Lahatsoratr'i Jibraj Chalise navoaka voalohany tao amin'ny Nepali Times, ary naverina navoaka tao amin'ny Global Voices ny dikan-teny nahitsy ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.
Nandritra ny fetibe Dasain tamin'ny Novambra 2023, nandeha tany an-tranon'ny ray aman-dreniny tao amin'ny distrikan'i Kapilvastu any Nepal Andrefana i Sarala Thapa. Fankalazana tsy nisy an'i Rupak anadahiny, izay nankany Rosia io.
Saingy nivadika ho loza ny zava-nitranga rehefa nisy olona telo tonga teo am-baravaran'izy ireo tao amin'ny Kaominin'i Banganga mba hilaza amin-dry zareo fa maty tany ambava ady ao Okraina, 9.000 kilaometatra teo ho eo miala avy eo, i Rupak.
Nanomboka teo dia tsy mety tonga saina ny fianakaviana fa lasa i Rupak. Nandeha tany Rosia tamin'ny visa an'ny mpianatra ilay olona 24 taona roa taona lasa izay, tahaka ny Nepaley am-polony, izay niditra tao amin'ny Tafika Rosiana, voasarika tamin'ny fampanantenana karama tsara sy mety hahazoana zom-pirenena Rosiana.
“Nitelefaonina ny anadahiko efa-bolana lasa izay fa mety tsy haheno azy izahay mandritra ny enim-bolana iofanany ary hiantso anay izy rehefa vita ny fiofanana”, hoy i Sarala. “Mbola tsy ampy enim-bolana anefa izao.”
Nahazo antso an-telefaona avy any Kathmandu momba ny fahafatesan'i Rupak nandritra ny ady tao Okraina i Sanju Saru Magar filohan'ny paroasy (filohan'ny governemanta eo an-toerana). Nangataka azy ireo ny mpiantso mba hampita ny vaovao amin'ny fianakavian'i Rupak saingy tsy afaka nilaza raha azo averina na tsia ny fatin'i Rupak.
Anisan’ireo nandeha tany an-tranon’i Rupak tamin’ny fiandohan’ny volana Novambra mba hampandre ny fianakaviany ny fahafatesany i Rajkumar Tharu, mpikambana filankevitry ny paroasy. Ity no fanindroany nanandramana nampita ny vaovao tamin’ny fianakaviana. Tsy afaka nanaiky fa maty voatifitra ny zanany ny rain'i Rupak, Man Bahadur sy ny reniny Laxmi araka an'i Tharu, mpikambana ao amin'ny paroasy, izay mpifanolo-bodirindrina amin'ny fianakaviana Karki ihany koa.
“Mbola azony antoka fa hiantso azy ireo ny zanany rehefa vita ny fiofanana”, hoy i Tharu. “Sarotra koa ny hino satria tsy afaka nanome antsipiriany hafa momba ny fahafatesany izahay.”
Nilaza ny filohan'ny paroasy Magar fa nilaza ny tenany ho tompon'andraikitra ao amin'ny Masoivoho rosiana ilay niantso mba hanambara ny vaovao, saingy rehefa nojerena tao amin'ny True Caller dia hita fa avy amin'ny orinasam-pandraisam-piasa vahiny ilay laharana. Nandritra izany fotoana izany, niely haingana toy ny afo tao amin'ny distrikan'i Nepal nahaterahan'ny Bouddha ny vaovao tsy voamarina momba ny fahafatesan'i Rupak.
“Niezaka imbetsaka izahay mba hahazoana ilay laharana indray, saingy tsy afaka nifandray (taminy) izahay”, hoy i Magar. “Tsy maintsy milaza amin'ny fianakaviany amin'izay (torohay) kely fantatray izahay”
Namoaka tamin'ny fomba ofisialy ny anaran'ireo Nepaley enina maty nandritra ny fanompoana an-Tafika Rosiana ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Nepaley tamin'ny 4 Desambra 2023. Ny anaran'i Rupak Karki no faharoa amin'ny lisitra.
Anisan'ny hafa maty i Sandip Thapaliya avy any Gorkha, Dewan Rai avy any Pokhara, Pritam Karki avy any Syangja, Raj Kumar Roka avy any Dolakha, ary Ganga Raj Moktan avy any Ilam.
Taorian'ny fanamafisana avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, miaraka amin'ireo olom-boafidy hafa sy ny polisy ao an-toerana i Bishnu Panthi, mpikambana ao amin'ny antenimieram-paritanin'i Lumbini, nankany an-tranon'i Rupak Karki ny ampitso maraina mba hampandre ny fianakaviany tamin'ny fomba ofisialy ny fahalasanany.
Saingy afaka nilaza fotsiny tamin'ny fianakaviana ny tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta fa maty voatifitra tamin'ny ady tao Rosia-Okraina i Rupak, fa tsy fantatra hoe oviana na ahoana no nahafatesany, hoy ny dadatoan'i Rupak Gautam Karki.
“Mbola be ny fahatafintohinana sy fisafotofotoana teto,” hoy i Gautam. “Tsy mety mino ny ray aman-drenin'i Rupak fa maty tsy nahita ny vatany ny zanany lahitokana.”
Mpiompy akoho ny rain'i Rupak, fa mpanotrona-lehibe amin'ny birao iray ao amin'ny orinasa madinika iray ao an-toerana kosa ny reniny. Manambady i Sarala, zanakavavin'ny mpivady.
Nianatra teny koreana i Rupak hitadiavana asa any Korea Atsimo. Saingy nanapa-kevitra niaraka tamin'i Yuvaraj Poudel mpifanolobodirindrina aminy izy ny handeha ho any Rosia tamin'ny fiandohan'ny taona 2022 rehefa nahafantatra fa mora kokoa ny mahazo visa ho an'ny mpianatra sy mitady asa any. Tonga tany Rosia izy roalahy ireo tamin'ny alalan'ny sampan-draharaha vahiny mpandray mpiasa miorina any Kathmandu tamin'ny Mey 2022.
Herintaona taty aoriana, nanao fifanarahana Bemidina Miaramila manokana (SMO) tamin'ny Minisiteran'ny Fiarovana Rosiana i Rupak hanao fanompoana ao amin'ny Tafika Rosiana. Noraisina ho miaramila ihany koa Yuvaraj Poudel, izay nandeha tany Rosia niaraka tamin'i Rupak, ary nifandray tsy tapaka tamin'ny fianakaviany.
Nilaza ny vohikala Rosiana Bokim-Pahatsiarovan'i Ivanovo fa maty voatifitra tamin'ny 30 Jona tany ambava adin'i Okraina nandray anjara tamin'ny ‘hetsika miaramila manokana’ i Rupak Karki . Ahitana sarim-pasana iray misy ny anarany amin'ny soratra Sirilika sy sary iray ao amin'ny tanànan'i Novo-Talitsy ao amin'ny faritr'i Ivanovo, fari-pitantanana Rosiana 324 kilometatra avaratratsinanan'i Moskoa ny tranonkala.
Tranonkalam-baovao Rosiana iray hafa, Cursiv, mitanisa boky fahatsiarovana avy any amin'ny faritra Ivanovo, milaza fa nalevina tao amin'io faritra io niaraka tamin'i Rupak Karki i Sandip Thapaliya sy olona iray hafa tsy nambara zom-pirenena .
Voalaza fa nisy namono tao an-tanànan'i Bakhmut ao Okraina i Sandip Thapaliya tamin'ny volana Jolay, ary noheverina fa nalevina teo akaikin'ny sisin-tany ny fatiny. Araka ny tsangambato dia maty tamin'ny 28 Jona i Sandip nandritra ny ‘iraka an'ady’ iray.
Ny sary toa mampiseho anarana sy daty nahaterahana eo amin'ny fasan'i Rupak sy Sandip, misy fehiloha napetraka eo ambonin'ny fasany.
Nandefa lahatsary feno tomany tany amin'ny fianakaviany ny Nepaley iray tsy fantatra anarana gadran'ny Okrainiana an'ady tao amin'ny fahababoana miaramila Okrainiana, nangataka azy ireo hampody azy. Ao amin'ny lahatsary, nilaza izy fa misy Nepaley “hafa” gadra koa ao Okraina.
Nambaran'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahinin'i Nepal tamin'ny Novambra 2023 fa gadra an'ady tao Okraina ihany koa ny Nepali iray niditra tao amin'ny Tafika Rosiana, Bibek Khatri avy any Bardia, ary nampiasa fantsona diplaomatika ny governemanta hampody azy.
Tamin'ny 5 Desambra, nohazonin‘ny Polisin'i Nepal ireo vahiny mpandray mpikarama folo noho ny filazana ho nandefa Nepaley ho any Rosia amin'ny alalan'ny “visas” fivahiniana horaisina ho miaramila Rosiana. Nilaza ny tatitra fa nandefa Nepaley 200 farafahakeliny ho any Rosia ireo sampan-draharaha, nampanantena karama be sy zom-pirenena Rosiana.