
Kianjan'ny tsangambaton'ny Fahaleovantena ao Lomé, renivohitr'i Togo, Saripika: Jean Sovon
Fiteny nasiônaly roa no nosaratan'i Togo ao anatin'ny lalàm-panorenany : ny éwé sy ny kabyè, samy ao anatin'ny fianakaviamben'ny nizerô-kôngôley. Fa ny mifanohitra amin'izany, fiteny iray hafa, ny mina, antsoina hany koa hoe gen, no mipoitra ho ny fiteny be mpampiasa indrindra ao amin'ny firenena.
Mihoatra ny fiteny 50 no ifampiresahana ao Togo, firenena iray ahitàna mponina mihoatra ny 9 tapitrisa. Tamin'ny 1975, fiteny roa : ny éwé, ifampiresahana any atsimo sy ny kabyè, ampiasaina any avaratra no nekena ho toy ny fiteny nasiônaly ao Togo. Noho ny tantaram-panjanahana niainany, nosoratan'i Togo ihany koa ao anatin'ny lalàm-panorenany ho fiteny ôfisialy ny frantsay.
Nanomboka tamin'ny vanim-potoana fanandevozana ka hatramin'ny fahaleovantenany, 1470 hatramin'ny 1960, nandalo tamin'ny fanjanahantany, ny morontsiraky ny faritra atsimo tao Togo dia nifanerasera tamina dindo vahiny marobe: pôrtiogey mpivarotra sy mpandraharaha ; Alemàna mpikaroka tany vaovao, Anglisy ary Frantsay. Nisy fiantraikany be tamin'ireo fiteny teo an-toerana ny tsirairay tamin'ireny fiteny nampiasain'ireo firenena ireo, indrindra fa ho an'ny éwé. Ny farany, io fiteny io dia niteraka fifangaroana tamin'ny mina tany am-boalohany, izay an'ny vahoakan'i Aneho, tanàna iray any atsimo-atsinanan'ny firenena, 45 km miàla an'i Lomé, renivohitra, ka nanome lingua franca iray mora fehezina kokoa ho an'ireo mpiresaka amina fiteny hafa izay nampiasa azy ho fitaovana iray ifandraisana eo amin'ny samy foko.
Mba hanondroana io fiteny iray vaovao io, ny Minalingo, sehatra iray nomena andraikitra hampahafantatra ireo mpampiasa aterineto hamaky, hanoratra ary hiteny amin'ny fiteny mina, dia manolotra anarana iray mampitambatra ny mina sy ny éwé : ny miwé. Tao anaty fandalinana iray momba io fiteny io, hazavain'ilay vovonana fa:
Raha nomena ahy ny fahefàna hanome anarana io fiteny matanjaka io, izay mamatotra ireo kofehin'ny firaisankinam-pirenena, dia ho MIWE (miwé) no iantsoako azy, satria isanjatony betsaka mamorona azy ny mina tena izy, eo ho eo ny éwé izay mpifaninana henjana amin'ny frantsay ary ambany ny anglisy, alemàna ary pôrtiogey.
Nampalahelo ny mpanoratra ilay fandalinana ny tsy fisian'ny antontan-kevitra momba io fiteny io, kanefa dia be mpampiasa indrindra ao amin'ilay firenena. Tsipihany fa:
Ny tena mampanahy ahy, tsy ny fiantso diso an'ilay fitenimparitra (MIWE) amin'ny mina, fa kosa ny tsy fisian'ny antontan-kevitra sy ny fikarohana momba azy io.
Fa eo ampiandrasana ny hisian'ny fankatoavana ôfisialy an'ilay fiteny, misy andian-tantàra anaty aterineto tôgôley notontonsaina tamin'ny 2023 mampiroborobo io fiteny malaza be io ao Togo.
Antsoina hoe Ahoé (firenena, amin'ny fiteny mina), Julio Teko no manatontosa ilay andian-tantara anaty aterineto, ary vokarin'i Angela Aquereburu Rabatel miainga avy amin'ny famatsiambola ifandrimbonan'ny rehetra. Tsy io fiteny eo an-toerana io ihany no asongadin'izy io, fa ireo zavamisy atrehan'ny Tôgôley niaina tany amin'ny tany Tandrefana rehefa tafody an-tanindrazana. Tsy ela akory izay ilay media frantsay France24 no nanao izany ho lohahevitra :
Lohahevitra maro, toy ny kolikoly, famadihana, tsy fananana asa, no resahan'ilay andian-tantara anaty aterineto.
Eto, anaty lahatsary, ny fizaràna voalohany amin'ny andian-tantara Ahoé :
Ireo fizaràna hafa dia azo jerena ao amin'ilay fantsona YouTube natokana ho fandefasana ilay andian-tantara.
Eny anaty tambajotra sôsialy, manipy voninkazo ho an'ireo ekipa mpanatontosa an'io andian-tantara anaty ateriento io ireo mpampiasa aterineto no sady mamela fanehoankevitra mandrisika azy ireo hanohy. Ny fanehoankevitra sasany ao amin'ny tambajotra X (Twitter taloha) dia mitodika amin'ny fanentanana hanohitra ny hevi-draikitra atao amin'ireo olona manana fahasembanana. Araka izany, toy ity ny fanehoankevitry ny mpampiasa aterineto Mawoussi Komlan Laba tao amin'ny kaontiny :
#Aris a rendu par son intervention justice à #Adjo et réaffirmé aux autres ces compétences.
Merci à @ahoewebserie pour ce message fort d'inclusion, de reconnaissance et de lutte contre la discrimination des personnes handicapées en milieu de travail. https://t.co/cSx9R45IM5
— MAWOUSSI Komlan Laba (@MawoussiL) January 14, 2024
Tamin'ny fandraisany anjara i #Aris dia nanome rariny an'i #Adjo ary nanamafy ireny fahaizamanao ireny tamin'ireo hafa.
Isaorana ny @ahoewebserie tamin'io hafatra mafonja io momba ny fampiatiana, ny fanekena ary ny ady anoherana ny fanavakavahana ireo olona manana fahasembanana eny anivon'ny tontolon'ny asa. https://t.co/cSx9R45IM5
— MAWOUSSI Komlan Laba (@MawoussiL) 14 Janoary 2024
Mba hanatontosàna fizaràna vaovao ho an'io andian-tantara io, dia nanao antso iray vaovao ny ekipan'ny Ahoé hanaovana famatsiambola ifandrimbonana mba hanangonana 200 tapitrisa FCFA farafahakeliny (328650 dôlara amerikàna). Misy ireo tsara sitrapo mandray anjara amin'izany amin'ny alàlan'ity rohy ity. Hatreto, efa 12 tapitrisa FCFA no voahetsik'ilay tarika, araka ny voalazan'ny kaontin-dry zareo ao amin'ny X :
Objectif : 200 millions FCFA ⚡
À ce jour :
💰 Site : 12 250 410 FCFA
💰 Tmoney : 502 361 FCFA
💰 Flooz : 126 563 FCFAMerci du fond du cœur à tous nos contributeurs ! 🙌
Pour soutenir Ahoé : https://t.co/T3sbjD2EAb T-money : 70 50 00 00 Flooz : 96 01 01 96 pic.twitter.com/3W8lxij5Kj
— AHOÉ | La web-série (@ahoewebserie) February 12, 2024
Tanjona : 200 tapitrisa FCFA ⚡
hatreto :
💰 Tranonkala : 12 250 410 FCFA
💰 Tmoney : 502 361 FCFA
💰 Flooz : 126 563 FCFATena misaotra eram-po anareo rehetra nandray anjara nanohana anay ! 🙌
Ho fanohanana ny Ahoé : https://t.co/T3sbjD2EAb T-money : 70 50 00 00 Flooz : 96 01 01 96 pic.twitter.com/3W8lxij5Kj
— AHOÉ | La web-série (@ahoewebserie) 12 Febroary 2024
Hatreto, efa nisy nijery in-4,5 tapitrsa tao amin'ny Youtube ireo fizaràna folo amin'ilay andian-tantara an-tambajotra Ahoé.