay handraisana mpitarika vaovao. Nanao fitadiavana Tale Mpanatanteraka vaovao izahay—jereo ny filazana asa eto ambany [ang]:
Amin'ny fankasitrahana sy ny fifanajana,