
Lovia iray feno foufou, pikantsary avy amin'ny kaonty YouTube “Noelia's Cooking”
Ny fahasamihafàna ara-poko ao amin'ilay firenena dia manome an'i Togo ny fahamaroana haify tena manankarena, izay hatry ny ela no natao an-jorom-bàla nanomezana vàhana ny hainahandro tandrefana. Saingy ankehitriny, vitan'ireo manampahefana tôgôley ny nahatakatra ny lanjan'ny fampiroboroboana ireo vokatra sy haify avy eo an-toerana.
Mizara ho faritra dimy goavana ny Repoblikan'i Togo, ao amin'ny morontsiraka andrefan'i Afrika: ireo faritra tany lemaka (tendrony avaratry ny firenena), ny faritra kara (ao avaratra), ny faritra afovoany (afovoan'i Togo), ireo faritry ny lembalemba (ao afovoany atsimo), ary ny faritra an-dranomasina (ao atsimo). Manome fahasamihafàna ara-toetrandro io, ary noho izany dia fahasamihafàna ara-pambolena izay manazava ireo fombandrazana ara-tsakafo samihafa.
Manodidina ny dimampolo ireo vondrom-poko monina ao Togo, ahitàna ny Éwés (22 %), ny Ouatchis (10 %), ny Guins izay samy any atsimon'ny firenena; ny Tem, ny Kasselems ao afovoany; ny Kabiyès (13 %) eo anelanelan'ny afovoany sy ny avaratra, ny Batammaribas, ary ry zareo Moba-Gurmas any amin'ny faritra avaratry ny firenena. Samy manana ny maha-izy azy avy ireo foko tsirairay raha resaka haify tena ankafizina any amin'ny faritra misy azy avy, nefa tsy dia fantatra any amin'ny faritra hafa ao amin'ny firenena.
Io no nanosika ireo fiarahamonina sivily hanao hetsika ka tanjona amin'izany ny hampahafantatra amin'ny vahoaka tôgôley manontolo ireny haify ao an-toerana ireny. Ohatra amin'izany ny an'ny Organisation pour l’alimentation et le développement local (OADEL) izay niditra tamin'ny fampiroboroboana sy fanomezana lanja ireo haify tôgôley amin'ny alàlan'ireo hetsika ” campagne alimenterre ” nataony nanomboka tamin'ny 2005 tao Togo. Tamin'ny alàlan'ireo hetsika maro hafa toy ny ” foire alimenterre “, dia sintonin'ilay fikambanana ny saina mba ho any amin'ny maha-zavadehibe ny fanjifàna ireo vokatra voajanahary avy eo an-toerana, ny tokony hanànana fomba fisakafoanana ara-pahasalamana, ary ny lanjan'ny fambolena eo an-toerana.
Ity lahatsary ity dia manome topimaso amin'ilay andiany tamin'ny 2016:
Mba hamarotana tsara ireo hevitra sy foto-kevitra avy aminy, ny fikambanana Oadel dia mandray anjara koa amin'ny fanamafisana ny fahaizamanaon'ireo sefo an-dakozia ao Togo. Ohatra amin'izany, tamin'ny 2018, sefo an-dakozia niisa 64 no nofaniny ho amin'ny fampiroboroboana ny fanjifàna ireo haify avy ao an-toerana.
Ankehitriny i Togo dia manana trano fisakafoanana maro voatokana, izay manolotra fotsiny ireo haify tôgôley. Ny trano fisakafoanana Togonou ao Lomé no iray amin'ireny toerana ireny izay vokatra tena tôgôley no aroso ao.
Nanomboka tamin'ny 2020, ny governemanta koa dia niditra tamin'ny fampiroboroboana sy fanomezana lanja ireo vokatra tôgôley, tamin'ny nanaovany ny andiany voalohany amin'ilay antsoina hoe “iray volan'ny fanjifana ny avy eto an-toerana” mba hanosehana ny haren'ny haify avy amin'ilay firenena. Nanomboka teo, atao isantaona io hetsika io rehefa volana Oktôbra.
Hazavain'i Rtoa Victoire Dogbe, praiminisitr'i Togo, ny vinan'ny governemanta tamin'ny nanaovana io “volan'ny fanjifàna ny avy ao an-toerana” io:
Anisan'ireo sakafo marobe mila fantarina ao Togo: ny akoumè (paty) izay fahaizana manokan-dry zareo avy ao atsimo, namboarina avy amin'ny vovo-katsaka na ampemba, saingy miparitaka manerana ny firenena; ny atassi, watché na ayimolou, fahaizana manokan'ny faritra afovoany izay karakaraina amina fampifangaroana vary sy tsaramaso; ireo sakafo toy ny foufou vita avy amin'ny oviala na mangahazo (fahaizana manokan'ny ao an-tanànan'i Kpalimé avaratra-andrefan'i Lomé); ny djinkoumè (paty mena), ny wassa-wassa natao avy amin'ny vovoka oviala (tena ankafizin'ny faritra afovoany), ny yaka-okin na couscous nentindrazana (nipoitra avy ao amin'ny tanànan'i Aného atsimo-atsinanan'i Togo) – ireo rehetra ireo dia isan'ny sakafo mampiavaka manokana an-dry zareo tôgôley.
Ity ny lahatsary mampiseho ny fomba fikarakaràna foufou:
Asehon'ny Moulaga TV ao amin'ny YouTube ao anatin'ity lahatsary ity ireo mitàna toerana 10 voalohany amin'ny sakafo sy saosy fanao amin'ny haify tôgôley:
Ety amin'ny tranonkala, misy vitsivitsy ireo mpampiasa no miditra amin'ny fanomezana lanja ireo sakafo tôgôley ary mampiseho ireo dingana mankany amin'ny fomba fikarakaràna ireny sakafo ireny. Ny Noelia's Cooking no kaonty YouTube an'ny vehivavy iray mpampiasa aterineto mampahafantatra ny hainahandro tôgôley amin'ny alàlan'ny fanehoana ireo fangaro ilaina ao an-tokantrano hikarakaràna ireo sakafo avy ao Togo.
Asehony eto ny fikarakaràna ny saosy adémè (amin'ny fiteny éwé) na corète potagère (ho an'ny frantsay).
Eny tokoa, ny adémè na corète potagère dia anatin'ny fianakavian'ireo legioma tena hanina be mihitsy, tsy ao Togo ihany, fa koa any amin'ireo firenena hafa ao Afrika andrefana.
Ity lahatsary ity no manazava ny fomba fikarakaràna ny wassa-wassa:
Ny saosy azeou na esrou, ankafizina fatratra any amin'ireo faritra ao avaratry ny firenena noho ireo zavatsoa natoraly antibiôtika entiny. Io saosy io dia mitondra vokatsoa toy izay hita amin'ny saosy sakamalaho. Ireo fomba fikarakaràna roa ireo dia mazàna no atoro an'ireo vehivavy mandalo ny vanim-potoana maha-reny.
Any amin'ny faritra andrefan'i Afrika, ny hainahandro tôgôley dia tena ankafizin'ireo vahiny tonga avy any amin'ny firenena hafa ao amin'ilay tanibe sy manerana izao tontolo izao. Io no manazava ny fahombiazana be tamin'ny fiondrànan'io hainahandro io: Ilay vehivavy tôgôley, Olivia de Souza, sefo an-dakozia, dia nanokatra trano fisakafoanana marobe any amina tanàndehibe maro ao amin'ny tanibe, ka any izy dia mampianatra ny taokanton'ny fahaizana mahandro. Raha ny momba an'i Olivia de Souza, Jean-Paul Agboh Ahouélété, mpampiroborobo ny Festival international la marmite (FESMA), hetsika iray ho fampiroboroboana ny haify anfrikàna, no mijoro ho vavolombelona:
Endrika hita vatan'ny sakafo afrikàna i Olivia de Souza, amin'ny alàlan'ireo fangaro ampiasainy sy ny sakafo ketrehany. Izy ireny dia mifanaraka amin'ny fahazàrana vaovao eo amin'ny fomba fisakafoanana sy ny fanomezana lanja ny vokatra avy eo an-toerana(…)