Manelingelina ny fampandrosoana sy ny ezaka fanarenana avy amin'ny rivodoza ny fivadibadihana ara-politika ao Vanuatu

Vanuatu Parliament

Parlemantan'i Vanuatu. Sary avy amin'ny pejy Flickr an'i Phillip Capper. CC BY 2.0 DEED

Rivodoza mahery vaika telo no namely ny firenena nosy Pasifika Vanuatu tamin'ity taona ity saingy voahelingelina noho ny fivadibadihana ara-politika ny ezaka fanarenana noho ny fiezahan'ny politisiana hifehy ny governemanta. Intelo nanendry praiminisitra ny Parlemantan'ny firenena hatramin'ny volana aogositra, ary afa-nihazona fahefana ny fahefatra taorian'ny fametrahana fitsipaham-pitokisana ny governemanta am-perinasa tamin'ny 9 Novambra.

Praiminisitra nandritra ny sivy volana Ishmael Kalsakau, Sato Kilman nandritra ny 34 andro, ary nitarika ny firenena nandritra ny 31 andro monja i Charlot Salwai rehefa nisy ny fametrahana tolo-kevitra nandrisika ny filoham-panjakana ara-danonana handrava ny parlemanta. Nambaran’ireo mpanao lalàna fa ilaina io tolo-kevitra io hanatsarana ny fampandrosoana sy hanafainganana ny fanarenana ny firenena taorian’ny rivodoza.

Rivo-doza roa (Judy sy Kevin) no namely ny firenena tamin'ny volana marsa lasa teo, izay niantraika mafy tamin'ny mponina manontolo noho ny fahasimban'ny herinaratra sy ny famatsiana rano. Ny rivodoza (Lola) indray no namely ny firenena tamin'ity volana ity, izay vao mainka nanimba ny fanarenana ny firenena.

Namintina ny krizy politika tao amin'ny firenena ny hevitry ny Daily Post:

Vanuatu is continuing its political crisis rollercoaster ride as the balance of power in Parliament threatens to shift with another motion of no confidence, this time with 29 signatories.

The whole nation is now wondering, with good reason, if a new government can bring stability or if Parliament might be dissolved again.

Mitohy ny krizy politika ao Vanuatu noho ny fifandanjam-pahefana ao amin'ny Parlemanta manambana fitsipaham-pitokisana iray hafa indray, izay nahazoana sonia 29 tamin'ity indray mitoraka ity.

Manontany tena izao ny firenena iray manontolo amin'izao fotoana izao, ary marim-pototra, raha hisy governemanta vaovao hitondra fitoniana na mety ho rava indray ny Parlemanta.

Nanakana ny fandaniana ireo volavolan-dalàna manan-danja toy ny tetibola natolotra ho an'ny taona 2024 ny krizy tao amin'ny Parlemanta .

Nisy olom-pirenena sasany nanomboka hetsika ankalamanjana sy hetsika hiantsoana ny mpitondra mba hanao ho laharam-pahamehana ny olana ara-tsosialy. Namoaka fanangonan-tsonia anjotra mandrisika ny mpitondra hampitsahatra ny fivadibadihana ara-politika ireo mpifidy be ahiahy ao Vanuatu.

Political instability is disrupting Vanuatu’s development and service delivery to our communities across all islands. It fuels policy inconsistencies, interrupts development projects, hinders economic development and planning, discourages foreign investment, affects employment opportunities, and wastes the Vanuatu Government’s limited funds.

Political instability reduces confidence in national leadership, divides communities and diverts resources away from essential services: healthcare, education, infrastructure, social welfare and emergency relief efforts. Political instability harms Vanuatu’s international reputation and credibility.

Manelingelina ny fandrosoan'i Vanuatu sy ny fanomezana serivisy ho an'ny vondrom-piarahamonintsika manerana ny nosy ny fivadibadihana ara-politika. Tsy mampitombina politika izany, manapaka ny tetikasa fampandrosoana, manakona ny fampandrosoana sy ny kinasa ara-toekarena, manakivy ny fampiasam-bola avy any ivelany, miantraika amin'ny fahazoana asa, ary mandany amin'ny tsy misy dikany ny vola voafetran'ny Governemantan'i Vanuatu.

Mampihena ny fitokisana ny mpitondra amin'ny firenana, mampisara-bazana ny vondrom-piarahamonina ny fivadibadihana ara-politika ary mamily ny loharanon-karena hiala amin'ny servisy tena ilaina: fitsaboana, fanabeazana, fotodrafitrasa, fiahiana ara-tsosialy ary ezaka vonjy maika. Manimba ny lazan'i Vanuatu amin'ny sehatra  iraisampirenena sy ny fahamendrehany ny fivadibadihana ara-politika.

Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Radio New Zealand, namerina ako ny fihetseham-pon'ny mponina tsotra i Cathy Solomon:

The rural people are still waiting for help. The people are suffering in terms of development.

How do the people of this nation benefit from our independence? How do the children, the women, disability and disadvantaged people get their needs met?

These politicians are too busy fighting for power, fighting for their money, fighting for their own benefit, fighting for their happiness.

Mbola miandry fanampiana ny any ambanivohitra. Mijaly ny vahoaka amin’ny lafiny fampandrosoana.

Inona no soa azon’ny vahoakan’ity firenena ity amin’ny fahaleovantenantsika? Ahoana no ahafahan'ny ankizy, ny vehivavy, ny olona tratran'ny fahasembanana sy niangarana mahazo ny filany?

Variana miady fahefana ny politisiana, miady hahazo vola, miady ho amin’ny tombontsoany manokana, miady ho amin’ny fiadanany.

Nizara ny fahasorenany amin'ny krizy ny solombavambahoaka vehivavy tokana ao Vanuatu, Gloria Julia King, tamin'ny volana Aogositra lasa teo. “Vao tafavoaka ny valan'aretina isika, vao nisedra rivo-doza roa, fa mbola manome voina. Tokony mbola maody fanarenana isika izao.”

Mpanao gazety iray nisioka ny famakafakana ny politika ao an-toerana

Natao hivakivaky sy hivadibadika ny fiarahana ara-politika amin'ny rafitra parlemantera rehetra. Mailaka hifantoka amin'ny fiaraha-mientana — sy mandrava izany — tsy miraharaha ireo laharam-pahamehana hafa rehetra anefa ny politisiana Vanuatu.

Tsy gaga ny mpifidy.

Niangavy ireo mpitarika hisaintsaina ireto fanontaniana ireto ny Dr Willie Tokon avy ao amin'ny Transparency International Vanuatu:

Is what I am doing going towards benefitting the average citizen of Vanuatu?

Is what I am doing going towards maximum beneficial and effective use of the people’s funds?

Is what I am doing contributing towards Tropical Cyclone (TC) Judy, TC Kevin and TC Lola recovery?

Is what I am doing contributing towards building national togetherness or is it causing division and civil anger?

Mizotra mankany amin'ny tombontsoan'ny olom-pirenena Vanuatu ve ny zavatra ataoko?

Amin'ilay tena mahasoa sy mahomby indrindra amin'ny fampiasana ny volam-bahoaka ve ny zavatra ataoko?

Mandray anjara amin'ny (fiadiana ny) rivodoza tropikaly (TC) Judy, TC Kevin ary TC Lola ve ny zavatra ataoko?

Mandray anjara amin’ny fananganana firaisam-pirenena ve ny zavatra ataoko sa miteraka fisaratsarahana sy hatezeram-bahoaka?

Raha rava amin'ity herinandro ity ny Parlemanta, dia ho eo ambany governemanta mpiahy ny firenena mandra-pahatongan'ny fifidianana mialoha ny fotoana amin'ny taona ho avy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.