Fiarahabana avy amin'…” i Surajo Teete, mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny Fulfulde avy ao Nizerià

Asain'ny Rising Voices ianao hiaraka aminay fizaràna fahefatra amin'ilay andiany “Fiarahabàna avy amin‘…”, “karatra paositaly misy feo” misy fizarana dimy anasongadinana ny feon'ireo Afrikàna mpikatroka dizitaly ho an'ny fiteny avy ao Afrika Atsimo, Nizerià ary Ghana.

Ao anatin'ity fizaràna fahefatra ity, hojerentsika ny fitantaràna manokana, araka ny filàzany azy, avy amin'i Surajo Teete.

Isaorana manokana ny mpamokatra, Malcolm Bamba, izay ny fandraisany anjara niaraka tamin'ireo mpikatroka tsirairay no nahateraka itony tantara mampitolagaga itony. Amin'ny alàlan'ny asany, handeha amina anjoria iray ireo mpihaino, hamantatra momba ny fiavian'ny firotsahana an-tsehatra dizitalin'ireo mpikatroka tsirairay miaraka amin'ny fitenin-dry zareo. Fanampin'izay, ity andiany ity dia hanazava ireo fanamby atrehan-dry zareo sy ny mandrisika azy ireo hanohy ny asany.

Hotsindriana manokana amin'ity fizaràna fahefatra ity ny amin'i Surajo, izay ny asa ataony dia mihodidina ny fiteny Fulfulde ao Nizerià ety anaty habaka nomerika. Nitafan'ny Rising Voices momba ny asany i Surajo tao anatin'ity lahatsoratra teo aloha tao amin'ny bilaogy ity, ary azonao atao ny mihaino ny fitantaràna amin'ny alàlan'ny feo atao amin'ny fiteny Fulfulde.

Sintony eto ilay feo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.