
Marta misalotra ny fanamian'ny ekipam-pirenena breziliàna nandritra ny lalao iray tamin'ny 2023 | Sary: Marcelo Camargo/Agência Brasil
Marta Vieira da Silva dia iray amin'ireo mpilalao baolina kitra tsara indrindra eto amin'izao tontolo izao. Izy no manana ny isa be indrindra amin'ny baolina tafiditra nandritra ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany, nilalao enina tamin'izy ireny ary niaro ny ekipam-pirenena baolina kitra breziliàna, efa 20 taona niakarana an-kianja. Ary ankehitriny, ny anarany koa dia lasa loka fanolotra isantaona ho an'izay baolina tsara indrindra tafiditra ho an'ny baolina kitra vehivavy.
Ity atleta breziliàna 37 taona ity no lasa olona voalohany mbola velona nefa nomena ho ana Loka FIFA ny anarany, miaraka amin'ny famoronana sokajy iray vaovao izay hanomboka amin'ny 2025.
Legend. 👑🇧🇷#TheBest pic.twitter.com/cxSOrAAUkA
— FIFA Women's World Cup (@FIFAWWC) January 15, 2024
Malaza 👑🇧🇷#TheBest pic.twitter.com/cxSOrAAUkA
— FIFA Women's World Cup (@FIFAWWC) 15 Janoary 2024
Ankoatry ny nahazoany loka ho fanomezana voninahitra azy, Marta dia nahazo koa Loka Manokana nandritra ny lanonana fanaon'ny FIFA isantaona, loka fanome ireo mpilalao baolina kitra nahavita zavatra niavaka nandritra ny naha-mpilalao azy. Tao Brezila, nanova tanteraka ny satam-pirenen'ny baolina kitra vehivavy ny asany.
Tao anatin'ny kabariny nampihetsi-po, nanolorany fisaorana, izay nataony tamin'ny fiteny pôrtiogey, hoy i Marta:
Eu quero que, assim como estou enxergando essa homenagem, quero que todas as mulheres possam enxergar um futuro promissor, onde não seja direcionado somente ao futebol, ao esporte, mas a qualquer atividade. O que a gente busca diariamente é fazer com que o mundo seja melhor para todos, sem distinção, buscar igualdade, respeito. E deixo essa mensagem para todos que tem o poder de transmitir essa mensagem, que façam, porque as próximas gerações vão agradecer, assim como agradecemos a um Ronaldo, um Zagallo, um Pelé.
Tiako raha, tahaka izay ahitàko ity loka fanomezam-boninahitra ity, mba hahita hoavy mamiratra daholo ny vehivavy rehetra, tsy hoe ao anaty sehatry ny baolina kitra irery ihany, na ny fanatanjahantena, fa any anatin'ny hetsika hafa rehetra. Ny zavatra katsahantsika isanandro vaky dia ny hisiana tontolo iray tsara kokoa ho an'ny rehetra, tsy misy fanavahana, katsahantsika ny fitoviana, ny fanajàna. Ary apetrako ity hafatra ity ho an'ireo rehetra izay manana fahefana hanaovana izany, ataovy ilay izy, satria ny andian-taranaka hoavy no hisaotra anareo, tahaka izay ankafizantsika an-dry Ronaldo, Zagallo, Pelé.
Hatramin'ny 2019, nisy fitsipika tsy maintsy narahana ho an'ireo klioba rehetra mpilalao baolina kitra misehatra any anatina ligy lehibe ao Brezila, dia ny tsy maintsy hanànany ekipa vehivavy. Tamin'ny taona lasa, nambara fa manomboka ny 2027, hitarina ho any amin'ireo diviziôna efatra misehatra amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Brezila io fitsipika io.
Amin'ireo klioba avy amin'ireo diviziôna lehibe miisa ao anatin'ny baolina kitra breziliàna amin'izao fotoana izao, iray monja no vehivavy filoha, Leila Pereira, avy ao Palmeiras. Ny 17 Janoary, nampiantso tafa an-gazety i Pereira, natokany fotsiny ho an'ireo vehivavy mpanao gazety. Nahiliny ireo izay nitaraina tamin'io fanapahankevitra io, nilaza tamin'izy ireny mba ”tsy ho romodromotra.” Nandritra ilay antsafa dia hoy izy:
Não pode ser normal. Ter uma mulher só na frente de um grande clube na América do Sul. Isto não é normal. Por que acontece? Porque sofremos diversas restrições que nos impedem de chegar aonde podemos chegar.
Mety tsy ara-dalàna izany. Ny hànana vehivavy iray monja hitarika ligy lehibe ao Amerika Atsimo. Tsy mahazatra izany. Fa nahoana no mitranga izany? Satria isika miaritra fameperana marobe izay manakana antsika tsy ho tonga any ‘amin'izay azontsika aleha.
Ny làlana nodiavin'i Marta
Marta dia teraka sy lehibe tao amin'ny tanàna iray antsoina hoe Dois Riachos, any avaratra-atsinanan'ny fanjakan'i Alagoas, nisy vahoaka 11.000 tamin'izany fotoana izany. Tany izy no nianatra ny fomba filalao io lalao io teny an-kianja naloto teny, ilay hany vehivavy teny anivon'ireo zazalahy, nilaza fa aleony baolina toy izay saribakoly.
Nandao azy fony izy mbola zazakely ny rainy, ary ny reniny miainga amin'ny 5:00 ora maraina mandeha mamboly ka ny alina vao miverina mody, raha ny fampahatsiahivan'i Marta izy tenany tao anatin'ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny Tsanganan'ny tranonkala The Players nomena lohateny hoe ”Taratasy ho an'ilay Izaho Tanora Kokoa‘:
Isaky ny avy ny orana, angoniny ny rano mba hanampiana amin'ny fambolena sakafo ho an'ny ankohonana. Rehefa tsy ao amin'ny toeram-pambolena izy, dia lasa mandeha mankany amin'ny biraon'ny kaominina, manadio sy mandroso kafe hosotroina. Araka izany dia tsy dia mahita azy matetika loatra ianao. Tsy mba nanànany mihitsy ny vintana handeha hijery ny lalaonao na hijery anao milalao.
Efa lasa ara-dalàna ny baolina kitra vehivavy ao Brezila, taona telo monja talohan'ny nahaterahan'i Marta, tamin'ny 1983. Nandritra ny 40 taona mahery, nijanona ho voarara tsy ho an'ny vehivavy io fanatanjahantena io tao amin'ilay firenena izay heverina ho ”tanin'ny baolina kitra”. Ny jadona nisy tao an-toerana tamin'ny 1941 dia namoaka didy fa tsy mahazo alàlana hanao fanatanjahantena ny vehivavy, anatina “fepetra tsy mifanaraka amin'ny natioran-dry zareo”, tamin'ny filazàna fa mety hiantraika amin'ny fahafahan-dry zareo ho tonga reny sy vehivavy an-tokantrano izany.
Teo amin'ny faha-14 taonany, nandray fiara fitateram-bahoaka i Marta ary nandao ny tanàna nahaterahany, nitodi-doha ho any Rio de Janeiro, niditra tamina zotra iray nitondra azy ho amin'ny fandraisana anjara tamin'ireo lalao andrana maro izay nanaovany kiraro efa niasa, ”tsy mifanaraka amin'ny haben'ny tongony sy notsentsenana gazety tany alohan'ny rantsan-tongotra mba hampety azy,” hatramin'ny fahatongavany ho atleta matianina, milalao anatina kianja iraisampirenena, miaraka amin'ireo mpankafy azy mijolotra fanamiana jersey misy ny anarany eo ambonin'ny laharana faha-10. Ry Pelé, Ronaldinho, Diego Maradona, Mesut Özil sy Lionel Messi no sasany tamin'ireo kintan'ny baolina kitra lehilahy nitafy ny fanamiana laharana faha-10 tany anaty klioba na teo amin'ny sehatra nasiônaly.
Nilalao tao anatin'ireo ekipa tao Rio sy Belo Horizonte i Marta ary nahazo fiantsoana hilalao tany Soeda. Ankehitriny izy dia milalao ao amin'ny Orlando Pride any Etazonia.
Tamin'ny 2006, sambany izy nahazo ny Loka Mpilalao Manerantany ho an'ny Taona avy amin'ny FIFA, ary avy eo mbola in-dimy nanamafy io fisongadinany io (2007, 2008, 2009, 2010 ary 2018). In'enina koa i Marta no efa niaro ny ekipam-pirenen'i Brezila tamina fiadiana izay ho Tompondaka Erantany — ny iray farany tamin'ny 2023 — ary nampiditra baolina niisa 17, araka ny fitantaran'ny tranonkalan'ny federasiôna:
…mihoatra noho ireo mpilalao hafa, tsy ijerena hoe lahy na vavy, teo amin'ny tantaran'ny fiadiana ny ho Tompondaka Erantany. Izy koa dia iray amin'ireo mpilalao telo monja nahavita nampidi-baolina tamina lalao dimy fiadiana ny ho Tompondaka Erantany, miaraka amin'i Christine Sinclair sy Cristiano Ronaldo.
Tamin'ny 2008, i Pelé, ilay olomalazan'ny Breziliàna, izay heverin'ny sasany ho ny mpilalao goavana indrindra ho an'ny fotoana rehetra ary nomane ny anaram-bosotra ”Ny Mpanjaka,” dia niantso an'i Marta ho ilay ”Pelé manao zipo.” Tao anaty antsafa iray, noderainy ilay vao misondrotra sy an-dàlan'ny ho lasa kintana indrindra tao Brezila tamin'izany fotoana izany:
Soube que mais de 60 mil torcedores foram prestigiar a seleção brasileira. Quem podia imaginar isso?
Reko fa toa hoe olona maherin'ny 60.000 no tonga hanome voninahitra ny ekipam-pirenena breziliàna. Iza no hieritreritra an'izany?
Ivelan'ny kianja, Marta koa dia lasa tompondaka iray amin'ny fitakiana fitovian-jo. Nandritra ny fiadiana ny ho Tompondaka Erantany 2019, naka sary izy niaraka tamina kiraro iray tsy nisy, na iray aza, anarana marika mpanohana. Nanomboka teo, nanao kiraro manarona ny marikan'izy ireny izy, mampiseho fotsiny famantarana mavokely sy manga ho an'ny fitovian-jo (miralenta).
Nolavin'i Marta daholo ireo tolotra avy amina marika ara-panatanjahantena hoe hanohana azy satria noheveriny fa tsy ara-drariny ny vola natolotra raha ampitahaina amin'ny atolotra ireo lehilahy nàmany.
Tamin'ny 2019 koa, niditra an'ilay sehatra izy nihosotra lokomena somary volomparasy antitra — marika iray fanatsaràna tarehy sy fanosotra, vao avy nanao fifanarahana fanohanana azy. Araka izany, ireo lokomena mandravaka ny molony isaky ny milalao dia lasa zavatra iray ihany koa.
Teny am-pitomboana, tahàka izay ampahatsiahiviny ao anaty lahatsoratra iray hafa ao amin'ny Players’ Tribune, tsy nanana vehivavy mpilalao mba hobanjininy izy, araka izany dia i Rivaldo, izay kavia ihany koa, no lasa aingampanahy ho azy.
Kanefa, niova izany ho an'ireo andian-taranaka hisolo azy, enga anie :
Tena mampirehareha ahy fatratra ny hoe angamba hisy ankizy mijery ahy ary izany dia hanaitra an-dry zareo hanakatra ny kintana. Manana lanja be ho ahy izany, mihoatra noho izay anaram-boninahitra, medaly na amboara azoko. Ny ho lasa olona iray ho azon'ireo ankizivavy banjinina, olona iray hampiseho an-dry zareo fa mety ho afaka havadika ho tena izy ny nofinofin-dry zareo ve? Misy fiantraikany toy izany, manana izany ho lova ve? Ho ahy, izany no mba nofinofiko.
(…)
Tongantsika ny hatreto. Ary dia tena mihoatra lavitra noho izay hoe mientanentana aho hahita hoe hivoatra hatraiza ny zava-drehetra.