Na niova governemanta aza tamin'ny volana Aogositra, dia mbola manjavozavo ny fahalalahana maneho hevitra ao Kambodza.
Rehefa nitondra efa ho efapolo taona, nametra-pialàna ny Praiminisitra Hun Sen, ary nosoloin'ny zanany lahy Hun Manet, izay nivoady fa hanao ho laharam-pahamehana ny fandriampahalemana sy ny fitoniana ao amin'ny firenena.
Mampametra-panontaniana ny maha-azo itokisana ny fifidianana satria nofoanan'ny manampahefana ny fisoratana anaran'ireo antoko lehibe ao amin'ny fanoherana noho ny resaka ara-teknika fotsiny. Nihamafy ihany koa ny fanenjehana ny fampitam-baovao tsy miankina, ny mpikatroky ny mpanohitra, ary ny mpiaro ny zon'olombelona talohan'ny fifidianana tamin'ny volana Jolay.
Nasongadina tamin'ny tatitra farany navoakan'ny Ivotoerana Kambodziana misahana ny Zon'olombelona (CCHR) ny fitotongan'ny fahalalahan'ny fampitam-baovao sy ny fahalalaham-pitenenana amin'ny ankapobeny, izay nanamarika fa “ nanohy ny fahazarany mampanahy amin'ny fanarahamaso tafahoatra ny fahalalahana miteny sy ny fampanginana ny feo mitsikera, famoretana izay niharatsy talohan'ny fifidianana ankapobeny tamin'ny Jolay 2023 ny governemanta.” Nanara-maso ny fomba nametrahan'ny tompon'andraiki-panjakana fitoriana tamin'ireo mpanao gazety 16 sy mpiaro ny zon'olombelona 100 ihany koa ny Ivotoerana. Notantarainy ihany koa ny momba ny fanafoanana ny fahazoan-dàlana ho an'ireo haino aman-jery tsy miankina dimy, anisan'izany ny mpiara-miasa amin'ny Global Voices, Voice of Democracy.
Nanamarika ny tatitra fa nitarika ho amin'ny fanivanan-tena ny famoretana ny fahalalaham-pitenenana:
As a consequence of the intimidation, threats and criminal sanctions that journalists must contend with merely for doing their jobs, many media professionals self-censor and avoid publishing information that could anger the ruling elite
Sensitive topics that interviewees said journalists might refuse to cover for fear of repercussions include corruption, land issues, protests, and politics in general.
Vokatry ny fampitahorana, ny fandrahonana sy ny sazy famaizana izay tsy maintsy atrehin'ny mpanao gazety noho ny fanatanterahana fotsiny ny asany, dia maro ireo matihanina amin'ny haino aman-jery no manivan-tena ary misoroka ny famoaham-baovao mety hahatezitra ny sangany eo amin'ny fitondrana.
Lohahevitra saropady izay nolazain'ny mpanao gazety fa mety tsy hotantarainy noho ny tahotra fiantraikany, ny resaka kolikoly, ny olana ara-tany, ny fihetsiketseham-panoherana ary ny politika amin'ny ankapobeny.
Nanasongadina ny voka-dratsy goavana amin'ny fanohintohinana ny fiarovana sy ny zon'ny mpanao gazety ny fanambaràna iraisan'ny vondrona fiarahamonim-pirenena ao an-toerana navoaka ara-potoana tamin'ny 2 Novambra ho an'ny Andro Iraisam-pirenena Hamaranana ny Tsimatimanota amin'ny Heloka bevava mihatra amin'ny mpanao gazety.
Targeting journalists – particularly those who are reporting on human rights topics – undermines freedoms of expression and the press, which threatens the public’s access to information. It also makes it harder to hold those in power accountable for their wrongdoing. When authorities fail to investigate and punish perpetrators of crimes against journalists, it sends the message that such offences are permissible.
Manohintohina ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra sy ny asa fanaovan-gazety ny fikendrena mpanao gazety – indrindra ireo mitatitra momba ny lohahevitra zon'olombelona – ka manohintohina ny fahafahan'ny vahoaka hahazo vaovao. Mananosarotra ihany koa ny fitazonana ireo eo amin’ny fitondrana ho tompon’andraikitra amin’ny tsy mety ataony. Rehefa tsy mahavita manadihady sy manasazy ireo mpanao heloka bevava amin'ny mpanao gazety ny manam-pahefana, dia mampita hafatra fa azo atao ny fandikan-dalàna toy izany.
Iray amin'ireo tolo-kevitra ao amin'ny tatitry ny CCHR ny famelana ireo media tsy miankina hiasa malalaka tsy misy tahotra fanenjehana.
Encourage media pluralism and diversity by permitting independent media outlets to investigate and report on all issues of public importance without fear of repercussions from the government, to create an open media landscape where divergent opinions and ideas can circulate freely and be accessible to the public.
Mandrisika ny fahamaroan-kevi-pampitam-baovao sy ny fahasamihafàna amin'ny alalan'ny famelana ireo fampahalalam-baovao tsy miankina hanadihady sy hitatitra tsy misy tahotra fiantraikany avy amin'ny governemanta momba ireo raharaham-bahoaka, mba hanangana tontolom-pampitam-baovao misokatra ahafahan'ny hevitra sy fomba fijery samihafa mivezivezy malalaka sy azon'ny besinimaro hojerena.
Ankoatra ny fanohintohinana ny fahalalahan'ny fampitam-baovao, voampanga ho manampim-bava ireo mpiaro ny zon'olombelona ihany koa ny governemanta.
Nandritra ny fampahafantarana ny tatitry ny CCHR tamin'ny volana Novambra, nizara ny fomba nanagadrana azy tsy ara-drariny ilay mpikatroka mpiaro ny zon'ny tany Phav Nheung noho ny fanohanany fotsiny ireo tantsaha nafindra toerana niala tamin'ny taniny.
I expressed myself to inform the government in order to have a land solution [for the dispute], but I was charged with defamation and sentenced to 99 days. I will be happy if the human rights laws and treaties are practiced with their principles, so maybe I would not have been imprisoned.
Naneho hevitra ny tenako mba hampahafantatra ny governemanta mba hisian'ny famahana ny olan'ny tany [noho ny fifandirana], saingy voampanga ho nanala baraka aho ary voaheloka higadra 99 andro. Ho faly aho raha nampiharina tamin'ny foto-keviny ny lalàna sy ny fifanarahana momba ny zon'olombelona, ka angamba tsy nigadra aho.
Taorian'ny niakaran'i Hun Manet teo amin'ny fitondrana, niampanga ny fahasimban'ny sehatra sivily sy ny zo demokratika ao amin'ny firenena ireo vondrona sy manampahaizana samihafa momba ny zon'olombelona. Nilaza i Vitit Muntarbhorn, Iraka Manokan'ny Firenena Mikambana momba ny zon'olombelona ao Kambodza fa “niteraka ahiahy lehibe momba ny zon'olombelona, ny fitsipika demokratika ary ny lalàna iraisampirenena ny fifandovam-pahefana.”
Tamin'ny fanambaràna iray nalefa tany amin'ny Filankevitry ny Zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana tamin'ny volana Septambra, nanakiana ny politika henjana ataon'ny governemanta ireo vondrona fiarahamonim-pirenena iraisam-pirenena:
The government has continued a policy of systematic and relentless persecution of human rights defenders, environmental and land rights defenders, trade unionists, political opposition, and independent media and media workers through judicial harassment including mass trials and legal action.
Nanohy ny politikan'ny fanenjehana miverimberina sy tsy an-kijanona tamin’ ireo mpiaro ny zon'olombelona, ny mpiaro ny tontolo iainana sy ny zo ara-tany, tamin'ny sendikàn'ny varotra, ny mpanohitra ara-politika, ary ny fampitam-baovao tsy miankina sy ny mpiasan'ny media amin'ny alàlan'ny fanorisorenana ara-pitsarana ny governemanta, ka anisan'izany ny fitsarana faobe sy ny fitoriana ara-pitsarana.
Tamin'ny volana oktobra, namoaka tatitra momba ny fanaraha-maso ny tambajotran'ny mpiaro ny zon'olombelona CIVICUS, izay nanasongadina “fa tsy nisy fivoarana azo tsapain-tanana tamin'ny fampiharana ireo mari-pamantarana momba ny sehatra sivika.”
Ohatra iray vao haingana amin'ny fepetra tsy mifandanja noho ny fomba fijery mitsikera ny nanamelohana mpisera Facebook iray niatrika fiampangana fanalam-baraka, fandrisihana ary faniratsirana ny mpanjaka rehefa avy nanakiana ny antokon'ny fitondrana. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Radio Free Asia, naneho hevitra momba ny fanamelohana azy i Kang Saran.
Why can’t people express their opinions? Why do you always use arrests and charges like this, even though I have no political affiliation at all?
Nahoana no tsy afaka maneho ny heviny ny olona? Fa maninona ianareo no manao fisamborana sy fiampangana tahaka izao, na dia tsy manana firehana politika mihitsy aza aho?
Nanoratra ny mpitarika ny mpanohitra an-tsesitany Sam Rainsy fa tsy misy fiovana lehibe antenaina eo ambany fitondran'i Hun Manet:
It is useless to look for signs of positive change under a “new regime” when a transfer of power has not in fact taken place. That day will come, as there is no evidence that Hun Manet is capable of governing without his father as back seat driver. When it does, Cambodians will be desperate to take the first opportunity to achieve a transition to democratic rule.
Mandrera-poana ny hitady famantarana fiovana tsara eo ambanin'ny “fitondrana vaovao” rehefa tsy tena nisy ny famindram-pahefana. Ho avy io andro io, satria tsy misy porofo fa mahavita mitantana tsy misy ny rainy ho mpamily amin'ny seza aoriana i Hun Manet. Rehefa mitranga izany, dia hikofokofoka mafy ny Kambodziana hanararaotra ny fotoana voalohany hanatratra tetezamita mankany amin'ny fitsipika demaokratika.
Tamin'ny nanamarihany ny 100 andro voalohany nitondrany no nilazan'i Hun Manet fa tsy mahala azy hifantoka amin'ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny fitoniana ao amin'ny firenena ny marika “tsirefesimandidy”.
I won’t let people accuse the new government of being incapable of maintaining peace for the people, especially because that peace was difficult to attain with great devotion by our nation.
Tsy avelako ny olona hiampanga ny governemanta vaovao ho tsy mahavita mitandro ny fandriampahalemana ho an'ny vahoaka, indrindra satria sarotra ny mahazo izany fandriampahalemana izany hahatratra ny fanoloran-tena lehibe ataon'ny firenenay.