Ry vondrom-piarahamonina Global Voices malala,
Tsy mora ny miala amin'ny asa ankamamianao ary sarotra ny mifanao veloma. Saingy androany, ambarako fa, ao anatin'ny fanatonantsika ny faha-20 taonantsika, hisintaka tsy ho amin'ny toerana maha-tale jeneraly aho.
Voninahitra tsy hay ambara ny niasa ho an'ity vondrom-piarahamonina ity sy ireo soatoavina soloin'ny Global Voices tena.
Toy ny tsy nisy mihitsy fotoana hitondrana fanovàna teo amin'ny fitarihana, nefa inoako fa zavadehibe ny manome toerana ho an'ireo olona vaovao sy hevitra vaovao. Ary lavabe izany 15 taona nanànana mpanatanteraka tsy nivoa izany. Mientanentana aho hijery izay zavatra azon'ireo maso sy fo vaovao entina ho an'io andraikitra io.
Fikambanana salama tsara ny Global Voices amin'izao fotoana izao, manana vokatra matanjaka, laza tsy misy pentina ary hevi-baovao feno fahasahiana momba ny zotrantsika. Ireo fivoriana nataon'ny Filankevitry ny Vondrom-piarahamonina tato anatin'ny taona vitsy lasa dia nanampy antsika hamaritra tanjona vaovao: manana angovo betsaka isika hiasàna amin'ny resaka fanabeazana sy fanofànana, ireo fandaharanasa famatsiambola, ny fikarohana, ny asa fanaovana gazety ifandrimbonana, trano fanoratana amin'ny fiteny tena marolafy tokoa, ny zon'olombelona ety an-tserasera sy ny fampiatiana nomerika, no sady ihany koa manohana sy mampivoatra ny vondrom-piarahamonintsika.
Tena vao mainka mihasarotra noho ny hatrizay ireo olana atrehantsika. Misy, ary hisy ny filàna iray ho an'izay efa nataon'ny Global Voices nandritra ny fotoana naharitra. Marobe amin'ireo mpiara-miasa amintsika no miasa anaty fepetra sarotra sy horohoro. Ny habaka hisian'ny fifanakalozana feno asa famoronana sy fanehoana hevitra, izay katsahantsika haorina dia iharana tsindry goavana avy amin'ireo rafitra pôlitika sy teknôlôjika mpanao jadona tsy mitsahana ny mitombo.
Hijanona ho vatofantsika ato anatiko ny hetahetam-po iombonantsika hisian'ny fahafahana tsy mitanila sy fandriampahalemana ho an'ny rehetra, ny fahamaroan'ny fisoloana tena ireo fomba fijery sy ny feo, ny hisiana tontolo iray kely kokoa ny sisintany ao aminy ary ny fanekena bebe kokoa hoe be pitsopitsony ny maha-olombelona. Na tsapako aza fa mety ho zava-poana no fahitàn'ny maro ireny fanantenana ireny, hikaroka fomba vaovao aho hiasàna hampisy azy ireny, any amina andraikitra hafa.
Amin'ny herinandro ho avy io no hambaranay ny filazàna fitadiavana tale mpanatanteraka iray vaovao. Eritreretiko ny hijanona hitàna ny andraikitry ny tale mpanatanteraka mandra-pametratsika ny fitarihana vaovao. Mety haka volana vitsivitsy io, ary amin'izay fotoana izay aho dia hanohy hiasa hanohana ny ekipantsika, hanangona fanampiana, handray anjara amin'ireo tetikasa, ary hanomana ny Vovonambe 2024. Izao isika dia anatin'ny fandrafetana santatr'andraikitra momba ny asa fanaovana gazety, fanofànana momba ny media, fikarohana, ny fiarovana anaty tontolo dizitaly, sy ny fanaovana adisisika ho an'ny zo nomerika sy ny aterineto, ary hisasatra aho hanohana ireny ezaka ireny mandritra ity tetezamita ity.
Ankoatra izany, hijanona ato anatin'ny habaka ihany aho ary hanohy hanohana ny iraka sy tanjona napetrak'ity vondrom-piarahamonina ity araka izay tratrako.
Te-hisaotra ny tsirairay aho, izay nandray anjara tato amin'ny Global Voices tamin'ny fotoanany, ny heviny sy ny eritreriny, toy ireo mpanoratra, ny mpandika lahatsoratra ary ireo mpikatroka. Te-hisaotra ihany koa aho an'ireo tonian-dahatsoratra isam-paritra sy ireo mpitantana ny asa fandikàna, izay miasa anatin'ny tsy fitiavan-tena ka kitady sy manohana ireo mpandray anjara, ary manorina sy mampaharitra ity vondrom-piarahamonina ity. Fankasitrahana goavana ihany koa avy amiko ho an'ireo mpiara-miasa tao amin'ny ekipa fototra; ny fikarakaràna, ny fandavàntenan-dry zareo ary ny fahaiza-mamorona dia nanova ny asa tontolo andro fampandehanana ny Global Voices ho fahafinaretana. Fisaorako manokana mitodika amin'i Georgia Popplewell mpiara-mitarika amiko; tsy nahita mpiara-dàlana tsara kokoa tahàka azy aho. Ary farany, tiako ny hisaotra ireo rehetra mpikambana ao anatin'ny filankevi-pitantanana, na any avy aminay Hôlandey, na ireo fikambanana ara-dalàna ao Etazonia, izay niasa an-tsitrapo nanome ny fotoanany, ny fahaizamanaony manokana ary ny fitarihan-dàlany mba ho fanohanana ny ezaka iraisantsika.
Amin'ireo zavatra marobe tiako momba ny asa iarahana amin'ny Global Voices nandritra izay 15 taona mahery izay, ny tena maharitra indrindra angamba dia ny fihetsika tsy misy fihatsarana ivelan-tsihy, avy amin'ny fo, sy ilay toetra ‘vitantsika io’ ananan'ireo mpikambana maro ao anatin'ity vondrom-piarahamonina ity. Ho tànako ao am-poko sy ao an-dohako mandritra ny androm-piainako io fomba fisaina io, sy ny fanetrentena ary ny fikirizana ananan'ireo marobe amintsika.