Teraka tao Jamaika, Jason Allen-Paisant indray no poeta karaibeana nahazo ny loka malaza T.S. Eliot

Ny poeta jamaikana sady britanika Jason Allen-Paisant, nahazo ny loka T.S. Eliot sokajy poezia. Saripikan'i Carcanet Press, sy alalana avy amin'i Bocas Lit Fest.

Nambara ho mpandresin'ny lokan'ny poezia T.S. 2023 nandritra ny lanonana fanomezan-doka tamin'ny alatsinainy 15 janoary tao amin'ny Wallace Collection, Londres, ilay poeta teraka tao Jamaika Jason Allen-Paisant, noho ilay amboaran-tononkalony mitondra ny lohateny hoe “Self-Portrait As Othello”, izay mandinika ny lehilahy amerikana mainty hoditra sady mpifindramonina. Tsy natahotra mihitsy miresaka lohahevitra saropady ary manonona ilay poeta Karaibeana-Britanika Benjamin Zephaniah ho aingam-panahy, nohararaotiny ny lampihazon'ny lanonana fanomezan-doka hisarihana ny saina amin'ny adin'i Israely amin'i Gaza.

Fanintelony izao tao anatin'ny dimy taona no nahazoan'ny poeta avy any Karaiba ity loka lehibe ity. Ilay poeta Trinidadiana-Britanika Roger Robinson no mpandresy tamin'ny taona 2019 noho ilay sanganasany mampientanentana “A Portable Paradise,” (paradisa fivimbina) ary Trinidadiana ihany koa no mpandresy tamin'ny taona 2022, dia i Anthony Joseph, nahazo ny lokan'ny safidin'ny mpitsara tamin'ny amboara “Sonnets for Albert” (tononkalo ho an'i Albert). Namoaka ny sarin-dry zareo nandritra io lanonana voalaza io ilay nahazo loka talohan'ity andiany ity, nanonona ny fotoana ho “alina manan-tantara ho an'ny tononkalo Karaibeana voaloko amin'ny fahatsapana ho toy ny efa hita mahafinaritra.”

Nahitana Jamaikana iray hafa, Ishion Hutchinson, ihany koa tanaty lisitry kandidà 2023 amin'ny bokiny « School of Instructions » (Sekolin'ny fampianarana).  Eo an-tampon'ny lisitr'ireo kalaza mpandresy amin'ny loka T.S. Eliot amin'ny tononkalo anefa no ahitana an'i Derek Walcott avy any Sainte Lucie, izay nahazo ny loka tamin'ny taona 2011 tamin'ny bokiny “White Egrets” (Sanga fotsy).

Vatsy GBP 25 000 (USD 31 693) no omena ny amboara vaovao tsara indrindra amin'ny teny anglisy vao navoaka voalohany tao Fanjakana Mitambatra na tao amin'ny Repoblikan'Irlandy. Tsy vao izao tsy akory i Allen-Paisant vao nahazo loka, na izany aza; efa nahazo ny loka OCM Bocas taona 2022 sokajy tononkalo ny amboara « Thinking with Trees » (Mieritreritra miaraka amin'ny ala). Io « Self-Portrait as Othello » (Sarin-tena ho Othello), izay nahazo ny loka T.S. Eliot, io koa anie no nahazo ny loka Forward 2023 amin'ny amboara tsara indrindra tamin'ny Oktobra lasa teo.

Naneho hevitra tao amin'ny Facebook i Monique Roffey, mpanoratra Karibeana-Britanika malaza, “Fialan-tsatroka indroa miantoana ho an'ity kintana vao misondrotra haingana ity!” Ao anaty lisitry ny kandidà hahazo ny Lokan'ny Mpanoratra taona 2024 ihany koa ny « Self-Portrait as Othello ».

Noderain‘ny filohan’ny Mpitsara ao amin'ny Loka T.S. Eliot, Paul Muldoon, miaraka amin'ireo mpitsara namany Sasha Dugdale sy Denise Saul ho “boky manana finiavana avo dia avo ary ahitana fahaizana maka sary an-tsaina goavana, fihavaozana sy teknika, atolotra toy ny eny an-tsehatra sy amin'ny karazam-peo sy rejisitra maro, manavatsava jeografia sy vanim-potoana maro ny “Self-Portrait as Othello”. Mila herim-po tokoa ny manao asa toy izao amim-pahakingana sy fahamendrehana. ” Nanampy ry zareo fa manana ny toetram-boky iverimberenan'ny mpamaky ombieny ombieny ny amboara.

Araka ny tondroin'ny lohateniny, napetrak'i Allen-Paisant ny fitovian-jotra poetika amin'i Othello an'i Shakespeare, ilay Moor mainty hoditra izay mahatsapa ny tenany ho anjorom-balan'ny fiaraha-monina Veniziana, ary ny iainan'ny mpifindramonina mainty hoditra ankehitriny, ary matetika ny tononkalony mamelona tsipotipotika tenimparitra Jamaikana, na frantsay, na italiana.

Tamin'ny filazana ny amboarany ho “boky mahery”, nilaza tamin'ny The UK Guardian ilay poeta fa na dia tsy saro-takarina aza ny loka, dia mino izy fa anisan'ny nahatonga ny amboara hipaka tany amin'ny olona ny fahafahany mandanjalanja tsara ny “fanontaniana maro mahaliana,” ao anatin'izany ny fomba ifaningoran'ny atao hoe lehilahy — indrindra ny lehilahy mainty hoditra — amin'ny faharefoana. Lohahevitra iray nolazainy fa tsy voaresaka loatra. Nofakafakain'ny (sangan)asany koa ny fiantraikan'ny fahabangan'ny raim-pianakaviana.

Nandalina amin'ny toetran'i Othello i Allen-Paisant, tsy nety nanaiky ho “lasa adala” fotsiny araka ny ao amin'ny tantara: “Misy entana ara-kolontsaina entiny ve? Misy zavatra ve ao amin'ny nitaizàna azy?” Nihalehibe tany ambanivohitr'i Jamaika niaraka tamin'ny raibe sy renibeny, izay tantsaha ilay poeta tenany. Tamin'ny fahadimy taonany izy no niaraka nipetraka tamin'ny reniny, izay nahafeno ny fepetra ho mpampianatra tamin'izany fotoana izany, ary tsaroany fa na nisy ratram-po tao aminy rehefa nambara taminy fa renibeny — ilay nantsoiny hoe “Mama” ao amin'ilay amboara — fa tsy tena reniny.

I “Mama” no nandrisika azy hamaky teny sy nanampy azy hanan-kevitra amin'izay azony entina amin'ny fanabeazana. Nahazo ny mari-pahaizana voalohany tao amin'ny Oniversiten'i Antilles any Mona, Jamaika izy, nahavita ny taona voalohany ho amin'ny fahazoana PhD amin'ny fitenin'ny vanim-potoana Antenantenany sy maoderina tao Montréal, avy eo nahazo vatsim-pianarana hamita ny fahazoana io PhD io tao Oxford, ka herintaona amin'izany nianarana tao amin'ny École normale supérieure tao Paris.

Tsy dia malaza loatra any Jamaika anefa i Allen-Paisant, na izany aza, noho izy monina any UK; miaiky ihany koa izy fa nanandrana “niamboho” an'i Jamaika mandritra ny androatokom-piainany. Nanokatra faravodilanitra vaovao ho azy, na izany aza, ny fiatrehana ny ratram-po taloha na teo amin'ny asany na amin'ny fiainana andavanandro — mikasa ny hihaona voalohany amin'ny rainy mbola tsy hitany mihitsy izy.

Tetikasan'i Allen-Paisant manaraka ny boky ifangaroan'ny tsiaro sy ny natiora, “Scanning the Bush,” (Misavahao ny akata) izay kasaina havoaka amin'ity taona ity, eny fa na dia mbola manohy mampianatra petrakevi-pitsikerana (théorie critique) sy ny fanoratam-pamoronana ao amin'ny Oniversiten'i Manchester aza izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.