Any San Francisco manatrika ny fihaonamben'ny mpitarika ao amin'ny Fiarahamiasa Ara-toekarena ao Azia-Pasifika (APEC) maharitra herinandro ny filoha sinoa Xi Jinping, ka hihaona mivantana efa nandrasana fatratra amin'ny filoha amerikana Joe Biden. Notsenain'ireo mpanao fihetsiketsehana an-jatony sy ireo mpanohana marobe izy.
Raha nikasa hivory tamin'ny 15 Novambra ireo mpitarika ambony ao amin'ny firenena roa matanjaka, mpanao fihetsiketsehana an-jatony no nivory teo ivelan'ny Kaonsilàn'i Shina tao San Francisco, nizara hafatra fanantenana ho fanatsarana ny fifandraisan'i Shina-Etazonia sy ny hafa ary nisy koa ireo hafa naneho ny fitarainan'izy ireo momba ny firaketana mikasika ny zon'olombelona ao Shina. Anna Kwok, Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Filankevitry ny Demaokrasia Hong Kong any Washington, iray amin'ireo mpikarakara fihetsiketsehana nilaza hoe:
We will never give up. pic.twitter.com/8CpoMbVP9d
— Anna Kwok 郭鳳儀 (@AnnaKwokFY) November 15, 2023
Tsy hilavo lefona mihitsy izahay
Lasibatry ny politikan'ny famoretana ataon'i Shina amin'ireo mpanohitra ara-politika toa an'ireo mpikatroka mpomba ny demokrasia ao Hong Kong, mpikambana ao amin'ny antokom-pivavahana voasazy ao Shina, toa an'i Falungong, ary ireo foko vitsy an'isa avy any Tibet sy Xinjiang ny ankamaroan'ireo mpanao fihetsiketsehana.
Hita taratra mazava amin'ity afisy manaraka nolanjainà mpanao fihetsiketsehana iray teo ivelan'ny trano fandraisam-bahiny Xi Jinping tamin'ny 14 Novambra ny hatezeran'izy ireo:
@Focus_Taiwan pic.twitter.com/0gfDMVCBXD
— Sophie Mak (@SophieMak1) November 14, 2023
Voampanga ho nandrindra fandripahana foko vitsy an'isa ao aminy i Shina, indrindra fa ny Uyghurs — vondrona foko Silamo avy ao amin'ny faritr'i Xinjiang ao Shina. Hatramin'ny taona 2017, Uyghur eo amin'ny 1,8 tapitrisa eo ho eo no voahidy ao amin'ny toby fihazonana amin'ny anaran'ny adim-bahoaka amin'ny fampihorohoroana sy ny ekstremisma. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nitarina hatrany Tibet ny fepetra fanafoanana sy fampidirana kolontsaina an-terisetra, ary nosoratana ankehitriny hoe Xizang amin'ny teny Anglisy any Shina.
Raha ny marina, ny vondrom-piarahamonina am-pielezana Tibetana hatramin'izao no tena hita indrindra nandritra ny fihetsiketsehana. Tamin'ny 11 Novambra, talohan'ny nanombohan'ny Fihaonambe APEC, nanantona sora-baventy teo an-tampon'ilay toerana ny vondrona Tibetana am-pielezana Mpianatra ho an'i Tibet Afaka (Students for a Free Tibet):
JUST NOW—3 Tibetan youth activists drop a banner on the Moscone Center where the APEC Summit will start in <24hrs
Xi can’t hide from the countless people united against his authoritarian regime
Generations of Tibetans will always resist his dictatorship until Tibet is free. pic.twitter.com/SH0O12MKDl
— Students for a Free Tibet (@SFTHQ) November 10, 2023
VAO IZAO—Nametraka sora-baventy teo amin'ny Foiben'i Moscone izay hanombohan'ny Fihaonambe APEC afaka <24 ora ny tanora Tibetana mpikatroka 3 .
Tsy afaka miafina amin'ny vahoaka tsy tambo isaina mitambatra hanohitra ny fitondrany tsy refesi-mandidy i Xi
Hanohitra hatrany ny jadonany mandra-pahafahan'i Tibet ny taranaka Tibetana
Nanazava ny anton'ny fihetsiketsehana manohitra an'i Xi Jinping amin'ny antsipiriany bebe kokoa ny fanambaran'ny Human Rights Watch (tamin'ny alàlan'ny tale mpanatanteraka teo aloha Kenneth Roth):
The Chinese government won't stop its horrendous crimes in Xinjiang and Tibet, intensifying repression across China, and dismantling of democracy in Hong Kong unless it faces sustained public pressure. Government leaders at APEC need to press Xi Jinping. https://t.co/azj9VCdGwc pic.twitter.com/seMFgtZzRj
— Kenneth Roth (@KenRoth) November 12, 2023
Tsy hampiato ny heloka bevava mahatsiravina ataony any Xinjiang sy Tibet ny governemanta Shinoa, fa manamafy ny famoretana manerana an'i Shina, ary mandrava ny demokrasia ao Hong Kong raha tsy hoe miatrika fanerena maharitra ataon'ny vahoaka izy. Mila manery an'i Xi Jinping ny mpitondra governemanta ao amin'ny APEC.
Nandritra izany fotoana izany, nanetsika ireo mpianatra Shinoa sy vondrona maintimolaly monina ao amin'ny Bay Area ny Kaonsiolà Shinoa mba hitsena ny Filoha Shinoa ao amin'ny seranam-piaramanidina San Francisco, toeram-pivoriana ary hotely, araka ny hafatra tafaporitsaka tamin'ny alalan'ilay mpampianatra Li tao amin'ny X (Twitter taloha).
Nigadona tao amin'ny seranam-piaramanidina San Francisco i Xi Jinping tamin'ny 14 Novambra ho an'ny diany voalohany any Etazonia tao anatin'ny enin-taona. Nihoatra ny isan'ny olona nanao fihetsiketsehana ny vahoaka nitsena azy:
The scene outside San Francisco airport, where Xi Jinping is due to arrive: #Uyghurs #Tibetans & #HongKongers protesting; & hundreds of pro-CCP Chinese supporting, apparently recruited from nearby US universities by the Chinese consulate.
video from @USHKersClub pic.twitter.com/9utA9EplIl— Hong Kong Democracy Council (@hkdc_us) November 14, 2023
Ny zava-nisy teo ivelan'ny seranam-piaramanidina San Francisco, izay tokony hahatongavan'i Xi Jinping: #Uyghurs #Tibetans & #HongKongers manao fihetsiketsehana; ary Shinoa an-jatony manohana ny CCP avy ao amin'ny oniversite amerikana akaiky, izay toa nokaramain'ny kaonsiolà Shinoa.
lahatsary avy amin'ny @USHKersClub pic.twitter.com/9utA9EplIl
Teo ivelan'ny hotelin'ny filoha Shinoa, tsy maintsy nanasaraka ireo vondrona roa ireo ny polisy ao San Francisco mba hisorohana ny fifandonana sy ny ady:
Chinese President Xi Jinping, escorted by a motorcade, arrived today at the St. Regis hotel where he will be staying during the week of APEC. Supporters and opponents of Xi can be seen in the background. pic.twitter.com/GZmQhT1cPu
— The San Francisco Standard (@sfstandard) November 14, 2023
Tonga androany tao amin'ny hotely St. Regis izay hipetrahany mandritra ny herinandron'ny APEC ny Filoha Shinoa Xi Jinping, narahan'ny fiara mitanjozotra. Hita teny an-toerana ireo mpanohana sy mpanohitra an'i Xi.
Saingy talohan'ny fihaonan'i Xi sy Biden, nihamatetika ny fifandonana teo amin'ireo vahoaka nitsena sy nanao fihetsiketsehana:
Police are having trouble controlling the massive crowd on Market and Third Streets.
Muni is rerouting the inbound 30 and 45 buses.
📹: @aldot29 pic.twitter.com/xv78Sf1zuY
— San Francisco Chronicle (@sfchronicle) November 15, 2023
Sahirana ny mpitandro filaminana amin’ny fifehezana ny vahoaka marobe eny amin’ny Tsena sy ny Third Streets (Lalana Fahatelo).
Manova ny lalan'ny fiara fitateram-bahoaka miditra 30 sy 45 ny Muni.
Tao anatin'ny firongatry ny ady ara-barotra sy ny fifanolanana jeo-politika eo amin'i Etazonia sy i Shina, tsy nanampo ny ankamaroan'ny mpanara-maso fa hitondra fivadihana tampoka amin'ny fifandraisana ara-diplaomatikan'ireo firenena roa matanjaka ireo ny fihaonana.
Manantena ny governemanta amerikana fa hanampy amin'ny fametrahana rafitra hitantanana ny tsy fifampitokisana eo amin'ny firenena roa tonta ny fihaonana. Tanjona lehibe ny hananganana indray ny fifandraisana ara-miaramila sy ny fandravana ny fanondranana an-tsokosoko ny fentanyl any Etazonia.
Tsy nanambara ny fandaharam-potoanany ho an'ny daholobe i Shina, saingy nitanisa olana lehibe telo tao amin'ny Weibo i Hu Xijin, mpaneho hevitra indrindra ao amin'ny Global Times an'ny fanjakana:
首先是台湾问题,王毅在上月底对华盛顿的访问中明确表示,台海和平稳定面临的最大威胁是“台独”,中美关系面临的最大挑战也是“台独”。二是,美国变本加厉打压中国高科技企业,不断在对华半导体技术禁运方面加码,搞围堵中国的 “脱钩断链”。三是,在南海公开煽动菲律宾等向中国挑衅,并且反复赤膊上阵,威胁中国岛礁的安全。
Voalohany ny resaka Taiwan. Nilaza i Wang Yi nandritra ny fitsidihany tany Washington tamin'ny volana lasa teo fa ny loza mitatao lehibe indrindra amin'ny fitoniana ao amin'ny andilan-dranomasin'i Taiwan dia ny ‘fahaleovantenan'i Taiwan,’ izay fanamby lehibe indrindra amin'ny fifandraisana Sinoa-Amerikana ihany koa. Ny fanahiana faharoa dia ny fitomboan'ny fanafoanan'ny Etazonia ny vondron'orinasan'ny teknolojia avo lenta any Shina amin'ny alàlan'ny fandraràna ny teknolojia “semi-conducteur”. Fanakanana tsy ara-dalàna an'i Shina amin'ny rojom-pamokarana ny hetsika toy izany. Ny fahatelo dia ny fampirisihana ampahibemaso ataon'i Etazonia an'i Filipina sy ireo firenena hafa ao amin'ny Ranomasin'i Shina Atsimo mba hihantsy an'i Shina. Mampidi-doza ny nosin'i Shina ao amin'ny faritra izany.
Mahita mialoha ny sasany fa hanararaotra hisarika ny mpampiasa vola vahiny i Shina ao anatin'ny fihenan'ny fampiasam-bola avy any ivelany:
Warm Welcome. Hundreds of people including the CEOs of major American firms are expected to attend a dinner where President Xi Jinping will be the guest of honor when he visits San Francisco for the APEC summit this month. 3/10https://t.co/7E7A0hDmP5
— Rebecca Choong Wilkins 钟碧琪 (@RChoongWilkins) November 10, 2023
Fitsenana Makotroka. Olona an-jatony, anisan'izany ny Tale Jeneralin'ny orinasa amerikana lehibe no andrasana hanatrika ny fiaraha-misakafo hariva izay ho vahiny manan-kaja amin'izany ny filoha Xi Jinping rehefa mitsidika an'i San Francisco amin'ny fihaonambe APEC amin'ity volana ity.
Miles Yu, manam-pahaizana Shinoa, kosa anefa mahita fa ny fitsidihan'i Xi Jinping ho hetsika hamahana ny “olana ara-pitokisana” any an-tanindrazana amin'ny alalan'ny fampiasana ny sehatra iraisampirenena hampiroboroboana ny tenany ho mpitarika manerantany:
Xi’s San Franscico rendezvous could also allow him to promote his own domestic image as a global guarantor of stability. […] positioning him as the global head of a “community of common destiny for all mankind.” He no doubt views an international forum such as the APEC Summit as a golden opportunity for the CCP’s self-promotion.
Ahafahany mampiroborobo ny endriny ao an-toerana ho mpiantoka manerantany ny fitoniana ny fihaonan'i Xi any San Fransrico. […] mametraka azy ho lehiben'ny “fiarahamonin'ny lahatra iombonan'ny olombelona rehetra” maneran-tany. Tsy isalasalàna fa noheveriny ho tombontsoa volamena ho fampiroboroboan-tena ao amin'ny CCP ny fihaonambe iraisam-pirenena toy ny Fihaonamben'ny APEC.
Mifanaraka amin'ny fanodikodinana fihetseham-po ao amin'ny Weibo ny fandinihany satria voasivana ireo hevitra malaza manohitra an'i Etazonia ary nosoloina fanehoan-kevitra sy fihetseham-po tsara mialoha ity fivoriana ambony indrindra ity, araka ny nasehon'i Manya Koetse avy ao amin'ny What’s on Weibo:
Many of these optimistic sentiments stem from a response to an op-ed published by People’s Daily. The op-ed argues that maintaining stable relations between the US and China, fostering peaceful coexistence, is crucial for global future and world peace.
Maro amin'ireo fihetseham-po feno fanantenana ireo no avy amin'ny valinteny amin'ny matoandahatsoratra navoakan'ny People's Daily. Milaza ny lahatsoratra fa zava-dehibe ho an'ny hoavy maneran-tany sy ny fandriampahalemana eran-tany ny fitazonana ny fifandraisana marin-toerana eo amin'i Etazonia sy i Shina, mampiroborobo ny fiarahamiaina am-pilaminana.