Manao fanairana ireo LGBTQ+ mpikatroka ao Azerbaijan fa mahatsiaro ho voahilikilika ao anaty fitateram-bahoaka ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina queer ao Azerbaijan — indrindra fa ireo trans vehivavy — ary matetika koa misedra tranganà antsojay. Lasa toerana anjakan'ny fankahalana pelaka, fanorisorenana ary fandrahonana herisetra izy noho izany. Milaza anefa ny manam-pahaizana fa iceberg (tendron-dranomandry) fotsiny ireo zava-nitranga voalaza ireo.
Tantaran'ny fanorisorenana
Niharan'ny herisetra ara-nofo tao amin'ny metro tao Baku tamin'ny volana Aogositra 2022 i Karmen, 19 taona. Nofihinin'ny lehilahy iray tao anaty lamasinina indray mandeha, taitra tamin'ny zava-nitranga i Karmen [nanohy nikitika ny taovam-pananahany ilay lehilahy rehefa nisandrazona an'i Karmen teo amin'ny andilany] ka tsy afaka niantso vonjy. “Raha vantany vao nisokatra ny varavaran’ny [fiaran-dalamby] teo amin’ny fiantsonana manaraka, dia nitsambikina aho ka nandositra tsy nijery ny endrik’ilay lehilahy intsony. Tena naharikoriko izany, te-handoa mihitsy aho,” hoy i Karmen tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Nafas (Fofonaina amin'ny teny anglisy), Vondron'ny LGBTI ao Azerbaijan, fikambanana tsy mitady tombontsoa miaro ny zon'ny LGBTQ+ nanomboka tamin'ny taona 2012.
Niatrika fampijaliana ara-batana tao anaty fitateram-bahoaka koa i Derya, 34 taona, taona vitsivitsy lasa izay. Raha nahatsiaro ny zava-niainany i Derya dia nanazava fa tsy nisy nihetsika ny olona tamin'ny zava-nitranga. Tsy nitatitra na nitaraina tamin'ny manampahefana mihitsy i Derya noho ny tahotra valifaty. “Toy ny hoe izay tokoa no tokony ho izy. Tamin'izany fotoana izany, mbola tsy niova tanteraka ny bika aman'endriko ary nitovy tamin'ny lehilahy pelaka aho. Nandalo izany zava-niainana izany noho ny kavina eo amiko fotsiny,” hoy i Derya tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Global Voices.
Noho izany, matetika tsy mandeha fiara fitateram-bahoaka na metro ny vehivavy trans [mpanova fananahana] noho ny antony ara-piarovana fa aleon'izy ireo mandeha taxi.
Aleon'i Derya mijanona ao an-trano rehefa tsy voatery handeha hiasa ary tsy mampiasa fitateram-bahoaka mihitsy, na dia rehefa manao izany aza izy dia taxi no fitaovam-pitaterana tian'i Derya. Araka ny filazan'i Derya, fantatry ny mpamily fiarakaretsaka fa aleon'ny vehivavy mpanova taovam-pananahana mandeha taxi ary matetika mpamily taxi iray ihany no raisin'izy ireo. Mandoa vola bebe noho ny mahazatra izy ireo noho izany. “Izany no mahatonga ny mpamily fiarakaretsaka tia miara-miasa aminay. Izaho koa dia nahazo tolotra mitovy amin'izany, saingy amin'ity tranga ity, matetika aho no very fotoana eo am-piandrasana ilay mpamily iray ihany [satria izy mbola mamita ny diany teo aloha], ka mampiasa Bolt na Uber aho”, hoy ny fanazavan'i Derya.
Misafidy mandeha taxi ihany koa i Hayat Alisoy, 23 taona noho ny sotasota any anaty fitateram-bahoaka. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Global Voices, manazava i Hayat fa “mampiasa fiteny tsy mendrika momba ny bika aman'endriko ny olona, manolotra firaisana ara-nofo, ary manao fihetsika feno herisetra amiko. Mba hiarovana ny fahasalamako ara-tsaina sy ara-batana, matetika mampiasa taxi aho.”
Na dia toa fomba azo antoka hivoahana aza ny serivisy fiarakaretsaka, dia tsy misoroka ny fanorisorenana amin'ny vehivavy mpanova taovam-pananahana izany.
Milaza i Derya fa indraindray, rehefa hitan'ny mpamily fiarakaretsaka fa vehivavy mpanova taovam-pananahana izy ireo, dia miova feo izy ireo ka lasa manao zavatra tsy mety. Mametraka fanontaniana toy ny hoe “Tsy vehivavy ve ianao?” “Ohatrinona ny vidinao?” sy ny sisa. “Manimba ara-tsaina ahy izany. Rehefa mitranga izany dia manana safidy roa izahay: na mangina na miteny mafy, indrindra rehefa lasa fomba miverimberina izany. Raha ny momba ity farany, mifarana amin’ny fifandonana izany”, hoy ny fanazavan’i Derya.
Amin'ny toe-javatra sasany, miatrika voka-dratsin'ny zavatra ataony ny mpamily fiarakaretsaka. Nizara i Tural Yadigar, mpamily fiarakaretsaka any Baku, fa na dia tsy nisedra olana tamin'ny mpandeha vehivavy trans aza izy, dia naheno tamin'ny mpiara-miasa iray izy fa notenenina mady ny mpamily fiarakaretsaka iray miasa amin'ny orinasa tsy miankina iray rehefa avy niteny ratsy ny mpanjifa vehivavy trans ary tsy nety nitondra azy. Taorian'ny fitarainana tamin'ny orinasa sy ny fanakanana ny mpamily tamin'ny fampiharana taxi hafa ny mpanjifa dia nihena ny naoty ary tsy afaka mampiasa ny kaontin'ny orinasa intsony izy.
Fandrahonana mahazatra sy laharana manerantany
Araka ny voalazan'i Vahid Ali, mpikatroka mpiaro ny zon'ny LGBTQ+ izay manara-maso akaiky ny fanavakavahana sy ny herisetra mihatra amin'ireo olom-pirenena pelaka ao amin'ny firenena, anisan'ny fandrahonana mahazatra atrehan'ny vehivavy pelaka anaty fitateram-bahoaka ny fanorisorenana am-bava mifototra amin'ny lahy sy ny vavy, ny fanavakavahana sy ny fanaratsiana manafintohina, ny herisetra ara-batana, ny fanavakavahana, ary fidirana voafetra amin'ny fiara fitateram-bahoaka. Nanamarika i Ali fa na dia mitranga matetika aza ireo zavatra ireo, dia ampahany kely amin'ny tranga ihany no taterina.
“Tranga iray na roa ihany no nambara tamin’ity taona ity. Tena voafetra ny angon-drakitra manokana momba ny fanorisorenana, saingy tsy midika izany fa tsy mametraka olana, mampanahy ny toe-draharaha raha ny marina, “hoy i Ali nanazava, ary nampiany fa mihamitombo ny fankahalana ny vehivavy pelaka (mpanova taovam-pananahana) any anaty fitateram-bahoaka, izay misy fiantraikany ratsy amin'ny fahasalamana ara-tsain'izy ireo amin'ny ankapobeany sy fidirana amin'ny tolotra fototra.
Matetika misalasala handrakitra (an-tsoratra) ny zava-nitranga sy hanao fitoriana ireo niangana tamin'ny herisetra sy ny fanorisorenana noho ny toetry ny tsimatimanota tamin'ireo tranganà herisetra sy fanorisorenana voalaza teo aloha, hoy ny fanazavan'i Ali. “Tsy matoky ireo olona mpanova taovam-pananahana fa hihaino ny olana ny sampan-draharahan'ny fampiharana ny lalàna, na handray ny fitarainany ho zava-dehibe ary hamaha izany.”
Amin'ny fomba fijery ara-pitsarana, tsy helohina ny fanorisorenana eny amin'ny toerana ho an'ny daholobe ao Azerbaijan. Manazava ny mpisolovava Samad Rahimli fa amin'ny raharaha fanorisorenana amin'ny zaza tsy ampy taona ihany no andraikitry ny mpanao heloka bevava. Misy fomba telo amin'ny ankapobeny handaminana ny raharaha fanorisorenana, hoy i Rahimli. “Ny safidy voalohany amin'ny fanorisorenana dia ny mitondra ilay nahavanon-doza eny amin'ny fitsarana. Ny safidy faharoa dia ny fijerena ny raharaha fanorisorenana ao anatin'ny rafitry ny fandikan-dalàna ara-pitantanan-draharaha — raha nitranga teny amin'ny toerana imasom-bahoaka ny fanorisorenana, dia azo raisina ho toy ny fanaon-jiolahimboto madinika izany, ary azo raisina ho tompon'andraikitra amin'ny fandikan-dalàna ara-pitantanana ilay nahavanon-doza. Ny safidy fahatelo dia ny fitarainana amin'ireo andrim-panjakana mitantana ny fitateram-bahoaka [Baku Transportation Agency, Baku Metro ary Azerbaijan Railways].”
Manaiky i Vahid Ali fa mety ho vahaolana ny fanairana ny sain'ny besinimaro momba ny fanorisorenana, sy ny fanekena maika ny volavolan-dalàna miady amin'ny fanavakavahana, ny fanofanana ny mpiasan'ny fitateram-bahoaka sy ny sampan-draharahan'ny fampiharana ny lalàna momba ny fahatsapan-tena, ary, raha ilaina, ny fampahafantarana ireo trangam-panararaotana. “Tena zava-dehibe anefa ny tsy maintsy hanamafisina ny fiarovana ara-pitsarana mba hiantohana ny fiarovana ny vondrom-piarahamonina trans ao Azerbaijan,” hoy i Ali.
Any Eoropa, tanàn-dehibe maromaro, anisan'izany i Londra, Berlin, Vienne, Barcelona ary Cologne, no miasa mba hiantohana ny fitateram-bahoaka ho an'ny rehetra manoloana ny firongatry ny fanavakavahana amin'ireo olona pelaka miantehitra amin'ny fitateram-bahoaka.
Noho izany, misy ireo ohatra fepetra tokony horaisina. Saingy hatramin'izao, tsy misy famantarana ny fahavononana hiova amin'ny governemanta Azerbaijani. Raha misy, mbola manjavozavo ao Azerbaijan ny toe-draharaha manodidina ny zon'ny vahoaka LGBTQ+ sy ny fiarovana. Hita taratra izany tao amin'ny ILGA Europe vao haingana, fikambanana iraisampirenena tsy miankina amin'ny fanjakana miaro ny zon'ny LGBTQ+ sy ny fahalalahana, i Azerbaijan nogisitra tao amin'ny Rainbow Index telo taona nisesy.