‘Ny hafatro raha voavono aho: aza mitsahatra': nilaza mialoha ny hahafatesany i Alexey Navalny

 

Portrait of Russian opposition leader and activist Alexey Navalny by Mitya Aleshkovsky. CC BY-SA 2.0 DEED.

Rosiana mpanohitra fanta-daza Alexey Navalny. Photo avy amin'i Mitya Aleshkovsky. CC BY-SA 2.0 DEED.

Maty tany am-ponja tamin'ny 16 Febroary 2024 tanaty toe-javatra mampiahiahy i Alexey Navalny, mpitsikera hatry ny ela an'i Potinina sady olo-malaza amin'ny fanoherana. Nilaza izay tiany hataon'ny Rosiana i Navalny indray mandeha tao amin'ny fanadihadiana iray raha sanatria maty izy.

Namaly ny fanontaniana amin'izay tokony atao i Alexei Navalny raha maty novonoina. Tsonga tamin'ny sarimihetsika “Navalny” nataon'i Daniel Rohr, 2022 : Ny hafatro raha vonoina aho dia aza mitsahatra. Aza, tsy afaka ny hitsahatra ianao. Raha nitranga izany, dia midika fa tena matanjaka isika, ary matahotra antsika ireo. Mila mampiasa izany tanjaka izany isika, ary aza mitsahatra. Tsarovy fa tena mahery isika ary nopotehin'ireo olon-dratsy ireo ny tanjaka maherivaika tao anatintsika satria tsy fantatsika ny herintsika. Ny ilain'ny ratsy hanjakazakany dia ny tsy ihetsehan'ny olona tsara fanahy. Koa mihetseha.

Nilaza ny tetikasa fampahalalam-baovao mahaleotena miaro ny zon'olombelona OVD-Info, sy ireo fampitam-baovao sy olo-malaza Rosiana mpanohitra maro hafa fa novonoina izy.

Namoaka fanambaràna milaza ny heviny momba ny fahafatesan'i Navalny ny OVD-Info :

“Alexei Navalny was killed in prison. The Federal Penitentiary Service has reported his death and plans to conduct investigations and determine the cause, something similar was mundanely stated by the Investigative Committee. This is unnecessary, the cause is already known.

“Novonoina tao am-ponja i Alexei Navalny. Nitatitra ny fahafatesany ny Sampan-draharahan'ny Fonja Federaly ary nikasa hanao fanadihadiana sy hamaritana ny antony, mitovitovy amin'izany no nambaran'ny Komity Fanadihadiana. Tsy ilaina izany, efa fantatra ny antony.

Mitohy ny fanambaràna:

Navalny’s death was a murder — a planned murder, a murder methodically carried out, a murder of which the Russian state is guilty. Including those very agencies that are now talking about investigations.

The authorities planned and carried out the poisoning of Navalny in August 2020. This was proven by numerous investigations, including Navalny’s own. It cannot be proven in a Russian court, controlled by killers. But why bother? To all reasonable people, the well-known indisputable facts are enough.

But Navalny miraculously survived. After treatment in Germany, still in poor health, Navalny returned to Russia. He was immediately arrested and kept in deliberately torturous conditions for three years. He was held without proper medical supervision and treatment and virtually isolated from family and lawyers. Most recently he was transferred into one of Russia’s harshest prisons located beyond the Arctic Circle. During 37 months of detention, Navalny spent 296 days in a brutal punishment cell. In such conditions, there was no need to poison or kill through violent means — they simply had to wait.

And this was not just murder. It was a political assassination. Navalny’s arrest and conviction were not simply unjust, they obviously served the political goals of the Kremlin. We are confident that both the fact of the murder and the fact that this murder is political will be properly proven through the law: at the international level and in Russia, in that very bright free Russia of the future that Navalny believed in.

This is an assassination of hope. But now it is within our power to prevent one last crime against Navalny — the attempts to kill the hope he inspired. Just as we need to stop other murders being committed right now.

Alexei was a man of extraordinary courage, resilience, and optimism. For us, he will always be an example to follow, a symbol that inspires, and does not allow us to give up. A symbol that gives hope. We will cherish this gift.

Alexei, thank you for everything you have already done, and for everything that will be done because of you and for you!

Our deepest sympathies go out to Alexei Navalny’s family and all his colleagues.”

Famonoana olona ny fahafatesan'i Navalny — famonoana olona nokinasa, famonoana olona natao araka ny fomba, famonoana olona izay ny fanjakana rosiana no meloka. Mpiray tsikombakomba amin’izany ireo sampan-draharaha miresaka fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

Efa nanomana sy nanatanteraka ny fanapoizinana an'i Navalny ny manam-pahefana tamin’ny Aogositra 2020. Voaporofon'ireo famotopotorana maro, anisan’izany ny an’i Navalny izany. Tsy azo porofoina eny amin'ny fitsarana Rosiana izay fehezin'ny mpamono olona izany. Fa maninona no manelingelina? Ho an'ny olona misaina rehetra dia efa ampy ny zava-misy fantatra tsy mila iadian-kevitra.

Tafavoaka velona tamin’ny fomba mahagaga anefa i Navalny. Taorian'ny fitsaboana tany Alemaina, niverina tany Rosia mbola farofy i Navalny. Nosamborina avy hatrany izy ary notazonina tao anaty fepetram-pampijaliana nandritra ny telo taona. Notazonina tsy nisy fanaraha-maso sy fitsaboana sahaza azy izy ary tafasaraka tamin'ny fianakaviany sy ny mpisolovava azy. Vao farany indrindra teo ny namindrana azy tao amin'ny iray amin'ireo fonja faran'izay henjana indrindra any Rosia ambadiky ny Faribolan-tendrontany Avaratra. Nandritra ny 37 volana nitazonana azy, dia nandany 296 andro tao amin'ny efitra famaizana feno habibiana i Navalny. Amin'ny toe-javatra toy izany dia tsy ilaina ny manapoizina na mamono amin'ny alalan'ny herisetra— niandry fotsiny (sisa) ry zareo.

Ary tsy famonoana olona fotsiny izao. Famonoana olona ara-politika izao. Tsy hoe tsy rariny fotsiny ny fisamborana sy fanamelohana an'i Navalny, miharihary ny fanatanterahana ny tanjona ara-politikan'ny Kremlin. Matoky izahay fa na ny famonoana olona na ny maha-famonoana olona ara-politika azy dia ho voaporofo araka ny tokony ho izy amin'ny alalan'ny lalàna: eo amin'ny sehatra iraisampirenena sy ao Rosia, ao Rosia tena mamiratra sy afaka rahatrizay araka ny ninoan'i Navalny.

Famonoana ny fanantenana izao. Saingy ankehitriny ao anatin'ny fahatanjahanay ny misoroka ny famonoana olona farany namelezana an'i Navalny —ny fikasana hamono ny fanantenana natolony. Tahaka ny filantsika manakana ny vono olona tanterahana amin'izao fotoana izao.

Lehilahy nanana herim-po faharetana sy fijery miabo miavaka i Alexei. Fitaratra harahina mandrakariva izy ho anay, sariohatra manome aingam-panahy, sy mahatonga anay tsy hikoy. Sariohatra manome fanantenana. Hankamamy ity fanomezana ity izahay.

Alexei, misaotra anao amin'ny zavatra rehetra efa nataonao sy amin'ny zavatra rehetra ho tontosa noho ianao sy ho anao!

Mitondra ny fiarahanay miory amin'ny fianakavian'i Alexei Navalny sy ny mpiara-miasa aminy rehetra izahay.”

Vakio koa: Fasana marivo tototra: mamono tsikelikely an'i Navalny, ilay tena mpitarika ny fanoherana, ny jadona ampiharin'i Poutine [mg]

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.