
Mpanao politika sady mpandraharaha Kyrgyz, Arstan ‘Alai’ Abdyldaev. Pikantsary avy amin'ny horonantsary ‘Арстан Алайдын абактагы өлүмү. Жакындары териштирүүнү талап кылат’ ao amin'ny fantsona YouTube Azattyk. Fampiasana ara-drariny.
Hita faty tamin'ny 5 Janoary tao amin'ny fonja iray ao an-tanànakelin'i Moldovanovka akaikin'ny renivohitr'i Kyrgyzstan ao Bishkek, ny Kyrgyz mpanao politika sady mpandraharaha malaza, Arstan “Alai” Abdyldaev. 55 taona izy. Araka ny filazan'ny Sampan-draharaham-panjakan'ny Fonja, namono tena nananto-tena tao amin'ny toeram-pisakafoana tao am-ponja manokana fitsaboana i Abdyldaev. Nafindra tao izy tamin'ny 28 Desambra lasa teo, avy tany am-pitazonana vonjimaika tany Bishkek, izay nitazonana azy hatramin'ny nisamborana azy tamin'ny 15 Desambra, noho ny fiampangana azy ho niteraka fankahalana ara-pivavahana.
Nanazava ny Komitim-panjakana misahana ny Fiarovam-pirenena fa ny filàna “fandraisana fepetra maika hanatsarana ny toe-draharaha ara-pivavahana” ao amin'ny firenena no antony nisamborana an'i Abdyldaev, izay “mihevitra ny tenany ho ‘Andriamanitra vaovao’, ‘mpamonjy’, ary mihevitra ny hafa amin'ny fivavahany, ny finoany ary ny fomba fijery ho ambany, malemy ary tsy manan-kery.
Nanaitra ny besinimaro ny fahafatesany ary nahatonga ahiahy fa nisy namono izy. Tonga izany noho ny antsipiriany manjavozavo nomen'ny manampahefana sy ny toe-javatra mampanontany tena momba ny fihazonana azy. Nafindra tany amin'ny fonja ao Moldovanovka tsy nisy fampandrenesana mialoha tany amin'i Kaisyn Abirov mpisolovavany i Abdyldaev, nomen'ny mpisolovavany tsiny ny “hetsika tsy ara-dalàna nataon'ny sampan-draharaha misahana ny fampiharana ny lalàna, ny mpanao famotorana ary ny fitsarana” noho ny fahafatesan'i Abdyldaev.
Nandritra ny nihazonana an'i Abdyldaev vonjimaika tany Bishkek no hitan'ny fitsapan'ny dokotera fa voan'ny “fikorontanana ara-tsaina tsy voafaritra mazava” izy, ankoatra ny zavatra hafa ary nalefa hotsaboina tany Moldovanovka. Mba handresen-dahatra ny besinimaro fa tena famonoan-tena tokoa io, dia namoaka horonantsary voalaza fa tamin'ny fotoana farany niainany ny manam-pahefana, izay nahitana azy nitondra tadin'aratra (cable) nofonosiny tanaty lamba famaohana ary mandeha mankany amin'ny trano fisakafoana, izay tsy nisy fakantsary.
Ity misy lahatsary YouTube mampiseho izay lazain'ny manampahefana fa fotoana farany nihazonana an'i Abdyldaev.
Hentitra ny fianakavian'i Abdyldaev fa tsy namono tena izy. Nizara ny zanany vavy fa salama saina tsara ny rainy ary matoky fa hahazo rariny amin'ny faran'ny fanadihadiana. Eny indrindra, niatrika fiampangana mitovy amin'izao izy tamin'ny taona 2019, izay nesorina rehefa tsy nahita antso fankahalana fivavahana na extremisme ny manampahefana tao amin'ny fanambarany momba ny maha “Andriamanitra vaovao” azy. Nilaza ny zanany lahy, tamin'ny fandevenana azy, fa raha afaka miresaka amin'i Abdyldaev indray izy, dia hanontany hoe: “Ray ô, iza no nanantona anao?”
Ity misy lahatsary YouTube tamin'ny nandevenana an'i Abdyldaev.
Na dia tsy nitana toerana ambony tao amin'ny governemanta mihitsy aza i Abdyldaev dia anarana nalaza tao Kyrgyzstan, in-telo nifaninana hofidiana ho filoham-pirenena ary nahatonga ireo andian-teny malaza izay nahatonga azy ho lasa olomanga amin'ny sary-sy-soratra (meme). Ny tsonga-teniny nalaza indrindra dia tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny taona 2011 raha nilaza izy hoe, “Zima ne budget” (Tsy hisy ririnina), maminavina ny fiovaovan'ny toetrandro. Tamin'ny taona 2012, nanohy izy tamin'ny fanambaràna fa “biorobot sarotra” [olona robot] natao hamonjy ny olombelona ny filohan'i Rosia Vladimir Potinina . Nivoaka lohateny lehibe indray i Abdyldaev tamin'ny taona 2019 tamin'ny fanaovana valandresaka ho an'ny mpanao gazety izay nanambaràny ny tenany ho “Andriamanitra vaovao”.
Ity misy lahatsary YouTube momba ny lova navelan'i Abdyldaev.
https://www.youtube.com/watch?v=OI1zpANPz2w
Tranga iray hafa mankany amin'ny fironana mampatahotra miseho eo ambany fitondran'ny filoha ankehitriny Sadyr Japarov ny fahafatesan'i Abdyldaev. Hatramin'ny nahatongavany teo amin'ny fitondrana tamin'ny taona 2020, olona telo lehibe ara-politika sy ara-pihariana no maty tany am-ponja tanaty toe-javatra mampiahiahy. Tsy nisy olona nohazonina ho tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’ireo olona ireo.
Naneho setriny momba ny fahafatesan'i Abdyldaev ny Minisiteran'ny Fitsarana tamin'ny fananganana vaomiera manokana hanadihady ny zava-nitranga, ary nampanao famotorana ady heloka bevava tamin'ireo mpiasan'ny fonja noho ny tsy fitandremana ny biraon'ny fampanoavana. Ny valin'ireo fanadihadiana ireo no hanampy amin'ny famoahana ny marina momba ny fahafatesan'i Abdyldaev.