Sehatra Krismasy naorin'ny fiangonana ao Betlehema anaty fatin-korontana

Jesosy zazakely eo anivon'ireo fatin-korontana. Pikantsary avy amina lahatsary mitondra lohateny hoe : Quiet Christmas in Bethlehem: Pledging solidarity with Palestinians in Gaza (Krismasy tony ao Betlehema; fanehoana firaisankina amin'ireo Palestiniàna ao Gaza tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Al Jazeera amin'ny fiteny anglisy.  Fampiasàna ara-drariny.

Ity lahatsoratra ity dia navoaka voalohany tao amin'ny New Arab tamin'ny 5 Desambra 2023. Dika nokiraina no averina avoaka indray ato amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana iray hifampizàra votoaty.

Fiangonana iray ao Betlehama no nanorina toeram-pahaterahana mifanahantsahana amin'ny zavamisy ao Gaza rotiky ny ady, amin'izao ankatoky ny Noely amin'ity taona ity izao, ao anatin'ireo fanafihana mahery vaika ataon'i Israely an'ilay faritra palestiniàna.

Ilay seha-pahaterahana nataon'ny fiangonana loteriàna  “Evangelical Lutheran Christmas Church” dia mampiseho sarobakoly iray  nofonosina tamin'ilay keffiyeh nentindrazan-dry zareo Palestiniàna ary napetraka eo anaty potipotika sy korontan-javatra. Raha maneho ny maha-izy azy sy ny tantara ary ny tolon'ny Palestiniàna ny keffiyeh, ireo poti-javatra kosa maneho ny faharavàna misy ao Gaza, izay nahitàna [tamin'ny fotoana namoahana azy ity] raha kely indrindra, olona 19.453, ka zazakely ny 7.729 tamin'izany, maty noho ny ady an-jambany ataon'i Israely.

Ilay saribakoly dia heverina ho misolo tena ireo ankizy an'arivony maro tototra any ambany korontan-javatra ao Gaza.

Reverend Doctor Munther Isaac, pasitora ao amin'ilay fiangonana, nilaza tamin'ny The New Arab fa nitsiry tao aminy ilay hevitra ary nozarainy tamin'ireo tao anatin'ny kôngregasiôna misy azy.

“Tamin'ny herinandro lasa, nifamory ireo fianakaviana ato anivon'ny fiangonana ary niaraka nanorina azy io. Tena traikefa iray nanohina ny fo io ho an'ireo fianakaviana ato aminay. Nandritra ny fotoam-pivavahana ny Alahady, latsa-dranomaso ny sasany,” hoy izy.

Bethlehem no inoana ho toerana nahaterahan'i Kristy. Isantaona dia olona an'arivony maro no tonga mifamory ao amin'io tanàna ao Cisjordanie io mba hankalaza ny fahaterahany. Fa tamin'ny volana lasa iny, nanambara ny kaominina sy ireo fiangonana ao Betlehema sy Ramallah fa ho foanana ny fankalazàna ny Krismay any amin'ireo toerana voabodo ao Cisjordanie ho fanehoana firaisankina amin'i Gaza, fa kosa nanao antso tamin'ireo paroasy mba hanangona fanomezana.

“Tsy misy mpitsidika i Betlehema amin'ity taona ity. Noho ilay ady, tsy tonga ao Betlehema ireo mpanao fivahinianana masina,” hoy ny nambaran'ny Rev. Isaac. “Saingy gaga izahay no sady tohina nahita ny fifantohana sy ny valinkafatra voarain'ity Manger ity tao amin'ny media sôsialy sy ny fampahalalam-baovao amin'ny ankapobeny. Faly izahay fa tonga tany amin'izao tontolo izao ny hafatray. Tahaka io no ho fisehon'ny Krismasy ao Palestina amin'ity taona ity, ilay toerana niandohan'ny Krismasy,” hoy izy tamin'ny The New Arab.

Nambaran'ilay pasitora fa tsy nisy mihitsy fanehoankevitra avy amin'ireo manampahefana israeliana, “hatreto aloha”. Saingy nitarainany ny toedraharaha ara-toekarena sarotra iainan'ilay tanàna, satria nametrahan'i Israely fahirano henjana i Jerosalema ary nasiany fepetra henjana maro ao Cisjordanie hatramin'ny nanombohan'ilay ady.

“Iharana fahirano henjana izahay. Tsy ahitàna mpizahatany i Betlehema. Nitombo be ny isan'ireo tsy an'asa hatramin'ny fanakatonana [nataon'ny tafika isreliàna] an'i Jerosalema.”

Raha hankalaza ny Krismasy ireo fiangonana kristiàna any amin'ny tany Tandrefana amin'ny 25 Desambra, ireo fiangonana ôrtôdôksa sy kristiàna hafa kosa mankalaza io fety io rehefa volana Janoary.

Kristiàna Palestiniàna vitsy monja no mijanona ao Gaza sy Cisjordanie amin'izao fotoana izao, mandao noho ny fibodoana ataon'i Israely, ny fahirano ary ireo fahasahiranana ara-toekarena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.