Taratasim-baovaon'ny RV: Code Girls United mikatsaka ny fampiroborobona ny miralenta amin'ny fampianarana STEM

 

Fanamarihan'ny Rising Voices: Ny taratasim-baovaontsika isam-bolana dia manome famintinana ireo lahatsoratra am-bilaogy vao haingana miresaka momba ny lafiny rehetra mahakasika ny fampiatiana nomerika, toy ny fidirana sy ny fampiasana fitaovana nomerika, ary ireo fomba sy hirika samihafa ho an'ny vondrom-piarahamonina mba handraisana anjara feno amin'ny aterineto. Vakio eto ny fanontàna teo aloha amin'ity gazety ity.

(Fanamarihan'ny mpandika: Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 10/11/2023. Misy ny daty efa las, saingy misy kosa ny votoaty izay tsara ihany ny hahafantarana azy)

Manantena ny ity volana Novambra ity ho tsara aminao, ry Mpamaky malala.

Raha nanaraka anay ianao dia mety tsy ho vahiny amin'ny Solve, hetsika iray an'ny MIT izay manohy mikaroka vahaolana mitondra zava-baovao amin'ireo fanamby maika amin'izao androntsika izao. Ao anatin'ity laharana ity, faly izahay manolotra ho anao ny mpandresy tamin'ny fanambin'izy ireo mikasika ny fitovian'ny lahy sy vavy tamin'ity taona ity : Code Girls United.

Fikambanana iray izy ity, mikendry ny hanampy ireo tovovavy hahita fahafinaretana amin'ny fanoratana kaody (code). Miorina ao Montana, Etazonia, izy ireo dia manolotra fandaharam-pianarana maimaimpoana, aorian'ny any an-dakilasy, ho an'ireo tovovavy avy amin'ny kilasy faha-4 ka hatramin'ny taona faha-12 avy amin'ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra sy foko manerana ny Fanjakana, amin'ny fanantenana ny hanalefaka ny elanelana eo amin'ny fanabeazana sy eo amin'ny lahy sy vavy.

Raha te-hahalala bebe kokoa mahakasika azy ireo ianao dia afaka mitsidika ny pejin'ny MIT Solve eto. Mazava ho azy, ho faly izahay mandre ny vaovao avy aminao momba ireo tetikasa tahàka izany manerana izao tontolo izao.

BEBE KOKOA AVY AMIN'NY BLAOGY RISING VOICES

Liana amin'ny fianarana mivantana mikasika ny anjara asan'ny Aterineto sy ny teknolojia amin'ny fampiroboroboana sy fanomezana aina vao indray ireo fiteny zanatany, vitsy an'isa, tandindonin-doza na tsy ampy fitaovana ve ianareo ? Ny Rising Voices sy ny mpiara-miasa aminy ankehitriny dia mitondra fihodinana vaovao ho anareo amin'ilay fifandimbiasam-panentanana Twitter ho an'ny taona 2023, ahitana isan-kerinandro ireo mpikatroka nomerika maneran-tany ho an'ny fiteny. Andao hiaraka anay ary henoy izay ho zarain'izy ireo aminareo !

@ActLenguas (Amerika Latina)

  • Andrés ta Chikinib [es]:mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny Tsotsil, monina any Meksika, izay maniry ny hiantoka ny hoavin'ilay fiteny
  • José Koyoc [es]: mpahay tantara iray sy mpamorona ny tetikasa K'ajlay, sehatra nomerika iray miresaka ny tantaran'ny vahoaka Mayan ao amin'ilay saikinosy
  • Julio López [es] : Meksikana mpikatroka miteny Tseltal izay mitrandraka ny herin'ny onjam-peo ho fampiroboroboana ny fiteniny/kolontsaina ary mikasa ny hanitatra ny fikatrohana nomerika ataony ho amin'ireo sehatra tahaka ny YouTube sy ny Facebook
  • Esther Abisag Aguilar [es]:  ho mpanabe amin'ny hoavy, monina any Meksika, izay mitrandraka ny herin'ireo sehatra sosialy mba hamporisihana ny fampiasana ny fiteniny sy hitandroana ny fahalalan'ny razana ho an'ireo tanora Mayas mpiray tanindrazana aminy.
  • Saraí Jiménez Orozco [es]: Ayöök iray mpampianatra avy any Meksika, izay maniry ny hahitàna tsara kokoa ny endrika Mixe avy aminy eny  amin'ny haino aman-jery nomerika sy ao anatin'ny haino aman-jery ankapobeny

Ao anatin'ity laharana ity dia tianay ihany koa ny hitondra anareo ho any amin'ny faritra MENA, mba hianatra bebe kokoa mikasika ny fisoloantena diso iainan'ireo Nubiens ao anatin'ny habaka nomerika, izay maneho ny fanavakavahana manjo azy ireo eny amin'ny tontolo ivelan'ny serasera ary mety hiteraka voka-dratsy maro be izany ao anatin'ny fotoana maharitra. Mandritra izany fotoana izany, tany Monteagudo, Bolivia, andiana mpianatra amin'ny kilasy ambaratonga faharoa no mikaroka ny hamaritra indray ny fitantaràna mikasika ny fiovaovan'ny toetrandro amin'ny alalan'ny fitondrana ny fomba fijery eo an-toerana, amin'ny fanantenana handray anjara amin'ny fampiroboroboana ny fanentanana momba ny tontolo iainana.

HIRIKA| VATSIM-PIANARANA & TOHANA ARA-BOLA

Mpikatroka ho an'ny fiteny ve ianao, miasa ho amin'ny fampiroboroboana ny fiteninao amin'ny alàlan'ny sehatra nomerika? Heverinay fa mety ho kapoakanao ity Language Lodge Social Media Internship, natolotry ny Smithsonian Center for Folklife and Cultural Heritage ity. Fanamarihana : Ilaina ny fahazoandàlana hiasa ho an'ireo vahiny maniry mba handray ity internship virtoaly ity; ny fanontaniana hafa mikasika izany (sy amin'ny ankapobeny) dia azo alefa any amin'i Hali Dardar.

Ho an'ireo izay liana amin'ny fiofanana momba ny asa fanaovana gazety dia mandray ny fisoratana anarana ny Deutsche Welle amin'izao fotoana izao ho an'ny praograma maharitra 18 volana manomboka amin'ny janoary 2025 : hirika iray andraisana karama sy hahazoana traikefa fampiharana ary hitrandrahana ireo fironana hoavy eny an-kianja. Ny antsipirihany fanampiny, sy ireo fepetra takiana, dia azo jerena eto. Fe-potoana farany firotsahana : 27 Novambra 2023 amin'ny 12ora alina (ora GMT+1) 

Efa mpanao gazety amperin'asa ve ianao, hoy ianao?
Miantso ireo mpanao gazety manana hevitra tsy mbola nisy nanao ny Nieman-Berkman Klein Fellowship mikasika ny fomba hivoaran'ny asa fanaovana gazety miaraka amin'ny habaka nomerika ho an'ny fandaharanasa maharitra herintaona any Harvard mikasika ny fanavaozana ny asa fanaovana gazety. Ny antsipirihany bebe kokoa mikasika ny vatsim-pianarana dia azo jerena eto. Fe-potoana farany firotsahana : 1 Desambra 2023 (iraisam-pirenena)/31 Janoary 2024 (Etazonia)

HETSIKA & FIHAONAMBE HO AVY

Ho an'ireo izay te-hianatra ny fomba ahafahan'ny fandrosoan'ny IA sy ny teknôlôjia amin'ny ankapobeny hanasoa antsika rehetra – indrindra indrindra ho an'ireo olona manana fahasembanana ara-pahitana – hisiana tontolo iray azo idirana tsara kokoa, ny Sight Tech Global dia mety ho hetsika iray hahaliana anao. Hetsika iray virtoaly izy io izay tsy natokana fotsiny ho an'ny teknôlôjia sy ho an'ireo mpikaroka, fa ihany koa ho an'ireo mpamorona sy mpnanao adisisika ihany koa, ary afaka misoratra anarana maimaimpoana eto ianao. Fe-potoana farany firotsahana : ny 6 sy 7 Desambra 2023.

FITAOVANA & LOHARANO

Ary ho an'ireo izay mankafy ny fiteny : raha toa ianao mitady fitaovana amin'ny fiteny Irlandey ho an'ny tokantrano dia heverinay fa ho tianao ireto lahatsary nomanin'i Tús Maith ireto. Mba hahafantaranao fotsiny ihany : raisina an-tanan-droa ianao hiara-hizara aminay ireo loharanon-karena, na izany amin'ny fiteny Irlandey na amin'ny fiteny hafa vitsy an'isa/tandindonin-doza.

Raha mahaliana anao ny fitantarana amin'ny podcasts, dia tsara kokoa angamba ny mijery ireto fampianarana roa ireto arakaraky ny hafainganam-pandehanao : Podcasting: The Big Idea and Podcasting: Making It – niaraka noforonin'ny Orina Thomson sy ny Anjerimanontolon'i Melbourne. Maniry izahay mba hanananao fiantombohana tsara amin'ny famoronana podcast !

HAMAKY, HIJERY, HIHAINO BEBE KOKOA

Misorata anarana hahazo ny taratasim-baovoan'ny Rising Voices

Isaorana i Eddie Avila sy Ameya Nagarajan tamin'ny fandraisana anjara tamin'ity taratasim-baovao ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.