
Pikantsary tao amin'ny fantsona YouTube de France 24
Miharatsy ny toe-draharaha ara-politika ao Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara, ary mitohy hatrany ny famoretana ny fihetsiketsehana ataon’ny mpanohitra. Mety hisy fiantraikany amin'ny fifidianana filoham-pirenena hatao ny 16 novambra izany raha tsy misy ny marimaritra iraisana eo amin’ny samy mpiantsehatra.
Hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana antsoina hoe hetsika fotsy tamin'ny 2 oktobra, manohy ny hetsika eny an-dalambe ao an-drenivohitra ny vondron'ny kandidà folo mba hitaky ny hisian'ny fifidianana madio sy ara-drariny. Matetika sakanan'ny mpitandro ny filaminana anefa izany.
Vakio: Madagasikara, voasakana ireo fihetsiketsehana manohitra ny firotsahan-kofidian'i Andry Rajoelina
Nihemotra ny datim-pifidianana, fampielezan-kevitra mitanila
Nahemotra ny 16 novambra ny fifidianana nokasaina natao ny 9 novambra noho ny fangatahan’ny kandidà iray, Andry Raobelina, naratra nandritra ny fihetsiketsehana.
Efa nanomboka ny fampielezan-kevitra, telo ireo kandida mandray anjara amin'izay taorian’ny ankivy nataon’ny vondron'ny 10. Efa lasa lavitra i Andry Rajoelina raha manao fampielezan-kevitra milandamina kosa ny kandidà Sendrison Daniela noho ny tsy fahampian’ny vola. Nisintaka tamin'ny vondron'ny kandidà 11 kosa i Siteny Andrianasoloniaiko ary nanapa-kevitra ny hanao ny fampielezan-keviny.
Manohy ny diabe am-pilaminana isan’andro any amin’ireo fokontany samihafa eto an-drenivohitra kosa ireo kandidà 10 ambiny, ary manameloka ny fifidianana maloto ka mitaky ny fanajana ny lalàna demaokratika sy ny fitsipika ara-pifidianana. Mihevitra ireo kandidà 10 fa fehezin'i Andry Rajoelina ireo andrim-panjakana mba hampandany azy indray.
Antso fifampiresahana tsy misy valiny
Ao anatin’izany toe-javatra mihenjana izany, nisy ny antso hifampidinihana nataon’ireo hery velona ao amin'ny firenena, toy ny nataon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena, ny Antenimieram-pirenena tamin’ny alalan’ny filohany, Christine Razanamahasoa. Tamin’ny 18 oktobra, nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimierampirenena, naneho ny ahiahiny momba ny zava-misy ankehitriny ao amin’ny firenena io ramatoa io:
J’étais tentée d’aborder l’approche par la voix du peuple qui seul détient la solution. Mais, le contexte sur le non-respect des valeurs et des normes m’ont vite dissuadée. Dire que dans les conditions actuelles, seule la consultation du peuple par la voie des urnes est l’unique solution, alors que les normes morales et les normes universelles sont loin d’être remplies, ouvre la voie vers une spirale de crises.
Nalaim-panahy aho hijery ny feom-bahoaka izay hany manana ny vahaolana. Saingy nanakana ahy ny fahitana ny tontolon'ny tsy fanajana ny soatoavina sy ny fenitra. Manokatra lalana mankany amin’ny krizy goavana ny filazana fa amin’izao toe-draharaha misy izao, dia ny fakàna ny hevitry ny vahoaka amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato ihany no vahaolana, kanefa lavitry ny fanajana ny fenitra ara-pitondrantena sy ny fenitra iraisam-pirenena izany.
Tao anatin’ny antsony, lahateniny, miahiahy ny zava-misy ny fianakaviambe iraisam-pirenena tamin’ny fanambaràna vao haingana, mba hidirana amin’ny fifampiresahana. Manamafy i Razanamahasoa:
J’exhorte la communauté internationale car il y a urgence à agir, le temps n’est plus à la diplomatie. Les consultations de toutes les forces seront nécessaires, les consultations et les échanges de vues avec les pays amis de Madagascar se feront, et l’entente et la collaboration constructive avec les forces de l’ordre seront établies .
Mandrisika ny fianakaviambe iraisampirenena aho satria misy ny fahamehana handraisana andraikitra, tsy fotoanan’ny diplaomasia intsony izao. Ilaina ny fifampidinihana amin’ny hery rehetra, hisy ny fifampidinihana sy ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo firenena naman'i Madagasikara, ary hapetraka ny fifankahazoana sy fiarahamiasa manorina iarahana amin’ny mpitandro ny filaminana.
Na izany aza anefa, tsy liana amin'ny fifampiresahana ny kandidà Andry Rajoelina ary tsy mbola nanao fanambaràna mankany amin'izany.
Raha noantsafaina tamin'ny Radio France Internationale tamin’ny 12 oktobra lasa teo mikasika ny toe-draharaha ankehitriny eto Madagasikara, nanambara i Ketakandriana Rafitoson, tale mpanatanteraka ao amin’ny ONG Transparency International Madagascar hoe:
(…) le premier pas serait que le candidat numéro trois, Andry Rajoelina, ouvre la porte au dialogue avec le collectif des 11 candidats. Parce qu’il faut absolument qu’ils s’assoient autour d’une table et dressent la situation du pays. S’ils se disent aussi patriotes les uns que les autres, ils doivent se concerter pour voir quelle sera la meilleure issue.
(…) ny dingana voalohany dia ny hanokafan’ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, ny varavarana hifampiresahana amin’ny vondron'ny kandidà 11. Satria tena mila mipetraka manodidina latabatra izy ireo ary manombana ny zava-misy eto amin'ny firenena. Raha samy milaza ny tenany ho tia tanindrazana ny tsirairay dia tsy maintsy miara-miasa mba hahitana izay ho vokatra tsara indrindra.
Fanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana sy fisamborana indray
Nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny 28 oktobra teo teny amin’ny Coliseum Atsonjombe, kianja lehibe iray eto Antananarivo, dia nampanantena ny hanamafy ny hetsika ny fitambaran’ireo kandidà miisa 10. Maro ireo mpanohana netsehina ho eny amin'ny kianjan'ny 13 Mey tamin'ny 4 Novambra mba hanao diabe am-pilaminana. Hatramin’ity fanetsehana ity dia nampitandrina ny fitondram-panjakana sy ny andrim-panjakana isan-tsokajiny ny amin’izay mety ho fikasana haka an’io kianja io. Araka izany dia notemerin'ny mpitandro filaminana avokoa ny toerana rehetra mankeny amin’ity kianja ity.
Niharan'ny famoretana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso indray anefa ny fihetsiketsehana nataon’ny mpanohitra tamin’ny 4. Ampolony no naratra, ka mpanao gazety ny telo ary olona folo no voasambotra.
Vakio bebe kokoa Ny krizy politika malagasy araka ny fijerin'i Rijasolo mpakasary
Mamoaka sarin'ny mpitandro ny filaminana manaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana amin'ny etona mandatsa-dranomaso ny NewsMada Les Actus ao amin'ny pejiny Facebook:

Ny mpitandro ny filaminana nanaparitaka ny mpanao fihetsiketsehana. Saripika: Newsmada. Nahazoana alalana
Mizàna tsindrian'ila
Mifanohitra amin’izany famoretana ny fihetsiketsehana izany, tamin’io 4 novambra io ihany, nikarakara karnavaly tsy nitrangan-toejavatra tahaka izany ny mpomba an’i Andry Rajoelina teto an-drenivohitra nanao propagandy filoham-pirenena. Izany no nitarika an’i Hajo Andrianainarivelo, kandidà ho amin’ny fifidianana, namoaka tao amin’ny kaontiny X:
Deux poids deux mesures à #Madagascar. Pendant que les partisans de l'ancien Président défilent librement dans la capitale, les partisans du “Collectif des candidats” sont dispersés à coup de gaz lacrymogène et de balle en caoutchou. pic.twitter.com/48dI87doRH
— Hajo Andrianainarivelo (@MrHajoA) November 4, 2023
Mizàna tsindrian'ila eto Madagasikara. Raha nanao matso an-kalalahana teto an-drenivohitra ny mpomba ny Filoha teo aloha naparitaka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny bala fingotra ny mpomba ny “Collectif des candidats”
Vakio ihany koa : Kandidà maro no mifaninana amin'i Andry Rajoelina ho filohan'ny Malagasy
Feno mpitandro ny filaminana any amin'ny faritra sasany lavitra ny kianjan'ny 13 Mey
Manaporofo ny fihenjanana eto an-drenivohitra ny tranga samihafa. Fiara iray nijanona teo amoron-dalana, araka izany, no niharan’ny baomba mandatsa-dranomaso teo Ankadifotsy, faritra somary lavitry ny kianjan’ny 13 mey. Nisy fahamaizana saingy vetivety dia voafehy ny afo.

Fiara iray nijanona no lasibatry ny baomba mandatsa-dranomaso. Nahazoana alalana
Manenjika hatrany anelakelatrano ny mpitandro ny filaminana hanenjehana ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ireo kandidà ofisialy. Mampiseho izany ity sary navoakan'ny mpanao gazety Poussy Best tao amin'ny pejy Facebook-ny ity:

Saripika I-BC. Nahazoana alalana
Amin'izao famoretana sy fanenjehana izao, tsy azo leferina ny fakana sary na fandraketana horonantsary polisy ao anaty famaizana. Ity lahatsary ity no mandravaka ny fidarohan'ny mpitandro ny filaminana olom-pirenena tsotra naka sary/video tamin'ny findainy ary nitaky ny hamafa izany.
Kandidà iray nosamborina
Nosamborin’ny zandary ny 6 novambra teo ny iray tamin’ireo kandidà, Jean Jacques Ratsietison, rehefa saika hiditra teny amin’ny kianjan'ny 13 mey, saingy navotsotra rehefa hanomboka ho maizina ny andro. Olona manodidina ny folo voasambotra tamin'ny 4 novambra no niakatra fitsarana tamin’io andro io ihany. Ny dimy naiditra am-ponja ary ny dimy hafa dia eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Ny 9 novambra ny fotoam-pitsarana azy ireo. Nilaza Ratsietison raha niresaka tamin’ny mpanao gazety hoe:
Je suis encore sous le secret de l’instruction. Je peux vous dire seulement que les chefs d’inculpations qui pèsent contre moi et les personnes arrêtées sont: voie de fait, violences, attroupement illicite, tentative de coup d’État et outrages aux forces de l'ordre. Comment aurais-je pu faire un coup d’Etat, moi Ratsietison, avec mes deux mains? pfff .. J’attends désormais mon procès. »
Mbola eo ambany tsiambaratelon'ny famotorana aho. Ny hany azoko lazaina aminareo dia ny fiampangana ahy sy ireo olona voasambotra : fanohintohinana ny zon'ny hafa, herisetra, fitangoronana tsy ara-dalàna, fikasana hanonganam-panjakana ary faniratsirana mpitandro ny filaminana. Ahoana moa aho Ratsietison no nanao fanonganam-panjakana tamin’ny tanako roa? pfff.. miandry ny fitsarana ahy aho izao.
Mbola mafàna araka izany ny toe-draharaha ao Madagasikara herinandro mialoha ny fifidianana filoham-pirenena. Mampitombo ny fanjavozavoana ny korontana ateraky ny famoretana ny fihetsiketsehan'ny kandidà 10 sy ny tsindry ataon'ny polisy. Ny fanontaniana lehibe dia ny hoe ho tanteraka araka ny nomanina sy ao anaty fepetram-piarovana azo antoka ve ny fifidianana?