
Sary fanehoana an'ni Rex Opara tao amin'ny Minority Africa, fampiasàna nahazoana alàlana.
Tany am-boalohany ity tantara ity dia navoakan'ny Minority Africa. Dika nohafohezina no averin'ny Global Voices etoana ao anatin'ny fiarahamiasa mifampizara votoaty.
[Raha tsy asiana fanamarihana manokana, dia mitondra mankany amina tranonkala amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra]
Satria efa ho tapitra ny 10 taona, fe-potoana fiasàna ho an'ilay Vaomiera Nasiônaly ho an'ny Fandriampahalemana sy Fampihavanana (NPRC) ao Zimbaboe, izay ny tanjony dia ny hitondra fandriampahalemana sy fanakatonana ny ferin'ireo sisampaty ary ny fianakavian'ireo niharan-doza tamin'ireo habibiana tany aloha, feno fahatsapàna fahadisoam-panantenana ny fon'ireo nametraka ny fanantenany tamin'io dingana io.
Ilay voamiera, izay najoro tamin'ny 2013 tao anatin'ny fanamboarana lalàm-panorenana iray vaovao, dia noraisina ho toy ny tara-panantenana, niandrandràn'ireo niharam-boina sy ireo fianakavian-dry zareo ny fahamarinana sy ny fanakatonana , saingy marobe ireo mihevitra fa tsy nitàna ny teny nomeny izy io.
« Amiko, fihetsiketsehana fotsiny ny NPRC », hoy ny nambaran'i Duncan Maseko, 51 taona, tamin'ny Minority Africa. Ny rainy dia isan'ireo niharam-boina nalaina an-kery 30 taona lasa izay. «Ny hany faniriako dia ny hànana vaovao feno momba ny taolambalon'ireo havanay ».
Fandripahana tao Gukurahundi
Tany amin'ny fiandohan'ny andian-taona 1980, niainan'i Zimbaboe ny fifandirana iray nitam-piadiana niafara tamina fifanenjanana pôlitika teo amin'ny ZANU-PF [fr] sy ny PF-ZAPU [fr], hetsi-panafahana roa fahiny notarihan'i Robert Mugabe [fr] ilay voalohany ary Joshua Nkomo [fr] ilay faharoa. Ny governemanta, teo ambany fitarihan'ny praiminisitra Mugabe, dia nandefa andian-tafika manokana fantatra tamin'ny anarana hoe Brigade Fahadimy tany amin'ireo faritra andrefan'ny firenena – toeram-pamaharan'ny ZANU-PF mpanohitra. Niafara tamina fandripahana nahatsiravina izany teo anelanelan'ny 1982 sy 1987, fantatra tamin'ny anarana hoe Gukurahundi [fr] (fomba fiteny amin'ny fiteny shona [fr] izay rehefa adika malalaka dia hoe « ny orana voalohany mifaoka ny ampombo mialoha ny oran-dohataona »). Nihoatra ny 20.000 ireo olona maty ary marobe tamin'izy ireny no niharan'ny habibiana nahatsiravina, indrindra fa ny fakàna an-kery, ny hetsika fampijaliana sy ny fanolànana.
Sam, rain'i Maseko, dia miaramila fahiny tao amin'ny Tafi-bahoaka revôlisiôneran'i Zimbaboe (ZIPRA), niady nandritra ilay fifandirana nitam-piadiana niafara tamin'ny fahazoan'i Zimbaboe ny fahaleovantenany tamin'ny 1980. Ny 11 Febroary 1984, tonga naka azy an-kery tao an-tranony tao Bulawayo, izay tanàna faharoa lehibe indrindra ao amin'ny firenena, ireo mpitandro filaminan'ny fanjakàna ary, toy ireo an'arivony maro hafa, tsy nahita azy intsony ny havany.
Ny ankamaroan'ireo olona nosamborina tahàka izany dia tany Bhalagwe no niafaràny, toby iray famonjàna manana endrika toy ny an'ny nazi, any amin'ny 100 km any atsimon'i Bulawayo, toerana nanaovana fampijaliana niharo habibiana tamin'izy ireny, ny sasany tamin'izany niafara tamina fahafatesana.
Tamin'ny fotoana mba nisiana sarintsarim-pandriampahalemana [fr] vokatry ny Fifanarahana iray hisian'ny Firaisankina nitsinglahila tamin'ny Desambra 1987, no nisy ny tena fandripahana natao an'ireo Ndebele [fr], foko vitsy an'isa.
Tolona ho an'ny fanasitranana
Hatramin'ny nanaovana sonia ilay Fifanarahana Firaisankina, nidona tamin'ny fandavan'ireo governemanta nifandimby nandritra ny telopolo taona tao Zimbaboe ireo ezaka nataon'ireo sisampaty sy ny fianakavian'ireo niharam-boina tamin'ilay fandripahana tao Gukurahundi mba hahazoana fanasitranana.
Ilay filoha fahiny, Robert Mugabe, dia nanaiky ny naha « fotoana nanaovana hadalàna » ireny habibiana nahatsiravina ireny, saingy nandà ireo antso natao ho amin'ny fiasàn'ilay vaomiera fahamarinana-fampihavanana [fr] tsy misy hafa amin'ilay tao Afrika Atsimo taorian'ny apartheid. Ny filoha Emmerson Mnangagwa, voampanga ho voarohirohy tao anatin'ireo habibiana, dia nanao fivoriana fakàn-kevitra, saingy mbola nitoetra hatrany ny ahiahy momba ny fanolorantenan'ny governemanta, indrindra fa noho ireo andrana saika hamongatra ireo fasana faobe nefa tsy mbola voafaritra feno ny momba ireo andraikitra notànana tamin'izany. Maro ireo mpikambana avy amin'ireo fianakavian'ny niharam-boina sy ireo vondrona mpiaro zon'olombelona no niampanga ny governemanta ho mikasa ny hanakana ny firaketana ara-tantara lalindalina kokoa an'ilay fandripahana.
Ireo fikambanana, toy ny Ibhetshu LikaZulu, izay nanangana takela-pahatsiarovana miisa telo tao Bhalagwe ho an'ireo niharam-boina tany Gukurahundi, ary nopotehan'ireo voalaza fa mpitandro filaminana, dia manohitra mafy izay mety ho firotsahan'ny governemanta ao anatin'ilay dingana fanasitranana.
Tao anaty fanambaràna iray, nilaza i Mbuso Fuzwayo mpandrindra ilay vondrona fa : « Na rahoviana na rahoviana, tsy tokony hisy ny famongarana na famindràna razana eo abany fifehezan'ny govenremanta atao an'ireo niharam-boina vokatry ny fandripahana tao Gukurahundi. »
NPRC : Fampanantenana tsy tanteraka
Ny NPRC, na noheverina aza tany am-piandohana ho toy ny tara-panantenana, dia nisedra fahasahiranana nandritra ny fe-potoana nisiany noho ny tsy fahampian'ny ho enti-manana sy ny finiavana ara-pôlitika. Ela be vao nijoro izy ary niteraka resabe, tsy niasa afa-tsy dimy taona, tamin'ireo folo voalahatra tany am-piandohany. Tamin'ny 2019, Concilia Chinanzvavana, solombavambahoaka avy amin'ny mpanohitra, dia nitaky tamin'ny Fitsarana Avo tao Harare mba hanalava ny fe-potoana iasàn'ny PRC ho hatramin'ny 2028 mba hahafahana manenjika ireo taona dimy very talohan'ny nametrahana azy. Kanefa, nanao fampakàrana tany amin'ny Fitsaràna Avo ny governemanta ary nandresy nahazo fanafoanana an'ilay didy, araka ny itateran'ny Diarin'ny Zon'Olombelona Afrikàna azy.
Nandiso fanantenana ireo sisampaty ilay fanapahankevitry ny Fitsarana Avo tsy hanalava ny fe-potoana fiasàn'ny NPRC, ka nilazan'izy ireo fa tsy nisy zavatra tontosa raha resaka fanasitranana sy fanerenana ho an'ireo niharam-boina tao Gukurahundi sy ireo niharan'ireo herisetra pôlitika hafa.
Ny tsy nahavitan'ny NPRC nanakatona ka hisian'ny fanadinoana ho an'ireo niharam-boina tao Gukurahundi dia taratra goavana amin'ny olana iray midadasika amin'ny tsy fisiana finiavana pôlitika ary ny fanekena ny fisian'ireo habibiana natao tao Zimbaboe. Ireo sisampaty sy ireo mpiaro zon'olombelona dia miantso ny hisian'ny firotsahana an-tsehatra sy fanadihadiana iraisampirenena mba hitsaboana ireo tsy rariny ara-tantara sy hanokafana làlana mankany amin'ny tena fahasitranana sy fampihavanana. Na eo aza ireo ezaka ao an-toerana, mitohy ny tolona hisian'ny fahamarinana, ny rariny ary ny fampihavanana ao Zimbaboe, ary ho an'ny maro dia mbola hisokatra hatrany ireo ferin'ny lasa.
Fehiny, araka ny asongadin'ilay boky « Unspeakable Truths: Transitional Justice and the Challenge of Truth Commissions » (Fahamarinana tsy hay lazaina: rariny tetezamita sy fanambin'ny vaomiera fahamarinana) an'ny profesora Priscilla Hayner, manampahaizana manokana amin'ny resaka rariny tetezamita dia, na iray aza, tsy misy firenena eto an-tany ka hoe nivoatra raha tsy notsaboina araka ny tokony ho izy ireo tsy rariny tany aloha.