Satria antomotra ny fihaonamben'ny Firenena Mikambana momba ny fiovan'ny toetr'andro COP28 — izay atao any Dubai amin'ny 30 Novambra ka hatramin'ny 12 Desambra — mbola miady mafy amin'ny karazana fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro i Karaiba. Araka ny tatitry ny Global Stocktake vao haingana, tsy mizotra any amin'ny lalana tokony aleha izao tontolo izao, ary misy ny fepetra maika tsy maintsy raisina hanitsiana izany.
Mihevitra i Petchary, bilaogera monina ao Jamaika sady mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, fa “ilaina ny fitarihana tapakevitra sy manan-tanjona voafantoka tsara, any Karaiba sy any amin'ny toeran-kafa manerana izao tontolo izao:
That leadership needs to drag us back to the straight path, as we seem to be wandering off in different directions. I also feel we are not listening to each other. By ‘we’ I mean all those nations, rich and poor, who will be sitting down from November 30 to December 12, trying to agree.
Mila misintona antsika hiverina amin’ny lalana mahitsy izany fitarihana izany, satria toa mirenireny any amin’ny zotra hafa isika. Mahatsapa koa aho fa tsy mifampihaino isika. Ny ‘isika’ no tiako holazaina dia ireo firenena rehetra, na manankarena na mahantra, izay hipetraka (hivory) amin'ny 30 Novambra ka hatramin'ny 12 Desambra, miezaka ny hifanaraka.
Ao anatin'izany, nalefa tao amin'ny tranonkalan'ny World Wildlife Fund (WWF) ny Taratasy Misokatra ho an'ireo mpitarika ara-politika any Amerika Latina sy Karaiba, nosoniavin'ny vondrona samihafa tsy miankina amin'ny fanjakana, tale jeneraly, manampahefana taloha tao amin'ny Firenena Mikambana, ary mpikatroka. Miaiky fa miatrika tsy tapaka ny fiantraikan'ny krizin'ny toetr'andro mandalo zava-maro manomboka amin'ny rivo-doza tropikaly ka hatramin'ny tsy fanjarian-tsakafon'ny mponina ao amin'ny faritra, nomarihan'ilay taratasy ihany koa ny fanoloran'i Amerika Latina sy Karaiba “ny sasany amin'ireo vahaolana mifandraika indrindra amin'ny krizin'ny toetr'andro amin'izao fotoana izao, amin'ny alalan'ny rohivoary voajanahary toa an'i Amazonia, ny alan'ny Atlantika, […] ny heniheny na ny morontsiraka midadasika izay manankarena tontolon-javamiaina, ary manazava hoe: “Maro amin'ireo fitaovana enti-mihary ireo no mametraka antsika amin'ny toerana voalohany hitarika ho amin'ny tetezamitan'ny angovo madio, ary koa amin'ny fiarovana ny tontolonjavamiainantsika.”
Nitohy ny taratasy tamin'ny fanoritsoritana olana telo lehibe tokony hojeren'ny mpitondra ara-politika ao amin'ny faritra. Ireo “fanovàna” ireo, araka ny nanononan'ireo mpanao sonia azy ireo, no hamaly ireo fanamby erantany amin'ny alalan'ny “vahaolana vaovao avy eo an-toerana”, sy hanampy amin'ny famahana olana midadasika kokoa misandrazona amin'ny faritra, izay miharatsy noho ny fiovan'ny toetr'andro, anisan'izany ny “tsy fitoviana, ny fahantrana, ary ny haavon'ny trosa mampivarahontsana.”
Ny vokatra antenaina fatratra amin'ny COP28 dia ny fampiharana amin'ny fomba azo tsapain-tanana hanafainganana ny hetsika momba ny toetr'andro maneran-tany, hitazonana ny hafanana erantany ao anatin'ny fetran'ny 1,5° Celsius araka ny Dinan'ny Paris, ary hanatsarana ny fiarahamiasa iraisampirenena momba ny fiovan'ny toetr'andro.
Fanovana rafitra angovo
Ny tanjona eto dia ny hahatrarana avo telo heny ny fahafahan'ny angovo azo havaozina maneran-tany amin'ny taona 2030 sy ny tanjona tsy handefasana karbônina intsony amin'ny taona 2050. Na izany aza, mitaky fanoloran-tena iraisampirenena amin'ny loharanon'angovo madio izany, ary manafoana ny solika fôsily — anisan'izany ny fampiatoana fitrandrahana solika sy etona vaovao rehetra — mba hampihenana ny etona mangeja hafanana (GHG) 43 isanjato farafahakeliny amin'ny taona 2030, ary 60 isanjato ambanin'ny haavon'ny taona 2019 amin'ny taona 2035 .
Mbola ho hita ihany raha hiditra hikambana amin'izany ny faritany Karaiba sasany — Trinidad sy Tobago manana toekarena miantehitra amin'ny angovo, sy Goiana manankarena solika sy etona voajanahary vaovao vao hita — araka ny inoan'ny taratasy fa ny fiovana toy izany miankina amin'ny “fanafoanana ny famatsiam-bolam-panjakana momba ny solika fandrehitra, anisan'izany ny fanampiana”.
Anisan’ny tanjona ihany koa ny fampihenana hatramin'ny 75 isanjato ny famoahana etona metanina avy amin’ny solika fandrehitra amin’ny taona 2030, sy ny fampitomboana ny ezaka hampihenana ny famohana etona metanina amin’ny fako 30 isan-jato. Milaza ihany koa ny taratasy mba hanafainganana ny fitaterana tsy misy solika fandrehitra, (sehatra izay tena mpamoaka entona be indrindra), amin'ny alàlan'ny “fampitomboana ny fahombiazan'ny angovo […] ary ny fanaovana ny teknolojia madio ho safidy taka-bidy indrindra, azo idirana sy manintona indrindra ao amin'ny faritra rehetra amin'ny taona 2030.”
Manova ny rafi-tsakafo sy ny fifandraisantsika amin'ny zavaboary
Ny tanjona eto dia ny hiantohana ny fiarovana ara-tsakafo, hanangana faharetana sy ny hampihena ny etona sady manatsara ny vokatra. Takiana amin'izany ny fampihenana ny fanariana sakafo, sy fampitomboana amin'ny sakafo ara-pahasalamana mifototra amin'ny zavamaniry. Mialoha ny taona 2030, hevitra ny hampiroborobo fambolena mahazaka toetrandro, fambolena mateza izay mampitombo ny vokatra 17 isanjato no tanjona — tsy manitatra ny sisintany fambolena ho rohivoary voajanahary — ary mampihena ny etona mangeja hafanana amin'ny fambolena hatramin'ny 25 isanjato avy tamin'ny tahan'ny taona 2020.
Samy tafiditra ao anatin'io fomba fiasa io ny fikojakojana ny tanety sy ny morontsiraka, sy ny fiarovana ny zon'ny vazimba teratany amin'ny fananan-tany, ny fanitarana fomba fiasa mampateza ny tany, ary ny famelomana indray ny rohivoary mihasimba. Hita amin'ny vokatra andrasana amin'ny fepetra toy izany ny fivelomana matanjaka sy mateza kokoa, ny fitomboan'ny tontolon-javamiaina, ary ny fanagadrana ny karbôna.
Ampanovàna rafitra ara-bola
Tena zava-dehibe izany amin'ny resaka famahana ny krizin'ny toetr'andro, indrindra amin'ny traika tsapan'ireo Firenena Nosy kely Andalam-pandrosoana, ho rafitra ara-bola miasa amim-pahombiazana afaka manamafy ny fahaiza-manarabolontany sy mamaly tsara kokoa ny fatiantoka sy ny fahavoazana .
Takìn'ny taratasy ny fanomezana endrika sy ny fampiharana fiasa ahafahana manala ny trosam-panjakana amin'ny alàlan'ny “fitaovana vaovao hamatsiam-bola ireo filàna fampiasam-bola amin'ny fotodrafitrasa hanaraham-bolontany amin'ny taona 2030 raha ela indrindra, mba hiatrehana ireo filàna mifandraika amin'ny toetr'andro”. Ankoatra ny zavatra hafa, notinakiny ihany koa ny mangarahara raha jerena ny fanoloran-tena ara-bola azo raisina ho an'ny toetr'andro, sy fanohanana madiodio amin'ny tanjona vaovao ara-bola maneran-tany izay “mihoatra lavitra ny” 100 lavitrisa dolara amerikana.
Teboka fanampiny ara-pitantanam-bola ny fampitomboana ho avo roa heny — farafaharatsiny — ny famatsiam-bola mifanaraka aminy amin'ny taona 2025, “hampitombo izaitratra ny zara, ny hatevim-bola, ny kalitao ary ny fahazoana miditra amin'ny fanaraham-bolontany, ny fatiantoka sy ny fahavoazana ara-bola”, hampita fitaovana/vola bebe kokoa ao amin'ny sehatra eo an-toerana, ary ny fiantohana fa mifanaraka amin'ny tanjon'ny Dinan'i Paris ny politikan'ny governemanta mba hanamafisana ny fahatezàna, hamerana ny fihafanan'ny maripana ho 1,5 ° C, ary handraisana anjara amin'ny tanjona voajanahary.
Mahatsapa ireo nanao sonia — izay nahitana an'i Diana McCaulay, mpanorina ny Jamaica Environment Trust, Nigel Edwards (tale mpanatanteraka ny Trinidad and Tobago Unit Trust Corporation, ary Racquel Moses, tale jeneralin'ny Caribbean Climate-Smart Accelerator —fa ny tanjon'ny COP28 dia “ny hianteherana hamaliana am-pahavitrihana ny Global Stocktake (Vokatra Manerantany) […] mba hahatonga izany ho kihon-dalana hahatonga ny fahavitantsika manavao ho amin'ny hoavy ara-drariny, tsy misy famoahana etona, mateza sy tsara ho an'ny natiora ho afaka tokoa.”
Hitodika any Dubai ny mason'izao tontolo izao amin'ny 30 Novambra, ary indrindra indrindra ny mason'ny faritra.
1 hevitra
Thank you so much for this translation!
It is appreciated!
Emma