Bosniaka mpamonjy voina an-tsitrapo: Herim-po, fitarihana ary firaisankina

Sary: Sampan-draharahan'ny vonjy voina ao Turbe, tao amin'ny Balkan Diskurs. Nahazoana alalana.

Ity lahatsoratra nosoratan'i Amel Zolota ity dia navoaka voalohany tao amin'ny Balkan Diskurs, tetikasan'ny  Foibem-pikarohana Aorian'ny Ady (Post-Conflict Research Center)  (PCRC). Navoakan'ny Global Voices indray ny dika nasiam-panovana noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Mijoro amim-pireharehana ho andrin'ny fiarahamonina ny Sampan-draharahan'ny  vonjy voina (famonoana fahamaizana) ao Turbe, afovoan'i Bosnia sy Herzegovina. Nanolo-tena amim-pahasahiana amin'ny fanavotana sy ny fiarovana ny mpiray firenena aminy ireo mpikambana 50 ao aminy, anisan'izany ny tanora mpirotsaka an-tsitrapo 28.

Manaraka ny teny filamatra hoe “Ny fotoanay malalaka ho fiarovana anao,” maneho ny fanoloran-tena sy ny fahavononana hanao sorona (ny tenany) mba hanomezana fiarovana ho an'ireo mila izany.

Turbe, tanàna misy mponina 3000 eo ho eo akaikin'i Travnik any Bosnia sy Herzegovina. Sarintanin'ny mpikirakira Wikipedia NordNordWest,CC BY-SA 3.0.

Nanomboka tamin'ny taona 1922 nananganan'ny orinasa Ugar teo aloha azy no niandohan'ny Sampan-draharahan'ny vonjy voina. Mbola mibaribary hatrany ny vakoka ara-tantaran'izy ireo, na dia amin'izao fotoana izao aza.

Mitàna andraikitra lehibe ny tale Kenan Zahirović manoloana ireo mpamonjy voina, izay tanora mafana fo ny ankamaroany, sy manoloana ny vondrom-pikambanana sy ny fiarahamonina. Fito taona lasa izay, rehefa nandray ny toerana maha-mpitarika izy, dia niatrika fanamby lehibe satria efa teo ankatoky ny fikatonana ny sampan-draharahan'ny vonjy voina. Na izany aza, mitanisa am-pireharehana ireo andiana asa sy tetikasa mahomby izy ankehitriny.

Fampisehoana fanazaran-tena tao amin'ny Fakiolten'ny Fampianarana ao Travnik. Loharano: The Turbe Fire Department (departemantan'ny vonjy voina), tao amin'ny Balkan Diskurs. Nahazoana alalana.

Nasongadiny ny “Andron’ny Varavarana Misokatra” rehefa mitsidika ny sampan-draharaha ny mpianatra ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra mba hahazoana fahalalana fototra momba ny fihetsika atao rehefa misy ny tranga fahamaizana. Nampahafantarina ny mpianatra ireo mpamono afo sy ny fitaovana ampiasain'izy ireo, ary manana fahafahana hanatrika ny fampisehoana fanazaran-tena ataon'ny mpamono afo ihany koa izy ireo.

Noho ny fanohanan'ny manampahefana ao an-toerana, izay lazain'i Zahirović fa nahafinaritra nandritra ny dimy taona farany, nahazo karazam-pitaovana Motorola izay hita fa tena ilaina amin'ny asany ny Sampan-draharahan'ny Vonjy Voina. Nametraka paompy famonoana afo (borne d'incendie) hydrant ihany koa izy ireo, izay manamora tanteraka ny famonoana haingana ny afo.

Ankoatra ny fiaraha-miasa efa napetrak'izy ireo, manamarika i Zahirović fa misy ireo tetikasa maro hafa an-dalana izay hiarahana miasa amin'ny manampahefana ary mikendry ny hampivoatra ny fokonolona ao an-toerana. “Maneho ny fanohanana sy ny fanoloran-tenan'izy ireo hanatratra ny tanjon'ny fokonolona ireo ezaka rehetra ireo, ary tena mankasitraka izany izahay,” hoy i Zahirović.

Nanazava i Alman Hrustanović, komandin'ny vondrona mpamono afo fa ny andraikitra goavana sahanin'ny komandy lehibe dia ny fitandroana ny filaminana ao anatin'ny vondrona sy ny fisorohana ny fifanolanana sy fifandirana tsy ilaina. Nohamafisiny fa departemantan'ny mpilatsaka an-tsitrapo i Turbe, ary niditra tao ny tsirairay noho ny fitiavany. “Sarotra ny milaza amin'ny olona hanao zavatra satria an-tsitrapo daholo izahay rehetra eto,” hoy i Hrustanović.

Mpamono afo, volantera taorian'ny asa nahomby iray tao Vlašić. Sary: The Turbe Fire Department, tao amin'ny Balkan Diskurs. Nahazoana alalana.

Rehefa nanontaniana ny fomba hahatongavana ho mpamono afo an-tsitrapo ny olona iray, namaly i Hrustanović fa na iza na iza 18 taona mihoatra dia afaka manomboka ny fiofanana ilaina mba hahafeno ny fepetra takiana amin'ny fanadinana ho mpamonjy voina an-tsitrapo, izay fepetra voalohany takiana ihany koa hamaliana ny fahamaizana. Nampiany ihany koa fa misy fiofanana manokana atao mialoha.

“Tontosaina isaky ny volana Mey isan-taona ny fiofanana ataon'ny mpamono voina, izay volan'ny fiarovana amin'ny fahamaizana”, hoy ny fanazavan'ny komandy.

Fanampin'izany, mandritra ny fahavaratra, mitarika fotoam-piofanana izy ireo mba ho zatra ny fitaovana kokoa, ho zatra tetikady ary ny fanombanana ny fiarovana. Mandray anjara amin'ny fandaharan'asa fanofanana sy seminera hafa koa ireo volanteran'ny famonoana fahamaizana, ary misy fampiarana (lesona) fanampiny ataon'ny mpikambana manankaja sady mpamono afo Nesib Mehić, izay za-draharaha 50 taona mahery.

“Manao fiofanana izahay izay ahafahan'ny mpamono afo mifanolo andraikitra mba hahazoana antoka fa raha sanatria misy trangam-pahamaizana, dia misy olona afaka mandray ny andraikitra araka ny tokony ho izy raha tsy afaka ilay olona voaofana amin'izany andraikitra manokana izany,” hoy i Hrustanović.

Araka ny fanazavan'i Zahirović, vatsiana ara-bola amin'ny alalan'ny Kaominin'i Travnik ny sampan-draharaha, manana tetibola 10.000 BAM isan-taona. Ankinina amin'ny Biraon'ny Fitantanan-draharaha ao amin'ny sampan'ny vonjy voina ny fitantanana, izay mandray fanapahan-kevitra momba ny fividianana fiara, fisoratana anarana, fitaovana ary filàna mitovy amin'izany.

Nahazo fankatoavana ampitan-dranomasina ihany koa ny Departemantan'ny Vonjy Voina ao Trube, anisan'izany ny olona avy any Soisa, Danemark, ary Holandy, izay nandray anjara tamin'ny asan'izy ireo tamin'ny alalan'ny fanomezana. “Afaka milaza amim-pireharehana izahay fa tsy nividy fitaovana tao anatin’ny fito taona, saingy nahazo betsaka. Ny ankamaroan’ny fitaovanay dia nomen’ireo namanay avy any Soisa, izay nanome fiara famonoana afo mihitsy aza. Avy amin'ireo namanay any Danemark, nahazoanay akanjo marika Viking, izay tena tsara kalitao, ”hoy i Zahirović.

Araka ny filazan'ny tale, mampiseho ny haavon’ny fankasitrahana ny asa nataon-dry zareo ny zava-misy fa fanomezana ny ankamaroan’ny fitaovan'ny sampan-draharahan'ny famonoana afo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.