
fandravahana nataon'i Alex Esenler, nahazoana alalana.
Ny Global Voices dia mitady mpandinika rohivoary am-pampitam-baovao mba hiasa ho mpikaroka ato amin'ny Civic Media Observatory (CMO). Tadiavinay ny mpikaroka hiasa amin'ny odidin'ny Fitantanana Data any Brezila sy El Salvador. Tokony honina na manana fahalalana lalina sy mbola afa-miditra amin'ny torohay eo an-toerana avy amin'ireo firenena roa ireo ny mpikaroka.
Ny Global Voices dia fikambanana media virtoaly manerantany manana ekipa, mpiantoka asa sy mpandray anjara an-tsitrapo amin'ny kaontinanta rehetra. Ny mpandray anjara ato aminay dia manao asa fanoratana, fikarohana, fisoloana vava ary fandikan-teny mba hanasongadinana ireo tantara sy fomba fijery avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao izay tsy dia voasolotena loatra.
Hadihadian'ny CMO sy fantariny ny fomba fahatakaran'ny olona ny vaovao sy hananganana fahalalàna ao anaty rohivoarin-pampitam-baovao mifaningotsingotra sy toa mikorontana. Fantarin'ny Observatory sy zohìny ireo lohahevitra fototra sy lasitra fitantarana izay mipongatra manodidina ny lanonana, ny fironana ary ny tranga hafa ka manazava ny odidina sy ny ambanin'ny media eo an-toerana, amin-tenim-paritra sy marofiteny.
Amin'ny maha mpandresin'ny Future of Data Challenge, dia hofantarina sy hotakarin'ny fomba fiasan'ny Observatory manaraka ny kabary amin'ny angon-drakitra ampiasaina amin'ny fitsirihana ny fitantanana, sy ny politika any El Salvador, Brezila, Türkiye, Sodàna ary India.
Mitady kandidà manana fahalalana lalina momba ny rohivoarin'ny media eo an-toerana izahay, ao anatin'izany ny fampahalalam-baovao, sehatra media sosialy, aterineto misokatra, loharanom-baovao ivelan'ny aterineto, mahay mamakafaka sy mitsikera, mahay ny fiteny eo an-toerana, mahay miasa amin'ny tobin'angon-drakitra, ary mahay miteny anglisy amin'ny sehatry ny asa miompana amin'ny fitantanana angon-drakitra sy zo ankihy.
Amin'ny sehatra Airtable ny mpikaroka no miasa, tobin'angon-drakitra azo ifandraisana io mba hampidirana famakafakana sy hanarahana ny fomba fiasan'ny Civic Media Observatory, izay ampifandraisan'ny mpikaroka ireo singa media, lasitra fitantarana, lohahevitra, loharanom-baovao, ary olona sy vondron'olona liana. Ny vokatr'izany dia fitambaram-baovao mahavariana ifampizarana amin'ireo mpiara-miombon'antoka, amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices, ary ny vahoaka.
Hirika fikarohana ikaramàna izy ity. Hokaramaina mitentina 3.000,00 USD amin'ny maha-mpiantoka asa tsy miankina ny mpikaroka.
Ny fanoloran-tena andrasana dia eo amin'ny 10 ka hatramin'ny 20 ora isan-kerinandro. Anisan'izany ny: famakafakana fikarohana, fandraisana anjara amin'ny fiofanana, antsotsy tapaka amin'ny tetikasa, ary fandraisana anjara amin'ny famelabelarana, gazetim-baovao, tati-pikarohana ary tantara.
Tsy misy fepetra ara-jeografika takiana mifandraika amin'ireo toerana ireo; Tsy manana birao na foibe hita vatana ny Global Voices. Ny mpifaninana dia tsy maintsy manana fidirana tsy miovaova sy azo ianteherana amin'ny fifandraisana amin'ny aterineto haingam-pisosa, ary mahazo aina miasa amin'ny tontolo virtoaly manontolo.
Ampirisihanay manokana ireo kandidà ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana ary ampirisihanay ihany koa ireo olona mandray anjara amin'ny Global Voices amin'izao fotoana hanao izany.
Alefao mailaka ireto singa manarana ireto mialoha ny zoma 24 novambra ao amin'i giovana.fleck AT globalvoices DOT org, asiana antony Global Voices Civic Media Observatory Researchers: [anaranao]:
- Taratasim-pahazotoana amin'ny teny anglisy manasongadina ny asanao sy ny fanazavanao amin'ny antony ilazana fa ianao no mety amin'io toerana io
- CV anao