Ny mahatonga ilay “lalàn'ny aterineto tsy liberaly” ao Indonezia hanimba ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zon'olombelona

Human rights defenders Fatia Maulidiyanti and Haris Azhar

Ireo mpiaro zon'olombelona, Haris Azhar eo ankavia, sy Fatia Maulidiyanti miatrika fitoriana ho nanàla baràka minisitra iray ao amin'ny governemanta. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube ao amin'ny fantson'ny HARIS AZHAR. Fampiasàna ara-drariny.

Tamin'ny 5 Desambra, nasian'ny parlemanta ao Indônezia fanitsiana ny Lalàna momba ny Fampitambaovao sy Fandraharahàna Elektrônika (lalàna ITE), tao anatin'ireo ahiahy maro nasongadin'ireo media sy ireo vondrona avy amin'ny fiarahamonina sivily nilaza fa novitaina tsy nakàna ny hevitry ny daholobe araka ny tokony ho izy io, ary ireo fanitsiana natao dia tsy ahitàna taratra ny fangatahana fanafoanana ireo fepetra mamoritra ao anatin'ilay lalàna.

Nambara tamin'ny 2008, ilay lalàna ITE dia natao hiarovana ireo mpanjifa, ireo mpampiasa aterineto sy ny zo amin'ny fizakàmanana ara-tsaina. Fa rehefa nifandimby teny ny taona, nanambara ireo vondrona avy amin'ny fiarahamonina sivily fa ireo fepetra voalazan'ilay lalàna dia “manohintohina tsotra izao ireo zo fototra mahakasika ny fahalalahana maneho hevitra ary manampim-bava ireo mpanao adisisika ho an'ny zon'olombelona.” Tao anaty fanangonantsonia nalefa ho an'ireo manampahefana talohan'ny nandalovan'ilay lalàna nasiana fanitsiana, vondrona maro samihafa no namintina ny lova malaza avy amin'ilay lalàna.

Tsy tapaka ireo mpisehatra avy amin'ny fanjakàna no mitrandraka ireo lahatsoratra manàla baraka na kabarim-pankahalàna mba hampanginana ireo mpanakiana, lasa miteraka rivo-piainana fanivànan-tena sy fitontonganan'ny fahalalahana maneho hevitra, miharihary any anatin'ireo vokadratsiny iainan'ireo mpanao gazety, vehivavy ary mpiaro zon'olombelona.

Tsy avy hatrany dia nampahafantarina ny daholobe ireo fandinihana nataon'ny parlemanta, fa nolazaina kosa hoe ny sasany tamin'ireo fanitsiana dia niaty fepetra vaovao manameloka ny fanelezana “fanambaràna diso” mitarika ho amin'ny “fikorontanan'ny daholobe”, ilay fepetra momba ny fanalàna baraka dia novàna tamin'ny fampidirana fanalefahana noho ny tombontsoam-bahoaka, ary ny sazy farany ambony amin'ny fanalàna baràka dia nahena antsasany ka amin'izao fotoana izao ny vesatra fiampangàna dia ilàna porofo mavesabesatra kokoa.

Miainga avy amin'ireo famakafakàna nataony an'ilay lalàna nasiam-panitsiana, ny vaomiera iraisampirenen'ireo mpahay lalàna dia nampitandrina fa “manjavozavo, tafahoatra sy tsy voafaritra mazava tsara” ilay fepetra manenjika ny fanelezana “fanambaràna diso”. Nasongadiny fa “hisy fiantraikany mangidy ny nitazonana ilay resaka fanalàm-baraka toy ny heloka bevava” ary io dia afaka tohizana araraotina hikendrena ireo olona atao anjorom-bàla toy ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTQ+. Nampiany fa:

Ireo fepetra momba ny heloka bevava ao anatin'ilay lalàna nasiana fanitsiana dia tsy mamaly, na iray aza, amin'ny tanjona ara-drariny napetraky ny governemanta ka mety hamadika ny maro amin'ireo mpampiasa aterineto ho toy ny mpanao heloka bevava ary handresy lahatra maro hafa tsy haneho hevitra an-tambajotra.

Ny fiarahamientan'ireo mpanao gazety mahaleotena (AJI) ao Indonezia dia manahy sao ilay lalàna nasiana fanitsiana ka ho ampiasaina hanaovana antsojay an'ireo mpanohitra sy ireo media mahaleotena mialoha ireo fifidianana faobe hatao amin'ny Febroary 2024.

Malahelo izahay hoe nolanin'ny parlemanta indôneziàna ny fanitsiana ilay lalàna ITE, izay miaty andalana mahabe olana sy manimba ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety. Ankoatra izany, natao mialohan'ny fifidianana ny famoahana ny fanitsiana ilay lalàna ITE ary afaka ampiasaina amin'ny fomba tsy ara-dalàna mba hanampenana ny vavan'ireo mpanakiana.

Asehon'ity bitsika ity ireo endri-javatra lehibe amin'ilay lalàna ITE mifamatotra amin'ny lalàna momba ny heloka bevava.

Vitan'ireo mpandrafitra ny pôlitika indôneziàna ny fandinihany ny fanitsiana ilay lalàna momba ny fampahalalam-baovao sy ny fandraharahàna eletrônika (ITE) tsy nasiana fakàna ny hevitry ny daholobe araka ny tokony ho izy. Azo sainina ny hitohizan'izany ho lalàna irain'ny aterineto tsy liberaly https://t.co/0lefB9fjjZ pic.twitter.com/Prbr5XbxIq

— Andreas Harsono (@andreasharsono) 9 Desambra 2023

Tao anaty matoandahatsoratra iray, ny Jakarta Post dia namaritra ilay lalàna ITE ho toy ny “lalàn'ny aterineto tsy liberaly” izay tsy hanimba fotsiny ny asan'ireo mpanao gazety fa koa ny an'ireo mpiaro zon'olombelona

Amin'ny fotoana anoratanay ity matoandahatsoratra ity, mpikatroka roa mpiaro zon'olombelona no miatrika sazy an-tranomazina an-taona maro noho ny nanehoan'izy ireo tao amin'ny Youtube ny fanakianana ny minisitra ambony iray. Ny tranga manjo azy ireo dia ohatra klasika amin'ny fomba ilazana ilay lalàna mifehy ny habaka ankehitriny ho tsy inona fa fitaovana pôlitika entina hampanginana ireo fanehoankevitra manakiana. Tsy maintsy esorintsika ao anatin'ilay lalàna ny karazana fepetra tahàka io.

Kianiny ihany koa ireo tsiambaratelo maniodidina ireo fanapahankevitry ny parlemanta:

Mahalasa saina be ihany ny mahita ireo rantsana mpanatanteraka sy mpanao lalàna misafidy ny hitazona ho tsiambaratelo ny resaka nifanaovan-dry zareo momba io volavolan-dalàna manandanja io. Raha miankina betsaka amin'ny teknôlôjia nomerika isika mba hanatanterahana ny iraka andrasana amintsika isanandro, izay mahatonga antsika ho mpiondana aterineto, ara-drariny raha manana izay holazaina isika amin'ny fandrafetana ny tany tàn-dalàna eny anatin'ny habaky ny aterineto.

Notanisain'ilay matoandahatsoratra ny tranga mahazo an'ireo mpiaro zon'olombelona, Fatia Maulidiyanti sy Haris Azhar, izay voampanga ho nanàla baràka tamina famoahana iray tao amin'ny YouTube mikasika ny anjara andraikitry ny sasany amin'ireo manampahefàna ao anatin'ilay hetsika fitrandrahan aharena ankibon'ny tany miteraka fahasimbàna ao amin'ny faritr'i Papoazia. Nambaran'ireo vondrona avy amin'ny fiarahamonina sivily fa io tranga io dia manasongadina ny fomba nahatonga ilay lalàna ITE ho lasa fitaovana famoretana ireo tsy mitovy hevitra.

Noho ny filazàny fotsiny ny marina eo amin'ny fitondràna, fikatsahana ny rariny sy ny tamberin'andraikitra, ary fanehoana iro fanakianana voaporofo manameloka ny governemanta, tampenam-bava ireo olona toa an'i Fatia sy Harris. Ny filam-baniny ara-pitsaràna tahaka izany dia tsy tokony hisy velively ao anatina teoedraharaha demaokratika salama.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.