Lahatsoratr'i Alva Omarova ho an'ny Vlast.kz. Navoaka tato amin'ny Global Voices ny dika voahitsy araka ny fifanarahana fiaraha-miasa fampitam-baovao.
Tato anatin'ny folo taona, nandany lalàm-panakanana sy rafi-pifehezana maro amelezana ny fiarahamonim-pirenena ireo mpanao lalàna ao Kazakhstan, ikendrena indrindra ireo fikambanana mahazo famatsiam-bola avy any ivelany, antsoina tsy ofisialy hoe (vahiny mpitsikilo) “kasinga vahiny.” Namelona ratra ho an'ireo vondrona fiarahamonim-pirenena ireo indray ny fanapahan-kevitra iray vao haingana maro mpitsikera tamin'ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran'ny Fitantanam-bola ao Kazakhstan hamoaka lisitra (ampahany) ireo sampandraharaha vatsian'ny vahiny ao Kazakhstan .
Mibahana, mandrahona ary manasazy ny fiarahamonim-pirenena ny lalàna toy izany. Asehon'ny tolo-kevitra sy ny fandaniana (lalàna) fa fironana ara-paritra mampanahy sy an-dalam-panatanterahana ny endrika fanondroana vahiny mpitsikilo any amin'ireo firenena mifanolo-bodirindrina amin'i Kazakhstan, anisan'izany i Rosia, Kyrgyzstan ary Ozbekistan.
Taorian'ny namoahana ny lisitra tamin'ny volana septambra, farafahakeliny ONG iray no voasingana hanaovana fandinihana ara-bola fanampiny manokana. Lasibatra ny ONG Echo mpanara-maso ny fifidianana rehefa nampihatra fanamarinana ara-bola iadiana amin'ny extremisme sy ny fampihorohoroana i Nurbank, ilay mpampindram-bola azy, ary nanondro manokana an'i Echo ao amin'ny lisitra. Teo aloha, noraketin’ny tompon’andraikitra fotsiny ny zarahay momba ny fikambanana sy olon-tsotra vatsian’ny vahiny vola, fa tsy navoaka ho fantatry ny besinimaro. Niantso ny manampahefana Kazakhstani ny International Partnership for Human Rights (IPHR), niaraka tamin'ireo mpiara-miombon'antoka aminy, mba hanaisotra ny rejisitra hitam-bahoaka, satria tsy misy afa-tsy ny manilikilika, manala baraka ary manavaka ny fiarahamonim-pirenena ny tanjon'izany.
Rosia: Ilay mpanetsika voalohany
Mihoatra ny folo taona izao i Rosia no nampiasa ny fametahana anarana “mpitsikilom-bahiny” mba hikendrena fiarahamonim-pirenena, fampitam-baovao ary mpisintaka, izay tsy nandrafetana afa-tsy ny tranga ratsy indrindra amin'ny lalànan'ny mpiasam-bahiny (mpitsikilom-bahiny). Hatramin'ny nandaniana azy tamin'ny taona 2012, nivoatra ho fitaovana azo ampiharina amin'izay rehetra heverina ho manana “tontolon-daza vahiny” amin'ny famaritana tondro-molotra indrindra ilay lalàna. Raha nampiharina tamin'ny ONG irery ihany aza ilay lalàna Rosiana tany am-boalohany, dia nitarina ihany koa izany taty aoriana hahatratra ireo fikambanana media sy olona mitsikera ny manampahefana Rosiana. Na dia ny orinasa iray manome tambajotra manokana virtoaly (VPN) aza dia voasokajy ho “masombahiny” (mpitsikilom-bahiny) herinandro vitsy lasa izay.
Rehefa nanomboka ny ady tany Okraina, nampiasa ny fametahana anarana masombahiny i Kremlin hanaratsiana izay feo manivaka rehetra. Lasa mpialoha lalana hanaovan'ny manampahefana fanenjehana ny fahazoana ny satan'ny masombahiny ao Rosia. Nahazo ny petak'anarana masombahiny ireo Rosiana mpiantsehatra sy mpihira malaza nanohitra ny fanafihan'ny Rosiana an'i Okraina.
Kyrgyzstan: Ilay mpaka tahaka
Ao Kyrgyzstan, mandoko sary manahiran-tsaina ho an'ny fiarahamonina sivily ao amin'ny firenena, indrindra ho an'ireo ONG vatsian'ny vahiny ny toe-draharaha niseho vao haingana. Miatrika ny ambana lehibe indrindra hatramin'ny nahazoan'ny firenena ny fahaleovantenany tamin'ny taona 1991 ny teza demaokratika mavitrika indrindra ao amin'ny firenena, dia ny fiarahamonim-pirenena ao aminy. Efa eo am-piheverana amin'izao fotoana izao ny famolavolàna lalàna momba ny masombahiny izay ahitana soritsoritra avy amin'ny volavolan-dalàna rosiana aorizinaly.
Raha lany izy io, dia hahazo ny satan'ny “solontem-bahiny” ary ho tafiditra ao anaty rejisitra manokana ny ONG mahazo famatsiam-bola avy any ivelany sy mirotsaka amin'ny hetsika ara-politika. Ankoatra izany, nampidirina ao anaty volavolan-dalàna ny famonjana an-tranomaizina dimy taona noho ny famoronana ONG-FTMF sy ny fanatanterahana hetsika voafaritra ambangovangony ho “fandrisihana ny olom-pirenena tsy hanatanteraka ny adidiny”. Izay mandray anjara na mampiroborobo ny ONG-FTMF toy izany na ny heviny dia hosazina 10 taona an-tranomaizina.
Ambangovangony sy manjavozavo ny teny ao amin'ilay lalàna, ary, araka ny notsindrian'ny IPHR sy ireo ONG iraisampirenena fito hafa tamin'ny fanambaràna iombonana, dia azo ampiharina amin'ny asa rehetra ataon'ny ONG sy ny mpiaro ny zon'olombelona. Niverimberina ny fampitandremana fa mety hahatonga fanakatonana vondrona an-jatony ny fandraisana ny lalàna. Indrisy anefa fa naroso tao amin'ny parlemanta ilay volavolan-dalàna ary nolaniana tamin'ny fandinihana voalohany tamin'ny volana oktobra 2023.
Ozbekistan: Fanerena hametrahana mpiasam-panjakana ambony ao amin'ny ONG-FTMF
Nametraka rafitra hifehezana ireo vondrona fiarahamonim-pirenena vatsian'ny vahiny vola i Ozbekistan. Nampidirin‘ny lalàna tamin'ny herintaona ny rafi-piasana vaovao hankatoavan'ny fanjakana ny famatsiam-bola avy any ivelany raisin'ny ONG, sy ny tsy maintsy iaraha-miasa amin'ny sampan-draharaham-panjakana amin'ny fanatanterahana ny tetikasany. Araka izany, mametraka “mpiara-miombon'antoka nasionaly” avy amin'ny sampan-draharaham-panjakana, izay tompon'andraikitra amin'ny famolavolana “tondrozotra” amin'ny fanatanterahana tetikasa andraisan'ny ONG-FTMF famatsiam-bola, ny Minisiteran'ny Fitsarana.
Ankoatra izany, ireo mpiasam-panjakana voatendry ireo no tompon'andraikitra amin'ny fanasoniavana ny fiaraha-miasa amin'ny fanjakana, sady mifehy sy manao andrimaso amin'ny fivoaran'ny tetikasa sy ny vokany. Midika izany fa ny fanjakana no mifehy sy manara-maso ny ONG mahazo famatsiam-bola avy any ivelany. Niaro an'io hetsika io ny governemanta Ozbeka tamin'ny fanolorana azy ho “tolo-tanana pratika”, nefa mampahatsiahy ny fomba fitondrana tsirefesimandidin'ny filoha tsirefesimandidy teo aloha Islam Karimov, izay nifehezan'ny goverenamantany mafy ny fiarahamonim-pirenena Ozbeka. Na dia nisy aza ny fanitsiana tamin'ny volana oktobra 2023, dia mbola mitoetra ny ahiahy lehibe momba ity lalàna ity.
Kazakhstan: Fanadihadiana ara-ketra noho ny tondromolotra
Nolaniana tamin'ny taona 2016 ny lalàna voalohany ho an'ny “masombahiny” ao Kazakhstan, manana tanjona hitakiana amin'ireo fikambanana sy olon-tsotra rehetra hilaza ny famatsiam-bola avy any ivelany amin'ny hetsika sasany. Araka ny nolazain'i Yevgeniy Zhovtis, talen'ny Birao Iraisam-pirenena Momba ny Zon'olombelona ao Kazakhstan (KIBHR) nandritra ny antsafa tamin'ny volana Aogositra, dia tsy mitombina ny lalàna satria tsy maintsy milaza ny vola rehetra azony ny fikambanana.
Mametraka enta-mavesatra fanampiny amin'ireo vondrona vatsiam-bahiny ao Kazakhstan ny lalàna ary azo ampiasaina tsy amin'antony. Voatsikera tamin'izany fotoana izany ny fanekena an'io lalàna io, ary naneho tahotra ny fiarahamonim-pirenena fa mety ho ampiasaina tsy araka ny tokony ho izy izany — ary mitombina mafy ireo tahotra ireo araka ny nampiharana azy. Nandritra ny fifidianana solombavambahoaka tamin'ny taona 2021, nampiasaina ny lalàna hikendrena ONG malaza maromaro, anisan'izany ny KIBHR, izay niatrika fandoavana onitra mavesatra sy ambana fampiatoana noho ireo voalaza fa fahadisoana ara-teknika kely tamin'ny tatitra nataon'izy ireo momba ny famatsiam-bola avy any ivelany. Nesorina ny lamandy taty aoriana, taorian'ny fitarainana nasionaly sy iraisampirenena, saingy noho ilay lalàna mbola mihatra, dia tsy afaka mahazo antoka ny fiarahamonim-pirenena amin'ny tsy isian'ny famoretana mitovy amin'izany rahatrizay.
Mety ho fihetsika tsy manantsiny kokoa ny famoahana lisitr‘ireo teza vatsian'ny vahiny ao Kazakhstan raha ampitahaina amin'ny lalànan'ny “masombahiny” mahery vaika ao Rosia na ny dika mitovy amin'izany ao Kyrgyzstan. Na izany aza, ahitana taratra ireo karazana fiheverana diso momba ny andraikitry ny vondrona vatsiam-bahiny ireo fepetra ireo ary mitovy tanjona amin'ny fanimbana ny fitokisan'ny vahoaka ny fiarahamonim-pirenena. Raha tso-po amin'ny fanoloran-tenany amin'ny fanavaozana demaokratika ny governemantan'i Kazakhstan, dia tokony hampitsahatra ny fanilikilihana sy ny fanaraha-maso tafahoatra ireo vondrona vatsiam-bahiny. Ny fikosikosehana ny lisitra no mety ho fanombohana tsara amin'io lafiny io.