Iza ireo mpihoko ao anatin'ny “Mouvement du 23 mars” (M23) ao atsinanan'i RDC?

Ireo mpihokon'ny M23 nandritra ny fialàny tao Kibumba, pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Tv5monde

Ao atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC) vondrona iray mitam-piadiana, ny “Mouvement du 23 mars”, afohezina amin'ny hoe “M23″, no mametraka ny lalàny amin'ireo mponina ao an-toerana. Fa ahoana moa no tantaran'io hetsika io? Ary inona avy no fiantraikan'ny hetsika ataony raha ny firenena kosa eo am-pikarakarana ireo fifidianana solombavambahokaa amin'ny Desambra 2023?

Iza ny M23?

Ny fahaterahan'ny M23 dia nanaraka ny fitomboan'ny fihenjanana indray taorian'ny ady tao Kivu. Io fifandirana hita tany atsinanan'ny firenena io, tao amin'ny sisintany iraisany amin'i Roandà, dia nanomboka tamin'ny 2004 ary ifanandrinan'ireo Forces Armées de la République Démocratique du Congo (FARDC) amina andiany maro mitam-piadiana, isan'izany ny Congrès National pour la Défense du Peuple (CNDP) an'i Laurent Nkunda, pôlitisiàna sady lehiben-tafika avy amin'ny foko tutsi. RDC dia firenena iray ahitàna foko marobe ka isan'ireny ny Tutsis izay miaina any amin'ny faritra Kivu ny ankamaroany.

Taorian'ny dimy taona nifandonana, ny 23 Martsa 2009, nisy fifanarahana fandriampahalemana vita sonia, nifanaovan'ny fanjakàna kôngôley sy ny CNDP hampitsaharana ny ady. Ao anatin'io fifanarahana io, eken'ilay vondrona mpihoko ny hivadika ho antoko pôlitika saingy takiany ny hamotsorana ireo mpikambana avy ao aminy nofonjaina, ny fanatsaràna ny fepetra iainan'ireo vondro-mpiarahamonina Tutsis kôngôley, sy hitazonany departemanta ministerialy telo ao anivon'ny governemanta ny ampitson'ny nahavitàn'ny fifidianana filohampirenena tamin'ny 2011.

Ny tsy fanajàn'ireo manampahefana tao RDC ny votoatin'ilay fifanarahana no nanosika ireo mpihoko fahiny teo anivon'ny CNDP, tafiditra tao anivon'ny tafi-panjakàna taorian'ilay fifanarahana fandriampahalemana, hiditra tamin'ny fihokoana. Ny Aprily 2012, araka izany, dia namorona hetsika iray vaovao ry zareo, nantsoiny hoe M23 ho fahatsiarovana ny datin'ny 23 Martsa 2009. Hazavain'ity fanadihadian'ny Tv5monde ity ny niandohan'ilay hetsika:

 

Noho izany dia nandray fiadiana indray ireo mpihoko, nahazo ny fanohanan'ny avy ao Roandà sy Ogandà. Na izany aza, nolavin'ireo manampahefana avy amin'ireo firenena roa tonta ireo ny fandraisany anjara amin'izany, eny fa na manazava aza ity lahatsoratry ny Afrique XXI ity hoe:

« Nandà i Kigali, saingy izahay, teny ambava-ady, dia nahavita ny nisambotra miaramila roandey na ireo miaramilan'ny M23 niampita avy any Roandà, hoy ny manamboninahitra ambony iray ao amin'ny tafika kôngôley nandray anjara tamin'ilay fifandonana tamin'ny 2013 rehefa manazava, tsy nitonona anarana. Ny hafatra, dia ny hanamontsana ny M23, teboka ! Tsy misy resaka mihitsy hoe hanao fanaterana ady hatrany Roandà, eny fa na dia, miaraka amin'ireo vaovao azo aza, fantatra tsara hoe avy aiza ary avy amin'iza ilay ady. Ry zareo Tutsi no mitondra an'i Roandà, ary ny M23 dia fihokoana iray nataon'ireo miaramila kôngôley avy amin'ny foko tutsi, mpiarahalahy ry zareo ary mitovy fiteny, natetika mihitsy aza ry zareo no nanana rohim-pihavanana any Roandà. ». 

Efatra taona taty aoriana, toa nitsahatra ny fikomiana M23: niaraka tamin'ny fanohanan'ny tafika misatroka mangan'ny Firenena Mikambana, faharesena manan-tantara no nampitondrain'ny FARDC an'ireo andian'ny M23 tamin'ny 5 Novambra 2013. Tsy re feo intsony, lasa nialokaloka tany amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina amin'ny RDC ry zareo, toa an'i Ogandà sy Roandà.

Omen'ity lahatsary ity ny antsipirihany tamin'ny fandresena azon'ny FARDC :

 

Fiverenana matanjaky ny M23

Saingy efa ho folo taona taorian'ny naharesy azy dia toy ny natsangana indray avy amin'ny lavenony ny M23. Tamin'ny Martsa 2022, niverina nandray fiadiana indray ilay hetsika mba hanao fanafihana an'ireo toerana stratejikan'ny tafi-panjakana ara-dalàna ao amin'ny faritra, mbola miaraka amin'ny fanohanan'i Roandà hatrany araka ny tatitr'ireo manampahaizana ao amin'ny Firenena Mikambana. Mitovy ihany ny tena antony ao ambadik'io fipongaran'ny hetsika io indray : ny tsy fanajàna ilay fifanarahana fandriampahalemana natao tamin'ny 2009.

Ny 25 Martsa 2022, Bertrand Bisimwa, filoha amin'izao fotoana izao mitarika ny M23 no manazava ao anaty ranty iray amin'ny kaontiny X (Twitter taloha) ny hetahetany hisoroka ady vaovao indray:

Nataonay daholo izay rehetra hisorohana ny fisiana ady iray vaovao eto amin'ity firenena ity. Kanefa nanao ny safidiny ny governemanta kôngôley.
pic.twitter.com/LoKwZYSaPM

— Bertrand Bisimwa (@bbisimwa) 25 Martsa 2022

Raha nanontanian'ny Tv5monde tamin'ny Aprily 2022, nanome antsipirihany misimisy kokoa momba ny fiverenan'ny M23 i Pierre Boisselet, mpandrindra ireo fikarohana momba ny herisetra ao amin'ny Ebuteli , vondrona iray mpanadihady momba an'i RDC:

Taona iray taorian'ny niverenan'ny ady indray, tsy mbola nalemy mihitsy,  mahazo toerana ny M23 ary manitatra ny dindony any Kivu Avaratra. Asehon'io ny tena tsy fahampiana ho an'ny fitondràna ao Kinshasa, izay mitady fomba hakàna indray ireny faritany ireny, ary hiaro azy ireny mba hahafahana manatontosa ny fifidianana hoavy any amin'ireny toerana ireny.

Ambana mety tsy hisiana fahamarinan-toerana mandritra ny fifidianana

Miomana hanao fifidianana ben'ny tanàna ny ao RDC amin'ny faran'ny Desambra. Nizotra tsara ny dingana fanavaozana lisi-pifidianana natao nanerana ny firenena, saingy sarotra ny fanoratana ny anaran'ireo mpifidy tany atsinanan'ny firenena. Nitarika mihitsy aza izany, ho an'ireo pôlitisiàna sasany sy fikambanana avy amin'ny fiarahamonina sivily, ho amin'ny fitakiana ny fanalavàna ny fanoratana anarana any amin'ireny faritra ireny.

Vakio : Les préparatifs pour les élections générales continuent malgré l'insécurité grandissante en RDC

Mitàna anjara toerana goavana mandritra ny dingam-pifidianana ny fiverenana tamin-kery nataon'ny M23. Mialoha ny zavatra rehetra, ny fisiany dia mampitombo ny haavon'ny tsy fandriampahalemana any amin'ny ampahany iray ao amin'ny firenena izay faritany faharoa amin'ny resaka habetsahan'ny mpandatsa-bato. 

Voatery mandositra, tsy mitsahatra mitombo isa ireo mpifindra monina anatiny. Ny birao mpandrindra ny raharaha momba ny maha-olona eo anivon'ny Firenena Mikambana, (OCHA) voatanisa ao anaty lahatsoratra iray an'ny Tv5monde, tamin'ny 19 Novambra 2023, milaza hoe :

Niteraka sahady mpifindra monina fanampiny mihoatra ny 450.000 ny fiverenan'ny ady indray tamin'ny fiandohan'ny Oktôbra. Ireo faritany ao Kivu Avaratra, Kivu Atsimo ary Ituri fotsiny dia mampiantrano olona nafindra toerana miisa 5,5, tapitrisa mahery.

Ankoatra izay, manampy ny M23 ny fisian'ireo vondrona hafa mpihoko ao anatin'io faritra io ihany. Isan'ireny ny Hery Demaokratika Miara-dia (ADF) izay, miozolmana ny ankamaroan'ny mandrafitra azy,  manafika olontsotra ary milaza ho miara-dàlana amin'ny Vondrona Fanjakàna Islamika. Misy ihany koa ny rantsana mpihoko avy amin'ny Forces nationales de libération (FNL) borondey izay mipetraka ao amin'ny faritanin'ny Mwenga, ao amin'ny faritany kôngôley any Kivu Atsimo. Ary farany, misy ihany koa ny Coopérative pour le développement du Congo (Codeco), vondrona iray mirotsaka an-tsehatra ho amin'ny fiarovana ny vondrom-piarahamonina Lendu manoloana ny Hemas sy ny tafika nasiônaly ao amin'ny faritany Ituri any avaratra-atsinanan'ny firenena.

Araka izany, ho an'ny fitondrana ao Kinshasa, izay tsy mbola mahita vahaolana foana ho an'ny toe-draharaha aterak'ireo mpihoko M23,  dia lasa olana ho an'ny fandriampahalemana ireny vondrona ireny.

Ho henjana, araka izany, ny fanarahana maso ireo fifidianana amin'ny 20 Desambra, ary ny fitomboan'ny herisetra dia mety hampirehitra ny faritra manontolo. Araka ny hevitr'i Bob Kabamba, mpampianatra siansa pôlitika ao amin'ny oniversite Liège, ny ambana fiparitahany dia tsy voafetra fotsiny ho eny amin'ireo sisintanin'ny RDC. Eo amin'ny fandraisampeon'ny  Tv5monde, mampitandrina izy:

Tsy maintsy tsipihana ny fisianan'ny ahiahy ao amin'ny faritra manontolo : ny atsinanan'i RDC, i Afrika afovoany, ny SADEC… samy misintona lakolosy fanairana avokoa momba ny toedraharaha ao Kôngô, momba ny fitohizan'ny tsy fandriampahelemana izay mety hisy fiantraikany any amin'ireo firenena hafa toa an'i Congo Brazzaville, ny République Centrafricaine ary Sodàna Atsimo raha sanatria ka mitsingilahila ny ao RDC.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.