Nanohana fanentanana anjotra manohitra ny fanalan-jaza ny politisiana breziliana mialoha ny didim-pitsarana tampony

Sary: Bruno Fonseca/Agência Pública

Nosoratan'i Bruno Fonseca sy Mariama Correia voalohany tao amin'ny tranokalan'ny Agência Pública tamin'ny 21 Septambra 2023 ity lahatsoratra ity, ary navoakan'ny Global Voices eto indray noho ny fifanarahana fiaraha-miombon'antoka, misy fanovana.

Nanao fanentanana ireo mpanao politika sy fampahalalam-baovao Breziliana mpandala ny nentin-drazana hanoherana ny fanalan-jaza alohan'ny hamoahan'ny Fitsarana Tampony didim-pitsarana izay mety hitarika tsy hanamelohana intsony ny fanalan-jaza ao antin'ny 12 herinandro ny itondrana vohoka.

Nanomboka tamin'ny alàlan'ny rafi-pitsarana virtoaly tamin'ny 22 septambra ny fotoam-pitsarana, nahazo latsa-bato mankasitraka avy amin'ny filoha tamin'izany Rosa Weber. Naato izany avy eo, noho ny fangatahan'ny mpitsara iray hafa, Luís Roberto Barroso, handefa ny latsa-bato ho any amin'ny fotoam-pitsarana ifanatrehana mivantana, izay tsy maintsy anaovan'ireo mpitsara ao amin'ny fitsarana miaro am-bava ny vatony.

Nambaran'i Barroso, izay filoha vaovaon'ny Fitsarana Tampony (STF), fa tsy misy daty voatondro hamerenana ny fotoam-pitsarana.

Amin'izao fotoana izao, ny hany azo anaovana fanalan-jaza amin'ny alalan'ny lalàna breziliana dia amin'ny fanolanana, amin'ny loza mitatao amin'ny ain'ny vehivavy bevohoka, ary ny tsy fahatomombanan'ny lohan'ny zaza am-bohoka.

Araka ny fitsapan-kevitra nataon'ny Agência Pública, nisafidy ny hampiasa doka amin'ny sehatra Meta ny mpanao politika, ny antoko mifandray amin'ny fiangonana, ny mpitari-kevitra, ary ny vondrona fampitam-baovao mpandala ny nentin-drazana hiezahana hitaona ny olona hanohitra ny fanesorana ny fanalan-jaza ho tsy heloka bevava. Nofakafakaina ny tatitra izay nahatratra ny tampony indrindra tamin'ny volana septambra ary nahita fa efa ho 10.000 BRL (eo amin'ny $1985 USD) no naloan'ny horirantavan'olona 15 tamin'ireo sehatra ireo. Efa niseho in-2 tapitrisa mahery ireo dokambarotra nodinihina tamin'ny famoahana ity tatitra ity tamin'ny 23 septambra.

Ny tompondakan'ireo dokambarotra nandritra io vanim-potoana io dia i Renato Antunes, solombavambahoakam-panjakana avy amin'ny fanjakan'i  Pernambuco sady mpikambana ao amin'ny Antoko Liberaly (PL), mitovy amin'ny filoha teo aloha Jair Bolsonaro. Nandoa BRL maherin'ny 3.800 (manodidina ny $745 dolara amerikana) izy mba hanosehana andian-dranty tamin'ny Septambra izay nahazo jery maherin'ny 460.000 teo amin'ireo sehatra ireo.

Tao amin'ny rantiny, nandresy lahatra izy fa tokony hanapa-kevitra amin'ity raharaha ity ny Kongresy Breziliana ary milaza ny fotoam-pitsarana Tampony ho “fikasana hafa hamelezana ny zo hiaina”. Iray amin'ireo vondrona mpanao politika breziliana nanandrana nanakana zazavavy 10 taona tsy hanala zaza ara-dalàna taorian'ny nanolanan'ny dadatoany azy tamin'ny taona 2020 i Antunes. Tamin'izany fotoana izany, nivory teo ivelan'ny hopitaly ireo vondrona mpandala ny nentin-drazana manohitra ny fanalan-jaza mba hanao fihetsiketsehana sy hivavaka.

Avy eo dia misy ny hafatra avy amin'ny Brasil Paralelo, orinasa mpamokatra horonantsary fandrakitra sy fandaharanasa mpandala ny nentin-drazana izay mikendry ny ho lasa “Netflix elatra havanana.” Nandoa farafahakeliny 2.000 BRL (eo amin'ny $397 USD eo) ny orinasa mba hanosehana doka maromaro amin'ny fampianarana an-jotra momba ny fanalan-jaza.

Tao amin'ny iray amin'izy ireo, nilaza ny Brasil Paralelo fa manoloana “ity olana mampiady hevitra ity” sy ny didim-pitsaran'ny Fitsarana Tampony efa akaiky dia nanapa-kevitra ny orinasa hanome fahafahana miditra malalaka amin'ny kilasy fanokafana ny taranja “Ny fanalan-jaza: iza no tena lasibatra?” Nilaza ny orinasa fa ny kilasy, izay tarihin'ny lehilahy iray milaza tena fa mpisolovava, dia miresaka momba ny vokatry ny “famadihana ho ara-dalàna” sy ny fiantraikan'ny fanalan-jaza eo amin'ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina eo amin'ny vehivavy izay eo am-panatanterahana fizotram-(pitsarana), ankoatra ny olana hafa.

Brasil Paralelo no namoaka isan-dòka be indrindra ao amin'ny Facebook sy Instagram ao amin'ny firenena — efa nandoa BRL 20 tapitrisa mahery (eo amin'ny $3,97 tapitrisa USD eo ho eo) ny orinasa hatramin'ny nanombohan'ny nitaterana ireo tarehimarika tamin'ny Aogositra 2020. Mbola avo kokoa noho ny fandaniana nataon'ny Governemanta Federalin'i Brezila na tamin'ireo fanentanam-pifidianana izany, toa ny an'i Jair Bolsonaro tamin'ny taona 2022, izay nandany 2,7 tapitrisa BRL ($535,800 USD) tamin'ireo sehatra ireo.

Tahaka ireo horirantavan'ny politisiana, nahita dokambarotra avy amin'ny Repoblikana, antoko mifandray amin'ny Fiangonana manerantanin'ny Fanjakan’ Andriamanitra tena mpandala ny nentin-drazana ny Agência Pública. Nanomboka tamin'ny 20 Septambra, nampiroborobo votoaty tao amin'ny media sosialy ny antoko izay nilazany fa “manohitra ny fanalan-jaza” izy io ary hiaro ny aina “amin'ny heriny rehetra” hatramin'ny nitorontoronina azy ny mpikambana ao aminy. Nahariharin'ny antoko fa “tsy afaka manao lalàna momba ny fanalan-jaza ny STF [Fitsarana Federaly Tampony]”, miresaka ny fanapahan-kevitry ny filohan'ny fitsarana, Rosa Weber, handrindra ny fotoam-pitsarana. ireto avy hatrany.

Mampiseho fampiasam-bola mihoatra ny 100 BRL ($20 USD) ao anatin'ny 24 ora ny angon-drakitra avy amin'ny Meta  — toa mety hitombo ny vola, satria mbola mavitrika ny fanentanana. Tamin'ny tolakandron'ny 21 Septambra, dia efa naseho in-35 000 mahery ny votoaty.

Nosoniavin'ireo mpanao politika enina ao amin'ny antoko ny fanentanam-pifidianana Repoblikana, anisan'izany: Damares Alves, loholona sady minisitry ny Vehivavy, ny Fianakaviana ary ny Zon'olombelona teo aloha tao amin'ny governemantan'i Bolsonaro; Diego Garcia, filoha lefitry ny Vondrona Parlemantera miaro ny fianakaviana sy ny fanohanana ny aina; ary Silas Câmara, filoha lefitry ny Vondrona miaro ny fahalalahana ara-pivavahana sady filohan'ny Vondrona Parlemantera Evanjelika.

Didin'ny Fitsarana Tampony

Resahin'ny ADPF 442 (Fitaovana hifehezana ny tsy fanarahan-dalàna amin'ny fitsipika fototra [ny lalàm-panorenana], laharana 442) ny fanesorana ny fanalan-jaza ho tsy heloka bevava any Brezila hatramin'ny herinandro faha-12 amin'ny fitondrana vohoka. Napetraky ny Antoko Sosialisma sy Fahafahana (PSOL) izany tamin'ny taona 2017. Nifidy ny hanohana ny fanesorana ny fanamelohana ny mpitsara Rosa Weber, izay nisotro ronono tamin'ny volana Oktobra. Mbola manankery ny latsa-batony rehefa miainga indray ny dingana.

Araka ny Fikarohana Nasionaly Momba ny Fanalan-jaza, vehivavy breziliana iray isaky ny fito no efa nanala zaza. Tombanana eo amin'ny dimy tapitrisa eo ho eo ny vehivavy, 18 ka hatramin'ny 39 taona.

Teo anelanelan'ny taona 2012 sy 2021, vehivavy 367 no maty noho ny fanalan-jaza an-tsokosoko tsy voafehy. Ny fanalan-jaza tsy azo antoka no iray amin'ireo antony lehibe indrindra amin'ny fahafatesan'ny reny any Brezila.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.