Ireo lahatsoratra be mpamaky indrindra tamin'ny Oktobra 2023

Ao anaty ezaka hankatoavana ireo mpanoratra sy mpandika teny ato amintsika sy hangarahara kokoa momba ny mpamaky isam-bolana, dia tohizantsika ny andiany Stats4Community, izay izaranay ny fanavaozam-baovao isam-bolana momba ireo tantara malaza indrindra isam-bolana. Hasongadinay ihany koa ireo lahatsoratra Lingua nahatratra ny tampony ho an'ireo fiteny samihafa ho fanehoana ny fahamaroam-piteny manerana ny vondrom-piarahamonina GV. Avy amin'ny tranokalanay Lingua Portiogey, Shinoa nentim-paharazana, Kiswahili ary Grika ireo tantara amin'ity volana ity.

Nahitana mpijery 362000 ny tranonkalantsika amin'ny teny Anglisy tamin'ny volana Oktobra 2023. Nalaina avy tamin'ny Google Analytics ny antontanisa rehetra eto ary tsy voatery haneho ny totalin'isan’ny pejy voajery noho ny rindrambaiko fanakanana doka sy ny fanefena hafa momba ny fitanan-tsiambaratelo.

Tantara malaza indrindra tao amin'ny GV anglisy tamin'ny volana Oktobra 2023

Nodimandry ny ‘Ambasadoran'ny Reggae’ sady mpikambana mpanorina ny tarika Jamaikana malaza ‘Third World’, Michael ‘Ibo’ Cooper.

Nodimandry tamin'ny 12 Oktobra 2023 ilay Jamaikana mpiangaly mozika sady mpanabe Michael “Ibo” Cooper, izay nitana anjara toerana lehibe tamin'ny fampivoarana ny mozika reggae, ka nahatonga ireo fanomezam-boninahitra sy  fotoam-pahatsiarovana manerana an'i Karaiba. Anatin'ny tarika Third World nalaza nandritra ny andian-taona 70 sy 80 Ibo ary nandray anjara lehibe tamin'ny fanaparitahana ny mozika Reggae manerana izao tontolo izao. (mpijery 10.595)

Tsy misy zava-baovao ny sarintany sinoa 2023. Fa maninona no mahatezitra ny mpifanolo-bodirindrina amin'i Shina? [mg]

Nanakorontana ny fifandraisana tao amin'ny faritra ary nampitombo ny disadisa efa nihamafy tao anatin'ny roa taona farany ny sarintany lasitra natonta 2023 vao navoakan'i Shina. Mifanaraka amin'ny filazan'i Shina teo aloha ny sarintany, izay nanitatra ny fahefany amin'ireo faritra ifandirana ifanolorana amin'ny sisintanin'India sy Rosia ary ao amin'ny Ranomasin'i Shina Atsimo. Na izany aza, amin'ny fitomboan'ny fanazaran-tena ara-tafik'i Beijing ao amin'ny Ranomasin'i Shina Atsimo, mampiseho sary miha-mandrahona hatrany ho an'ireo mpifanolo-bodirindrina amin'i Shina ao amin'ny faritra ny hetsika. (mpijery 3.215)

Fandravana ny fandisoam-baovaon'ny ‘zaza tapahan-doha’ tamin'ny adin'i Israely tao Gaza

Ao anatin'ny ady mbola ataon'i Israely amin'i Gaza, niteraka safotofoto sy tahotra ny fandisoam-baovao sady nampiasaina hanamarinana ny habibiana amin'ny anaran'ny valifaty. Azavain'ity lahatsoratra ity ny fomba niparitahan'ny iray amin'ireo vaovao diso mahatsiravina indrindra nanerana ny fampahalalam-baovao ao an-toerana, isam-paritra, ary iraisampirenena  – izay tsaho milaza fa notapahin-doha ny zaza Israeliana tamin'ny fanafihan'ny Hamas an'i Israely. Milaza ny fomba nanararaotana ity vaovao diso ity tamin'ny tanjona ara-politika mandritra ny ady mbola mitohy ihany koa izy. (Mpijery 2 349)

Fieken-keloka nataon'ny Shinoa iray mpiasan'ny Sivana [mg]

Ao anatin'ity lahatsoratra ity, vehivavy iray tsy mitonona anarana izay miasa ho mpanao sivana Shinoa no manazava ny asany isan'andro amin'ny fitetezana ny Weibo, WeChat, ary ireo sehatra media sosialy Shinoa sy vohikala hafa mba hanivanana ireo fitaovana tsy mitovy hevitra. Manazava izy fa maro amin'ireo mpiasa mpanao sivana no manohitra ny foto-kevitry ny sivana an-jotra saingy natosiky ny sehatra noho ny fahavitsian'ny asa ho an'ny tanora ao Shina. (mpijery 2.107)

Paortiogey

Um ritual de proteção para “fechar o corpo” liga tradições religiosas diferentes no Brasil (Fombafombam-piarovana ‘Manakatona ny Vatana’ mampifandray ireo fomba Fivavahana samihafa any Brezila)

Amin'ity lahatsoratra tamin'ny taona 2016 ity, resahan'i Adam Lee ny fomba ampifandraisan'ny fombafomba Afro-Karibeana ny olona samy manana ny fivavahany sy sarangany ao Brezila. Ny fombafomba “fanakatonana ny vatana” dia heverina ho manala ny faharatsiana ary fanao amin'ny fivavahana Afro-Breziliana Candomblé sy Umbanda, ary amin'ny antokom-pinoana katolika sasany. (mpijery 2450 mahery)

Sinoa nentim-paharazana

加拿大人被稱為「好人」的迷思 (Ny angano momba ilay ‘Kanadiana mahafinaritra’ [mg])

Tamin'ny taona 2017, nanontany ireo mpamoaka lahatsoratra ato amintsika ny Global Voices hoe: “Inona no lafiny tsy takatry ny saina indrindra amin'ny toerana onenanao na niavianao?” Ity lahatsoratra avy amin'i Nevin Thonson, tonian-dahatsoratra GV Japoney teo aloha ity izay mizara ny fotoanany amin'i Kanada sy i Japana, no nanafoana ny angano milaza fa olona tsara sitrapo avokoa ny Kanadianina rehetra ary nanazava ny fomba mety hanafenan'ity laza tsara ity ny tsy rariny sy ny olana sasany misy eo amin'ny fiarahamonina Kanadiana. (mpijery maherin'ny 91)

Kiswahili 

Jumuiya ya Mashoga Nchini Guyana Yaandaa Maandano ya Kwanza Kujivunia Ushoga (Mampiantrano ny matsom-pireharehan'ny pelaka voalohany ny vondrom-piarahamonina LGBT ao Goyana)

Mankalaza ny diaben'ny rehareha voalohany tao Goyana tamin'ny volana Jona tamin'io taona 2018 io ihany ity lahatsoratra manandratra tamin'ny taona 2018 ity.  Kristianina ny ankamaroan'ny mponin'i Goyana ary ara-tantara tena manohitra ny LGBTQ+, noho izany ity hetsika ity dia naneho ny fanentanana tsy sasatra sy niadiana tsara avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny pelaka ao amin'ny nosy. Nanomboka tamin'ity fanombohana tamin'ny taona 2018 ity, dia lasa fanao isan-taona any Goyana ny fetiben'ny Rehareha. (mpijery maherin'ny 230)

Grika

Χριστιανοί της Ιερουσαλήμ: “Μειώθηκε ο πληθυσμός μας από 20% σε 2% λόγω ισραηλινής βίας” (Kristiana Jerosalema: ‘Nihena avy amin’ny 20% mankany amin'ny 2% ny mponina noho ny herisetra Israeliana)

Nahazo mpijery vaovao tao amin'ny tranokala Grika an'ny GV ity lahatsoratra tamin'ny volana Janoary 2022 ity, azo inoana fa noho ny fifandonana sy ny herisetra tany Israely sy Gaza tamin'ny Oktobra. Nomarihin'ilay lahatsoratra fa tamin'ny trangana herisetra Israeliana teo aloha, dia lasibatra tao Israely ihany koa ny Kristianina sy ny vondrona vitsy an'isa hafa. Miresaka ny fomba nandravan'ny tranganà herisetra mahery vaika ny vahoaka Kristiana ao Israely, izay nampihena ny isan'ny mponina ho roa isan-jato sisa ny lahatsoratra. (mpijery 140 mahery)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.