Ny foibem-pikarohana ny vokatry ny fifandirana momba an'i Balkan Diskurs no namoaka voalohany ity lahatsoratr'i Kristina Gadže ity ary tao anatin'ny andiany voalohany amin'ny MIR Magazine. Ny MIR, izay midika hoe “fandriampahalemana” amin'ny teny Bôsniaka dia famoahana isan-taona sy sehatra ho an'ireo tanora mpamorona. Ao anatin'ny fifanarahana hifampizara votoaty, dika iray nokiraina no averin'ny Global Voices avoaka.
Rehefa nahatsapa izy fa ny sary no tena fitiavany dia niala tamin'ny asa maha-mpampianatra azy amin'ny Anjerimanontolo ilay Bôsniaka artista, Aida Redžepagić, ary nanokana manontolo ny fotoanany ho amin'izay mitondra hafaliana betsaka indrindra ho azy. Avy amin'ny tanàna kely ao Kakanj izy ary ankehitriny monina any Sarajevo renivohitr'i Bôsnia sy Herzegôvina.
Tamin'ny fahazazàny no nanombohany ny asa ara-javakantony voalohany, talenta nolovainy tamin'ny reniny. Amin'izao fotoana izao dia sarotra ny miala amin'ny asa azo antoka ka hanomboka hiasa ho toy ny mpanakanto manao asa tena, saingy nohamafisiny fa tsy manenina izy.
“Talohan'ny nialako tamin'ny asako dia nieritreritra an'i Aida aho, 50 taona, mahatsiaro ny fitiavany sary fahiny, saingy natahotra ny hiala tamin'ny asany ary tsy sahy nitrandraka mihitsy io ampahany iray tamin'ny tenany io. Tahaka ny nandovàko avy tamin'ny reniko ny talenta ara-javakanto dia heveriko fa nolovaiko avy amin'ny raiko ny fahaizana tsara ny fandraharahana ara-barotra, izay midika fa mazava amiko ny fomba fitantanana orinasa manaraka fitsipika sy fampiasambola araka ny tokony ho izy. Singa tena manandanja lehibe ireo, izay matetika hadinon'ireo mpanakanto “, hoy Redžepagić nanazava, izay namaritra ny tenany ho “mpakasarin-damaody babom-pitiavana ny fakàna sary fanadihadiana.”
Efa nanandrana karazana saripika maromaro izy, tahaka ny fakàna saripika ireo vokatra sy saripika amina mariazy, saingy ny miara-miasa amin'ny olona no nahasarika azy indrindra satria any izy no afaka mamoaka hevitra betsaka indrindra.
Ny olona ampiasaina ho aingam-panahy
Nolazainy fa ny fampianarany dia nahafahany nanomana lesona iray momba ny fakàna sary ho an'ireo mpianatra, izay nahafantarany tanora marobe manan-talenta .
“Sarotra amiko ny hitsonga vitsivitsy amin'izy ireo, saingy ny azoko lazaina dia ny hoe ny fifampiandaniana no zavatra tsara indrindra mety hitranga amintsika tsirairay. Isaky ny mahita matoandahatsoratra tsara iray nosoratan'ny iray tamin'ireo mpiara-miasa amiko aho, dia ravo amin'ny zotom-po mitovy amin'izany, ary teraka tao amiko koa ny faniriana hanao zava-baovao. Heveriko fa raha tsy misy ny fifampiandaniana sy fifandrafiana mahasoa, dia ho ratsy be tokoa isika amin'ny asa ataontsika”, hoy ny fanamarihan'i Redžepagić.
Mino izy fa niroborobo ny saripika tao Bôsnia-Herzegôvina nandritra ny folo taona farany. Ankoatra ny fandraisana anjara amin'ireo fetibe tahaka ny Rovinj Photodays Festival dia mavitrika ihany koa i Aida any amin'ireo tambajotra sosialy ary miisa 15 000 ny mpanaraka ny kaontiny Instagram.
Nanazava i Redžepagić hoe :
Društvene mreže su svakako povećale interes za fotografijom. Često se fotografija stavlja u negativan kontekst kada je stavimo pod ruku s društvenim mrežama, jer automatski zamišljamo beskrajno mnogo ispraznih selfija. Međutim, ja viđam prekrasne izražaje mladih ljudi koji fotografišu prirodu, hranu, portrete, dokumentarnu fotografiju…Hvataju odlične momente i kadrove, a ponekad sve što imaju od opreme je kamera na telefonu.
Azo antoka fa nampitombo ny fahalinana amin'ny sary ny tambajotra sosialy. Manana fironana hihevitra ratsy ny amin'ny saripika ny olona ao amin'ny tambajotra sosialy, satria isika tonga dia mandeha ho azy fotsiny mieritreritra an'ireo fakàna sarin-tena tsy misy fiafaràny. Na izany aza, hitako ihany koa ny fanehoankevitra tsara ataon'ireo tanora izay maka sary ny zavaboahary, ny sakafo, ny sarintany, ny sary fanadihadiana. Tahirizin-dry zareo ho sary ireo fotoana lehibe sy ireo hevitra tsy loabody, ary indraindray ny fitaovana mba ananany dia finday misy fakantsary.
Ao anatin'ireo sariny manokana dia tiany ny maka sary ny fotoana tena izy, marina, ary ireo fotoana tsy niomanana. Amin'ireo fiaraha-miasany akaiky indrindra niaraka tamin'ireo olo-malaza, dia notanisainy manokana ny tetikasany niarahana tamin'ny ambasadoron'i Bôsnia-Herzegôvina ankehitriny any amin'ny Repoblika Tseky, Martina Mlinarević, izay araka ny voalazany dia noraisiny an-tanana ny raharaha ary fomba hafa no nitantanany ny fitifirana sary.
“Tonga tao amin'ny studio i Martina sy Goran namany mba ho alaina sary miaraka. Nandany ora maro izahay niresahana ary nandà tsy hanao sary tao amin'ny studio aho. Ho ahy, tahaka ny efa nahazatra ary nomanina ilay izy. Tiako ny hirakitra azy ireo miaraka. Ny tena atin'ny tantaran-dry zareo. Avy eo aho nanosoka hevitra ny hiaraka amin-dry zareo mandritra ny iray andro any an-tranony ka ry zareo manao ny fanaony andavanandro ihany, toy ny hoe tsy eo aho. Toy izany no famoronana ny tena tantara an-tsary marina fa tsy hoe sary ao anaty studio”, hoy ny fitantaran'i Redžepagić. Andiana saripika maromaro izay nahazoany ny laharana voalohany tamin'ny Rovinj Photodays Festival tamin'ny taona 2020.
Zon'ireo mpakasary any Bôsnia Herzegôvina
Tsy mora ny ho lasa mpakasary miasa tena ao Bôsnia-Herzegôvina. Asehon'ny lesoka ara-pitantanana iray manokana izany ao anatin'ny rafi-pitsarana ao amin'ny firenena. Tahaka izay nasongadin'i Redžepagić, ao anatin'ny fanasokajiana ofisialy an'ireo asa ao amin'ny Federasiônan'i Bôsnia sy Herzegôvina, hatramin'ity taona ity, ny fehezandalàna faha-74.2 dia milaza ny hoe: “Ireo mpakasary nentim-paharazana tsy mampiasa ny teknolojia nomerika”, mampiseho ny fahanterana ara-pitantanana sy ny tsy fahampian'ny fampifanarahana amin'ny fomba fanao ankehitriny ny asany. Nohamafisiny anefa fa tsy voatery ho taratry ny tena zava-misy any an-kianja izany ary tsy voatery ho asa sarotra foana ny fitadiavana asa.
Tsy nionona tamin'ny sary fotsiny ity mpanakanto be fitiavana ity. Folo taona lasa izay, raha ny marina, dia namorona zavakanto tamin'ny fampiasàna fanjaitra izy – zavatra izay lazainy fa tsy azony an-tsaina ho vitany intsony. Toroany hevitra ireo tanora mpakasary izay tsy mbola nahazo mpanjohy azy ireo mba tsy hitady na dia iray monja aza.
Hoy i Aida Redžepagić mamintina :
Fotografija treba biti jedini fokus, publika i klijenti sami pronađu put do vas. I dan danas, neke od meni omiljenih fotografija imaju najmanje lajkova. To nikada ne treba da vam bude mjerilo kvalitete ni uspjeha. Mnogo je bitno odvojiti rad od tog aspekta u današnjem vremenu. Zvuči sebično, ali bitnije je da slušate svoj instinkt nego da se vodite ,,aplauzom lajkova“ i ukusom publike.
Ny fakàna sary ihany no tokony hifantohana. Hahita ny làlany mankany aminao ny mpanjohy sy ny mpanjifa. Na amin'izao fotoana izao aza, ny sasany amin'ireo sary tiako indrindra dia ireo mahazo ny “tiako” vitsy indrindra. Tsy tokony ho maridrefin'ny kalitaonao na ny fahombiazanao mihitsy izany. Amin'izao androntsika izao, tena zava-dehibe ny manasaraka ny asa amin'io lafiny io. Toy ny fitiavantena izany, saingy zava-dehibe kokoa ny mihaino ny fanirianao, toy izay hotarihin'ny tehaka sy ny tiako ary ny zavatra ankafizin'ny mpanjohy fotsiny.