
Lehiben-jiolahy mahery vaika ao Kyrgyzstan miala amin'ny foto-keviny sy ny satany. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube Kloop na russkom. Fampiasana ara-drariny.
Maty tamin'ny 4 Oktobra nandritra ny bemidina nataon'ny Komitim-panjakana misahana ny Fiarovam-pirenena (GKNB) ny mpanjakan'ny mpanao heloka bevava ao Kyrgyzstan sady andrianan'ny fangalarana antsoina hoe Kamchy Kolbaev. Maty voatifitra tao amin’ny trano fisakafoany izy rehefa voalaza fa nanao fanoherana mitam-piadiana. Nantsoin'ny GKNB ho hetsika manokana notontosaina tao anaty famotorana ireo trangan-keloka bevava anenjehana ireo andian-jiolahy sy ny mpitarika azy ireo ny zava-niseho.
Ny ampitson'iny, ny 5 Oktobra, nitarika ny fisamborana ireo andian-jiolahy maro ny Komitin'ny Fiarovam-pirenena (KNB) ao Kazakhstan niara-niasa tamin'ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Biraon'ny Fampanoavana. Voalaza fa nanao asa tsy ara-dalàna tany amin'ny faritra sisintanin'i Kazakhstan miaraka amin'i Kyrgyzstan, Shina ary Ozbekistan ireo vondrona voasambotra.
Roa volana taty aoriana, tamin'ny fiandohan'ny volana Desambra, nanao bemidina hisambotra ireo andian-jiolahy eny an-dalambe sy ireo vondrona mpanao heloka bevava tany amin'ny tanàna maromaro ny Minisiteran'ny Atitany ao Ozbekistan, ka nisambotra olona miisa 103 ny fitambarany. Ny olo-malaza indrindra nosamborina dia i Salim Abduvaliev, mpandraharaha iray manana fifandraisana amin'ny tontolon'ny heloka bevava, izay toa tsy azo kitikitihana.
Talanjona Azia Afovoany nahita ireo fisamborana ireo, niteraka fanontaniana momba ny hoavin'ireo andian-jiolahy ao amin'ny faritra. Niitatra lavitra an'i Kyrgyzstan ny herin'i Kolbaev, ary nanamarika izany zava-misy izany ny fisamborana ireo jiolahy tany amin'ireo firenena manodidina taorian'ny nahafatesany. Mihemotra ireo andian-jiolahy ao amin'ny faritra, saingy mbola mihatra ny fanontaniana raha hahomby amin'ny fanafoanana ny herin'izy ireo ny fanafihana ataon'ny governemanta.
Malaza, manankarena ary manan-tontolon-daza
Tsy jiolahy tsotra i Kolbaev. Izy no Kyrgyz voalohany sady tokana nisalotra ny andrianan'ny fangalarana, anarana manokana nomena ny sangany amin'ny heloka bevava, . Efa hatramin'ny andian-taona 1930 ny tantaran'ny andrianan'ny fangalarana, fony nananganan'ny manam-pahefana sovietika rafitra manokana firazanana am-ponja mba hifehezana ny habetsaky ny olona am-ponja ao amin'ny Firaisana Sovietika. Nanaraka fitsipi-boninahitra manokana ireo andrianan'ny fangalarana tany am-boalohany, izay nandrara azy ireo tsy hiara-miasa amin’ny manam-pahefana, hanana ankohonana, ary hitantana fandraharahana. Ny asan-dry zareo dia hitazona ny tarazon'ny tontolon-jiolahy. Lasa andrianan'ny fangalarana ny olona iray amin’ny alalan’ny dingana “fisaloram-boninahitra” ataon'ireo andrianan'ny fangalarana hafa.
Iray amin'ireo lehiben'ny heloka bevava malaza indrindra any Kyrgyzstan sy Azia Afovoany i Kolbaev. Nahatratra 424 ny mpandray anjara ao amin'ny vondron-jiolahy arindrany. Natao tao Moskoa ny “fisaloram-boninahitra azy” tamin'ny taona 2008. Tamin'ny taona 2012, nampidirin'i Barack Obama, filohan'i Etazonia tamin'izany fotoana izany, lisitra mainty ho iray amin'ireo tompon-java-mahadomelina lehibe indrindra i Kolbaev. Tamin'ny taona 2017, nampiditra lisitra mainty azy ny Departemantan'ny Tahirim-bolan'i Etazonia, nanondro an’ i Kolbaev ho anisan'ny andian-jiolahy iraisampirenena “Bratskii Krug” (Faribolana Firahalahina), ahitana ireo lehiben'ny jiolahy avy amin'ny firenena post-Sovietika. Nampanantena valisoa hatramin'ny 5 tapitrisa dolara amerikana ny manampahefana amerikana amin'ny zarahay ahafahana manameloka an'i Kolbaev na handrava ny teti-dratsiny.
Ity misy lahatsary YouTube momba ny lalan'i Kolbaev eo amin'ny tontolon'ny heloka bevava.
Efa imbetsaka notanana am-ponja i Kolbaev. Na izany aza, tamin'ny tapaky ny volana aogositra 2023, nitatitra ny mpisolovava azy teo aloha fa tsy misy raharahan-keloka bevava momba azy. Niitatra mihoatra ny tontolon'ny heloka bevava ny tontolon-dazan'i Kolbaev. Voalaza mahery vaika koa ny tontolon-dazany eo amin'ny fiainana ara-politikan'i Kyrgyzstan, afaka nifampiraharaha hialàn'ny filoha teo aloha Sooronbai Jeenbekov ary nanohana ny firotsahan'ny filoha ankehitriny Sadyr Japarov tamin'ny volana Oktobra 2020 nandritra ny korontana ara-politika tao amin'ny firenena.
Araka ny filazan'ny GKNB, nanana taratasim-bola tsy ara-dalàna tamin'ny fizahan-tany, fanorenana, varotra ary ny fandraharahana an-trano fisakafoana i Kolbaev sy ny havany ary ny mpiara-miasa aminy. Nandray anjara tamin’ny fanondranana an-tsokosoko, fanondranana zava-mahadomelina iraisampirenena, fandrobana, ary fakana an-keriny ny vondron-jiolahy notarihany. Tombanan'ny GKNB eo amin'ny 1 miliara dolara eo ny fananany.
Ity misy lahatsary YouTube ahitana ny fananan'i Kolbaev nogiazana.
Tsy latsa-danja amin'ny laza ratsy, harena na tontolon-daza toa izany ireo mpitarika andian-jiolahy nogadraina tao Uzbekistan mpifanolo-bodirindrina tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Iray amin'izy ireo i Bakhtiyar Kudratillayev, fantatra amin'ny anaram-bositra Bakhti Tashkentskiy. Fanaon'ireo andrianan'ny fangalarana ny manana anaram-bositra, Kolya-Kirgiz ny an'i Kolbaev. Kudratillayev no hany andrianan'ny fangalarana ao Ozbekistan, nosaloram-boninahitra tamin'ny taona 1997 izy teo amin'ny faha-26 taonany.
Mbola goavana kokoa i Abduvaliev, fantatra amin'ny anarana hoe Salimboy sy Salim Boyvacha (Salim ilay Mpanankarena), manondro ny harembeny. Iray amin'ireo olo-malaza manankarena sy manan-tontolon-daza indrindra ao Ozbekistan i Abduvaliev. Ankilan'ny mpanjakan'ny heloka bevava Gafur Rakhimov, voalaza fa mifehy ny fanondranana zava-mahadomelina avy any Afghanistan mankany Rosia amin'ny alàlan'ny Lalana Avaratra, izay mandalo an'i Ozbekistan i Abduvaliev. Miantso azy ho “lehiben'ny mafia Ozbeka” ny Masoivoho Amerikana teo aloha tany Ozbekistan. Voalaza ihany koa fa mivarotra toerana ao amin'ny governemanta sy manamora tolo-bidy goavana i Abduvaliev.
Ity misy lahatsary YouTube momba an'i Abduvaliev.
Fanatanjahantena no tena ankafizin'i Abduvaliev. In-dimy tompondakan'ny tolona nasionaly izy. Hatramin'ny taona 2017, Abduvaliev no filoha lefitry ny Komity Olaimpika Nasionaly ao Ozbekistan ary Talen'ny Fikambanan'ny Tolona. Tamin'ny taona 2021, nanolorana ny anaram-boninahitra “Mpanazatra Fanatanjahantena Mendrika” izy.
Ity misy lahatsary YouTube ahitana ny resadresaka nifanaovana tamin'i Abduvaliev tao an-tranony.
Maty na gadraina
Taorian'ny fahafatesan'i Kolbaev, mpiasam-panjakana sy mpandraharaha am-polony no nosamborina noho ny lazaina fa fifandraisan'izy ireo amin'ireo vondrona mpanao heloka bevava tarihin'i Kolbaev. Nanambara ny Lehiben'ny GKNB, Kamchybek Tashiyev fa “tsy hisy intsony ny mafia” mifandray amin'i Kolbaev sy Raimbek Matraimov, mpiasan'ny ladoany teo aloha voarohirohy tamin'ny raharaha kolikoly ifanaovan'ny olompirenena hatrany ivelany (transnational). Amin'ny fananany aminà miliara dolara nafindra any amin'ny fanjakana, toa rava ny fanjakan-keloka bevava an'i Kolbaev.
Lakolosy maneno mafy ho an'ireo vondron-jiolahy mavitrika ao Kyrgyzstan ny fahafatesan'i Kolbaev, mampiseho mazava fa handray fepetra ny henjana indrindra hamelezana azy ireo ny manampahefana. Namoaka lahatsary mampiseho ny tenan'izy ireo miala amin'ny foto-kevitra heloka bevava sy mampanantena hiaina araka ny lalàna ireo olona malaza amin'ny fanaovana heloka bevava niara-dalana tamin'i Kolbaev.
Ity misy lahatsary YouTube ahitana ireo olo-malaza mpanao heloka bevava ao Kyrgyzstan miala amin'ny foto-pisainana sy sata maha mpanao heloka bevava azy ireo.
Toa anjara tsara kokoa saingy mbola hitera-boina no miandry an'i Kudratillayev sy Abduvaliev, izay any am-ponja amin'izao fotoana izao. Voarohirohy i Kudratillayev ho naka vola an-keriny, azo saziana 10 ka hatramin'ny 15 taona an-tranomaizina, sy amin'ny fikirakirana, fahazoana, fitehirizana ary hetsika hafa tsy ara-dalàna momba ny zava-mahadomelina, ny mitovy izany na ireo akora mandrisi-panahy (psikôtrôpika).
Natomboka araka ny Andininy faha-248 ao amin'ny Fehezan-dalàna Heloka Bevava ao Ozbekistan ny raharaha heloka bevava an'i Abduvaliev, izay ahitana fahazoana, fitehirizana, fitondrana, fitaterana, fandefasana ary fampiasana basy, bala, baomba ary fomba fanapoahana baomba na fitaovana momba baomba tsy misy alalana na fahazoan-dàlana mifanaraka amin'izany. Miatrika sazy an-tranomaizina dimy ka hatramin'ny 10 taona izy.
Tsy mitovy amin'ireo andrianan'ny fangalarana tany am-boalohany ireo sangany mpanao heloka bevava any Azia Afovoany maoderina, toa an'i Kolbaev sy Abduvaliev. Manana ankohonana izy ireo, mitantana orinasa, mitazona toerana ofisialy ary mamatsy vola. Niitatra hatry ny ela avy amin'ny tontolon'ny heloka bevava mankany amin'ny fiainana ara-politika sy ara-toekarena ao amin'ny fireneny ny tontolo-dazan-dry zareo. Mamely ireo andian-jiolahy voarindra amin'izao fotoana izao ny governemanta Aziatika Afovoany, izay tsirefesimandidy sy mpandrendri-bahoaka mba hanamafisana ny fahefana sy hanomezana fahafaham-po ny fitakian'ny vahoaka hampihenana ny heloka bevava. Mety ho tafavoaka velona amin'ny fanafihana amin'izao fotoana izao ireo andian-jiolahy voarindra, saingy tsy hanana tontolo-daza tahaka ny teo aloha ao amin'ny faritra intsony.