Ahoana no ahafahan'ny firenena Afrikana mizotra am-pahombiazana amin'ireo fifidianana taona 2024

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube, ‘Afrika taona 2024: Miandrandra ny taonan'ny fifidianana‘ avy amin'ny FRANCE 24 English. Fampiasana ara-drariny.

Fantatra fa hanatontosa  fifidianana ireo firenena Afrikanina maromaro amin’ity taona ity. Mitana anjara toerana lehibe amin'ny fampihenana ny fifandirana ny fifidianana azo itokisana sy ny fitantanana nohatsaraina, ka miteraka vokatra tsara eo amin'ny toekaren'ny firenena. Rehefa mandray andraikitra sy mangarahara ny fitondram-panjakana, dia mamorona tontolo mitarika ho amin'ny fampiasam-bola sy ny fitomboan'ny fandraharahana.

Hotontosaina any Ghana, Afrika Atsimo, Alzeria, Mali, Sénégal, Maoritania, Ginea-Bissau, Tonizia, Tchad, Burkina Faso, Sodàna Atsimo, Rwanda, Namibia, Kaomoro, Botswana, Mozambika ary Maorisy ny fifidianana amin'ity taona ity. 

Na izany aza, misy ny tsy fahampian'ny fanantenana eo amin'ny Afrikana maro momba ny fifidianana ho avy, taorian'ny voka-pifidianana tamin'ny herintaona, anisan'izany ny tany Nizeria, Sierra Leone ary Zimbaboe. Naneho ny ahiahiny ireo mpisera sasany ao amin'ny X (Twitter taloha) fa mety hisy hosoka sy voamariky ny herisetra ny fifidianana. Mifanohitra amin'izany, manana fanantenana kosa ny hafa fa, amin'ity indray mitoraka ity, hahomby amin'ny fizotran'ny fifidianana ny firenena Afrikana. 

Tamin'ny taona 2023, nisy fifidianana natao tany amin'ireo firenena Afrikanina fito, tamin'ireo firenena fito ireo, samy nisian'ny ahiahy momba ny tontolo demaokratika ao amin'ny kaontinanta avokoa.

Niatrika olana maro ny fifidianana tany Nizeria tamin'ny volana Febroary, izay nahatonga an'i Bola Tinubu ho filoha, ka isan'izany ny fividianana vato, fandrahonana mpifidy, fanafihana biraom-pifidianana, ary ny fahataran'ny manampahefana misahana ny fifidianana. Fanampin'izay, tsy nahavita nampiakatra ny voka-pifidianana tao amin'ny tranokalan'ny INEC hijerena ny voka-pifidianana ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, araka ny nampanantenaina tamin'ny androm-pifidianana. 

Tany Gabon, narahina fanonganam-panjakana ny fandresen’i Ali Bongo Ondimba nandritra ny fifidianana tamin’ny volana aogositra ka nitarika ny fanafoanana ny voka-pifidianana.

Nanatri-maso ny fahalanian'i Julius Maada Bio indray tamin'ny volana jona lasa teo i Sierra Leone, saingy nanohitra ny valim-pifidianana ny antoko mpanohitra lehibe, tamin'ny filazana ireo “tsy fanarahan-dalàna miharihary.” Nanahy mikasika ny tsy fitovian’ny antontanisa tamin'ny voka-pifidianana filoham-pirenena ireo mpanaramaso iraisampirenena, ka nitaky ny hisian’ny mangarahara.

Nahitana fiampangana hala-bato, fahataran'ny latsa-bato, ary fisamborana ireo mpanara-maso ny fifidianana ny fifidianana tao Zimbaboe tamin'ny volana Aogositra . Nitarika ny mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpanohana ny mpanohitra hiatrika fanamby ny vokatr'izany.

Nahitana hetsi-panoherana mangataka ny hanemorana ny fifidianana i Madagasikara, saingy nanohy ny fitazonana ny fifidianana i Andry Rajoelina tao anatin'ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina, ankivy nataon'ny mpanohitra, ary fahavitsian'ny mpifidy. Namoaka didy manome rariny ny Filoha ny Fitsarana Tampony [mg], mamela azy hirotsaka hofidiana na dia nilaza aza ireo antoko mpanohitra fa tsy tokony mahazo mirotsaka izy noho izy mizaka zom-pirenena frantsay.

Nanome fanantenana kely ny  fifidianana tany Liberia, nahitana an'i George Weah nitarika tamin'ny isa tery tamin'ny fihodinana voalohany saingy resin'i Joseph Boakai tamin'ny fihodinana faharoa. Niaiky tamim-pilaminana ny faharesena i Weah, ary nidera ny dingana ireo mpanara-maso iraisampirenena, anisan'izany ny Vondrona Eoropeana (EU), ny Fiaraha-monina ara-toekarena any Afrika Andrefana (CEDEAO=ECOWAS) ary Etazonia. Na izany aza, nisy fikasana fanonganam-panjakana nitranga tamin'ny Novambra 2023, niafara tamin'ny fiampangana an'i Ernest Bai Koroma, filoha teo aloha Sierra Leone, ireo mpiandraikitra ny fiarovana azy, Amadu Koita sy ny 11 hafa noho ny famadihana.

Tany RD Congo, voafidy indray ho amin'ny fe-potoam-piasana faharoa ny filoha am-perinasa Félix Tshisekedi tamin'ny faran'ny volana Desambra 2023 , saingy ampangain'ny mpanohitra ny voka-pifidianana [mg].

Mbola hisy ny fifidianana amin’ity taona ity, mitranga ny fanontaniana raha hihatsara ny toe-draharaha. Azo hakana lesona ireo fifidianana teto amin’ny kaontinanta hiantohana ny fahafahana sy ny rariny ary ny fandriampahalemana amin’ny fifidianana ho avy any amin’ireo firenena afrikanina amin’ity taona ity.

Nosoritan'ny fifidianana tamin'ny taona 2023 ny maha-zava-dehibe ny fitsarana sy ny rafi-pitantanana fifidianana samy mahaleotena amin'ny fiantohana tetezamita mangarahara. Araka ny nasongadin'ny Democracy in Africa, azo lazaina amin'ny ampahany ho avy amin'ny fahavitan'ny Fitsarana Tampony ao amin'ny firenena miatrika fampitahorana avy amin'ny fahefana mpanatanteraka ny fahamendrehana sy ny fahombiazan'ny fifidianana. Tokony haka tahaka ny ohatra nasehon'i Kenya tamin'ny taona 2013 ny fitsarana Afrikana, izay nanoheran'ny rafi-pitsarana ireo fandrahonana avy amin'ny mpanohana ara-politika .

Nanantitrantitra ny anjara toeran'ny Vaomieran'ny Fifidianana (EC) amin'ny demaokrasia ao Ghana ny tatitra iray avy amin'ny Westminster Foundation for Democracy (WFD). Miorina araka ny lalàna sy ny zavamisy (de jure sy de facto) ny fahaleovantenan'ny EC , ka ny lalàmpanorenana no miaro amin'ny fifehezana ivelany ary manana mpiambina hatrany ny filoha sy ny filoha lefitra. Avoitran'ny tatitra fa ny manana anjara toerana lehibe mampahomby ireo tolo-kevitry ny mpanara-maso iraisampirenena ny haavom-pahaleovantenan'ny Vaomieran'ny Fifidianana. Nolazainy ihany koa fa na dia miatrika fanamby amin'ny fahaleovantena ara-bola aza ny Vaomieran'ny Fifidianana, izay matetika miantehitra amin'ny mpamatsy vola iraisampirenena noho ny tsy fahampiana sy ny fahataran'ny famatsiam-bola avy amin'ny governemanta, ahariharin'ny firaketana an-tsoratra ara-tantara ny finiavana hiezaka hihataka amin'ny fitaomana ara-politika sy hanoherana ny fitsabahan'ny mpanatanteraka.

Avoitran'ny International Peace Institute ny fahombiazan'ny fahitana ny sehatra iraisampirenena tamin'ny fisorohana ny herisetra nandritra ny fifidianana tany RD Congo tamin'ny taona 2006 . Tsy maintsy mandeha ankoatra ny fanomezana angona sy ny fanambaràna an-gazety ireo iraka mpanaramaso, araka ny lazain'ny Democracy in Africa. Tokony hanohana amim-pahavitrihana ireo vondrona fiarahamonim-pirenena eo an-toerana izy ireo amin'ny fanoherana ny governemanta manitsakitsaka ny zon'ny olom-pirenena hifidy. Tokony hihoatra ny zara fa fanamelohana amin'ny fomba tsy mety amin'ny fifidianana ireo fikambanam-paritra toy ny Fikambanam-Pampandrosoana ny Atsimon'i Afrika – Southern African Development Community (SADC) na ny Vondrona Toekarena Afrikanina Andrefana (ECOWAS na CEDEAO), ny Vondrona Afrikanina (UA), sy ireo iraka iraisampirenana toy ny Vondrona Eoropeana (EU), ny National Democratic Institute (NDI), ary ny International Republican Institute (IRI) ao Etazonia. Na dia tsy afaka mitsabaka amin'ny raharaham-pirenena aza ny iraka mpanaramaso, azony atao ny mizara ireo angon-drakitry ny vondrona fiarahamonim-pirenena, ireo antoko mpanohitra ary antoko eo amin'ny fitondrana, manome hery azy ireo handray izay fepetra rehetra ilaina. Mifanohitra amin'izany, azon'ny governemanta vahiny atao ny mampihatra karazana fanerena amin'ny governemanta tsy demaokratika, mitovy amin'ny fihetsik'izy ireo amin'ny mpanao didy jadona miaramila.

Fanampin'izany, soritan'ny tatitra hampiasan'ny vondrom-piarahamonina mpamatsy vola betsaka amin'ireo fikambanam-piarahamonim-pirenena Afrikanina sy amin'ny teknolojian'ny fifidianana elektrônika. Andry ianteherana amin'ny fiarovana ny demaokrasia ireo vondrona ireo, manao vivery ny ainy mihaika ny governemanta tsy demaokratika na dia eo aza ny fandrahonana avy amin'ny mpitandro ny filaminana. Nandray anjara tamin'ny fanatanterahana ny fanavaozana ny fifidianana tao Ghana ny fanetsiketsehana matanjaka nataon'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fanohanan'ny mpamatsy vola iraisampirenena, araka ny filazan'ny World Foundation for Democracy (WFD). Ny fifandraisana mahomby teo amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny Vaomieram-Pifidianana no niantoka ny fitompoa-manana sy ny fanerena hisian'ny fanavaozana.​

Manerana ny kaontinanta, iankinan'ny ain-dehibe hisian'ny fiovana ara-politika ny fampiharana ny fanavaozana ara-pitsarana, indrindra amin'ny fandrindram-pitantanam-bola ara-politika sy ny ezaka hanatsarana ny fisoloan-tenan'ny vehivavy eo amin'ny politika.

Mitaky fitsarana sy sampan-draharaham-pitantanam-pifidianana samy mahaleotena, fanavaozan-dalàna, fanoloran-tena iombonana ho amin'ny mangarahara, fiaretana amin'ny fanerena avy any ivelany, ary fanohanana lehibe ho an'ny fiarahamonim-pirenena sy ny teknolojian'ny fifidianana elektronika ny fampahombiazana ireo fifidianana hoavy any amin'ireo firenena Afrikana. Tsy azo tsinontsinoavina ny mianatra avy amin'ny traikefa taloha sy ny fampiharana ireo lesona ireo amin'ny fampiroboroboana ny demaokrasia sy hiantohana ny vokatra tsara amin'ny fifidianana manerana ny kaontinanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.