Andro iraisampirenena ho an'ny olona manana fahasembanana, mbola lavitra ny lalana ho an'i Trinidad sy Tobago

Sary hita ao amin'ny Canva Pro.

Lahatsoratra nosoratan'ny Cause An Effect, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana miompana amin'ny fahasembanana ary mifantoka amin'ny fampidirana sy fiarovana ireo manana fahasembanana, sy amin'ny fananganana fiarahamonina manana fivelomana sy asa maharitra tohanana ahafahan'ny olona manana fahasembanana eo ho eo ihany na mafy mandray anjara mavitrika eo anivon'ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny ary mahatsiaro ho afa-po.

Inona no ataonao rehefa tsy mahafeno ny filanao mihitsy ny fiarahamonina misy anao satria tsy noheverina velively ny filanao rehefa naka endrika sy nivoatra ny fiarahamonina?

Alao sary an-tsaina hoe mifoha isan'andro ianao miatrika ireo sakana ara-toe-tsaina sy miverimberina ary natao hahatsapana fa enta-mavesatra ho an'ny hafa ny fisianao. Ny fomba mahomby indrindra hiatrehana ny fanamby toy izany, izay iainan'ny olona maro manana fahasembanana isan'andro ao Trinidad sy Tobago, dia amin'ny alalan'ny fampiharana ny lalàna — andian-dalàna na fitsipika izay hiantoka ny fahafahanao misitraka ny fidirana ara-drariny eo anivon'ny fiarahamonina.

Araka ny filazan'ny Sampan'ny Firenena Mikambana Momba ny Fahasalamana, olona tombanana ho 1.3 lavitrisa eo ho eo no miaina fahasembanana goavana. Maneho ny 16 isanjaton'ny mponina eran-tany izany, na iray amin'ny enina amintsika. Misy olona manana fahasembanana maty 20 taona mialoha kokoa noho ireo tsy manana fahasembanana.

Mety hanakana ny fahafahan'ny olona rehetra hahazo fahaiza-manao sy mampiasa ireo fitaovana hanampy amin'ny fiantohana fa azo ampiasaina izy ireo ny tsy fahafahana mahazo fitsaboana sahaza sy fampianarana. Na izany aza, rehefa manana fahasembanana ianao, ary indrindra, tsy maintsy miatrika ny fitsarana an-tendrony ara-toe-tsaina ataon'ny hafa ihany koa, dia mila tsy ho vita ny hahomby.

Tena ilaina ho maha-te-hampiasa bebe kokoa ny fanabeazana any Trinidad sy Tobago ho an'ny olona manana fahasembanana.

Miteraka lavaka mainty lalina eo amin'ny tontolon'izy ireo sy mametra mafy ny safidiny ny voka-dratsy mitambatra ateraky ny mpiasa tsy mahafeno fepetra sy ambany karama, ny lisitra fiandry lava dia lava ho an'ny sekolim-pampianarana manokana ho an'ny daholobe, ny safidin'ny fampianarana manokana tsy miankina lafo vidy, ary ny tsy fahampian'ny fahafaha-mifandray ara-potoana amin'ny servisy ara-pahasalamana sy ara-pampianarana manampy ireo mpianatra sahirana. Lasa misy fiantraikany ratsy amin'ny fianaran'ny jamba, ny marenina ary ireo hafa manana mila fanampiana ara-panabeazana ny sakana ara-drafitra sy raiki-tapisaka.

Ny vokany? Rehefa miala amin'ny rafitra izy ireo, dia matetika toy ny olona ambany fahaizana izay mahita fa sarotra ny mahazo karazana asa manan-danja ahafahan'izy ireo mitombo sy mandroso. Vokatr'izany, manana taranaka manana fahasembanana isika, izay ny hany azo antoka dia ny fiankinan-doha amin'ny fanjakana amin'ny fanomezana fanampiana noho ny fahasembanana, izay miaraka amin'ireo fitsipika mamefy azy manokana.

Ahoana no ahafahantsika manova ny lalan'ny fiainana ho an'ireo vondron'olona manana fahasembanana? Amin'ny alalan'ny fametrahana lalàna izay hisy fiantraikany amin'ny fomba ijerena sy fanomezana fahafaham-po ny filan'ny olom-pirenena manana fahasembanana.

Nanangana vondron'asa miara-miasa amin'ny vondron'olona manana fahasembanana ny Komitin'ny Zon'Olombelona ao amin'ny Fikambanan'ny Lalàna ao Trinidad sy Tobago (Law Association of Trinidad and Tobago) (LATT), ary mikendry ny hanolotra lalàna mifantoka amin'ny fahasembanana any amin'ny Parlemantan'i Trinidad sy Tobago.

Manan-tantara izany satria tsy mbola nisy vondrona hafa manana karazana fitaomana entin'ny LATT, izay nizara ny fotoanany sy ny fahaizany tamin'ity vondrom-piarahamonina ity – indrindra fa ny fandrosoana amin'ny lalàna no tanjona farany.

Foto-kevitra mivoatra ny fahasembanana. Efa lany andro zavatra mety ho ampy 60+ taona lasa izay, ary mila mivoatra mba hifanaraka amin'ny filan'ny fiarahamonina ankehitriny sy hifanaraka amin'ny Tanjona Fampandrosoana Lovainjafy.

Ny fananganana sy fampiharana ny lalàna mifehy ny fahasembanana no hanome torolalana ho an'ny fiarahamonina iray manontolo amin'izay azo ekena na tsia. Hanome hery ny olona manana fahasembanana sy ny fianakaviany ihany koa izany mba tsy hanaiky afa-tsy ny fikarakarana ara-drariny, ary hanova ny lalan'ny vokatra ho avy ho an'ny vondron'olona manana fahasembanana manontolo ao Trinidad sy Tobago.

Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: Ny 2 desambra, andro mialoha ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny olona manana fahasembanana, ny fifampidinihana ampahibemaso faharoa momba ny Lalàna sy ny Zon'ny fahasembanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.