Lahatsoratr'i Billy Wong. Navoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 20 Novambra 2023, ary naverina navoaka tao amin'ny Global Voices noho ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny votoaty.
Nandritra ny Andro Manerantany ho an'ny Ankizy tamin'ny 20 Novambra 2022, mbola niaina tao anaty valan'aretina ny fiarahamonin'i Hong Kong. Herintaona taty aoriana dia lasa fanapahan-kevitra manokana ny fanaovana aro orona sy vava. Na izany aza, mbola maro ny ankizy manao izany eny imasom-bahoaka. Milaza amintsika ve izy ireo fa mbola tsy sitrana?
Tamin'ny dingana voalohany tamin'ny fihanaky ny COVID-19, nampitandrina ny Firenena Mikambana fa tsy maintsy hitondra fiantraikany fohy sy mitarazoka amin'ny ankizy ilay valan'aretina. Mpikaroka maro ihany koa no nampitandrina fa mety hampisy fahatarana amin'ny fivoaran'ny zaza ara-batana, ara-tsaina ary ara-akademika ny tsy fahazoa-misokatra, ny fanakatonana sekoly, ary ny fianarana an-jotra, indrindra ho an'ireo tanora miaina ao anaty fahantrana na ireo manana filàna manokana.
Tahaka ny tamin'ity volana ity, mitombo ny tranga famonoan-tena eo amin'ny mpianatra. Tamin'ity taona ity, mpianatra 269 no nanandrana namono tena, ary 37 no nahomby tamin'izany, araka ny filazan'ny manam-pahaizana momba ny fisorohana ny famonoan-tena ao an-tanàna. Tafiditra ho kasinga mahatonga izany ny tsindry akademika, na fianakaviana ary ny fifandraisana amin'ny olona.
Tamin'ny taona 2016, nanangana ny Komity Fisorohana ny Famonoan-tenan'ny Mpianatra ny governemanta, nikendry ny hitady ny antony mahatonga izany, ary nanao tolo-kevitra 13 hanamafisana ny servisy efa misy isorohana ny famonoan-tenan'ny mpianatra. Fa firy amin'ireo no nampiharina? Mahomby ve izy ireo?
Tamin'ny volana febroary tamin'ity taona ity, niantso ny governemanta izahay mba handinika indray ny politika amin'ny COVID-19 ao Hong Kong hiantohana fa voaaro ny zon'ny ankizy sy ny fahasalaman'ny ankizy amin'ny valan'aretina hoavy, ary handinika ny fomba hanarenana ny fahavoazana mahazo ny ankizy mandritra ny valan'aretina. Indrisy anefa fa tsy nahazo miabo izahay.
Talohan'ny valan'aretina, nanelingelina mafy ny fiainan'ny ankizy ny taona iray nisian'ny korontana ara-tsosialy nateraky ny volavolan-dalàna fanitsiana ny fampodiana an-tanibe (Shina). Nanampy ireo rarintsaina tsy voalaza sy ny sakatsakana ny fizotram-pitsarana sy ny didy (fanasaziana). Nasehon’ny tarehimariky ny polisy fa, tamin’ny 31 Aogositra 2022, dia olona 10.279 no voasambotra, ary zatovo latsaky ny 18 taona ny 1.754 tamin’izy ireo, ary 11 taona ny zandriny indrindra. Dimy taona sy enim-bolana ny sazy an-tranomaizina lava indrindra.
Ao anatin’ny tontolo ara-politika saro-pady amin’izao fotoana izao, vao maika saro-takarina ny toe-piainan’ireo ankizy ireo. Nihena ny toerana ahafahan’izy ireo mandray anjara ifanakalozan-kevitra ampahibemaso momba ny olana ara-tsosialy. Tsy mora re ny feon’ny ankizy — na dia nitombo aza ny olan’izy ireo.
Nolanian’ny Firenena Mikambana ny Fifanarahana momba ny Zon’ny Ankizy (CRC) tamin’ny 20 Novambra 1989, ary notendrena ho Andro iraisampirenena ho an’ny ankizy ny 20 Novambra ho fahatsiarovana ireo fanoloran-tena sy fenitra iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy. Nanan-kery tany Hong Kong tamin'ny taona 1994 ny CRC.
Hong Kong no manana taham-pahaterahana ambany indrindra eran-tany ankehitriny. Ao amin'ny Famahàna ara-politika, nametraka fepetra hampiroboroboana ny fiterahana ny governemanta. Na izany aza, tsy nisy tamin'ireo fepetra ireo no nifandraika tamin'ny fananganana tontolo sahaza ny ankizy ho amin'ny fitomboana mahasalama ny ankizy. Mila vina sy paikady lavitr'ezaka, fanoloran-tena ara-bola sy mangarahara ho an'ny mpiantsehatra isika handray anjara.
Miatrika fanamby goavana ny ankizy maneran-tany. Andeha isika hihaino ny feony, hiezaka hahatakatra izay ihaonany, ary hanome tontolo azo antoka sy toerana malalaka ho azy ireo hiteny malalaka sy handray anjara.
Sekretera mpanatanteraka ao amin'ny Komitin'ny Zon'ny Ankizy ao Hong Kong i Billy Wong, izay voatendry hanara-maso ny toeran'ny zon'ny ankizy ao Hong Kong sy manao izay andrenesan'ny vondrom-piarahamonina ny feon'ny ankizy.