
Nosamborin'ny polisy Azerbaijaney ilay mpanao gazety Ulvi Hasanli raha nananga-tanana famantarana fandriampahalemana. Sary avy amin'ny mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices OC Media. Nahazoana alalana.
Nosoratan'ny Global Voices Kaokazy Atsimo sy ny Tonian-dahatsoratra Tiorka Arzu Geybullayeva ao amin'ny Azerbaijan Internet Watch (AIW) tany am-boalohany ity lahatsoratra ity. Navoaka eto indray izany rehefa nahazoana alalana avy amin'ny mpanoratra.
Farafahakeliny mpanao gazety sy tonian-dahatsoratra Azerbaijaney telo no notazonin'ny polisy tamin'ity herinandro ity, anisan'izany i Sevinc Vagifgizi sy i Ulvi Hasanli avy amin'ny mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices Abzas Media, sy ilay mpanao gazety Mahammad Kekalov, izay manoratra momba ny olona manana fahasembanana no sady mpandray anjara ato amin'ny Global Voices.
Notazonin'ny polisy i Ulvi Hasanli talen'ny haino vaky jery Abzas ny marainan'ny 20 Novambra raha teo am-piomanana ho any amin'ny seranam-piaramanidina, araka ny filazan'ny mpiara-miasa. Matoky ny Abzas Media fa misy ifandraisany amin'ny fanadihadiana vao haingana nataon'ilay sehatra ny fisamborana an'i Hasanli, izay nampibaribary ny kolikoly tao anatin'ny governemanta.
Nilaza tamin'ny Meydan TV ny mpisolovavan'i Hasanli, Zibeyde Sadighova, fa voampanga ho nanondrana [zavatra tsy ara-dalàna] an-tsokosoko i Hasanli. Araka ny filazan'ny fampitam-baovao Abzas, notanana am-ponja tamin'ny 20 Novambra ihany koa i Mahammad Kekalov, izay manoratra momba ny olona manana fahasembanana ary mpandray anjara amin'ny Global Voices. Nalain'ny polisy manao fanamiana sivily tsy araka ny sitrapony tao an-tranony izy. Hatramin'ny nivoahan'ity lahatsoratra ity dia tsy mbola nisy afaka nifandray tamin'i Kekalov, ary tsy fantatra ny toerana misy azy.
Taty aoriana tamin'io andro io ihany, notanana tao amin'ny seranam-piaramanidina ihany koa ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra Abzas Media Sevinc Vagifgizi, izay handeha ho any Baku tamin'ny sidina avy any Istanbul, araka ny tatitry ny fahitalavitra tsy miankina Meydan TV.

Mahammad Kekalov (ankavia), Ulvi Hasanli (Afovoany), ary Sevinc Vagifgizi (ankavanana). Sary nahazoana alalana tamin'ny alalan'i Kekalov sy OC Media mpiara-miasa amin'ny Global Voices.
Mpikatroka Azerbaijaney maromaro niray sidina tamin'i Vagifgizi no nilaza tamin'ny Meydan TV fa notazonina izy raha vao nigadona tao Azerbaijan ny fiaramanidina. Talohan'ny nandraisany sidina, nanao antsafa tamin'ny fahitalavitra Meydan tao amin'ny seranam-piaramanidina izy, nilaza fa azony antoka fa misy ifandraisany mivantana amin'ny asa fanadihadiana ataon'ny media Abzas momba ny kolikoln'ireo olona manam-pifandraisana amin'ny fianakavian'ny mpitondra mibizina ao Karabakh ny fisamborana an'i Hasanli.
Samy nosavain’ny polisy ny tranon’i Hasanli sy ny biraon’ny Abzas Media. Raha ny momba ity farany dia nilaza ny polisy fa saron’izy ireo ny vola mitentina 40.000 euros. Nolavin'i Hasanli ny ifandraisany amin'ilay vola. Miahiahy ny fampahalalam-baovao Abzas sy ny mpikatroka ao an-toerana fa ny polisy no nametraka ny vola nandritra ny fisavana azy ireo. Nandritra izany, nanamafy ihany koa i Sadighova fa nosavaina ihany koa ny tranon’i Vagifgizi. Tsy nahita na inona na inona ny polisy tao. Araka ny filazan'ny mpisolovava, nodarohan'ny polisy i Hasanli.
Namoaka ny raki-peo an'i Hasanli ihany koa ny Abzas Media manazava ny zava-nitranga:
I was about to get into the taxi leaving my apartment, a car stopped in front of the taxi and a bunch of men showed up. They were all wearing masks. They called my name. I cannot recall at which point exactly I was hit. They took me there and brought me to the police station. We started arguing. Two officers hit me. Then the questioning began.
They asked me why we [Abzas] did not write about Karabakh but instead wrote about corruption. ‘Aren’t there other problems to write about,’ they asked me. The money [police claim to have found] was planted there, it is so obvious. Because of the place where they allegedly found it. It was in the hallway of the office, not even inside one of the rooms [clearly someone just dropped it there].
Saika hiditra tao anaty taxi hivoaka ny tranoko aho, no nisy fiara nijanona teo anoloan’ilay taxi ka nisy andian-dehilahy tonga. Nisaron-tava avokoa izy ireo. Niantso ny anarako izy ireo. Tsy tadidiko hoe taiza marina no nahavoa ahy. Nentin’izy ireo tany aho ary nentiny tany amin’ny paositry ny polisy. Nanomboka nifamaly izahay. Nisy manamboninahitra roa nidaroka ahy. Ary avy eo nanomboka ny fanontaniana.
Nanontany ahy izy ireo hoe nahoana izahay [Abzas] no tsy nanoratra momba an'i Karabakh fa nanoratra momba ny kolikoly kosa. ‘Tsy misy olana hafa tokony hosoratana ve’, hoy izy ireo nanontany ahy. Nipoitra tao ny vola [izay lazain'ny polisy fa hitany], mazava be izany. Noho ny toerana voalaza fa nahitan’izy ireo izany. Hita tao amin'ny lalantsaran'ny birao izany, fa tsy tao anatin'ny iray amin'ireo efitrano [mazava ho azy fa nisy nanipy teo izany].
Tao anatin'ny fanambaràna iray nozarain'ny media Abzas tao amin'ny pejiny Facebook, nilaza ny sehatra hoe , “Amin'ny maha media Abzas, mampahafantatra anareo izahay fa tsy ara-dalàna ny fitazonana an'i Hasanli, ny fisavana ny tranony sy ny manodidina ny birao. Ny zava-mitranga rehetra dia mifandray mivantana amin'ny asa fanaovan-gazetin'i [Hasanli]. Mitaky ny famotsorana tsy misy hatak'andro an'i Hasanli izahay.”
Vao haingana i Hasanli no voahazona [mg] tao amin'ny Masoivohon'i Etazonia tao Baku rehefa naka sary mivantana hetsika tselatra nokarakarain'ireo mpikatroka feminista tamin'ny Jolay 2023. Iray volana talohan'izay, tamin'ny volana Jona, nofotopotorina tamin'ny lahatsoratra Facebook nasain'ny polisy nesorina i Hasanli. Tao amin'ny ranty, nizara sarin'ny polisy roa nitazona mpanao gazety naka vaovaon'ny fihetsiketsehana momba ny tontolo iainana ivelan'ny renivohitra i Hasanli.
Hatramin'ny taona 2016, lasibatry ny fanafihana denial-of-service (DDoS), fanafihana an-jotra izay manakana ny tranonkala iray tsy ho azon'ny besinimaro idirana, maro ny haino aman-jery Absaz. Tamin'ny taona 2017, nosakanana tao an-toerana ny tranokala, nanery ireo mpitantana ny tranonkala hiova fanitarana tranonkala. Tamin'ny Aprily 2020, nisy nijirika ny tranonkala ary ankevitry ny very, vokatr'izany, ireo lahatsoratra iray volana, ary nosoloina ny lohatenin'ny lahatsoratra sasany. Lasibatra indray ny sehatra tamin'ny Febroary 2021.
Nandanjalanja ny amin'ireo fihazonana ireo ny Kiadin'ny zon'olombelona isan-karazany sy governemanta maro, sy ny filazan'ny Amnesty International fa manana “ahiahy lehibe” momba ny fisamborana ary mitaky ny famotsorana azy ireo ny vondrona mpanao gazety iraisam-pirenena hafa.