Nifarana tamin'ny 5 Oktobra ny fifaninanana mandry amin'ny tany nentim-paharazana izay karakaraina isan-taona ao amin'ny tananakelin’i Montenegro Brezna Ethno, ao amin’ny trano fandraisam-bahiny ao amin'ny tanànakelin'i Donja Brezna any Montenegro, nahazoana zava-bita vaovao tsara indrindra nahavitana 50 andro nandriana tamin'ny tany. Mpifaninana ao an-toerana no nivoaka ho mpandresy dia i Lidija Marković (23 taona), mpikarakara tarehy avy ao an-tanànan'i Niksic, sy Filip Knežević (23 taona) avy any Mojkovac.
Nambaran’ny mpikarakara tamin'ny Instagram ny fiafaran'ny fifaninanana:
Izležavanje od 50 dana se završilo
U danima “osame” kada se duša sama sa sobom suoči, najdublje se porazmisli o svemu. Bilo je smijeha, plača, molitvi.. Njih dvoje od ukupno dvadesetjedan su ispratili takmičare iz Crne Gore, Rusije, Srbije i Ukrajine. Oboje su odlučili da zajedno stanu na tron i složno uz poruku svim jugoslovenskim narodima i političarima poruče da ljubav i sloga rešavaju sve.
Filip kao dzentlmen prepušta medijsku pobjedu Lidiji.
Tapitra ny 50 andro nandriana tamin'ny tany
Ao anatin’ny andro “manirery” rehefa miatrika ny olany ny fanahy ary afaka mieritreritra lalina amin'ny zava-drehetra. Nisy ny fotoana nihomehezana, nitomaniana, nivavahana… Mpifanandrina miisa roa tamin'ny iraika amby roapolo no nandresy tamin’ireo mpifaninana avy any Montenegro, Rosia, Serbia ary Okraina. Samy nanapa-kevitra ny hiara-hijoro eo amin'ny seza fiandrianana izy roa ary handefa hafatra ho an'ny vahoaka sy ny mpanao politika Yogoslavy rehetra fa dia afaka mamaha ny rehetra ny fitiavana sy ny fifanarahana.
Amin'ny maha-lehilahy manaja tena azy, navelan'i Filip ho an'i Lidija ny fandresena tamin’ny alalan’ny media.
Fanindroa ambin'ny folony izao no nanomboka volana aogositra ity fifaninanana isan-taona ity maneso ny fitsaratsaram-poana mielipatrana amin'ny fahakamoan’ny Montenegrina. Nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra teo aloha tamin’ny fialan-tsasatra amin'ny alalan’ny fandriana amin’ny tany tamin'ny taona 2021 ny fe-potoana 50 andro, izay niitatra efa ho dimy andro na 117 ora.
Tamin'ny taona 2021, 300 euros (manodidina ny 353 dolara amerikana) ny loka ambony indrindra, ary niakatra ho EUR 350 (USD 370) izany tamin’ny taona 2022, raha EUR 1000 (USD 1056) kosa ny taona 2023.
Tamin'ity taona ity, nozarain’ireo mpandresy roa ny loka, saingy nanamafy i Lidija Marković fa tsy resaka vola ihany izy ity, araka ny tatitra nataon’ny gazety Kroaty Jutarnji list.
Ao amin'ny fanambaràna nataony tamin'ny alalan'ny horonantsary tamin'ny andro faha-21 tamin'ny fifaninanana, dia hoy izy hoe:
Došla sam da uživam, da odmorim i naravno trudim se da pobjedim… Pozdrav za one koje misle da se ne kupamo, evo losione i kupke za tijelo. Samo neka oni misle i neka malo vode svoj život.
Novac nikako. Eto moji dolaze ovde svaki dan ođe i bukvalno me mole, daće mi hiljadu eura samo da ustanem, ali naravno ja nisam zbog toga tu već da pobjedim. I naravno ovo je psihološka igra tako da – novac nikako.
Tonga aho mba hankafy, hiala sasatra, ary mazava ho azy fa miezaka ny handresy aho … Te-hisaotra an'ireo izay mihevitra aho fa tsy mandro izahay, eto dia mampiasa shampoing sy lotions hosorana amin'ny vatana izahay. Afaka mieritreritra izay tiany izy ireo ary manararaotra kely ny fiainany.
Tsy resaka vola io. Tonga isan'andro ny ray aman-dreniko ary miangavy ahy hitsangana, nilaza izy ireo fa hanome ahy arivo euros, saingy mazava ho azy fa noho izany no ahatongavako eto. Tonga eto aho handresy. Mazava ho azy fa lalao ara-tsaina ity, ary noho izany, hamafisiko fa tsy vola no resaka.
Nohazavainy ihany koa fa niara-nanala azy tokoa ireo mpifaninana, nilalao mozika, nandihy raha mandry amin’ny tany ary niaritra ny halavan’ny fotoana tsy nampoizina tamin’ny fifaninanana.
Araka ny tatitra avy amin'ny Sampam-baovao Anadolu, nanomboka ny zoma 18 aogositra 2023 ny fifaninanana tamin'ity taona ity, izay 21 ny isan'ny mpifaninana. Araka ny fitsipika, tsy mahazo mitsangana izy ireo fa matory, mamaky boky, mihinana na misotro. Navela hiato kely mba ho any amin’ny trano fivoahana isaky ny adiny valo izy ireo.
Miavaka any Eoropa ity fifaninanana miala sasatra ity ary maneso ny fitsaratsaram-poana ataon’ny Balkana fa kamo ny Montenegrina. Ao anatin'ny fanambarana ho an'ny Balkan Insight, nanazava ny mpikarakara ny fifaninanana Radonja Blagojević fa “Tena fifaninanana ara-tsaina izy io, ary olona mahaliana ireo mpandray anjara” izay manorina finamanana mandritra ny hetsika.