Ireo lahatsoratra malaza Desambra 2023

Ao anatin’ny ezaka hankatoavana ireo mpanoratra sy mpandika teny ato aminay sy mba ho mangarahara kokoa ho an’ny mpamaky isam-bolana, dia tohizanay ny andiany amin’ny Stats4Community, izay izaranay ny fanavaozam-baovao isam-bolana momba ny tantaranay malaza indrindra mivoaka isam-bolana. Hasongadinay ihany koa ireo lahatsoratra Lingua nahatratra ny tampony ho an'ny fiteny samihafa mba hanehoana ny fahamaroan-kaitsikerafiteny manerana ny vondrom-piarahamonina GV. Avy amin'ny tranokalanay Lingua Portiogey, Espaniola, Arabo ary Japoney ireo tantara amin'ity volana ity.

Nahitana mpamaky 281.500 ny tranonkalanay tamin'ny Anglisy tamin'ny volana Desambra. Nalaina avy tamin'ny Google Analytics ny antontanisa rehetra eto ary tsy voatery maneho ny totalin'isan’ny pejy voajery noho ny rindrambaiko fanakanana doka sy ny fanefena hafa momba ny fitanan-tsiambaratelo.

Tantara be mpamaky tao amin'ny GV teny Anglisy tamin'ny volana Desambra 2023

Sehatra Krismasy naorin'ny fiangonana ao Betlehema anaty fatin-korontana [mg]

Talohan'ny Krismasy 2023, nanangana sehatra krismasy hitarafana ny zava-misy ao Gaza ao anatin'ny ady mitohy ataon'ny Isiraely amin'ny faritra manodidina ny fiangonana iray ao Betlehema, tanàna iray ao amin'ny Morontsiraka Andrefana nofehezin'ny Isiraeliana. Nampiseho saribakoly kely kilalao nofonosina keffiyeh Palestiniana mipetraka ao anatin'ny potipoti-javatra sy korontam-bato ny seho. Niparitaka an-jotra ilay sary rehefa nampifanindran'ireo mpiserasera ny sary masina tao anatin'ny fandringanana tao Betlehema — toerana nahaterahan'i Jesoa. (mpijery maherin'ny 5.588)

Miha-maoderina ny tanàna ambanivohitra Nepaley, an-tampon'ny hanjavona ny zavakanto mokha [mg]

Ity lahatsoratra ity dia miresaka fomba amam-panao Nepaley momba ny zavakanto mokha — fitaovana ara-javakanto na kanonkanona apetaka amin'ny rindrina ny sary lokon-drindrina (fresque) nentim-paharazana ary lokoina amin'ny loko sy sary mamirapiratra. Satria maro ny tanora miala an-tanàna ambanivohitra mankany amin'ny tanàn-dehibe sy any ivelany, nanjary manjavona ity fomba fanao mahazatra io. (mpijery 3748 mahery)

‘Code Amber’ turned into the black ribbon: North Macedonia mourns 14-year-old abducted girl found dead 

Nivarahontsana i Makedonia Avaratra tamin'ny volana lasa teo taorian'ny nangalana an-keriny sy namonoana tovovavy iray 14 taona. Rehefa nandeha ny fikarohana ilay tovovavy, nisy vondrona elatra havanana sasany namadika ny raharaha ho fitaovana politika, niezaka nampiasa izany hamelomana fifankahalana ara-poko sy fivavahana amin'ny alalan'ny fanombantombanana hoe iza no nanao ny heloka bevava sy ny fanaparitahana vaovao diso. Tamin’ny farany; telo lahy no voasambotra tamin’ity resaka fakana an-keriny sy vono olona ity. Mbola mitohy ny raharaha. (mpijery 1.900 mahery)

Mihanaka manerana an'i Afrika sy any am-pielezana ny hetsika mitaky fanonerana ny fiantraikan'ny fanandevozana sy ny fanjanahantany [mg]

Resahan'ny lahatsoratra ny hetsika tsy mitsaha-mitombo any Afrika sy ny mihoatra zany, miantso ireo fahefana mpanjanaka teo aloha mba hanonitra ho an'ireo firenena Afrikana izay nijaly teo ambany fitondram-panjanatany sy ny varotra andevo. Milaza ireo fikambanana sy fiarahamonina mitaky ireo fanonerana ireo hanaovana endrika fanampiana mivantana na ankolaka, fanomezana vatsy sy fanampiana ara-bola. Takin-dry zareo ihany koa ny hamerenan'ireo firenena tandrefana ny zava-kanto sy asa-tanana nangalarina tao amin'ny kaontinanta afrikanina, izay mipetraka ao amin'ny tranombakoka sy trano fanaovana lavanty tandrefana amin'izao fotoana izao. (mpijery maherin'ny 1.161)

Paortiogey

Um ritual de proteção para “fechar o corpo” liga tradições religiosas diferentes no Brasil (Fombafombam-piarovana ‘Hanakatonana ny Vatana’ hampifandray Fomba Fivavahana samihafa any Brezila)

Ao amin'ity lahatsoratra tamin'ny taona 2016 ity no iresahan'i Adam Lee ny fomba fifandraisan'ny olona avy amin'ny fivavahana sy fiaviana ao Brezila amin'ny fombafomba Afro-Karibeana i Adam Lee. Heverina ho manala ny faharatsiana ny fombafomba “fanakatonana ny vatana” dia  ary fanao amin'ny fivavahana Afro-Breziliana Candomblé sy Umbanda, ary ireo antokom-pinoana Katolika sasany. (Mpijery maherin'ny 1.329)

Japoney

ウクライナ戦争で言葉を見失いかける話 (Ny fomba namadihan'ny ady tany Okraina ny lelako [mg])

Ao anatin'ity lahatsoratra Bridge ity, no iresahan'i Filip Noubel, tonian-dahatsoratry ny Global Voices, ny lovany Okrainiana sy ny tolona ataony amin'ny ady ataon'i Rosia amin'i Okraina. Niady mady i Filip, tahaka ireo mpiteny Rosiana maro koa, mba haneho ny fihetseham-pony sarotra momba ny adin'i Rosia, ny tantaran'ny fanjanahantany, ary ny fanoherana ny teny Rosiana sy ny mpiteny Rosiana izay nipoitra hatramin'ny nanafihan'i Potinina an'i Okraina. (mpijery maherin'ny 880)

Espaniola

Ecuador Fiestas de Quito: tradición y desencuentros (Fetin'i Quito ao Ekoadaoro: Fomban-drazana sy Fifaharana)

Hazavain'ity lahatsoratra tamin'ny taona 2010 ity ny maha-zava-dehibe ny Fiestas de Quito, fankalazana maharitra herinandro ny nananganana an'i Quito, renivohitr'i Ekoadaoro. Mandritra io fetibe io, misy ny fampisehoana adin'omby, ny fampisehoana opéra, ny dihy sy ny tantara an-tsehatra, miaraka amin'ny hetsika mozika, matso ary fampisehoana an-tsekoly ataon'ny ankizy. (mpijery 450 mahery)

Arabo

নেলসন ম্যান্ডেলার ১৭টি জ্ঞানগর্ভ উক্তি যা সকলের পাঠ করা উচিৎ (​​Tenim-pahendrena 17 Avy Amin'i Nelson Mandela Tsara Vakian'ny Rehetra [mg])

Ao amin'ity lahatsoratra mahasoa tamin'ny taona 2013 ity no anehoana tsongan-tenim-pahendrena 17 avy amin'i Nelson Mandela,  manolotra torohevitra momba ny fomba hahatongavana sy hitazonana ny fandriampahalemana, miaina amin'ny fandraisana andraikitra, fanehoana fangorahana. Mahakasika lohahevitra toy ny ady, fanagadrana, fankahalana, fitarihana, sy ny maro hafa ny fahendreny. (mpijery 378 mahery)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.