Hodinganin'i Xi Jinping, filohan'ny Shina ve ny APEC raha toa ny lehibe mpanatanteraka ao Hong Kong tsy asaina ?

Sary tahiry an'ny governemantan'i Hong Kong avy amin'ny inmediahk.net. Natrehan'i John Lee ny fivorian'y APEC tany Bangkok tamin'ny taona 2022.

Hampiantrano ny Fihaonamben'ny Asia Pacific Economic Cooperation (APEC) ny governemanta Amerikana amin'ny 15-16 Novambra 2023 izao. Na izany aza, mpitarika roa ao amin'ny vondron'ireo 21, dia ny lehibe mpanatanteraka ao Hong Kong John Lee ary ny filoham-pirenena Rosiana Vladimir Poutine, no tsy tafiditra tao anatin'ny lisitry ny olona asaina.

Ny APEC dia zaikabe iraisam-pirenena mampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra malalaka manerana ny faritra Azia-Pasifika manontolo. Miova isan-taona ny toerana hivoriana amin'ireo mpikambana ara-barotra 21 (tsy ao anatiny i Taiwan).

Nandritra ny lahateny ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 2 Oktobra 2023, rehefa nanontaniana mikasika ny fandaminana ny fanasana dia nilaza ny mpitondra tenin'ny Filankevim-panjakana Amerikana hoe :

Efa nilaza izahay fa ekenay ny adidinay amin'ny maha-mpampiantrano ny APEC anay, saingy tamin'ny fandefasana an'ireo fanasàna dia homenay haja ny lalàna sy fitsipika mikasika ny sazy. Napetraka tamiko io fanontaniana io tamin'ny toedraharaha mahhakasika olona hafa. Nolazaiko ihany koa fa ho tena gaga aho raha toa i Vladimir Poutine, izay indraindray tsy mazoto hiampita ny sisintaniny tato ho ato noho ny tahotra ny ho voasambotra noho ireo heloka bevava an'ady vitany – tena ho gaga aho raha toa izy te-hiseho vahoaka amina fihaonana iray any San Francisco.

Ny ampitson'iny, nilaza tamin'ny mpanao gazety i John Lee fa tsy mbola nahita ny fanasàn'ny APEC izy ary nitanisa fa tsy maintsy nanasa ireo rehetra 21 mpitarika ny toekarena ho any amin'ny Fihaonambe ny governemanta Amerikana.

Ireo tsy nasaina : Vladimir Putin sy John Lee

Tamin'ny Febroary 2022, nanasazy ny filoha Rosiana ny governemanta Amerikana noho ny fananiham-bohitra nataony tany Okraina. Tamin'ny Martsa 2023, namoaka didy fisamborana ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenena noho ny heloka bevava an'ady nataony tamin'ireo ankizy tany Okraina.

Raha ny mikasika an'i John Lee, nosazian‘ny govermenanta Amerikana izy nanomboka tamin'ny 2020 noho ny famoretana feno herisetra nataony tamin'ny fihetsiketsehana mandala demokrasia tamin'ny 2019 tany Hong Kong. Hatramin'ny fiandohan'ny volana Jona, dia nitaky ny fandrarana ny Lehibe mpanatanteraka ao amin'ny APEC ireo mpikatroka an-tsesitany avy any Hong Kong. Anna Kwok, Tale mpanatanteraka ny  Hong Kong Democracy Council, izay any Washington, sady iray amin'ireo “mpitsoa-ponenana” valo tadiavina miaraka amin'ny fanomezana vola ho an'izay mahazo azy maneran-tany noho ny asany fiarovana ny zon'olombelona, dia iray amin'ireo mpiaro mavitrika ny zon'olombelona :

Amporisihiko ny @POTUS hanome avy hatrany ny TSIA henjana sady hentitra amin'ny mety ho fidiran'i John Lee, Filohan'ny mpanatanteraka ao  #HongKong amin'ny CE ao Etazonia hanatrika ny APEC.

Izy no lehilahy nametraka ny vola iray tapitrisa dolara ho an'izay mahatapaka ny lohako.

Izy no lehilahy nandrindra ireo famoretana manerana ny firenana.#BarJohnLee

— Anna Kwok 郭鳳儀 (@AnnaKwokFY) 3 Jolay 2023

Nampahatsiahivin‘i Washington Post tamin'ny faran'ny volana Jolay ilay fanapahankevitr'i Etazonia hanilika an'i Lee amin'ny fivoriana APEC. Hatreo dia niangavy ny governemanta Amerikana ny governemantan'i Hong Kong hamela azy handray anjara amin'ireo dinika ara-barotra.  

Tale Jeneraly John Lee :
“Araka ireo toromarika sy torolalana an'ny APEC, ny mpikarakara dia tokony handefa fanasàna (iray) amin'ireo mpitarika ny toekarena tsirairay.”
“Mbola miandry ny fandefasana ny taratasy fanasàna ho ahy aho.”pic.twitter.com/4wuHV8teP9

— Aaron Busch (@tripperhead) 26 Septambra 2023

Nivadika ho hanihany ireo andiam-baovao mikasika ny fanasàna an'i Lee hanatrika ny APEC raha toa ireo mpampiasa Facebook nihazakazaka nametraka fanehoankevitra manesoeso tao anatin'ireo faham-baovao sy fanehoankevitra mifandraika aminy. Ireto ambany ireto misy fanehoankevitra vitsivitsy mahazatra :

依家根本就係一國一制,香港只係中國嘅小城市,有乜資格去參加國際會議!

Ankehitriny, isika dia eo ambany firenena iray, rafitra iray. Tanàna Shinoa kely fotsiny i Hong Kong ary tsy mahafeno fepetra ho amina fihaonana iraisam-pirenena !

其實人哋美國邏輯上係冇問題,香港係中國嘅一部份,又點會獨立邀請你?

Lojika ny fanapahankevitry ny Amerikana. Anisany ao anatin'i Shina i Hong Kong, koa nahoana moa izy no mila fanasàna manokana ?

加油 繼續等

Ampio solika, dia  mahandrasa.

Ny fanatrehan'i XI Jinping ny APEC

Taorian'ny fivoriana diplomatika avo lenta nihaonan'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Shinoa, Wang Yi, sy ny filankevitry ny fiarovam-pirenena avy amin'ny Trano Fotsy, Jake Sullivan, tany Malte dia marobe no niandrandra ny filoham-pirenena Shinoa Xi Jinping handray anjara amin'ny fihaonamben'ny APEC.

Raha toa i Shina nanomboka nanomana ny delegasionan'ny fireneny ho any San Francisco, i Lee an'i Hong Kong dia nanao antso avo indray tamin'ny governemanta Amerikana tamin'ny 26 Septambra. Ny ampitson'iny, nanampy vesatra i Wang tamin'ny alalan'ny famporisihana ny governemanta Amerikana mba hanatanteraka ny adidiny amin'ny maha-mpampiantrano azy rehefa nanontaniana azy raha toa i Xi hanatrika ilay fivoriana Fihaonambe faratampon'ireo mpitarika amin'ny volana Novambra :

Rehefa nanontaniana momba ny fandraisana anjaran'ny filoha Shinoa amin'ny fivorian'ireo mpitarika ny #APEC ao Etazonia manaraka.

dia nilaza Wang Yi avy any Shina fa vonona ny hamaly ireo hetaheta iraisam-pirenena i Shina ary nitàna ny anjara toerann'ny mpanorina izy ho an'ny fahombiazan'ny fivorian'ny APEC amin'ity taona ity… Etazonia tokony .pic.twitter.com/BJYsQWBS1R

— Serena Xue Dong (@theserenadong) 26 Septambra 2023

Ilay fanambaran'i Wang dia nosokajian‘ireo mpaneho hevitra tao amin'ny haino aman-jery eo an-toerana ho sahala amin'ny famadihana ny fanasàna an'i John Lee amin'ny APEC ho antom-pifampiraharahana eo amin'i Shina sy Etazonia ho an'ny fivoriana APEC manaraka. Nahasarika fanehoankevitra nasionalista tao amin'ny Webo ihany koa ilay vaovao, tahaka ireto manaraka ireto :

禁止香港特首参会,中国应该抵制峰会,不派任何人哪怕是代表参会!…别让国际社会看不起我们!如不能针锋相对以后APEC峰会很可能复制和效仿,遗害无穷! 

 Tokony hanao ankivy an'ilay fihaonambe antampon'ny APEC i Shina raha toa ny filoha mpanatanteraka an'i Hong Kong ahilika tamin'ny fivoriana… Aza avela hanao tsinontsinona antsika ny fiarahamonina iraisam-pirenena. Raha tsy hetintra isika, amin'ny manaraka dia hanao toy izany koa ireo mpampiantrano hafa.

Na izany aza, toa tsy ampy ny fanaingàn'i Wang. Herinandro aty aoriana, ny 3 Oktobra, mbola miandry hatrany ny fanasàna azy i John Lee.

Raha tarafina avy amin'ny lahateny ho an'ny mpanao gazety nataon'ny Filankevim-panjakana Amerikana tamin'ny 2 Oktobra dia tsy azo vinaniana hahazo ny tapakilany mankany amin'ny APEC i Lee.

Ity vokatra ity, na izany aza, dia azo aroso ho toy ny fanazavàna nasionalista ilaina amin'ny mety tsy fahatongavan'i Xi amin'ny fihaonambe manaraka, ankoatra ireo antony hafa :

Hanatrika ny fihaonamben'ny APEC ve ny filoha Shinoa Xi Jinping ary hihaona amin'i Biden any ve izy ? Misy antony sasantsasany mety ho sakana, ny faharatsian'ny toekarena Shinoa noho ny tahotra ny ho mety sanganehana sy ny finoana fa ny fifandraisana eo amin'i Etazonia sy Shina dia hijanona ho mangatsiatsiaka na dia mihaona aza ireo mpitondra. https://t.co/SuhZlq5tk9

— Dewey Sim 沈炜淳 (@deweysim) 2 Oktôbra 2023

Ny tsy naha-teo an'i Xi Jinping tamin'ny fihaonana antampon'ny G20 tamin'ny volana lasa dia niteraka tombatombana tamin'ny fikasana Shinoa hamolavola indray ny fitantanana manerantany. Tamin'izany fotoana izany ihany, i India – mpampiantrano ny G20 sy ny mpifanandrina goavana amin'i Shina any Azia Atsimo – dia nahazo tombony betsaka ary nanamafy ny fitarihany tany amin'ny ilabolantany Atsimo.

Raha tsy mbola nanamafy ny fandraisany anjara amin'ny APEC manaraka i Xi, dia ho avy hanatrika ny fihaonambe kosa i India amin'ny maha-mpanara-maso azy, ao anatin'ny fanantenana ny ho lasa mpikambana ofisialy ao anivon'ny APEC.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.