Voka-pifidianan'ny Filankevitra 2023 : Namerina nijery ny tombony sy ny fandrisihana

Tao anatin'ny fakàna hevitra nataon'ny Filankevitry ny Vondrompiarahamonina 2023 momba ny tombony azon'ny olona amin'ny fandraisany anjara ato amin'ny GV, ary ireo fandrisihana omena ireo mpiaramiasa, nanao fitsapankevitra izahay momba ny fomba fijerin'ny filankevitra ireo lohahevitra noraisina tao anatin'ny antontan-kevitra natao hosainina tamin'ity taona ity.

Noresahana betsaka tamin'ny fomba malalaka tao amin'ny Filankevitra tamin'ity taona ity ny fomba tokony atao hiantohana ny hanana faharisihana hatrany ireo mpikambana ato anatin'ny vondrom-piarahamonina ary ho voatohana sy hahazo hery. Notetezina tanatin'ilay antontan-kevitra ireo fototry ny maodelim-piarahamonintsika, ary ny tanjon'ireo adihevitra tao amin'ny Filankevitra dia ny hitsapa ireo tanjaka sy faharefoan'ny maodely misy amin'izao fotoana izao, hanombana ny fahelàna velon'izy io ao anatin'ny toejavatra misy ireo sehatra sy tetikasa samihafa ao amin'ny Global Voices, ary hanolotra drafitra sy hevitra mba hahatonga azy ho matanjaka sy maharitra kokoa.

Olona sivifolo— 45% isanjato eo ho eo amin'ireo mpikambana ao anatin'ny Filankevitra—no namaly ilay fitsapankevitra. Indro ny vokatra.

Fizaràna 1: Tombony & Fandrisihana

Ny fitsapankevitra voalohany dia nanome an'ireo mpikambana lisitra iray misy ireo tombontsoa sy fandrisihana misy amin'izao fotoana izao, ary nanontaniana ny hoe:

Inona amin'ireo tombony sy fandrisihana amin'izao fotoana izao no tena manandanja ho anao? (Safidio daholo izay mifanandrify amin'izay)

  • Fanànana sehatra iray hizaràna vaovao momba ny vondrom-piarahamonina sy ny firenena misy anao
  • Ny fisiana ao anaty tambajotra mivelatra manerantany misy ireo mpanoratra, mpandika, mpikaroka ary mpikatroka
  • Fanànana habaka iray azo antoka hiresahana ireo olana saro-bahàna erantany
  • Fampitomboana ny mombamomba anao eo amin'ny sehatry ny asa matianina amin'ny maha-mpanoratra, mpikaroka na mpandika
  • Fahazoana ny fanohanan'ny toniandahatsoratra amin'ny asanao
  • Fahazoana karama amin'ny zava-boasoratra, ny fikarohana na fandikàna nataonao
  • Fanatsaràna fahaizamanao, fahalalàna ary ny traikefa amin'ny asanao

Ny “Fisiana ao anaty tambajotra mivelatra manerantany misy ireo mpanoratra, mpandika ary mpikatroka” no safidy be noraisin'ny maro tamin'ireo namaly. “Fanatsaràna fahaizamanao, fahalalàna ary ny traikefa amin'ny asanao” sy ny “Fanànana sehatra iray hizaràna vaovao momba ny vondrom-piarahamonina sy ny firenena misy anao” no teo amin'ny toerana faharoa sy fahatelo.

Fizaràna 2: Fandaminana indray ny tombony sy fandrisihana ny efitra famoaham-baovao

Ny andiany faharoa tamin'ny fitsapankevitra dia momba ny efitrano famoaham-baovao.

1. Lazao, iza amin'ireo endri-javatra atolotra ho an'ny fandaminana indray ny efitrano famoaham-baovao no tianao hampiharina 

“Ny fanitarana ireo hetsika toy ny fiarahana mamokatra, ireo fahafahana manao fikarohana sy manoratra ka andraisana vola ary ireo fandaharanasa fanomezana vatsim-pirahalahiana” no safidy noraisin'ny betsaka indrindra tamin'ireo namaly. “Ny fanazavàna/fandrafetana ny tombony ho an'ireo mpiaramiasa ary fametrahana fandrisihana vaovao” sy ny “Tetibola ho an'ireo toniandahatsoratra isam-paritra” no teo amin'ny laharana faharoa sy fahatelo.

2. Fiantraikany manao ahoana no heverinao ho entin'ny fandaminana indray ireo tombontsoa sy fandrisihana ho an'ny efitrano famoaham-baovao ato amin'ny Global Voices?

Ny marobe tamin'ireo namaly dia nihevitra fa hitondra fiantraikany “Miabo” ho an'ny Globav Voices ny fandaminana indray ireo tombony sy fandrisihana ho an'ny efitrano famoaham-baovao, ny vondrona faharoa gaovana indrindra dia nisafidy ny “Faran'izay Miabo.”

Fizaràna 3: Fanofanana momba ny Media

Ny andiany fahatelo tamin'ny fanontaniana dia nahakasika ny fanofanana momba ny media.

1. Hatraiza no heverinao fa mavesa-danja ny fanofanana momba ny media ho an'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ?

Ny ankamaroan'ireo namaly dia nilaza fa ny fanofanana momba ny media dia “Tena manandanja” ho an'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices. 22% tamin'ireo namaly no nilaza hoe “Manandanja.”

2. Karazam-piofanana toy ny ahoana no mahaliana anao handraisana anjara? (Safidio daholo ny mifanandrify amin'izay)

“Ny fahaizana mamaky ny media sy ny fandalinana famakafakàna” no safidy noraisin'ny betsaka indrindra tamin'ireo namaly, ary nanaraka akaiky azy teo ny “Fiofanana lavidavitra kokoa momba ny fikarohana an-tambajotra sy fanadihadiana loharano misokatra”.

Fizaràna 4: Klioban'ny vondrom-piarahamonina sy Fifanakalozan-kevitra

Ny andiany fahefatra tamin'ireo fanontaniana dia momba ireo Klioban'ny Vondrom-piarahamonina sy ny Fifanakalozan-kevitra.

1. Inona amin'ireo toetra manavaka  ny klioban'ny vondrom-piarahamonina sy ny fifanakalozan-kevitra no hitano ho manandanja indrindra? (Safidio daholo izay mifanandrify amin'izay). 

“Misokatra amin'ireo rehetra mpandray anjara” no endrika ananan'ny klioban'ny vondrom-piarahamonina sy fifanakalozan-kevitra noheverin'ny maro an'isa ho manandanja indrindra. Ny “Mahavita mitondra ho amina asa ny fifanakalozan-kevitra” sy ny “Dingana tarihan'ny vondrom-piarahamonina mba hanosohana hevitra hisiana klioba vaovao” no teo amin'ny laharana faharoa sy fahatelo.

2. Hatraiza no mety ho fandraisanao anjara any anatin'ireny klioba sy ireny fifankalozan-kevitry ny vondrom-piarahamonina ireny?

Ny ankamaroan'ny valinteny dia nilaza fa  “Tena mety” handray anjara amin'ireo klioba sy fifanakalozan-kevitra.” 31% nisafidy ny “Tsy haneho hevitra”. 

Fizaràna 4: Manorina/mamolavola ny media sôsialin'ny hoavy

Ny andiany fahefatra tamin'ny fitsapan-kevitra dia momba ny fananganana ny media sôsialin'ny hoavy.

1. Hatraiza ny fahaliananao amin'ny hevitra hoe ny Global Voices hanorina santatr'andraikitra iray  momba ny media sôsialy?

Ny ankamaroan'ireo namaly no nilaza ho “Tena liana” amin'ny eritreritra hanangana santatr'andraikitra iray momba ny media sôsialy. 26% nisafidy ny “Somary liana ihany.”

2. Inona amin'ireo endri-javatra anaty media sôsialy no hitanao fa mahasarika indrindra? (Safidio daholo izay mifanandrify amin'izay)

“Tambajotra iraisam-pirenena, amin'ny fiteny maro” no be mpisafidy indrindra tamin'ireo namaly.  Ny “Tambajotra/Vondrom-piarahamonin manaraka lohahevitra” no safidy faharoa be mpaka indrindra, miaraka amin'ny “Fifaneraserana mifanatri-tava sy ireo fihaonana mivantana” ary ny “Votoaty sy fitsipiky ny fandraisana anjara mifototra amin'ny iraka sy soatoavin'ny GV” izay isa tokana monja no manasaraka azy ireo, no mitana ny toerana fahatelo sy fahefatra.

3. Hahaliana anao ve ny handray anjara amin'ireo fifanakalozan-kevitra sy ireo klioba ao anatina santatr'andraikitra iray momba ny media sôsialy ataon'ny GV?

Maro tamin'ireo namaly no nilaza fa liana “Tanteraka” amin'ny fandraisana anjara amin'ireo adihevitra momba ny santatr'andraikitra momba ny media sôsialy ataon'ny GV. 27% no “Angamba Mety” ho liana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.